You are here: home> Forum

Isika GAsy ve olona mahafinaritra marina?

Lohahevitra : Fivavahana, finoana
Fitohizan'ny hafatra : Isika GAsy ve olona mahafinaritra marina?
Valiny : 14
coqauvin - 24/04/2012 13:04
Izaho tsy sanatria miteny hoe tsy tia gasy aho, fa hitako kosa fa
betsaka ny zavatra tsy manjary amin`ity firenena ity sy amin`ireo
fomban`ireo gasy sasany (sasany hoy ahy, marihiko tsara).

Ny tsy tiako amin`ny toetrantsika malagasy:

1. Matikambo, no sady miseo ambony no ny sasany. Tsy mahay manaja olona ary tsy koa mifanaja na manaja ny tenany!!!

2. Manana toetra (indrindraindrindra moa isika avy eto ampivaon-tany
eto) no sady tsy mahay miteny tsotra fa manao be foho ambadika dia avy
eo ilay izy, hafa ny fivaokany, Aleoko lavitra mihitsy miafy amin`ny toetra ny
tanindrana (merina ny tenako fa aleo izany hazava tsara) satria marina fa
miakatra tena miakatra ry jareo rehefa tezitra, kanefa izao: efa lasa an`iny vavabe iny daholo ny ahatezerana, any ka kelikely ny chance hoe hivadika habibiana, ankasoparana na famonoana ilay hahatezerana (ny tambabe sns ireny anie rehefa mandinika anereo, etop ampivaony eto no tena feno). Tsara
izay, satria dia lasa amin`iny daholo ilay frustrations fa tsy amano
aotran'isika avy aty ampivaon-tany ireto.

3. Tsy marom-potaona : Isika rehetra izay efa nanao rdv amin`ny olona
eto, firy no olona efa tara 1 heure (sahiko milaza hoe 40%), firy no
tsy toga am-potoana (25%). Izho aza sendran'na agence immobiliere izay
tsy tonga nefa nisy fotoana izao, de plus, ilay olna tsy mahay miantso
akorony. Izany ny vokatry ny fitaizana malagasy !!

4. Miseo mahay mitaiza nefa isika ireto no olona tsy mahay mitaiza
zaza indrindra. Satria nahoana? Manery ankizy, manakatsakana ary
mandatsa mihitsy aza ny fianakaviana sasany. Nisy fianakaviana iray
izay, manam-bola ry jareo kanefa, tena mampalahelo no mahita fa ilay
zanany lahy latsaina aotran`ireny inona ireny, vao amano faute dia efa
lasa ny vavan`ilay rainy. Mahagaga, nefa izany olona tena azo atao hoe
misy vola mihitsy, fa dia ny fiainana dia tena diso gasy be
loatra..ilay mandatsa sy manatsatso moa izany.
Ny tao amin`ny finakaviana iray izay indray, nisy ankizy izay
naratsian'ny havany diso be loatra ka nolazainy hoe 'dondrona, tsy
mahay' amin`na fomba detourne moa izany fa tsy direct. Inon hoy
ianareo? Ny zafikel`nireo olona (ireo zafikely tiany indrindra moa
ireo) ireo izay no lasa sanaitria nisy voa ny sainy, ny sasany, tsy
tafita fa nihetry teo, ilay iray tiany be izay aza (ilay iray lazainy
hoe ho lasa lavitra ndry ty blablabla), alikain`ny olona any Frantsa
any, no sady ratsy fihianana. Ilay olo naratsiana anefa, tsy naninona fa dia azo atao hoe lasa alavitra.

5. Ny lehilahy gasy (lehilahy ny tenako fa lazaiko eto mihitsy) indray
dia amiko MATCHO !! Misy an`izany situation izany hoe rehefa hoe lehilahy samy lehilahy dia hay ery no miarahaba kanefa ny
vehivavy tena ignorer-na totalement!! Izany hoe rehefa vehivavy ve ilay olna dia hoe tsy mahavita azy sa hoe tokony handamin-trano?? Satria amiko, ny lehilahy manao an`izany, dia sady tery saina, no ambany fisainana. Izany zao koa dia tsy inona fa ny vokatry ny
'education gasy', izay mi-vategoriser olona miankina @na critere izay tsy mitombona!! Gasy aho, Lehilahy ny tenako fa sahiko no miteny hoe tsy manjary mihitsy ny fitaizana eto amintsika!!

6. Lafony fitaizaina ihany. ny ray aman dreny gasy tsy mahay mahatoky an`ny zanany, tsy mba manome
an`izany atao hoe 'responsabilites' izany, na izany hoe 'confiance en soi' izany. NOho izany ka na 30 ans aza
ilay zaza, dia mbola traiter-na aotran`ireny zazam'na 12 ans ireny, ka
aizo moa no hanan confiance ilay ankizy e? Rehefa mba hoe tady hamalyna juste hoe hanome hevitra
ilay zatovy dia atao an`ireny hoe 'mangina!' na hoe 'inona koa no
ain'iala' na zavatra mandratra sy maneso aotran`ireny...sa ve lainga ve izany resahiko izany??
Ny tenako mo mba azo atao ihany hoe nanana chance t@ io resaka io fa tena betsaka
ny olona fantatro izany no mbola manao fiteny tsy manjary
aotran`izany, ary io na olona manam-bola y nianatra aza...tena
mahagaga mihitsy hoe fa dia nahoana e?

7. Manana complexe d`inferiorite? amiko io, dia ny fitaizana malagasy
ihany no cause-n'io satria eto amintsika, misy an`izay fisainana
mandreraka izay miteny hoe 'izaho ny ray aman dreny, izao no mampidy
bola, anahy daholo ny fahefana ato amin`ity trano ity' Izay moa no
tena mahavoa an`isika lehilahy gasy e!! Miseo patron be (trano-ko ity, fiara-ko ity!!!) kanefa
olona no sady complexe no ratsy taiza, no en plus koa, mpanalika vady
aman-janaka!!

8. Tery saina. Encore une fois, education no antony. Vao misy hoe
ankizy miteny ireny na vinanto misy mi-contrer, dia efa raisina hoe
'matikambo' ilay izy, hoe mba miseo milay koa iny olona iny na dia
marina aza ny lazainy. Vao mi-critique koa eto, tena tsy tantin`ny
olona mihitsy satria izay ny fomba merina sy bezanonzano sy sihanaka
re olona o.... tsy miteny izay mavesatra fa tazomona ao an-tratra ao.
Ka aiza moa ny olona eto raha tsy mahavita mamono, mikapoka vady,
manao vengeance mihitsy. Dinio agne....mamaky gazety enao, fa tena
rare be izany hoe resaka vengenace na resaka tambabe any Sambava, na
any Ampanihy, na any Mahajanga izany !! fa dia eto ampivaony eto no
tena misy an`io fomba 'lache' io.

