PHARAON CLUB AMBOHIDAHY

1. vonynive ( 23/04/2012 09:32)
Nidina ifotony teo @ pharaon club, toeram-pandihizana iray etsy Ambohidahy ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona ny Alarobia lasa teo, hita tao an-trano ireo zaza tsy ampy taona manodidina ny 12 ka hatramin'ny 15 taona izay nisotro toaka sy nifoka rongony.
Hita tao amin'ity efitrano fandihizana ity koa ny lakavy maizimaizina izay fanaboridanana ny zazavavy kely mba halaina sary sy anaovana firaisana aranofo.
Araka ny fanadihadiana natao azy ireo dia nolazain'izy ireo fa ny fomba fialany any an-trano dia miera amin'ny ray aman-dreniny fa hanao cours kanefa avy eo mamonjy fandihizana.
Marihina fa teratany vahiny no tompon'ity toeram-pandihizana ity ary efa nosamborina miaraka taminy koa ireo mpiaramiasa aminy.
Tsy ity trano fandihizana ity ihany no tokony hojerena akaiky fa maro ireo trano fandihizana eto Madagasikara no ahitana zava-mamoafady toy izao.
novalian'i lova26 ny 23/04/2012 10:04
2. lova26 ( 23/04/2012 10:04)
mahamenatra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 2.5056