Nahoana no mbola misy mihevitra fa tapitra eo @fahafatesana ny fiainana?

1. coleman ( 22/08/2012 13:42)
Tsy izay mampetipety ny saintsika na izay tian-tsika hitranga no hitranga fa izay voasoratra ao @baiboly ihany!! Ny Baiboly dia milaza fa misy toerana 2 mazava dia ny helo (fijaliana sy fitomaniana mandrakizay) ary ny fanjakan'ny lanitra (Fiainam-piadanana mandrakiza) ka ny finoana sy ny fandraisana ny famonjena natolotr'i Jesoa kristy ihany no fomba hahafahana manana ny fiainana mandrakizay!

ko nahona no mbola maro no mody tsy te halala izany ? Ankehitriny anefa no fotoana mety mba hisafidianana izay hiafarantsika!

Lazao ny hevitrareo
novalian'i niryna ny 24/09/2012 03:15
2. Maranatha ( 24/08/2012 06:03)

coleman:

Tsy izay mampetipety ny saintsika na izay tian-tsika hitranga no hitranga fa izay voasoratra ao @baiboly ihany!! Ny Baiboly dia milaza fa misy toerana 2 mazava dia ny helo (fijaliana sy fitomaniana mandrakizay) ary ny fanjakan'ny lanitra (Fiainam-piadanana mandrakiza) ka ny finoana sy ny fandraisana ny famonjena natolotr'i Jesoa kristy ihany no fomba hahafahana manana ny fiainana mandrakizay!

ko nahona no mbola maro no mody tsy te halala izany ? Ankehitriny anefa no fotoana mety mba hisafidianana izay hiafarantsika!

Lazao ny hevitrareo

coleman

Mikasika ny momba ny maty ity resaka ity. Tsy hilaza toko sy andininy aho fa hianareo mahafantatra azy.

Ny fanahy aorian'ny fahafatesana: Misy karazana fanahy telo eo amin'ny olombelona.

1- Ilay atao hoe fofon'aina: Io fofon'aina io dia nomena rehefa namorona olom-belona ny Avoindrindra hoy Izy nofofoiny fofon'aina mahavelona ny orony dia tonga olom-belona ilay vovon-tany izay novolavolainy.
Rehefa maty ny olom-belona dia miala io fofon'aina io dia miverina amin'Avoindrindra izay nanome iny. Io ilay ilaina hihinanana hazon'aina.

2-Faharoa ny fanahy iray dia ilay aina mihintsy izay ao anaty rà ilay tsy avelan'Avoindrindra hihinanana rà satria ao aminy no misy ny aina. Io ilay asaina hahidina amin'ny tany rehefa mihinana biby ny olom-belona. Ireo roa ireo ihany koa no hitovizan'ny olom-belona amin'ny biby.

3-Ity farany ity kosa dia ilay antsoina hoe TOETRA io no fanahy izay miakatra ho any an-danitra na ny tsara na ny ratsy. Io dia ao anaty boky no misy azy ka raha ratsy ilay toetranao dia ao amin'ny bokin'ny fahafatesana no mipetraka ny anaranao raha tsara kosa dia ao amin'ny bokin'ny fiainana. Ny fanahy izay manota no ho faty.
mandritra ny fitsarana dia ireo izay voasoratra ao amin'ny boky no hitsarana ny olona.
Ary rehefa tonga ny fitsanganana amin'ny maty dia ireny toetra izay nahafaty an-tsika ireny ihany no hananganana antsika. sambatra izay maty ao amin'ny Tompo eny hoy ny fanahy fa hitsahatra amin'izay nisasarany izy ary ny asany manaraka azy. raha tsara fanahy hianao dia hatsangana amin'ny fiavian'ny Tompo ka hitsena azy eny amin'ny rahon'ny lanitra . Fa izao no lazainay aminareo amin'ny tenin'ny Tompo: isika, izay velona ka mbola mitoetra mandra-pihavin'ny Tompo, dia tsy mba hialoha izay efa nodi-mandry tsy akory. Fa ny tenan'ny Tompo no hidina avy any an-danitra amin'ny fiantsoana sy ny feon'ny arikanjely ary ny trompetran'Andriamanitra, ka izay maty ao amin i Kristy no hitsangana aloha;ary rehefa afaka izany, dia isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina hiaraka aminy ho eny amin'ny rahona hitsena ny Tompo any amin'ny habakabaka; dia ho any amin'ny Tompo mandrakariva isika.

