Andriamanitrao o mifona aminao izahay fa tsy mendr...

1. niryna ( 26/09/2012 23:35)
Andriamanitrao o mifona aminao izahay fa tsy mendrika hiantso ny anaranao akory.Tahio sy arovy ny tanindrazanay mba olo-marina,olonao,voafidinao no hitondra ny firenenay.Omeo fo madio sy saina mahitsy ary hery sy fahendrena avy aminao izy ireo ,Ampio ny olona ao amin'ny firenenay, mba hiverina sy hanompo anao.Firenena nofidianao izahay,nomenao harembe na aty ambonin'ny tany izany na any ambanin'ny tany-
Mangataka fifonana aminao tamin'ireo olona rehetra izay nitondra teo amin'ny fitondrana izahay na inona andraikitra nomenao azy ireo ka tsy nahatanteraka izany fa nivadika taminao na mpitsabo ,na mpitantana ,na mpampihavana ,na mpitsara na mpitondra firenena eny fa na vahoaka tsotra kanefa tsy nahatanteraka izany fa nivadika ny firenenay dia hangatahanay fifonana aminao izany .Omeo andro hibebahana izy ireo Tompo o ka mba hiverina sy tena hitondra ny firenena amin'ny fahamarinana amin'izay.Nosazianao ny firenenay Ray o satria tsy mba niantso anao,eny niantso anao tamin'ny molotra isan'Alahady fotsiny ihany fa maloto fo sy mamadika tanindrazana isan'andro.
Hifonanay aminao izany Tompo o.Omeo hery,omeo tanjaka ary mangataka ny fanahinao masina izahay mba hamonjy ny tanindrazanay ary mba hiverina sy hibebaka amin'ny fonay avokoa izahay rehetra fa Andriamanitra saro-piaro hianao ary mamaly ratsy ny taranaka faramandimby.Manasitrana ny tanin'izay miverina ka mifona aminao koa Hianao ary manome tsodrano ny tarana mifamdimby izay mialokaloka eo ambanin'ny helatraO
Sitrano Ray o ny firenenay ary aza avela ho viravirain'ny amboadia intsony ny firenenay.MIfona,milelapaladia aminao izahay Ray o,sitrano ny firenenay.Sitrano Tompo o fa mijaly ny vahoaka,mijaly ny ankizy,mijaly,mijaly avokoa .
Tahotra sy horohoro no mianjady ny olona.Tsy misy intsony izany fahafahana izany,tsy misy intsony izany fiadanana izany.Mitalaho mafy Aminao izahay Ray o.Ampio ny firenenay .Omeo olombanona izahay hitondra ity firenanay ity.
Amin'ny anaran'ilay Zanakao Malalanao Jesosy kristy no anaovanay izany vavaka izany AMENA!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3248