You are here: home > Forum

Ny olan'ny fanabeazana amin'izao fotoana izao.

Lohahevitra : Fanabeazana
Fitohizan'ny hafatra : Ny olan'ny fanabeazana amin'izao fotoana izao.
Valiny : 3
201007jacky - 15/05/2012 14:56
Amin'izao vaninandro iainantsika izao dia hita sy tsapa fa mihamitotongana ny lafim-pampianarana , fa indrindra ny lamin-kevi-pampianarana na "système éducatif". Maro dia maro tokoa ireo antony mahatonga sy mety mahatonga ireo olana ireo.
Voalohany indrindra , araka ny hevitro sy ny zava-misy ankehitriny , hita mibaribary ireo fitokonana ataon'ny mpampianatra izay marina fa mitaky ny zony . Ny anton'ny fitokonana moa iarahantsika mahalala fa noho ny fahatsapan'izy ireo fa tsy ampy ny zo tokony hananany,...
Manoloana izany anefa dia tsy vitsy an'isa, iarahantsika mahalala ireo mpianatra amin'ny sekolim-panjakana , izay antenaina ho avin'ny firenena , tonga any an-tsekoly fa tsy mianatra.Varavaran-tsekoly mihidy no vantanina ; ny sasany moa faly noho ny tsy fianarana , fa ny sasany izay mahatsapa ny fahasahiranan'ny ray aman-dreny kosa tena malahelo izay ho aviny
(Mbola hitohy ...)
Valio | Miverina eny ambony
mirananirina - 22/05/2012 16:15
Ny ahy indray ny fahitako mampitotongana ny fampianarana,ity ki antrano antrano!!!na misy na tsisy diplaoma ilay olona dia mahazo mampianatra rehefa mahafantatra ny talé ny fampianarana!!hany ka ambany dia ambany ny niveau ny ankizy(surtout français)nanomboka maternelle ka hatr@ terminal ve ny fianarana no en français dia tsy mahay miteny frantsay ny ankizy ,nefa natao en français daholo ny rehetra!!!Mampalahelo.
Efa tsy fidiny t@ andronay gasy daholo ,vahaolana ,valiny asamarika,fahalalana tsotsotra sns...faribola,efamira grrrrrr,tonga 6 è,teny vaza daholo????fanina mht izahay.
Valio | Miverina eny ambony
hery - 19/06/2012 08:56
Ny momba ny fitokonana amiko dia resaka politika avo lenta. Samy mampiasa ny hery eo am-pelatanany ny tsirairay. Misy ny mampiasa basy sy tafondro. Misy mampiasa vola. Misy mampiasa vava. Dia izay afaka mitokona, mampiasa fitokonana.

Ny olana fotsiny dia amin'ny toerana misy demokrasia no mahomby ny fitokonana ka mety ho lany andro fotsiny raha amin'izao fitondrana ao Madagasikara izao no mitokonna.

Valio | Miverina eny ambony
ledala - 20/06/2012 00:12
raha ny momba ilay grevy izay miatraika amin'ny fampianarana indray dia sarotra tokoa izy io: misy resaka politika politisiana tokoa ao anatiny ao ,fa ao ihany koa ny tena fijalian'ny mpampianatra (miasa mafy de mafy nefa ny karama ambany), etsy an-daniny ny fanjakana milaza fa tsy manam-bola de eo....asa raha ahoana ny fanadinana na ahoana?
Valio | Miverina eny ambony