Rehefa tonga ny Tompo dia Averina aminy eo ilay fanahy fofon'aina izay noesorina taminy noho ny fahafatesana sy ny aina ao anaty rà ary ilay TOETRA izay nananany fony fahavelony . Mitsangana izy miaraka amin'ny Tompo.

Ity TOETRA ity na ity FANAHY ity na isika Malagasy aza dia mahalala azy tsara. NY FANAHY NO MAHA OLONA . NY HENDRY (TSARA FANAHY) MODY VOKY FA nY ADALA (RATSY FANAHY ) MANESIKA IHANY. sns....

Ny fampianarana dia maro no miboriaka mampianatra ny fanahy tsy mety maty. izay avy amin'ny Satana. toy ilay nolazainy tamin'i EVA tao Edena hoe tsy ho faty tsy akory hianareo... (raha mandika ny Didin'A/tra) fa lazainy fa hitovy amin'A/tra.

Fa rehefa miala ny fofon'ain'ny olona dia matory izy mandram-pitsangana amin'ny maty na ho amin'ny fiainana na ho amin'ny fahafatesana.

Fanoharana no noraisina mikasika an'ny Lazarosy sy ilay mpanan-karena. Hilazana fa tsy hiino mihintsy ny olona na dia hiisy hitsangana hatrany @ fahafatesana aza .

Ilay jiolahy teo ambony hazo fijaliana ilay nolazain'ny Tompo fa hihaona aminy any amparadisa anio. Mila mijery tsara ny Baiboly fototra nanaovana ny fandikan-teny isika fa io fampianarana mikasika ny tsy fahafatesan'ny fanahy io dia fampianarana niseho t@ 538 ka hatramin'ny 1798 andron'ny fahefana papaly nivoahan'ny fampianaran-diso be dia be noho izany mila mitandrina sy MAHALALA NY MARINA ISIKA ARY NY MARINA NO HANAFAKA ANTSIKA TSY HO ANDEVO (Andevon'ny ota)
Mahereza
3. coleman ( 24/08/2012 13:26)
Manaratah>Misaotra noho ny hevitrao
Ny anampiako izay : Ny baiboly dia milaza fa tsy izay nanao ny tsara fony fahavelony no handova ny fanjakan'Andriamanitra, ary tsy izay nanao ny ratsy teto an-tany no hijaly mandrakizay eny @farihy mirehitra afo sy solifara.
Fa raha misy mihevitra fa izay tsara fanahy no hovonjena dia hoy ny Baiboly : "Tsy misy marina Na dia iray akory aza" (Rom 3/10) ary tsy misy mendrika ny hiditra ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra
Ho an'ireo izay mihevitra kosa fa ho an'ireo tena jiolahy sy mpamonolona ihany zany teny izany no mihatra, dia hoy Jesosy mantsy ilay jiolahy niara nombohana taminy : "Anio no hihaonanao amiko any @paradisa" (Lioka 23.42)

Izaho no fehiny :
Tsy Misy mendrika ny ho voavonjy na dia iray aza.Isika olombelona no mitsara @endrika hivelany fa samy mpanota eo anatrehin'Andriamanitra avokoa raha mbola samy olombelona,na mpamono olona izany na Mpitsabo olona.Ary ny fahafatesana no tambin'ny ota (Rom 6;23)

Fitiavana anefa Andriamanitra ka tsy nahafoy ny nahita ny fanahin'ny olona hiafara any @helo,ary izany indrindra no antony nanirahiny ny zanany dia i Kristy izany mba ho faty hisolo heloka antsika.
Ka ireo izay nanaiky Ny Tompo Jesosy ho mpamonjiny IRERY IHANY no manana anjara amin'ny fanjakan'Andriamanitra.Hoy Jesosy "Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana, tsy misy afaka mankany amin'ny Ray AFA_TSY AMIN"NY ALALAKO"(JAo 14:6)
Izany no nahatonga ilay Jiolahy ho voavonjy na dia ratsy aza izy teto an-tany

