zaza misy toetra nefa mbola kely

1. arialy ( 21/03/2012 12:25)
zaraiko aminareo indray ity fa naha very hevitra ahy indray andro
ny zanako zany vao 3ans et demi en petite section, tsy haiko izay nitranga tany am-pianarana fa misy mpampianatra tsy tiany, 2 no miandraikitra azy ireo, ny directrice ny école sy vehivavy iray , fa misy mpanampy ihany koa satria eo am 23 eo izy no iray classe.
Nitaraina tamiko ilay mpampianatra iray fa tsy mihaino azy ny zanako rehefa teneniny hono, efa noteneniko mafy ny zaza, taty aoriana dia navoakan'ilay zaza mihitsy, eo am-panaterana azy aho no tazany fa ilay vehivavy tsy tiany no hampianatra azy, nijanona izy ary niteny hoe: aaah non ce n'est pas vrai!! mbola lavitra izahay dia noteneniko fotsiny izy hoe hianatra no aleha aty fa tsy hifidy mpampianatra, herinandro iray taoriana, efa teo akaiky ny fidirana izahay dia hoy izy, pffff je n'aime pas celle là, nitodika aho kay ilay prof tsy tiany, menatra be aho satria samy naheno daholo, nohantoniko ilay prof dia nanotaniako ny fianarany, nilaza ilay prof fa tout va bien, il a bcp changé, notabaisiko iany ny zaza tonga ny hariva avy nianatra hoe tsy mahalala fomba, ilay prof tonga hampianatra fa tsy hanao betise sns, dia hoy izy namaly ahy, je suis d'accord pour travailler mais elle râle tout le temps et je ne l'aime pas ... tsy haiko ny zanakareo na sahy miteny olona toy izany nefa mbola kely, fa dia tsy hitako izay lazaina ...inona no ho lazaiko azy hoy ianareo mba hiovany, fa mivatravatra foana izy rehefa miteny... misaotra ny mialoha
novalian'i booboo ny 27/03/2012 12:51
2. hery ( 21/03/2012 14:50)
Nenay aloha mbola kely loatra :-p

Fa sao kosa dia misy traitement tsy tiany mety hoe indray mandeha? Ny ankizy mantsy mandray be an'ireny ary tsy adinony mihitsy.