9. Tsisy personalite na tsy manana ny maha-izy azy. raha mandinika
isika, isika malagasy tsy dia manana an`izay atao hoe 'hazon-damosina'
izay loatra. Vao misy mamoky, na vao misy miteny hoe 'iny vehivavy iny
agne lesy makosa e', dia eeeffffa miiiino be ery. Izay no ahitana fa
ny Malagasy, tsy manana ny atao hoe 'independance de jugement'. Izao
aza, isika ve mandeha eny an-dalana any, dia mahita olona mampalahelo
mandalo devant an`na zatovo 3-4 ireny, mijorojoro an tsisin-dalana e,
dia mimehy ireo mahita ity ramatao efa mampalahelo ity. Ny mahagaga
ami`isika gasy dia ity. IL n`y en a pas un pour rattraper l`autre,
izany hoe mimehy ny iray, dia mistikanikanina vendrana ny 3 ambony,
satria??? tsy manan personalite mahery, FAIBLE D`ESPRIT, FAIBLE DE
CARACTERE isika Gasy. Aotrany hoe sympa ery isika gasy mivanivany,
kanefa amiko...isika gasy no olona anisa`ny ambany saina indrindra aty
Afrika aty. Ny loza aza...io toetra mivanivany aotran`ny kaondrana io,
dia toetra avy aty amin`y haut plateau no tena maro amin`izy io. Misy
any ambany koa indraindray, fa eto no tena manao ny olona....tena
mahagaga hoe fa nahoana no any indray ny olona no tsara fisainana
(Haveriko fa Merina ny tenako, Merina ny ray amandreniko sns).

10. Tsy serviable no sady tsy "SYMPA". Izao rehefa mivoaka ireny, maro ireo gasy mivanivany sy mimehy @ny tsisy dikany. Sympathie ve sa plutot hamavainan-doha, sa koa ve 'manque de personalite et de caractere" ?? tena tsy nety hazoko mihitsy isika gasy mivanivany @ny tsisy dikany ity fa dia tena gaga aho hoe 'fa nahoana e'. KAnefa raha mba angatahanao service moa izy dia eeeeee.... miaona aotran`ireny inoa ireny indrindradrindra enao manao mihajahaja sy mbola tanoranora. Hita mihitsy hoe 'tananariviens = frustres!!!', frustres financierement, frustre moralement et frustre aussi sexuellement!!!

11. MANANA FISAINANA MAMPIJALY SY MANESO OLONA. HAzavaiko. Nisy olona (fantatro tsara ary namako akaiky be) izay nipetraka t@ toerana somary banlieue lay izy..tety ampivaon-tany taty. tsy fantatra hoe inona ny antony fa nanaovan`ny olona maro toera tsy zaka io lehilahy mbola tanora io...any ka tsaika tsy zakany ilay izy, ka niteraka stress..ary tsaika tena lasa grave mihitsy aza raha tsy tafatsaoka tany ivelany. Ny zavatra tiako marihina dia ity: raha misy olana @ny, naninona tsy notenenina mivantana hoe 'izao lay problema' fa hanaovana toetra maizain-taina aotran`izany ila olona (mandrora, mimehy sy manompa aza)?? Any ka, noho fantany hoe andeha ivelany izy, niantsony lehilahy aamany avy any @ faritra ireto olona ireto dia chaque soir ry zareo misotro rano be sy jus ireny, dia alina tsara eo, mivoaka amin`izay ry zalahy dia mporitra tsara iny dia asian`i ry jareo 'jus de pomme' lay vatovato hipetrahan`ireo olona mpanao oetra maizina....et ca, c`est chaque soir!!! dia ilay olona ratsy toetra koa dia vendrana tsisy saina satria mbola mipetraka eo @lay misy "jus de pomme" be eo ihany. Zavatra 2 no tiako ambara eto:
A: Mba nitady antony ihany izahay fa dia hatramin`izao, tsy fantatra ny antony fa olona sady vodin'omby no maivana moa no maro @lay toerana ka aleo amiko miala dia avela @'ny fahantran-tsaina ao ry zareo.
B: Aza mba manao ratsy olona izany fa mivaly foana izy io. Izao zao, efa taona maromaro izay, nangataka vavaka tany @ fiangonana tany ivelany tany io namako io (izay efa @ ny forme tsara zao), dia ny zavatra nahagaga dia ireo olona nanao toetra ratsy niharan`ny zava-doza daholo. Nisy iray izay moa navadikin`ny fiara tany atsimo tany, nisy roa nisaraka ny ray aman-dreniny, nisy hafa koa maty, nisy hafa ray izay koa nenjera fa tsy maty fa dia velon-dratsy ao fotsiny, nisy iray izay koa... tsalo lahy vizana izay...tena izany koa nanao fanesona be t-at-izany hono..izao, any Anjanamasina no makaina. Ny sasany maro moa, victime ireny crise ny 2009 ireny sy ny consequences-ny die very fivelomana noho ireny ka zao dia lasa olon-tsy vanona any; ny sasany, lasa mivarontena ka lasa hafa baraka ao an tanana ao...izy indray izay no eson`ny olona...ny sasany aza lasa somary very saina eny.

Izay lay hoe...'manaova ny rariny ihany fa mandoha ladouane foana enao na inona na inona'.

12. MIseo mahay FIHAVANANA ...'ny fiavanana no zava dehibe eeee' blabla bla kanefa mbola tsisy olona hitako mifanalika sy mifampifosa no isika Malagasy. Jerevo fotsiny ireny 'reunion de famille' tay ireny re olona o, fa fiatsaram-belatsia no netsaka, fampideraderana paoketra sy fiara ary fitsokolovana fihainana olona'...izay no atao amin`reny. Fihavanana izany amiko, efa zavatra tsy misy intsony izany raha tsy hoe any ambanivohitra be any anga!!