Raha tiantsika ny tsy hiafara any @helo, dia tokana ihany ny vaholana Jesosy Kristy IRERY IHANY !! mazava ny tenin'Andriamanitra ary tsy mila adihevitra be izany fa mila raisina Am-pahatsorana fotsiny : "Na zovy na zovy no tsy handray ny fanjakan'Andriamanitra tahaka ny zaza dia tsy ho tafiditra ao" (Marka 10:15)

Ny tompo anie hanazava ny tsirairay ary dia ho maro anie ny Malagasy hiova fo!
Mandrapiresaka!
4. gasyjean ( 25/08/2012 14:01)
"Ny olona rehetra koa tsy voatery hino baiboly ny baiboly dahooloo"nahoana moa no hoe izay voalazan'ny baiboly(kristianina )ihany no marina?.
5. coleman ( 26/08/2012 09:07)

gasyjean:

"Ny olona rehetra koa tsy voatery hino baiboly ny baiboly dahooloo"nahoana moa no hoe izay voalazan'ny baiboly(kristianina )ihany no marina?.

Inona moa no antony nametrahan'Andriamanitra ilay voankazo voarara teo afovoan'ny saha Edena nefa fantany fa mitondra fahafatesana ho an'ny olombelona izany? Mety hanontany tena ianao hoe maninona raha tsy napetraka teo ftsn io dia mba tsy nanota mihintsy ny olombelona?
Tsotra anefa ny antony nametrahana an'io teo : Hanehoana fa tsy manery olona hanaraka azy Andriamanitra fa manome safidy malalaka ny tsirairay izy : Izaho anefa : samy tompon'Andraikitra amin'ny safidiny avokoa.Ary eto ny olombelona dia nisafidy ny hinana ilay voankazo na dia fantany fa hampisaraka azy @Andriamanitra izany ary dia tafiditra tao aminy ny fahotana ary mihatra hatraty amin'ny taranaka fara mandimby ny valin'izay.
2012 taona lasa anefa dia tsy nahafoy ny nahita ny olombelona ho faty Andriamanitra (izay efa sazin'ny olona rahateo noho ilay safidiny voalaza esty ambony) ary dia naniraka ny zanany izy mba "Tsy ho very izay rehetra mino azy fa hanana ny fiainana mandrakizay" Ka mbola safidy ihany no nipetraka t@zay : Na hanaiky an'i Jesosy ny olona na mbola handà azy indray.

Amin'izao vaninandro hiainantsika izao dia tsy misy intsony ny famantarana tahaka ny taloha
hoe Andriamanitra miseho, na fahagagana, etc.... Ny Baiboly sy ny Mpitory azy sisa no hita ankehitriny ary mbola mipetraka mandrakariva ilay safidy hoe : hino ny Baiboly sa tsy hino ny olona.ary zakain'ny tsirairay hatrany ny vokatrin'ny safidiny.

Rehefa ho tonga ny fotoan'ny fitsarana,dia hivelatra sy hibaribary eo anatrehan'Andriamanitra ny fiainan'olombelona rehetra.Izaho anefa : Ho an'ireo izay ninia tsy nino an'i Kristy sy ny Filazantsara teto an-tany dia tsy hisy afaka hiala intsony ary tsy hisy afaka handainga ka hilaza hoe " Tsy nahalala ny fisian'izany baiboly zany aho".
Izaho ankehitriny izao ihany no fotoana mbola tsy tara hanekena an'i Kristy sy ny Filazan-tsara.
Tsy terena ianao hanaiky ny Baiboly saingy raha hisafidy ihany tsy aleo ve misafidy ny Fiainana toy izay ny fahafatesana?
6. niryna ( 13/09/2012 04:21)

coleman:

Tsy izay mampetipety ny saintsika na izay tian-tsika hitranga no hitranga fa izay voasoratra ao @baiboly ihany!! Ny Baiboly dia milaza fa misy toerana 2 mazava dia ny helo (fijaliana sy fitomaniana mandrakizay) ary ny fanjakan'ny lanitra (Fiainam-piadanana mandrakiza) ka ny finoana sy ny fandraisana ny famonjena natolotr'i Jesoa kristy ihany no fomba hahafahana manana ny fiainana mandrakizay!

ko nahona no mbola maro no mody tsy te halala izany ? Ankehitriny anefa no fotoana mety mba hisafidianana izay hiafarantsika!

