fanabeazana hoe?? fa inona izany?

1. ledala ( 17/06/2012 21:01)
Fa inona moa izany hoe fanabeazana izany e?
ny mpampianatra mitokona ve sa ny fanjakana ..., ny sekoly tsy miankina miorina etsy sy eroa tsy mahalala izay pedagogie akory, ireo mpianatra migrevy fa tsy misy mpampianatra sa ireo tsy nahazo boursa, ingenieur agro lasa manao sofera taxi ve, pharaon club? sa club satanika? ankizy mirenireny sy miteny ratsy eran'ny tanana, misy manendaka mitsy aza ny sasany?? manapahaizana ambony lasa mangalatra sy manao risoriso rehefa mahazo toerana?? sa ireo izay nangalatra ny takela by teny amin'ny arabe rehetra? ......sa inona?????
novalian'i ledala ny 15/08/2012 19:29
2. hery ( 19/06/2012 06:53)
Angamba afangaronao ny fanabeazana sy ny fianarana

Misy olona tsara taiza, nahazo fanabeazana tsara, na dia tsy nahita fianarana firy ara. Betsaka ireny any am-banivohitra ireny no tena mahay miaina tsara.

Ny resaka hoe olona nahita fianarana lasa mpangalatra sns dia angamba tsy resaka fanabeazana loatra satria olona mety tsy nahazo fanabeazana mihitsy izy fa nahazo fianarana fotsiny.
3. mirananirina ( 19/06/2012 07:25)
Tsy dia mazava marina ilay fanabeazana eto??Ilay hoe mpampianatra mitokona??Tianao tenenina ve hoe tsy manabe na mpanabe izy ireo???Amiko fanabeazana raha toa ka hahasoa ny mpianatra no antony itokonany!
Ny fanjakana indray,tsy hitako hoe fanabeazana @ ahoana moa ny fanjakana?Hanabe ny vahoaka ve??Izy ireo no tokony arahina ve sa inn?
Tsy ao anatin'ny fanabeazana amiko ny fitokonana satria mitaky ny zony izy ireo matoa mitokona fa tsy hoe ande higafy na hangalatra!
Ny ray aman-dreny ihany no siora fa manabe ny zanany araka izay azony atao(mivavaka,scout,ireo tafika masina,fianarana,sns....)
4. ledala ( 19/06/2012 21:53)
Tena mazava tsara aminareo le olana dia ny hoe: fa inona marina zany hoe fanabeazana???
fanamarihana:- EPP= (Ecole Primaire Piblique) sekoly fanabeazana fototra;
- fanabeazana ho olom-pirenena , .....
5. mirananirina ( 25/06/2012 07:29)

ledala:

Tena mazava tsara aminareo le olana dia ny hoe: fa inona marina zany hoe fanabeazana???
fanamarihana:- EPP= (Ecole Primaire Piblique) sekoly fanabeazana fototra;
- fanabeazana ho olom-pirenena , .....


Izay mht no dikany ,fanabeazana ary ny mpampianatra mpanabe.Izany hoe manabe araka izay azony ataony izy ireo fa ny raiaman-dreny ihany no tena mpanabe ny zanany.
6. ledala ( 15/08/2012 19:29)
ka aiza zany ny toeran'ny fiaraha-monina, ny fiangonana, ny mpitsabo, sns.... sa vitan'ny Ray aman-dReny sy ny mpampianatra irery izany?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4181