13. MIVAVAKA. Tsy misy maharatsy an`izany mihitsy fa maika aza izany tsara. Fa isika Malagasy dia mivavaka mba ampisehoana fira milay be, ampiedraina lunette gucchi sy ny robe be sy chaussure-ny monsieur Pierre cardin. Sanatria tsy hoe mialona na manenjika olona fa hivavaka any am`Andriamanitra no atao, dia fampiderana fananana ve no ataonao asa?? Ny aho moa, dia aleoko tsy mivavaka mihitsy ehefa eto M/scar eto satria miko mpanota daholo koa no mameno fiangonana. Misy olona maromaro izany fantapantatro, mpanao toera tsy zaka sy toetra tsy mamely (efa noresahiko teo) nefa mivavaka ery Alahady ny andro. Misy havako izay (tsy tononiko eto moa ny anarany), havana akaiky izy io fa dia tratranay manao ody sy malaza hoe mamely olona fotsiny no asany..kenefa au RDV TOUS LES DMANCHES a l`eglise!!! Izany ve no mpivavaka izany?? Izay no antony tsy ampodiako an`ireo zanako eto M/scar (ny karama sy ny condition sns koa ao anatany) satria fantatro fa eto anie ny vehivavy dia mikatsaka lehilahy manam-bola fotsiny no tanjony e....sa ve diso indray aho??

NY tsy hitiavako an`ny Dago indray:

A. Mafy ny asa ary tena stressant nefa kely ny karama (Enao ve raha
miasa hitanao normal hoe olona milelaka--ody ary indray no mahazo
promotion). Tena hita hoe firenena mpanambaka (no sady firenena manaika ho ambakain`ny sasany..olona paiso tsisy ambo mihitsy isika ireto ka) no sady firenena
mpanambany olona no sady firenena tsy manaja olona i Madagasikara.
Normal be mihitsy raha betsaka ny resaka corruption isan karazany sy
ny resaka insecurite atsy sy eroa...ary tena 100% normal raha betsaka
ireo tanora gasy aleony mitsaoka an`ivelany satria tena mangery
mihitsy ity Nosy ity!

b. Vidy pihainana misondrotra kanefa ny karama mi-gele.
c .insecurite
d. crise >> 1973, 1991, 2002, 2009, 20??, 20??, 20??, 20??

e. embouteillage, no sady mandana lasantsy, no mandany vola, no mandany fotoana. Izaho izao, vizana @ny embouteillage vorika eto Tana eto ka aleoko izay azo alefa via internet dia alefa @io daholo. Enao ve hiaritra lalana 2 heures kanefa haka taratasyn'na 10 pages fotsiny no hivoahanao?? Ny ahy dia izay azo atao via telephone, dia atao telephone fa tsy mila mivezivezy izany. Raha lava moa ilay resaka, dia ny ahy via skype (skype koa ny an`ilay olona iray aminio) no iantsoko na via yahoo messenger ireny faireny mba gratuit no sady tsy mila mandeha mivoaka any enao mandany lasantsy sy mampitombo stress fotsiny.

f. ny entana eny amin`ny magasin, marque tsy manjary no betsaka (ex: casino), no sady produit frantsay de basse qualite no mameno ny tanana. Jerevo fotsiny ireny entana any @'ireny grande surface frantsay ireny, fa tena entna tsy hilaina any ivelany no ahondran`ireo eto Madagasikara eto. Raha tsy izany, dia ireo produit arabo sa inona no mameno ny tsena..sans oublier les frippes.

g. condition de travail tsy mamely fa dia miasa fotsiny ny olona satria haninona aza??. ny orinasa eto koa dia tsy maro ary ny akamarohany dia tsy manakarama lafo fa manambaka olona fotsiny. HO anareo
mpianatra Malagasy mbola any ampita izao, tena miteny aminareo ahy hoe
: AZA MIVERINA ETO MADAGASCAR, CA NONNNNNN fa dia ny Karamanareo eto dia karama tsy
manjary sady ny environnement (social, economique etc...) tena ratsy
!! Directeur de la TchatchatchabouboubouKLAKLAKLA ny titre
kanefa plongeur Portugais any Portugal aza mikarama no anareo (raha tsy hoe hiasa tena
anga ianareo eto dia amin`izay, ca vaut peut etre le coup). Aleoka
lavitra miasa any Canada, na any Amerika any, (na toerana hafa koa) mitondra titre assistant
kanefa mikarama 2500-3000 USD par mois!! Iza koa no hody eto Dago eto
handray 500-800 USD par mois, en plus tsy hahavita hanangona fa lany daholo ny karama andoavana jirama, hetra, ecolage, essence etc....

NY zanako izao, tena tsoriko, fa ni-persuader-ko
hoe raha misy ny atao any, dia mijanona any (na hijanona any na
toerankafa raha tsy possible ny aminlay toerana hianarany) satria
erahana mahafantatra fa eto Dago eto, ny karama tsy dia any, condition de
travail tsy dia any, ny opportunite eeee....tsy dia misy e....niady tamiko mihitsy moa ny zanako lahy t@ zay fa zao izy, depuisn`iny crise iny, dia tena niteny tamiko hoe 'misaotra papa fa raha tsy enao, efa tany dago aho zao ary mety efa hafa be ny fiainako raha nody aho' hoy izy.

Ilay izy, hazoko tsara hoe efa ela izy no tsy teo ary anomboka nalahelo fa tena notsoroko taminy fa eto anie, dange be ny fiainana e; eo ny karama ratsy, fa eo koa ny
fisainana nul, ny ody sy ny fialonana sy ny faminganana. Amin`ireo aloha, dia champion i gasikara fa tena
dommage tsy misy guiness des records en ody-gasy sy en
fiatsaram-belatsia fa tena gasy no maharesy eo fa sur a 100%. Isika
eto ampivaony eto mihitsy aza no mahazo anio record io!!

h. Ratsy environnement. Social, jerevo ireny olona mandrehoaka partout
ireny, ireny olona manao maloto en plein jour ireny @ny embouteillages (OUI< CA SE PASSE A TANA, CApitale de madagscar)...jerevo ireo
dalles tsy misarona, jerevo ireo zaoridira, jerevo ny indisciplines, ny krontana, ny fofona diso manitra @ny tanana lehibe.

Tena firenena farani`zay
VORIKA izay nihainako ity Madagascar ity fa tena aleoko angamba
miala eto atsy ho atsy. Ny ahy moa mbola misy zanako ray tavela eto fa tena miheritrerita ahy hoe ho alefako angamba any ivelany @lay environnement efa diso malsain eto..aminizay koa izy mba mizatra ny any dia mba kely ny chance mba tsy hiverenana eto raha tsy efa ela be any indray.

