Domy aho rehefa.........

1. 201007jacky ( 19/07/2012 08:46)
Asa na efa henontsika ilay marenina niivavaka tao am-piangonana?

Toy izao ny tantarany............
Nandeha hono izy roa nivavaka tany am-piangonana, ny iray marenina fa ny iray kosa olona tsy misy aretina.
Nony tonga tao dia nantitranterin'ilay marenina tamin'ity namany fa raha mandeha ny hira fidirana hoe "MIARA-MIZOTRA" iny dia mba domy aho sady hitsangana avy hatrany .
Dia nandeha ny vavaka maraina.Nony vita ny vavaka maraina dia niala ireo mpitarika ny vavaka maraina,KA teo am-piandrasana ny mômpera iny indrindra no voadona tampoka ilay marenina ka dia nanandratra ny feony izy irery no sady niantsa ilay hira"MIARA-MIZOTRA".
Taitra ny iray fiangonana , ka indray nitopy tamin'ity voalohany ny maso.
Ny loza dia vao mainka nanondrotra ny feony izy irery , ka na ny mpitarika ny litorjia miteny hibaiko ny olona ny amin'ny hira fidirana tsy henon'ny olona , ka dia farany ,inona no nitranga , nitsangan-tsy nampitsanganina ny iray fiangonana , ary nanara-drenirano ilay miara-mizotra.
Ka dia lasa mpitarika litorjia hafahafa tampoka ilay marenina satria isaky ny voadona izy dia hihira ihany , eny fa na dia teny an-dalana aza raha vao misy mahavoadona dia MIARA-MIZOTRA hatrany,

Aza manody anie izany.......
novalian'i dadabe ny 12/09/2012 02:13
2. JOSIAH ( 25/07/2012 18:39)
3. dadabe ( 12/09/2012 02:13)
link text
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4534