Lazao ny hevitrareo

Maranatha:

Mikasika ny momba ny maty ity resaka ity. Tsy hilaza toko sy andininy aho fa hianareo mahafantatra azy.

Ny fanahy aorian'ny fahafatesana: Misy karazana fanahy telo eo amin'ny olombelona.

1- Ilay atao hoe fofon'aina: Io fofon'aina io dia nomena rehefa namorona olom-belona ny Avoindrindra hoy Izy nofofoiny fofon'aina mahavelona ny orony dia tonga olom-belona ilay vovon-tany izay novolavolainy.
Rehefa maty ny olom-belona dia miala io fofon'aina io dia miverina amin'Avoindrindra izay nanome iny. Io ilay ilaina hihinanana hazon'aina.

2-Faharoa ny fanahy iray dia ilay aina mihintsy izay ao anaty rà ilay tsy avelan'Avoindrindra hihinanana rà satria ao aminy no misy ny aina. Io ilay asaina hahidina amin'ny tany rehefa mihinana biby ny olom-belona. Ireo roa ireo ihany koa no hitovizan'ny olom-belona amin'ny biby.

3-Ity farany ity kosa dia ilay antsoina hoe TOETRA io no fanahy izay miakatra ho any an-danitra na ny tsara na ny ratsy. Io dia ao anaty boky no misy azy ka raha ratsy ilay toetranao dia ao amin'ny bokin'ny fahafatesana no mipetraka ny anaranao raha tsara kosa dia ao amin'ny bokin'ny fiainana. Ny fanahy izay manota no ho faty.
mandritra ny fitsarana dia ireo izay voasoratra ao amin'ny boky no hitsarana ny olona.
Ary rehefa tonga ny fitsanganana amin'ny maty dia ireny toetra izay nahafaty an-tsika ireny ihany no hananganana antsika. sambatra izay maty ao amin'ny Tompo eny hoy ny fanahy fa hitsahatra amin'izay nisasarany izy ary ny asany manaraka azy. raha tsara fanahy hianao dia hatsangana amin'ny fiavian'ny Tompo ka hitsena azy eny amin'ny rahon'ny lanitra . Fa izao no lazainay aminareo amin'ny tenin'ny Tompo: isika, izay velona ka mbola mitoetra mandra-pihavin'ny Tompo, dia tsy mba hialoha izay efa nodi-mandry tsy akory. Fa ny tenan'ny Tompo no hidina avy any an-danitra amin'ny fiantsoana sy ny feon'ny arikanjely ary ny trompetran'Andriamanitra, ka izay maty ao amin i Kristy no hitsangana aloha;ary rehefa afaka izany, dia isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina hiaraka aminy ho eny amin'ny rahona hitsena ny Tompo any amin'ny habakabaka; dia ho any amin'ny Tompo mandrakariva isika.

Rehefa tonga ny Tompo dia Averina aminy eo ilay fanahy fofon'aina izay noesorina taminy noho ny fahafatesana sy ny aina ao anaty rà ary ilay TOETRA izay nananany fony fahavelony . Mitsangana izy miaraka amin'ny Tompo.

Ity TOETRA ity na ity FANAHY ity na isika Malagasy aza dia mahalala azy tsara. NY FANAHY NO MAHA OLONA . NY HENDRY (TSARA FANAHY) MODY VOKY FA nY ADALA (RATSY FANAHY ) MANESIKA IHANY. sns....

Ny fampianarana dia maro no miboriaka mampianatra ny fanahy tsy mety maty. izay avy amin'ny Satana. toy ilay nolazainy tamin'i EVA tao Edena hoe tsy ho faty tsy akory hianareo... (raha mandika ny Didin'A/tra) fa lazainy fa hitovy amin'A/tra.