Ny socialy moa tena tsy ao
koa....jerevo ny fisainan`ny olona, jerevo ny fifanajana, jerevantsika
ireo fomba sy fisainana maloto sy devoly ny gasy sasany etsy sy ery (TOkony atao devise ilay hoe :
fanambakana,
fialonana,
faminganana,
fampideraderana
fahaizana ody
fiatsaram-belatsia
eeee re olona o, aiza ilay gasikara mahery vaika, ilay gasikara mbola atahoran`ny afrikana aminy baolina kitra, aiza izany m/scar firenena anisan`ny mandroso t@ taona 1700? aiza ireny zava tsara fahiny ireny re olona o?

i. ny adminsitration tsy any mihitsy. Iza taminareo no mikarakara taratasy na taratasy ho viser-na io na taratasy havaovana trano sns?? Iza no tsy nandinika fa ny administration eto Mdagascar dia :
A. tsy manana sens du professionalisme
B. Tsy mahalala fomba
C. TSy misy an`izany hoe fanajana olona izany fa dia miandrasa eo e... sahalam'ireny hoe tssy atao ny olona fa mapiandrasina aotran`ny alika ireny!!
D. tsy pratique. Misy namako izay mba niangavy photocopie tao @ny ministeran`ny AE, fa dia mbola nasian`ny ry jareo nitady hafa atny ivelany. Fa hono oa..anga tena tsy mety mihitsy hoe mba aha pratique an`ilay zavatra, mba ampiasaina io photocopie io na hoe mandoha vola en plus aza? izay saina maha pratique izay, izay saina hoe misokatra izay...IZAY NO TSY AO AMIN'ISIKA GAsy fa dia isika dia olona sady tery, no maizaina fisainana ny fijeriko azy....sa diso aho ve?

Izay aloha fa ampitomboiko eo ihany y resaka rehefa any ho any....
ianareo koa afaka manampy raha toa ka misy zavatra tsy voalazako...ary
afaka mi critique tsara koa...fa mino ao fa ho betsaka ny olona mi se
sentir vise eto ka somary hanao cocote minute.

Valio | Miverina eny ambony
didi10 - 24/04/2012 15:11
Raha voavelan'ise heloka daholo ireo karazana olona nahatafintohina an'ise ireo dia ho voavela koa ny helok'ise rehetra.
Valio | Miverina eny ambony
Hagg - 25/04/2012 06:01

Miarahaba tompoko,
Efa voalaza fa tsy ho avotra ny Gasy...ary tena tsy ho avotra (jereo témoignage-n'i Yves). Zava-dehibe ny filazana an'ireo saingy ampy ve izay hanovana azy? Mety hiova ihany ko ve nefa? Ahoana ny fomba hanaovana azy? - - Fa io Hafatry Yves io koa dia mampiseho fa misy dingana goavana tokony hatao. Iza no hanao azy? Ahoana ny fomba hanaovana azy?- Fa marina koa ilay hoe "«Soyez le changement que vous voulez voir dans le monde.» (Gandhi)-
Valio | Miverina eny ambony
RBNIR - 25/04/2012 08:30
Hagg
Miarahaba tompoko,
Efa voalaza fa tsy ho avotra ny Gasy...ary tena tsy ho avotra (jereo témoignage-n'i Yves).

Faly miarahaba namana,
Dia hanaiky ho faty izany v isika rehetra satria efa tsy ho avotra intsony namana??? Vakio ny tantaran'i Jona (na jonasa cf baiboly katolika) namana:
http://baiboly.katolika.org/boky/Jonasa
Nirahina izy hilaza amin'ny olona fa tsy ho avotra intsony tokoa ny olona tao Ninive.
Nibebaka anefa ireo olona ireo dia niverina tamin'ny teniny Andriamanitra.
Izao manaraka izao no tenin'Andriamanitra :
« Moa sitrako akory va ny fahafatesan'ny ratsy fanahy, hoy Jehovah Tompo, fa tsy ny hialany amin'ny alehany mba ho velona izy ? » (Ezekiela 18:23)
« Fa tsy sitrako ny fahafatesan'izay maty, hoy Jehovah Tompo. Koa mibebaha ianareo mba ho velona. Hira fahalahelovana ny amin'ireo lehiben'ny Isiraely. » (Ezekiela 18:32)
« Lazao aminy hoe: Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, dia tsy sitrako ny hahafatesan'ny ratsy fanahy, fa ny hialan'ny ratsy fanahy amin'ny lalany, mba ho velona izy. Mialà, mialà amin'ny lalan-dratsinareo, fa nahoana moa no te-ho faty ianareo, ry taranak'Isiraely? » (Ezekiela 33:11)

MIBEBAHA DAHOLO DIA MIALA AMIN NY RATSY REHETRA TSY SITRAK ANDRIAMANITRA FA HO VELONA ISIKA.

Samia ho tahin'ny Tompo
Valio | Miverina eny ambony
Hagg - 25/04/2012 08:45
Misy fanontanina hafahafa fa hapetrako iany fa mino aho fa betsaka ny toa ahy....ilay mibebaka ve midika fa tsy manota intsony?...na dia voalaza aza hoe "mibebaha ary aza manota intsony"...
Valio | Miverina eny ambony
RBNIR - 25/04/2012 09:29
Hagg
Misy fanontanina hafahafa fa hapetrako iany fa mino aho fa betsaka ny toa ahy....ilay mibebaka ve midika fa tsy manota intsony?...na dia voalaza aza hoe "mibebaha ary aza manota intsony"...

Faly miarahaba namana,
Eo no tena mila ampiasana ny finoana hoe « ...... Aza matahotra; minoa fotsiny ihany,.....» (Lio.8:50).
Fahasoavana no nampanantenaina antsika : Fanjakan'Andriamanitra izay tsy aiza tsy akory fa ao anatintsika ao ihany:
« Ary ny olona tsy hanao hoe: Indro, ety! na ery ! fa, indro, ny fanjakan'Andriamanitra dia ao anatinareo*.» (Lio.17:21)

Ireto ambany ireto ny fahasoavana homena amin'izany :
« Dia hofafazako rano madio ianareo, ka hadio; ny mba ho afaka amin'ny fahalotoanareo rehetra sy ny sampinareo rehetra no hanadiovako anareo. » (Eze.36:25)
« Ary homeko fo vaovao ianareo, ary fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo, ary hesoriko amin'ny nofonareo ny fo vato, ka homeko fo nofo ianareo. » (Eze.36:26)
« Ary ny Fanahiko no hataoko ao anatinareo, ka hahatonga anareo handeha araka ny lalàko sy hitandrina ny fitsipiko ka hanaraka azy. » (Eze.36:27)

Tsy ny olona no mihezaka hanantanteraka ny sitrapon'Andriamanitra fa "olona vaovao mahay manao ny sitrapon'Andriamanitra no hampanantenain'ny Tompo Andriamanitra".

