Iza no tena mpanaradia an'i Kristy

41. leva2 ( 09/08/2012 21:30)
Velona Jesosy!

Tena mampalahelo ahy ianao namana jojo3t.
Ataoko hoe tsy namaky izay nosoratako ianao, tsy dia izany loatra, fa ny vavahadin-tsainao mihitsy no efa mihidy sy fehezin'ny fampianaram-piangonanao; hany ka tsy vonona, na afaka hiezaka intsony hahatakatra izay ambaran'ny Soratra Masina.

Tadidio fa hevitry ny Soratra Masina ireo nomeko ireo fa tsy hevitro mihitsy, momba ny halalin'ny firaisan'i Kristy Jesosy sy Andriamanitra Ray, ka antony mampitovy ny mivavaka amin'i Jesosy sy amin'izy Ray.

Raha ny amiko indray dia fantatro izay inoako namana jojo3t. Ka tsy ianao mihitsy no andeha hiteny amiko hoe tsy mety ny mivavaka amin'i Jesosy fa izao no izy, nefa izaho izao no efa mahita sy miaina ary mahalala fa mihaino ahy Izy, mamaly vavaka ahy Jesosy.

Hivavaka ho anao aho namana jojo3t ny mba hanilovan'ny Fanahy Masina anao ahatakaranao ny tena hevitry ny Soratra Masina. Fa matoa mbola omen'Andriamanitra fotoana ianao dia mbola tiany ary mbola miala nenina aminao izy.
42. jojo3t ( 10/08/2012 05:06)

leva2:

Velona Jesosy!

Tena mampalahelo ahy ianao namana jojo3t.
Ataoko hoe tsy namaky izay nosoratako ianao, tsy dia izany loatra, fa ny vavahadin-tsainao mihitsy no efa mihidy sy fehezin'ny fampianaram-piangonanao; hany ka tsy vonona, na afaka hiezaka intsony hahatakatra izay ambaran'ny Soratra Masina.

Tadidio fa hevitry ny Soratra Masina ireo nomeko ireo fa tsy hevitro mihitsy, momba ny halalin'ny firaisan'i Kristy Jesosy sy Andriamanitra Ray, ka antony mampitovy ny mivavaka amin'i Jesosy sy amin'izy Ray.

Raha ny amiko indray dia fantatro izay inoako namana jojo3t. Ka tsy ianao mihitsy no andeha hiteny amiko hoe tsy mety ny mivavaka amin'i Jesosy fa izao no izy, nefa izaho izao no efa mahita sy miaina ary mahalala fa mihaino ahy Izy, mamaly vavaka ahy Jesosy.

Hivavaka ho anao aho namana jojo3t ny mba hanilovan'ny Fanahy Masina anao ahatakaranao ny tena hevitry ny Soratra Masina. Fa matoa mbola omen'Andriamanitra fotoana ianao dia mbola tiany ary mbola miala nenina aminao izy.
Tsara namana rehefa mitompo teny fantatra amin'zany ianao, andininy vitsy dia vitsy ireto omeko ireto : mazava ny tenin'i Jesosy ao amin'ny Jaona 14 : 28 hoe : ny Ray dia lehibe noho izaho, mazava koa ny an'ireo apostoliny : tsy nanakilasy mihitsy izy ireo hoe iray Andriamanitra sy i Jesosy, vakio 1 Pet. 1 : 3 : Isaorana anie Andriamanitra, Rain'i Jesosy Kristy Tompontsika, i Jesosy mihitsy koa no niantso ny Rainy hoe Andriamanitro sy Andriamanitrareo, tsy iray mihitsy i Jesosy fa Andrimanitra no lohany, vakio 1 Kor. 11 : 3: kristy no lohan'ny lehilahy rehetra, ary ny lehilahy no lohan'ny vehivavy, ary Andriamanitra no lohan'i Kristy, tsy hitovy mihitsy i Jesosy sy ny lehilahy, na ny lehilahy sy ny vehivavy, toy izany koa Andriamanitra sy i Jesosy.
Lioka 22 : 40,41 : rehefa tao Getsemane i Jesosy dia niteny tamin'ny mpianany hoe : mivavaha mba tsy ho azon'ny fakampanahy ianareo, dia nihataka izy ary nivavaka tamin'ny Ray hoe : Ray ô, esory amiko ity kapoaka ity, nefa aoka ny sitraponao no atao fa tsy ny ahy. Nivavaka tamin'Ray foana i Jesosy ary nampanao izany ny mpianany koa.
Liola 22 : 69,70 : mipetra eo ankavanan'ny herin'Andriamanitra aho hoy i Jesosy, 70 : nanontany azy ireo mpisambotra azy hoe : zanak'Andriamanitra zany enao? namaly i Jesosy hoe : voalazanareo.