Fa rehefa miala ny fofon'ain'ny olona dia matory izy mandram-pitsangana amin'ny maty na ho amin'ny fiainana na ho amin'ny fahafatesana.

Fanoharana no noraisina mikasika an'ny Lazarosy sy ilay mpanan-karena. Hilazana fa tsy hiino mihintsy ny olona na dia hiisy hitsangana hatrany @ fahafatesana aza .

Ilay jiolahy teo ambony hazo fijaliana ilay nolazain'ny Tompo fa hihaona aminy any amparadisa anio. Mila mijery tsara ny Baiboly fototra nanaovana ny fandikan-teny isika fa io fampianarana mikasika ny tsy fahafatesan'ny fanahy io dia fampianarana niseho t@ 538 ka hatramin'ny 1798 andron'ny fahefana papaly nivoahan'ny fampianaran-diso be dia be noho izany mila mitandrina sy MAHALALA NY MARINA ISIKA ARY NY MARINA NO HANAFAKA ANTSIKA TSY HO ANDEVO (Andevon'ny ota)
Mahereza

Tokony tany amin'ny fivavahana ity no natao e
7. niryna ( 13/09/2012 04:43)
coleman:

Tsy izay mampetipety ny saintsika na izay tian-tsika hitranga no hitranga fa izay voasoratra ao @baiboly ihany!! Ny Baiboly dia milaza fa misy toerana 2 mazava dia ny helo (fijaliana sy fitomaniana mandrakizay) ary ny fanjakan'ny lanitra (Fiainam-piadanana mandrakiza) ka ny finoana sy ny fandraisana ny famonjena natolotr'i Jesoa kristy ihany no fomba hahafahana manana ny fiainana mandrakizay!

ko nahona no mbola maro no mody tsy te halala izany ? Ankehitriny anefa no fotoana mety mba hisafidianana izay hiafarantsika!

Lazao ny hevitrareo

Tokony tany amin'ny fivavahana ity no natao.
Ny hoe tsy te ahalala dia toa tsy izay ilay izy,ny hamafin'ny fony,ny tsy finoany no mahatonga ny olona tsy mino.Matetika amin'ny maha olona dia mitady fahitana sy fahagagana amin'ny fiainana vao mino ny olona.
Raha tsy mahafantatra ny olona dia ny toetrany tsara na ratsy no hitsaran'Atra azy ireo,ireo olona talohan'ny nizaran'i kristy ny famonjena.Ny Testamenta Taloha izay niandry ny mpamonjy ka na dia nomen'Atra azy ireo aza izany mpamonjy izany dia mbola miandry izany foana ry zareo hatramin'izao. Ireo izay mafantatra kosa anefa ka minia mandaha na tsy mino dia ny tsy finoany no hitsaraina azy.Tsy hoe ratsy avokoa ny tsy mpino na hoe tsara avokoa ny mpino.Tsy misy izay tsy mahalala ny didy folo eo na mpino izy na tsia,saingy moa ve mino an'i kristy ho Atra velona izy ireo? moa ve mino an'i kristy fa ny famonjena dia avy any amiNy irery? Ny finoana Azy no mahavonjy izay mino Azy.Tsy mino koa anefa ny olona iray raha tsy Atra no manokatra ny fony ary raha tsy izy no manokatra ny varavaran'ny fony Aminy ka mino izay teny nozaraina aminy ary dia manomboka eo ny fiasan'ny fanahy masina aminy.
Ka ny fanahy masina no hampianatra azy ,hitarika ny sainy hibebaka,hampahatsiahy azy ny fahotany ,hitaridalana azy ary hibitsika aminy rehefa manao ny tsy mety izy.
Kristy no nanambara fa angataka ny Rainy izy mba omeny ny fanahy masina ny olona ary io fanahy masina io dia hiaraka aminy mandrakizay.Ka mino aho fa mbola tsy misokatra ny fony andray an'i kristy ka izay saimpantany sy izay zavatra hiainany dia mahatonga azy handaha izay voasoratra ao anaty baiboly ary mazava ho azy fa ho laviny avokoa izay voasoratra satria tsy hinoany.