Raha mety ianao dia hatoro anao ny lalana tsy maintsy hodiavina mba handraisana io FAHASOAVANA io (ny FANJAKAN NY LANITRA)

Jereo ity fandaharana ity : Fandaharana "Vitao ny Asan'ny Fahamarinana" isa maraina amin'ny 5 ora télé Jery.

Samia ho tahin'ny Tompo namana
Valio | Miverina eny ambony
Hagg - 25/04/2012 09:53
Misaotra ry namana fa efa zava-dehibe sahady ireo voalaza ireo.

Tiako tokoa ny hahalala izany lalana izany .... saingy tsy mitady ny ho ahy ihany aho fa ilay ho an'ny Malagasy araka ny voalaza.

Dia misaotra betsaka anao noho ny fandava-tena anananao.
Valio | Miverina eny ambony
RBNIR - 25/04/2012 10:00

Ho an'Andriamanitra irery ihany anie ny saotra sy dera namana a!.
Raha tianao dia rehefa mahita ilay fandaharana ianao dia mba hahelezo fa izay no fomba iray hahafahana mampalala ny maro e!

Samy ho tahin'i Jesosy Kristy Tompo namana.
Valio | Miverina eny ambony
didi10 - 25/04/2012 10:18

Hagg
Misy fanontanina hafahafa fa hapetrako iany fa mino aho fa betsaka ny toa ahy....ilay mibebaka ve midika fa tsy manota intsony?...na dia voalaza aza hoe "mibebaha ary aza manota intsony"...

Tsara be ny fanontanian'ise fa tena iankinan'ny famonjena ny fanahy mihitsy!

Ilay mibebaka ve midika fa tsy manota intsony?
Eny 100% ny valiny namana.

Rehefa mahatsapa ianao fa mpanota, manana fahazaran-dratsy maro, mpandika ny didin'Andriamanitra dia mibebaha: Tanisao amin'i Jesosy ny fahotanao ary manaova voady aminy fa tsy hiverina amin'ireny ota ireny intsony.

Tsy vitan'izany fa mila atao Batisa ise mba ho tonga zanak'Andriamanitra ka afaka mandova ny fanjakany. Vakio ny Romana 6 fa mazava tsara ao fa ny olona vita Batisa dia tsy manota na tsy mahay manota satria ny Fanahin'Andriamanitra no ao aminy ka miaro azy, ary ny fitiavana an'Andriamanitra sy ny namana no mibaiko ny fiainan'ise fa tsy ny filan'ny nofo na ny lalàna intsony.

Mazotoa mamaky Baiboly, indrindra fa ny Epistilin'i Paoly fa hahita fankaherezana sy valim-panontaniana maro ise.
Mahereza, Tahin'i Jesosy.
Valio | Miverina eny ambony
Hagg - 25/04/2012 11:17
Dia mbola misaotra anareo namana ihany noho izany rehetra izany....

Valio | Miverina eny ambony
niryna - 28/04/2012 16:19
coqauvin
Izaho tsy sanatria miteny hoe tsy tia gasy aho, fa hitako kosa fa
betsaka ny zavatra tsy manjary amin`ity firenena ity sy amin`ireo
fomban`ireo gasy sasany (sasany hoy ahy, marihiko tsara).

Ny tsy tiako amin`ny toetrantsika malagasy:

1. Matikambo, no sady miseo ambony no ny sasany. Tsy mahay manaja olona ary tsy koa mifanaja na manaja ny tenany!!!

2. Manana toetra (indrindraindrindra moa isika avy eto ampivaon-tany
eto) no sady tsy mahay miteny tsotra fa manao be foho ambadika dia avy
eo ilay izy, hafa ny fivaokany, Aleoko lavitra mihitsy miafy amin`ny toetra ny
tanindrana (merina ny tenako fa aleo izany hazava tsara) satria marina fa
miakatra tena miakatra ry jareo rehefa tezitra, kanefa izao: efa lasa an`iny vavabe iny daholo ny ahatezerana, any ka kelikely ny chance hoe hivadika habibiana, ankasoparana na famonoana ilay hahatezerana (ny tambabe sns ireny anie rehefa mandinika anereo, etop ampivaony eto no tena feno). Tsara
izay, satria dia lasa amin`iny daholo ilay frustrations fa tsy amano
aotran'isika avy aty ampivaon-tany ireto.
ka tsy aleo ve aloha tezitra toy izay ny fanafody gasy no mandeha rehefa tsy mifanaraka ny toetra sy tsy tiany e.Tonga dia faty no entina mody . Samy manana ny toetrany io fa ataoko fa tsy dia tokony ataonao safy be mantsina avokoa ny olona na avy any anindrana io na avy ao andrenivohitra,rehefa ratsy izy dia ratsy ary rehefa mahavanindoza izy dia mahavanindoza,toetra ho an'ny tsirairay io
Citation
3. Tsy marom-potaona : Isika rehetra izay efa nanao rdv amin`ny olona
eto, firy no olona efa tara 1 heure (sahiko milaza hoe 40%), firy no
tsy toga am-potoana (25%). Izho aza sendran'na agence immobiliere izay
tsy tonga nefa nisy fotoana izao, de plus, ilay olna tsy mahay miantso
akorony. Izany ny vokatry ny fitaizana malagasy !!
aza atao mahagaga izany fa fombanjavatra eran-tany ka tsy ny gasy ihany ,ireo angamba no hitanao ka dia ireo no lazainao sy tsikeranao ny toetrany.Raha samy nahafinaritra avokoa ny toetran'ny olona teto an-tany dia efa tonga ho azy ilay Jerosalema vaovao.
[/quote]
izay izany no hitanao saingy averiko koa fa tsy isika irery ihany no tsy marom-potoana fa misy firenena hafa koa ,ka rehefa manao fotoana amindry zareo hianao dia hianao foana no tonga aloha ary dia hihomehezany fotsiny fa tsy miala tsiny izy,Ny fanafodiny ataonay dia raha amin'ny telo ora ny zavatra atao dia lazaina hoe amin'ny roa ora ,dia tonga ara-potoana izy hi,hi, tsy malagasy irery io ny hafa firenena ihany koa,tsy fanomezana tsinotsinona ny hafa no dikan'izany amiko ary tsy manaja tena na mitazona ny zavatra hifanarahana .
Citation
4. Miseo mahay mitaiza nefa isika ireto no olona tsy mahay mitaiza
zaza indrindra. Satria nahoana? Manery ankizy, manakatsakana ary
mandatsa mihitsy aza ny fianakaviana sasany. Nisy fianakaviana iray
izay, manam-bola ry jareo kanefa, tena mampalahelo no mahita fa ilay
zanany lahy latsaina aotran`ireny inona ireny, vao amano faute dia efa
lasa ny vavan`ilay rainy.
lazaiko anao fa mbola mahay mitaiza lavitra isika satria mbola mimenomenona sy mikapokaopka kely eny fa misy firenena ,raha mikapoka zanaka hianao dia ny polisy no maka anao ao an-trano ary alain'ny tazain'ny hafa ny zanakao.Noho izany izay tadiavin'ilay zaza dia toa omeny ireo firenena azy ireo avokoa ka tena tsy misy ilaina azy ny fitaizana ny zaza,noho izany dia tokony hisaotra an'Atra hianao fa mbola misy ihany ny fanabeazana ny zaza eto amintsika izay azo lazaina ho tsara kanefa tsy afaka atao any ivelany.