Hamaranako azy dia ity namana leva2 :

Raha mijery baiboly enao dia ataovy ao amin'ny Lioka 11 : 1-4 : misy titre mihitsy io hoe, ny nampianaran'i Jesosy ny mpianany hivavaka :

Alaivo sary antsaina mihitsy hoe enao namana leva2 ity nanatona an'i Jesosy ity dia nanontany an'i Jesosy : 1 Indray andro nivavaka tao amin'ny fitoerana anankiray Jeso, ka nony nitsahatra izy dia hoy ny mpianany anankiray taminy: Mba ampianaro hivavaka izahay, Tompoko, tahaka ny nampianaran'i Joany ny mpianany. 2 Ary hoy izy taminy: Raha mivavaka hianareo, manaova hoe: Ray ô, hohamasinina anie ny anaranao. Ho tonga anie ny fanjakanao. 3 Omeo anay anio ny hanina ilainay isan'andro. 4 Avelao ny fahotanay, fa izahay koa mamela izay rehetra nanao ratsy taminay. Ary aza avelanao ho resin'ny fitaoman-dratsy izahay.

Rehefa avy naka ny toeran'io mpianany io enao namana leva2 dia inona no hataonao avy eo? Hanaraka ny tenin'i Jesosy ve enao rehefa mivavaka sa handà? Gaga ny tenako namana leva2 raha izany no lavinao raha tena milaza hoe kristiana enao.

Zay moa no maha fifanakalozan-kevitra azy, tsy azonareo mihitsy ny toeran'i Jesosy amin'ny vavaka, fa hafangaronareo amin'ny andininy sasany ka mitompo teny fantatra ianareo hoe iray ihany izy sy ny Ray, raha tsy halalinina tsara io tsy ho azo mihitsy fa mionona amin'io andininy io nareo, ilay hevitra maha-iray azy tsy azonareo tsara, efa nazavaiko ihany iny.

Raha izahay aloha, dia mazava fa ny toromarik'i Jesosy ihany no harahinay, ary Andriamanitra ihany no ivavahanay, ary mpanalalana ihany no toeran'i Jesosy arahinay araka ny iantsoan'ny baiboly azy raha ny amin'ny vavaka, ny Andriamanitra ivavahanay dia i Jehovah izay efa nivavahan'ny olony hatrany amboalohany, dia ry Abela, ry Abrahama, ry Noa, ny isaraely rehetra sns, ny apostoly ka hatramin'zao, nivavaka tamin'i Jehovah avokoa ireo ary mahalala tsara fa ho avy ny Mesia hamonjy ny maro dia i Jesosy.

Ka raha ireo no lavinao dia tsy maninona, tsy maninona ihany koa raha hivavaka amin'i Jesosy enao, satria zay no fantatrao fa mety, na noheverinao hoe natorony anao, zay no maha-dinika azy ka samy manaraka izay fantany fa mety rehefa avy ni-dinika toy izao.

Misaotra anao namana leva2.

43. Miharena ( 11/08/2012 05:23)
Mila esprit de discernement na fahaiza-manavaka tsara rehefa mamaky Baiboly sy mijery ireo resaka mampisaratsaraka ny karazana firehan-kevitra mvoitra avy ao izay mety hotanan'ny tsirairay ho fahamarinana tsy azo hozongozonina.

