Mba mividiana @ zay vita gasy!

1. sylvain ( 01/03/2012 20:41)
Na d simple aza d tohano é!
http://www.alqarra.tv/2012/03/01/afrique-australe/madagascar-relance-son-industrie-automobile/
novalian'i LazaDaddy ny 20/04/2012 03:38
2. hery ( 02/03/2012 11:41)
Laharam-pahamehana (prioritaire) ve amin'izao fotoana izao ny fanamboarana fiarakodia?

Firy ny gasy afaka mividy fiarakodia?

Sao dia tokony fanamboarana angadin'omby, sarety, na fitaovana entina mamboly no mahamaika kokoa hahatratrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo?

Na Ratsiraka aza dia nahatsapa an'izany.
3. fidelite ( 02/03/2012 12:30)
ratsy rey olona izy zany ka! :( tsy ny mahavita anie no zava-dehibe fa ny mahavita tsara e.
4. sylvain ( 02/03/2012 13:51)
Marina fa tsy laharam-pahamehana raha ny fiainana gasy @ zao fotoana fa lé hoe mba mahavita manamboatra na dia firenena farany zay mahantra indrindra aza, na dia hoe tsotra b sy ratsy hendrika aza hoy i Fidelite
Dia aleo foana zany mividy ny vita vahiny.Ohatra iray, azo atao tsara ny manao Taxi anireo mba anoloana reto 2cv sy 4L d efa misy ratsy d ratsy mbola mameno tanana
5. hery ( 02/03/2012 14:37)
Ny indiana, na dia misy mahantra maro aza ao aminy, dia afaka mividy ny fiara vokariny satria ataony faran'izay mora zakan'ny tsenan'ny olontsotra.

Ny ao Dago, ohatrinona no hanombanana ny karenjy? Ny piesy tsinona avy aty ivelany daholo.

Ka tsy aleon'ny olona indray mividy bonnes occasions hahafahana manao taxi avy hatrany.

Ny Karenjy dia basin'ariary fito, tsy takatry ny mahantra nefa tsy tian'ny mpanana. Raha toa ka tena tiana handeha ny Karenjy dia tokony ny deputés sy ny présidents no mampiasa azy voalohany. Ireo anefa tsy hampiasa, dia ho an'iza ilay fiara? Jereo fa ny fiarakodian'ny filoham-pirenena frantsay dia vita Frantsay (Citroen).

Koa aleo ho'a manao zavatra hafa.
6. Miharena ( 02/03/2012 15:31)
Mila miova foto-pisainana rehefa hanao zavatra iray ny Gasy fa tsy hanao foana hoe vita gasy io dia mitodika foana any ivelany any ny saina aman'eritreritra rehefa te-hahazo zavatra tsara iray.
7. hery ( 02/03/2012 15:43)
Izaho mpividy zavatra vita gasy... fa rehefa manambany ny maha-gasy ahy ilay izy dia tsy vidiko. Izany hoe rehefa ratsy vita. Fa angaha rehefa hoe vita gasy dia atao kitoatoa?

Raha hividy akanjo aho, dia mijery aloha raha misy vita gasy. Fa raha fopla kosa ny vita gasy dia miala tsiny. Misy mantsy ny Gasy manao hoe vita gasy dia atao zara fa vita.
8. sitlo ( 02/03/2012 19:54)
Marina kosa aloha ny an'i Hery.

Raha toa ka vita avy any ivelany daholo ny piesy rehetra, inona moa no anaovana azy hoe vita gasy?

Raha izany tsy aleo ny herinaratra ny energie no alamina tsara dia manao ohatra ny firenena hafa.
BMW vita brezilianina. Toyota vita amerikanina...