Valio | Miverina eny ambony
niryna - 28/04/2012 16:38
coqauvin

8. Tery saina. Encore une fois, education no antony. Vao misy hoe

9. Tsisy personalite na tsy manana ny maha-izy azy.

10. Tsy serviable no sady tsy "SYMPA". Izao rehefa mivoaka ireny, maro ireo gasy mivanivany sy mimehy @ny tsisy dikany. Sympathie ve sa plutot hamavainan-doha, sa koa ve 'manque de personalite et de caractere" ?? tena tsy nety hazoko mihitsy isika gasy mivanivany @ny tsisy dikany ity fa dia tena gaga aho hoe 'fa nahoana e'.

11. MANANA FISAINANA MAMPIJALY SY MANESO OLONA.

B: Aza mba manao ratsy olona izany fa mivaly foana izy io. Izao zao,
Izay lay hoe...'manaova ny rariny ihany fa mandoha ladouane foana enao na inona na inona'.
Reraka be mihaino ilay fitarainanao satria toa tsy mba misy zavatra tsara azo raisina mihitsy ny toetran'ny malagasy aminao,raha izao no izy dia hianao mihitsy no tena sarotiny ary sarotra hiaraha-monina.Ireny karazana olona tsy mahita ny lafiratsy ireny fa mora mitsikera sy mahita lesoka amin'ny hafa * marobe ny olona toa anao io ary mila mianatra mifandray aman'olona satria nisy zavatra nahazo anao tamin'ny fiainanao na taloha io na tamin'ny mbola kely)
Iizao foana no ataovy ao an-tsaina e, raha mahita vahaolana hianao dia mba zarao ho an'ny rehetra fa aza dia fafazana fankahalana ny fiainana fa manjary tsy manana masoandro mihiratra mihitsy hianao. Ataovy hoe raha izao no mananjanaka ,raha izaho no mba mpitonra ,raha izaho no mba manana mpiasa ,inona no tokony ataoko? dia ireo zavatra tsy tiana ireo aza atao fa ovay ilay izy ho taratra sy fanilo ary jiro hanavaza ireo mbola ao anaty izany aizina izany.
Jereo anie ireo kazana zavatra nahazo ireo olona tantarainao ireo e,toa faly ny fahavoazan'ny sasany fotsiny.
Mila manatona an'Atra ihany koa isika fa tsy afaka ny hanova olona velively,anjranatsika no mivavaka amin'Atra mba anome antsika fo hivavaka ireny olona tsy tiantsika ireny ny toetrany na toetra ratsy tsy mifanaraka ny eritreritsika no ao anatin'izy ireny.Aza faly mijery ny fahoriana na zavatra mitranga nahazo ny hafa fa mivavaha mba omen'Atra fo hamale azy ireny satria tsy ao amin'ny toeranay isika ka mora amintsika no manatsikera ny toetrany o.k

Valio | Miverina eny ambony
niryna - 28/04/2012 16:53
coqauvin

12. MIseo mahay FIHAVANANA ...'ny fiavanana no zava dehibe eeee' blabla bla kanefa mbola tsisy olona hitako mifanalika sy mifampifosa no isika Malagasy. Jerevo fotsiny ireny 'reunion de famille' tay ireny re olona o, fa fiatsaram-belatsia no netsaka, fampideraderana paoketra sy fiara ary fitsokolovana fihainana olona'...izay no atao amin`reny. Fihavanana izany amiko, efa zavatra tsy misy intsony izany raha tsy hoe any ambanivohitra be any anga!!
ao amin'ny fianakavianao mihitsy izany no misy lesoka mila amboarina,fa tadidio koa fa na aiza alehanao na aiza dia tsy maintsy misy foana ny disadisa kely fa anjranao foana hoy aho no mitarika mba andeha amina'ny fitiavana ny fianakavianao,raha tsy manana fitiavana koa anefa hianao tsy afaka hizara fitiavana ho azy ireo,ka esory ny fankahalana,ny lolom-po,ny fanatsikerana ny hafa fa fenoy fitiavana ny fonao dia zarao ireo izay tsy mba manana izany o.k
Ny firenena hafa aza tsy misy fifandraisany izany fa vao antitra ny rar dia atsipiny tsy jereny akory.Jereo foana hoy aho izay mba tsara azo raisina
Citation
13. MIVAVAKA. Tsy misy maharatsy an`izany mihitsy fa maika aza izany tsara.
izay ahay,mba misy kely iray azo raisiina,izay no tadiaviko aminao,fenoy fitiavana ny fonao fa aza fankahalana fa manjary tsy mahita tsiron'ny f@ iainana hianao.
Citation Fa isika Malagasy dia mivavaka mba ampisehoana fira milay be, ampiedraina lunette gucchi sy ny robe be sy chaussure-ny monsieur Pierre cardin. Sanatria tsy hoe mialona na manenjika olona fa hivavaka any am`Andriamanitra no atao, dia fampiderana fananana ve no ataonao asa?? Ny aho moa, dia aleoko tsy mivavaka mihitsy ehefa eto M/scar eto satria miko mpanota daholo koa no mameno fiangonana.
Citation hita fa misy fialonana ao aminao ka,inona no raharahiko izay akanjo na kiraro na fiara hoentin'ny olona miangona any raha izaho no eo amin'ny toerana misy anao,ny tenanao jerena,fo lotika,mila famonjena,mila mamela heloka ny hafa,fo torotoron no tadiavin'Ata amintsika ka mibebaha mba omeny fo madio tsy hijerijery ny hafa na hanana fankahalana ny hafa,hivavaka no alehanao any am-piangonana,hitady famonjena no alehanao any,hanala ny ota sy htady famelankeloka no aleha any am-piangonana dia aza miherikerika fa mahery satana ka manjary izay kely anananao indray no esoriny aminao ka raha mba haka vatsimpanahy hianao dia lasa feno fankahalana indray no omeny anao ,dia inona fa tsy hery very maina fotsiny no nandehanana tany am-piangonana,tsy naleo tsy nandeha ,iny tsy mikritika,tsy mankahala,tsy mijery kirarao marika anaovan'ny hafa na ny fiara hoentiny ,amin'izay tsy potraka e