Ny tena azo antoka dia misy ny tsy ampy fandalinana dia maneho hevitra amin'y ampahany ihany ary mampino ny namany ho amin'izany hevitra mandringa izany. Ho an'izay mangetaheta fahamarinana no ahazoana fitoniana ara-poto-kevitra ary tsy azo hozongozonina intsony izy amin'izay fotoana izay. Ary azony porofoina hatraiza hatraiza izany finoana tsy voahozongozina izany.
44. Miharena ( 14/08/2012 04:26)
Famaliana ilay fanontaniana hoe iza no tena mpanara-dia an'i krsity?

Izay mpanara-dia an'i Krsity dia izay mahalala fa efa lasa ny zavatra teo aloha, indro tonga vaovao izy rehetra. Efa niala tamin'ny fitodihana ny lasa izany ireo olona ireo fa efa vaovao tanteraka miaina ny ankehitriny mamiratra tsy azo hozongozonina.
45. lovegod ( 15/08/2012 04:16)
Ny fandraisako ily resaka hoe: "iza no tena mpanaradia an'i Kristy" eto madagasikara dia heveriko fa tsy tokony apetraka io fanontaniana io satria io dia miakina amin'ny tsirairay avy. Raha ny marina dia i Andriamanitra irery ihany no mahalala ny ao am-pon'ny tsirairay avy avy ary izaho tsy afaka hiambo hoe izaho dia mpianatr'i Kristy ary ny hafa tsy izy. Ny antony ilazako izany dia samy miseho ho mpianatr'i Krisry daholo, ny olana lasa ifandroritana ilay anarana Kristy (aty no tena izy e, ny anareo Kristy sandok'e) désolé fa izany no zava misy.
KA MIANGAVY RE OLONA A, RAHA TIANAO I KRISTY KA TE HO MPIANANY IANAO? TIAVO AMIN'NY FONAO MANONTOLO IZY. IZAY DIA AMPY FA
- TSY ILAINA ADERADERA ETSY SY EROA AKORY IZANY,
- TSY ILAINA ITANISANA TOKO SY ANDININY AKORY NY FANAPOROFOANA FA IANAO NO TENA MPIANATR'I KRISTY.

Na izany aza, miombon-kevitra amin'ny namana Universal aho amin'ny filazan'ny tena mpianatr'i Kristy. Aleo mba haveriko eto ambany ny voalazany


universal - 09/08/2012 19:38
Misy lohahevitra telo samihafa ireto izay heveriko fa mitovitovy ihany ny zavatra tiana hambara : « Kristiana filamatra », « Iza no tena mpanaradia an'i Kristy », «Inona no tena hamantarana fa tena Kristianina marina ny olona na fiangonana iray? »

Betsaka ny fanehoan-kevitra nifanakalozana teto, fa ny hevitro no mba entiko. Ny tena kristianina mba azoko tanisaina dia:

- i Rasalama martiora sy ireo namany satria na dia fantatr’izy ireo aza fa hovonoin’ny mpanjaka Ranavalona I aza izy ireo dia nifikitra sy nijoro tamin’ny finoany ry zareo ary niafara tany amin’ny famonoana azy- ireo.
-
i Père Pedro izay tena niasa nanala Malagasy maro tao anatin’ny fahantrana lalina dia lalina ary nanondrotra ireo olona ireo amin’ny mahaolona eo amin’ny lafiny ara-batana, ara-tsaina, ara-panahy ary ara-pihariana. Mba ataovy kely anie ny projection: raha ny fiangonana sy ny mpitarika azy any amin’ny faritra samihafa eto Madagascar no nanao ny nataon’i père Pedro, angamba efa voailika hatry ny ela ny fahantrana ary lasa paradisa kely i Madagascar.

Miala tsiny mialoha raha HS ny voalazako.
46. RBNIR ( 31/08/2012 09:45)
RBNIR

Faly miarahaba sy manasa ny namana rehetra,

Fandaharana ao @ TN TV UHF 471.25 anio alina amin'ny 8h 30.

Samia ho tahin'ny Tomp namana,

Faly miarahaba ny namana rehetra indray,
Raha tsy nahita ianao dia mbola afaka mijery ny alahady 02-09-2012 ho avy izao ao amin'io télé io ihany fa amin'ny 1ora tolakandro fandaharana tsiambara3,

Samia ho tahin'ny Tompo,
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.132