Mety hoe hors-sujet fa aty Italie efa imbetsaka izao misy tranga hoe mampijaly zaza ny mpampianatra. Dia asian'ny polisy camera caché ao amin'ny fianarana dia hita daholo fa tena mal traités ny zaza. Misy fotoana hono mantsy tsy mety mandeha mianatra mihitsy ny ankizy dia farany gaga ny ray amandreny hoe misy zvatra hafahafa ao.
3. mirananirina ( 21/03/2012 15:55)
Marina fa betsaka ny ankizy manao toy ireny ,indrindra ireo zana-bazaha ireo,fa matetika ianao hafa loko aminy no mahazo teny!Satria raha ireo no teneniny mahazo vava ny mpampianatra!Na izany aza anefa dia mbola taona voalohany @ fianarana ny zanakao ka aoka tsy hoazony @ izany ianao,ataovy ao an-tsainy fa ny mpampianatra no mandidy sy arahina any ampianarana,ka tsy maintsy manaraka izany!Raha bedy na voasazy ny akizy matetika milaza io.
4. arialy ( 21/03/2012 19:20)
Hery sy Mirananirina < ny resaka caméra sns zany aty fr otry ny mbola fady é, dia tsy haiko aloha izay tena nitranga fa mbola rentrée mihitsy dia efa nilaza izy fa tsy tia an'i Benedicte (anaran'ilay mpanabe). Efa nanantona ilay directrice aho nanontany fotsiny raha mandeha ny fianaran'ny zanako, tsy misy olana izy hoy izy ary curieux be sy mora mandray, rassurée aho moa hitako tam janvier koa ny résultat scolaire fa tsy ratsy mihitsy.
Fa ilay mpanabe hoe Benedicte aloha efa manana tarehy ohatry ny moto-dava izay ary mivatravatra ny ankizy, ohatra vao tonga ny ankizy dia tonga dia lazainy hoe: bonjour et va chercher ton prénom et vite... ka mety izany no tsy zakan'ilay zanako.
Fa ilay izy niteny hoe tsy tia an'ilay mpanabe aloha dia efa noteneniko mafy tsy hamerina sy hanaraka foana ny fianarana sy tsy hanao be marenina na tiany na tsy tiany ny mpanabe fa tsoriko fa menatra aho ary mbola mieritreritra hoe sao misy tsy ampy ny nolazaiko azy ka hamerina izy aoriana.
5. Hinagasy ( 22/03/2012 03:07)
Raha izaho no eo amin'ny toeranao dia sady ampahafantarina izy hoe mila manaja ny mpanabe ianao kanefa koa ataovy fantany fa mihaino azy ianao. Hezao fantarina inona no tena tsy hitiavany ilay mpanabe dia mandeha mijery ilay mpanabe tsy hoe manontany fotsiny hoe manao ahoana izy io, fa mitondra ny teniny hoe toa tsy mandeha ny fifandraisana eo aminareo fa any antrano izy milaza an'izao...
Nisy cas nitovitovy tamin'io ny an'ny zanako. Petite section koa, kambana mirahavavy, dia rehefa manantona azy hono ilay mpanampy ilay maitresse ao amin'ny kilasiny, dia miondrika eo amin'ny latabatra manafina tarehy rizareo roa, dia rehefa lasa ilay madama izay vao mitraka, izy roa mihitsy an! rizareo tsy nitantara tany antrano; fa ilay izy aho aloha nanao ny iray dia maka tahaka ny iray., sure aho!
Nanatitra andrizareo aho dia nilazan'io mpanampy io hoe ireo rehefa manantona an'izy roa ireo ange aho dia miondrika izy e! tsymety miteny hoe maninona hono! Nanontaniako teo imaso teo dia tsy nety niteny aloha fa nolazaiko hoe izaho tsy mibedy fa manontany ny antony satria tsy fahalalam-pomba ny ataonareo roa, teo imaso teo ilay iray niteny hoe izy maimbo helika be dia manka-doa!! mdr!! aty moa mafana be! samy boramena izahay sy ilay ramatoa. Namboarimboarin'ilay ramatoa teo hoe rehefa ohatra izany dia teneno aho fa izaho tsinona mora tsemboka.
Hatramin'izay kosa aloha ilay zanako tsy miondrika intsony fa tsy maimbo intsony hono ilay ramatoa. hi!hi!
Ny zaza ange mampihomehy e! fa mino aho fa misy antony fa tsy hoe tsy tian'ny zanakao alako bika sy tarehy fotsiny amin'izao ilay ramatoa.
6. arialy ( 22/03/2012 09:36)
Hinagasy< misaotra nizara trai-kefa, efa niresaka tamin'ilay mpanabe aho fa tamiin'ny voalohany ihany no tsy nihaino sy tsy nijery azy ilay zanako fa tamin'ny janvier nanontaniako satria koa moa tsy maitsy miresaka ny évaluation ny 1er trimestre ry zareo dia nilaza fa efa niova ilay zaza ary efa mihaino azy, fa anefa tsy afaka ao an-dohan'ilay zaza ny tsy fitiavana azy, hatrizao rehefa lazaiko oe i Benedicte no ao satria talata manao motricité koa dia mamaly izy hoe nooon pas elle, dia araraotiko anarina foana hoe manaja olona sy mianatra no aleha any dia mamaly oui izy, efa nanantona ny directrice koa aho fa tsy misy olana fa ezahiko averina matetika aminy ato ho ato ny fanajana sy fihainoana mpanabe, amiko mbola kely loatra dia efa mivoaka ny toetrany, fantany fa mihaino azy aho aloha ary manambitamby foana, ary izay no tsy itiavany ilay Benedicte satria mototra foana sy mivatravatra amin'ny ankizy.
7. booboo ( 27/03/2012 12:51)
Ary raha tenenina izy hoe aza rarahina raha mi-râler foana aza i Benedicte (ouh là là, ohata mahita ilay maîtresse botakely masiaka velona halako t@ T2 zany zà maheno ilay anarany :-°)) fa mifantoha @ zava-baovao ianarana, hafaliana hahita ny copains sns. Ohatra² izany e, ahodina tsy hifantoka @ ilay truc - mivatravatra sy mi-râler- tsy tiany ny sainy. Ny ahy izay no fanaoko fa zà kosa tsy mbola nibedy azy rehefa miteny mivantana izay fahatsapany izy ka henon'ny vahoaka manodidina.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1753