Valio | Miverina eny ambony
niryna - 28/04/2012 16:58

coqauvin

NY tsy hitiavako an`ny Dago indray:

A. Mafy ny asa ary tena stressant nefa kely ny karama (Enao ve raha
miasa hitanao normal hoe olona milelaka--ody ary indray no mahazo
promotion). Tena hita hoe firenena mpanambaka (no sady firenena manaika ho ambakain`ny sasany..olona paiso tsisy ambo mihitsy isika ireto ka) no sady firenena
mpanambany olona no sady firenena tsy manaja olona i Madagasikara.
Normal be mihitsy raha betsaka ny resaka corruption isan karazany sy
ny resaka insecurite atsy sy eroa...ary tena 100% normal raha betsaka
ireo tanora gasy aleony mitsaoka an`ivelany satria tena mangery
mihitsy ity Nosy ity!

b. Vidy pihainana misondrotra kanefa ny karama mi-gele.
c .insecurite
d. crise >> 1973, 1991, 2002, 2009, 20??, 20??, 20??, 20??

e. embouteillage, no sady mandana lasantsy, no mandany vola, no mandany fotoana. Izaho izao, vizana @ny embouteillage vorika eto Tana eto ka aleoko izay azo alefa via internet dia alefa @io daholo. Enao ve hiaritra lalana 2 heures kanefa haka taratasyn'na 10 pages fotsiny no hivoahanao?? Ny ahy dia izay azo atao via telephone, dia atao telephone fa tsy mila mivezivezy izany. Raha lava moa ilay resaka, dia ny ahy via skype (skype koa ny an`ilay olona iray aminio) no iantsoko na via yahoo messenger ireny faireny mba gratuit no sady tsy mila mandeha mivoaka any enao mandany lasantsy sy mampitombo stress fotsiny.

f. ny entana eny amin`ny magasin, marque tsy manjary no betsaka (ex: casino), no sady produit frantsay de basse qualite no mameno ny tanana. Jerevo fotsiny ireny entana any @'ireny grande surface frantsay ireny, fa tena entna tsy hilaina any ivelany no ahondran`ireo eto Madagasikara eto. Raha tsy izany, dia ireo produit arabo sa inona no mameno ny tsena..sans oublier les frippes.

g. condition de travail tsy mamely fa dia miasa fotsiny ny olona satria haninona aza??. ny orinasa eto koa dia tsy maro ary ny akamarohany dia tsy manakarama lafo fa manambaka olona fotsiny. HO anareo
mpianatra Malagasy mbola any ampita izao, tena miteny aminareo ahy hoe
: AZA MIVERINA ETO MADAGASCAR, CA NONNNNNN fa dia ny Karamanareo eto dia karama tsy
manjary sady ny environnement (social, economique etc...) tena ratsy
!! Directeur de la TchatchatchabouboubouKLAKLAKLA ny titre
kanefa plongeur Portugais any Portugal aza mikarama no anareo (raha tsy hoe hiasa tena
anga ianareo eto dia amin`izay, ca vaut peut etre le coup). Aleoka
lavitra miasa any Canada, na any Amerika any, (na toerana hafa koa) mitondra titre assistant
kanefa mikarama 2500-3000 USD par mois!! Iza koa no hody eto Dago eto
handray 500-800 USD par mois, en plus tsy hahavita hanangona fa lany daholo ny karama andoavana jirama, hetra, ecolage, essence etc....

NY zanako izao, tena tsoriko, fa ni-persuader-ko
hoe raha misy ny atao any, dia mijanona any (na hijanona any na
toerankafa raha tsy possible ny aminlay toerana hianarany) satria
erahana mahafantatra fa eto Dago eto, ny karama tsy dia any, condition de
travail tsy dia any, ny opportunite eeee....tsy dia misy e....niady tamiko mihitsy moa ny zanako lahy t@ zay fa zao izy, depuisn`iny crise iny, dia tena niteny tamiko hoe 'misaotra papa fa raha tsy enao, efa tany dago aho zao ary mety efa hafa be ny fiainako raha nody aho' hoy izy.

Ilay izy, hazoko tsara hoe efa ela izy no tsy teo ary anomboka nalahelo fa tena notsoroko taminy fa eto anie, dange be ny fiainana e; eo ny karama ratsy, fa eo koa ny
fisainana nul, ny ody sy ny fialonana sy ny faminganana. Amin`ireo aloha, dia champion i gasikara fa tena
dommage tsy misy guiness des records en ody-gasy sy en
fiatsaram-belatsia fa tena gasy no maharesy eo fa sur a 100%. Isika
eto ampivaony eto mihitsy aza no mahazo anio record io!!

h. Ratsy environnement. Social, jerevo ireny olona mandrehoaka partout
ireny, ireny olona manao maloto en plein jour ireny @ny embouteillages (OUI< CA SE PASSE A TANA, CApitale de madagscar)...jerevo ireo
dalles tsy misarona, jerevo ireo zaoridira, jerevo ny indisciplines, ny krontana, ny fofona diso manitra @ny tanana lehibe.