Raha resaka laharam-pahamehana indray, za mahita fa laharam-pahamehana daholo ny zavatra mampidi-bola rehetra. Tsy voatery hanamboatra angadin'omby raha toa ka tomobil no be mpividy.
9. Miharena ( 03/03/2012 08:16)
Marina daholo ny fanamarihanareo fa eo amin'ny resaka fanamboarana tokony hatao kosa eto Madagasikara dia tokony hoe efa ny fanavaozano no heverina fa ts ymbola handray ny teknolojia efa fantatra fa tokony ho efa ilaozana afaka 50 taona. Miresaka momba ny fampiasana angovo aho, izany hoe tsy tokony ho fiara mandeha amin'ny solika intsony izao no tokony hamboarina fa ny fiara hampiasana herinaratra.
Dia tsy tokony hatao lafo ireo fa atao izay hiparitahany faran'izay haingana hanavotana ny fahalotoanamisy eo amin'ny atimosiferantsika. Sady atsy ho asty dia efa ho lany ny solika eto an-tany.

Iz yaza oa izao dia efa hampitambazana ny olona ery noho ny fampiakaram-bidy azy io foana. Zary lasa very any amin'ny resaka vy sy solika ny herim-pon'ny olona no hiafarany noho ny vola mitobaka ao da tsy ampy intsony ny famokarana sakafo ara-biolojika mahasoa ny vatana.
10. cbd ( 05/03/2012 17:57)

fidelite:

ratsy rey olona izy zany ka! :( tsy ny mahavita anie no zava-dehibe fa ny mahavita tsara e.
mdrrrrrrrrr , fa tena marina fa mba ratsy kosa e
ohatrany hoe hampisehoana ilay laza-rasty satria hoe vita gasy fa raha tsaratsara kokoa dia tsy vita gasy? sa hoe hajaina ny maha vita gasy ratsy azy?
11. sipagasy ( 15/03/2012 16:24)
io amiko dia ny saina ihany no mitondra azy, raha tianao ilay entana 'vita malagasy' dia raisinao, ary raha vita tsara koa dia raisinao, fa raha tandrametaka kosa dia aleo mifampi-tsodrano, fa ny vota sinoa mbola mateza kokoa! hihih
12. fidelite ( 22/03/2012 10:36)
tsy hoe manaratsy za fa izy no efa ratsy rahateo. ny moterany zany moa de efa tsy de zoviana amin'ny mpanana fiara intsony fa tsy "fiable" ny moterandry zareo renault.

saingy za kosa nefa mahita hoe azo atsaraina tsara io ... jereo ne ireo mpivarotra eny ambodin'isotry ireo e. mahavita ry zalà an. altérnateur kely, stabilisateur kely, ... ary tena maharitra a.

Ireo injeniera polytechnicien reo ve de tsy mba hahavita? sa aleon-dry zareo miasa manompo n indostria vazaha fa tsy mba mamorona hoa azy manokana mba ho an'ny gasy...
13. hery ( 22/03/2012 15:09)
Dia miverina amin'ny olana voalohany ihany aho hoe Fa maninona no tsy maintsy fiara no amboarina? Raha toa ka hoe manjary lasa mora vidy ny fiara vita dia mba hitombo ny Malagasy mahazo fiara dia ekeko (toy ny Indiana). Fa ny fiara vita dia hitovy vidy amin'ny fiara vahiny ihany, nefa tsy ho tsara noho ny fiara vahiny, dia iza no hividy azy eo?

Raha ny fitaterana no olana ao Madagasikara, dia misy vahaolana hafa azo atao fa tsy fanamboarana fiara.
14. LazaDaddy ( 20/04/2012 03:38)
Ny fiara karenjy dia natao hanesoana ny Malagasy ary hamelomana ny Frantsay.
Tahaka ny Airbus lany andro izay novidiana ho an'ny orinasa Air Madagascar ihany io.

Andriamatoa Rabearivelo Andriamalagasy aza (menatra) tsy nampiasa Karenjy/Mazana/Iraka mihitsy fa fiara vahiny no nampiasainy tamin'izany andro izany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3844