Mila mitandrina isika,averiko indray fa ao amin'ny fivavahana ao dia marobe tokoa no mizara izay saimpantany sy noratoviny ka manodina ny tenin'Atra hivoana ao anatin'ny baiboly. oops
8. mirananirina ( 13/09/2012 07:51)

Tsy izay mampetipety ny saintsika na izay tian-tsika hitranga no hitranga fa izay voasoratra ao @baiboly ihany!! Ny Baiboly dia milaza fa misy toerana 2 mazava dia ny helo (fijaliana sy fitomaniana mandrakizay) ary ny fanjakan'ny lanitra (Fiainam-piadanana mandrakiza

ohatra omeko anao fotsiny ny hindou!!dorony ny azy ny faty satria mino izy fa vita hatreo ny fiainany vovoka sisa!
Tsy hoe izay mampetimpety ny sain'olombelona fa izay finoany araka ny firenena ts11 avy io!Betsaka ny olona tsy mino io baiboly io satria olombelona toa azy ihany no nanoratra an'io dia aleony mino ny tenany.Ka inona no hanomezana tsiny azy ireo? Tano mafy ny finoana ao amitsika fa na izy ireoi koa aza dia manenjika atsika hoe aiza izay Atra hinoan'ireto eo?Rehefa atsoina ve io dia tonga na mamaly azy, sns e!I Jesoa zanak'olombelona ve dia lazain ireto hoe zanak'Atra?Isika anefa mino fa zanak'Atra i Jesoa na tsy nahita aza isika
9. coleman ( 13/09/2012 09:21)
ka eo ndrindra ilay olana: Isika nge tsy hoe manome tsiny ireo tsy mino e: Ny tanjona dia ny hitaona azy handray ny famonjen'i Kristy.Rehefa tena tsapanao mantsy izany hoe voavonjy sy voavela heloka izany dia tsy mandry ny eritreritrao raha mahita ny hafa mizotra mankany @fahafatesana.Raha ho avy ny fotoana hananganan'ny Tompo ny maty tsy ho zakanao ny hahita ny havanao ho very noho ny tsy nahalalany an'i kristy.Koa izany no tokony hanararaotantsika ny isan-tsegondra hiainantsika mna hitoriana ny filazantsara.Hoy ny baiboly hoe lehibe sy malalaka ny varavarana miditra mankany amin'ny fahaverezana.Ka iza no afaka hitondra fahazavana eto amin'ity tany maizina ity raha tsy isika kristianina?
Anjaran'ny olona no manapakevitra hoe hanaiky na tsy hanaiky.Milaza anefa ny baiboly fa ho loza no anjaran'ireo izay nandre nefa tsy nanaiky ny famonjena natolotr'i Kristy ka nanamafy ny fony fa ny Adidintsika dia ny Mitory ny filazantsara @olona rehetra
10. sitlo ( 14/09/2012 01:37)
Izao izany ilay hoe kendan'ny voamanga nasesiky ny tanany sà?

Aza mikorapa amin'izay fianana any ankoatra izany ry coleman fa manaova ny soa sy ny mety fotsiny, dia raha tsy faly amin'izay Andriamanitra dia azy ny azy fa afaka adidy amin'ny fatana ianao.
11. coleman ( 14/09/2012 17:08)

sitlo:

Izao izany ilay hoe kendan'ny voamanga nasesiky ny tanany sà?

Aza mikorapa amin'izay fianana any ankoatra izany ry coleman fa manaova ny soa sy ny mety fotsiny, dia raha tsy faly amin'izay Andriamanitra dia azy ny azy fa afaka adidy amin'ny fatana ianao.