Tena firenena farani`zay
VORIKA izay nihainako ity Madagascar ity fa tena aleoko angamba
miala eto atsy ho atsy. Ny ahy moa mbola misy zanako ray tavela eto fa tena miheritrerita ahy hoe ho alefako angamba any ivelany @lay environnement efa diso malsain eto..aminizay koa izy mba mizatra ny any dia mba kely ny chance mba tsy hiverenana eto raha tsy efa ela be any indray.

Ny socialy moa tena tsy ao
koa....jerevo ny fisainan`ny olona, jerevo ny fifanajana, jerevantsika
ireo fomba sy fisainana maloto sy devoly ny gasy sasany etsy sy ery (TOkony atao devise ilay hoe :
fanambakana,
fialonana,
faminganana,
fampideraderana
fahaizana ody
fiatsaram-belatsia
eeee re olona o, aiza ilay gasikara mahery vaika, ilay gasikara mbola atahoran`ny afrikana aminy baolina kitra, aiza izany m/scar firenena anisan`ny mandroso t@ taona 1700? aiza ireny zava tsara fahiny ireny re olona o?

i. ny adminsitration tsy any mihitsy. Iza taminareo no mikarakara taratasy na taratasy ho viser-na io na taratasy havaovana trano sns?? Iza no tsy nandinika fa ny administration eto Mdagascar dia :
A. tsy manana sens du professionalisme
B. Tsy mahalala fomba
C. TSy misy an`izany hoe fanajana olona izany fa dia miandrasa eo e... sahalam'ireny hoe tssy atao ny olona fa mapiandrasina aotran`ny alika ireny!!
D. tsy pratique. Misy namako izay mba niangavy photocopie tao @ny ministeran`ny AE, fa dia mbola nasian`ny ry jareo nitady hafa atny ivelany. Fa hono oa..anga tena tsy mety mihitsy hoe mba aha pratique an`ilay zavatra, mba ampiasaina io photocopie io na hoe mandoha vola en plus aza? izay saina maha pratique izay, izay saina hoe misokatra izay...IZAY NO TSY AO AMIN'ISIKA GAsy fa dia isika dia olona sady tery, no maizaina fisainana ny fijeriko azy....sa diso aho ve?

Izay aloha fa ampitomboiko eo ihany y resaka rehefa any ho any....
ianareo koa afaka manampy raha toa ka misy zavatra tsy voalazako...ary
afaka mi critique tsara koa...fa mino ao fa ho betsaka ny olona mi se
sentir vise eto ka somary hanao cocote minute.

Dia miandry anao ny firenena mba hitondra zava-baovao ho an'ny gasikara,zarao azy ireo izay tsara mahamety an[ity gasikarakelintsika ity,ao anatiny ny olona ka tsy mahita vahaolana fa hianao mpitsidika fotsiny dia mahita ny tsy mety rehetra ka dia mba manatona ireny mpitondra fahefana rehetra ireny dia mba omeo toromarika sy torohevitra ary torolanana heverinao fa ahatsara ny firenena e,any aminao indray izany no misy ny fihovana mahatsara ity gasikarakelintsika ity O.K misaotra anao mialoha ary dia miandry ny sosokevitra avy any amiano izahay
Valio | Miverina eny ambony
Miharena - 20/05/2012 06:27
coqauvin
D. tsy pratique. Misy namako izay mba niangavy photocopie tao @ny ministeran`ny AE, fa dia mbola nasian`ny ry jareo nitady hafa atny ivelany. Fa hono oa..anga tena tsy mety mihitsy hoe mba aha pratique an`ilay zavatra, mba ampiasaina io photocopie io na hoe mandoha vola en plus aza? izay saina maha pratique izay, izay saina hoe misokatra izay...IZAY NO TSY AO AMIN'ISIKA GAsy fa dia isika dia olona sady tery, no maizaina fisainana ny fijeriko azy....sa diso aho ve?

Marina tsy misy diso. Fa ny vazaha no nampianatra ny gasy tsy hanana sens pratique intsony satria conditionné amin'ny vola. Kely ny karama dia mivelona amin'ny tsolotra. Izay tsy mahatambitamby dia tsy omena fahafaham-po. Tsy misy fahatsorana intsony ny fon'ny olona. Na dia misy resaka atao amin'ny vahoaka aza dia tsy misy fahitsiam-po fa fihatsaram-belatsihy avokoa.

Ny système napetraka mihitsy no tsy mety intsony satria na ny mpiasa aza dia tsy mba ny malagasy no afaka manana fahefana ny amin'ny fijerena ny karama sy ny mifehy ny vidim-piainana ka mararirary daholo dia tsy misy administration mandeha.

Raha tsy efa mahay tsara ny Gasy hoe ny fanahy no olona fa tsy ny vola no mibaiko dia mbola tsy hisy izany sens pratique izany.

Izahay rehefa miresaka amin'ireny tabanivohitra be tsy manana vola afa-tsy izay hividianana sira sy labozy ireny dia mahita hoe tsara toetra mihitsy ry zareo. Fa rehefa tonga eny amin'ireny olona ambony latabatra aty an-drenivohitra ireny dia mahita hoe tena ratsy toetra mihitsy ry zareo satria kely hono ny karamany.

Ka asa aloha na voampita ny fampianarana Krsitianina na tsia fa na i Ravalomanana Richard aza loa-bava mihitsy hoe : Inona moa no ianteherana amin'ny FFKM fa ireo sekta be dia be ireo aza tsy voasakany fa lasa any daholo ny mpino ao aminy?

Fa izany eo ihany, fa raha izaho ianao coqauvin tsy mandefa ny zanako any an-dafy any fa aleo miverina eto fa eto anie ka tsara e! Mila mahay manana fanahy an-dalàna tsara fotsiny ka na dia miditra ny birao aza manao zavatra dia miresaka amim-pahatsorana sy mangina milamina tsara dia vita ho azy izay kasaina. Rehefa manana fahazavan-tsaina dia mahita ny lalan-kombana hatrany ary mahita izay vaha-olana eo amin'izay rehetra hatao sy tontosaina. Fa rehefa maizintsaina kosa dia fefika sy leo monina. Io tsy eto ihany fa na any an-dafy aza. Aza mihevitra fa hahita mangirana sy fiadanam-po any. Eto ihany no ahitana izany af tsy any.
Valio | Miverina eny ambony