Ny ahy nge efa hananako antoka ny mandrakizay-ko e,ary milaza aminao aho fa aleoko lavitra miaina fangirifirina mandritra ny 70 taona eto an-tany toy izay hiaina izany mandritri'ny fotoana TSY MANAM-PAHATAPERANA.Fa "ny mampikorapa" ahy arakin'ny teninao dia tsy izay hiafarako akory fa ny hitaona ny olona tahaka anao hiverin-dalana tsy ho any amin'ny fahavarezena mandrakizay.
Na tinao nge na tsy tinao, tsy maintsy hiala eto isika e.Ary raha ity tany fandalovana ty no nanorenanao ny fiainanao fa tsy mba nihevitra izay hiafaranao MANDRAKIZAY akory ianao dia malahelo aho milaza aminao fa fatiantoka izany.
Nisy mpanan-karena anakiray ao anaty baiboly ao nanangom-bola nandritrin'ny taona maro satria izay no noheveriny fa hahitany fiadanana.Izao anefa no lazain'Andriamanitra taminy: "Ry adala, anio alina no halaina aminao ny fanahinao, ka ho an'iza izay zavatra noharinao?" (Lioka 12:20).
Mety tsy mino an'Andriamanitra angamba ianao noho ny tsy hanananao famantarana? mety hitanao fa tsy mamaly anao angamba Andriamanitra ka izany no hahasahianao mamoka teny tahakin'ny hoe "raha tsy faly amin'izay Andriamanitra dia azy ny azy".Mbola mangina tokoa izy satria mbola fotoanan'ny famindram-pon'Andriamanitra izao fotoana hahavelomanao izao.Ary manam-pahefana izy ny haka ny fanahinao na dia amin'izao fotoana hamakinao ity teny ty izao aza.Raha mbola tsy manao izany anefa izy dia tsotra ny antony: Mbola tsy tiany ho very ianao, mbola tiany handray ny famonjen'i Kristy izay maty nisolo heloka anao teo ambon'ny hazo fijaliana ianao.arakin'ny teny hoe "Anio, raha hihaino ny feony ianareo, Aza manamafy ny fonareo tahaka ny tamin'ny fahasosorana." (Sal. 95 7, 8).
Io Andriamanitra mangina ankehitriny io anefa dia mbola Hitsara izao tontolo izao amin'ny voninahiny ary ny firenena rehetra dia tsy maintsy handohalika eo anatrehany avokoa.Amin'izany dia ho maro ny olona izay hitomany ka hanenina mafy noho ny tsy nandraisany ny filazan-tsara teto an-tany.Raha amin'izany fotoana izany anefa izy no hibebaka dia efa tara loatra ka tsy hisy famindram-po ho azy intsony na higogogogo hitomany eo aza izy satria tsy nandray an'i Kristy fony izy teto an-tany ary mazava loatra fa ho loza ny hiafarany.
Koa enga anie hahay hanararaotra ny androm-piainanao ianao hibebahana sy handraisana ny famonjen'i Kristy mba tsy ny fahatezeran'Andriamanitra no hilatsaka aminao sanatria indray andro any ka tsy ilay noteneninao iny no hitsarana anao raha ho tonga ny fitsarana.
Mahereza ary ary Raiso ny Tompo dieny mbola tsy tara fa mbola vonona izy hamela heloka anao sy hitary-dalana anao fa hoy izy: "Indro, efa mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandondòna; raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy amiko. Apokalypsy 3,20".Ny tenanay koa dia handohalika hivavaka amin'Andriamanitra mba hitaomany anao handray ny famonjeny sy ny famelan-keloka .mahereza.
12. didi10 ( 17/09/2012 11:22)

sitlo:

Izao izany ilay hoe kendan'ny voamanga nasesiky ny tanany sà?

Aza mikorapa amin'izay fianana any ankoatra izany ry coleman fa manaova ny soa sy ny mety fotsiny, dia raha tsy faly amin'izay Andriamanitra dia azy ny azy fa afaka adidy amin'ny fatana ianao.

Kay!!!!!
zay zany le hoe faly enao bon tsy faly enao je m'en fou
13. niryna ( 24/09/2012 03:15)

gasyjean:

"Ny olona rehetra koa tsy voatery hino baiboly ny baiboly dahooloo"nahoana moa no hoe izay voalazan'ny baiboly(kristianina )ihany no marina?.
Ny marina no anafaka anao ka.Mizara ny tenin'Atra fotsiny ny olona fa anjaranao irery no hino na hanamafy fo
Mahereza mijerijery eto e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6546