Hafatra avy amin'ny AME

1. hery ( 27/02/2012 23:10)
Ho antsika tia tanindrazana ka mino fa afaka miala amin'ny lavaka mangitsokitsoka misy azy i Madagasikara,
Ho antsika Raiamandreny efa reraky ny tolona tsy misy vokany kanefa mbola manantena maraina vaovao,
Ho antsika tanora mino fa isika ihany ary isika irery ihany no afaka manavotra ny firenena mamintsika,
Ndao hiombon'ezaka hanarina an'i Madagasikara,
Zavatra sarotra ny miandry antsika, kanefa isika mbola manam-panahy ka manantena ary hiady,
Efa misy olona niomana hatry ny ela vonona hanavotra an'i Madagasikara,
Efa misy olona niady tamin'ny herin'ny maizina hatrany hanavotra an'i Madagasikara,
Efa misy olona miandry anao hanampy azy hanavotra an'i Madagasikara,
Mila ny fanampianao io olona io, mila anao hanohana azy izy,
Mila anao hiombon'ezaka miaraka aminy izy,
Mila anao handresy lahatra ny namanao izy,
Fantaro ary ny A.M.E : Antoko Miombona Ezaka izay hanolotro olona hofidiana ho Filoham-pirenena.
Antoko politika efa ela niainana ny AME :
Nandalina sy nijery hatrany ny fandehan'ny raharaham-pirenena,
Niaraka hatrany tamin'ny vahoaka tamin'ny fandrodanana fitondrana tsy demokratika,
Nandà hirotsaka teo amin'ny fitondrana nifandimby izay nanompo ny herin'ny maizina,
Nandà ny hamarotana an'i Madagasikara na ny Malagasy na dia mahantra aza,
Nandà fa tsy voatery hahantra isika,
Antoko politika manerana an'i Madagasikara ny A.M.E :
Misy azy daholo ny distrika 120,
Feno azy ny Faritra 22,
Kominina vitsy dia vitsy sisa tsy ahitana azy,
Fokontany an'arivony no ananany olona,
Antoko manana vina fampandrosoana ny A.M.E
Ampitombo ny fahefa-mividin'ny tsirairay,
Hanome asa ny tanora araka ny fahaizany avy,
Ampianatra ny Malagasy rehetra tsy misy fanavahana,
Hanatsara ny fitandroana ny fahasalamana indrindra ny an'ny madinika,
Hitondra filaminana amin'ny alalan'ny famoronana asa,
Hanome hasina sy fitiavana ny tanindrazana,
Hitrandraka ara-drariny ny harena eto amintsika ka hizara izany aminao tompony,
Hitandro ny fahafahanao amin'ny lafiny rehetra rehefa tsy manelingelina ny fandrosoana,
Fa indrindra tsy hivarotra ny fanahin'ny Malagasy amin'ny hery maizina isan-karazany,
Ireo rehetra ireo no iantsoana anao hanohana ny A.M.E ka hifidy ny olona atolony amin'ny fifidianana rehetra ho avy,
Fokontany,
Maire,
Depioté,
Senatera,
Fa indrindra ny Filoham-pirenena,
Satria hanolotra an'Atoa ZAFISOLO Clément RAVALISON ho filoham-pirenena izy

Efa manana ny Praiministra efa novolavolaina hanarina an'i Madagasikara izy,
Efa manana ny Governemantany ka mihofana amin'izany izy,
Efa manana ny vinam-piaramonina sy ny paik'ady entina manampy anao vonona hiaraka aminy izy,
Miandry anao ny A.M.E fa "TSY MISY HERY MAHALEO NY FANAHY"
"Ary ny fanahy tsy mba maty"
Matoky anao ny Ame.
novalian'i Miharena ny 03/03/2012 08:36
2. locl ( 28/02/2012 11:17)
1. F'angah mou hanao fifidianana indray no izao e!
2. Iza moa izy io fa tsy fantatray akoriny aza
3. andrywui ( 28/02/2012 11:29)
- antoko miombon'ezaka ----)) fondateur gl ramakavelo desiré

- niala izy toa ngah io ndray no mitondra ny antoko zao !!

azoazo iafiana ihany io antoko io ka !!! aleo io to zay ny antokon'i dada
4. Miharena ( 28/02/2012 14:18)
Samy miomana daholo na i Mailhol aza. Ka iza no tena azo antoka?
5. sitlo ( 28/02/2012 22:20)
AME izany FANAVAOZANA ihany fa tsy nifanaraka tamin'i Andriamanjato Richard sy Ny Hasina Andriamanjato, dia namorona antoko hafa.
Anisan'ireo tohatra nifi**n'i Alain Ramaroson sy Ratsirahonana tamin'ny Hery Velona Rasalama tamin'ny 1991.

Fintina:
Raha Ratsirahonana, Andriamanjato, Alain Ramaroson aza tsy resiny tosika, maika fa ny franceafrique, societe secrete, ny katolika...?
6. zama91 ( 28/02/2012 23:05)
soavaly reraka be io eh ,disqualifié avy hatrany
7. andrywui ( 28/02/2012 23:46)
Reven'i hery be mits nefa io soavaly vizana beanlah io bainn
8. zama91 ( 29/02/2012 00:04)
iza no hifidy an'i kle ,tsy aleo indray mifidy an'i ravato rehefa nahafeno an le 500signature de parraignage lery hon hon hon
9. milamm ( 29/02/2012 01:20)
misaotra an'i hery tsy nitelinkafatra, tsisy fampanatenana fa mahitsy mitsangana ze sahy de mieritrereta ze misalasala ny mitabataba tsisy ambara efa nalalaka ela ny sehatra teto
10. Fheno ( 29/02/2012 03:55)
Tsy aleo ve MAYHOL .
Mety voa any Pasteur MAYHOL io a.
11. andrywui ( 01/03/2012 15:08)
fheno ---)) pr mailhol milay kah !! reveko koa iny ! i Zafisolon'i hery alou voan'i mailhol be de be e perte total amin'iny zafisolo iny enao tonton raha mianakendry manao investimaka amininy eo fa efa goaika kely fe ireny !!
12. LEbotakely ( 02/03/2012 06:03)

Isan'ny antoko matotra indrindra eto dago ny ame. Mahay mijery sy mandalina ny sehatra politika eto. Matotra satria tsy variana amin'ny seza fa tena mivonona haka fitondrana ara-dalana am fifidianana. Za tsy ao fa mahita sy maheno ny fomba fanehoan-kevitry ny ame dia mahita fa tsaratsara kokoa io raha oharina amin'ny hafa.
13. LEbotakely ( 02/03/2012 08:26)

Ny tena tsy nampandroso antsika teto anie dia io isika mpandray antendrony io. I Maihol ve dia tokony asiana resaka akory raha filoham-pirenena no resahina. Nanana antoko politika taiza izy. Niomana hitondra firenena amin'inona izy : ao am-piangonana ve? Diso isika raha izany fa ny olona ilaina itondra firenena dia olona efa manana antoko alohan'ny hilatsahany. Efa manana éthique politique ka afaka mitondra (au moins 10 ans). Olona manana "vahoaka" efa resy lahatra am politikany fa tsy hoe noho ny fivavahana.
14. LEbotakely ( 02/03/2012 08:34)
A titre d'information: nanao congrès ny ame tam déc lasa teo iny. nivoaka angazety sy tele izany ary nisy antson'Atoa Clément Zafisolo manao hoe : "Miomana ianareo izay hifanandrina aminay fa ho azonay io...izahay akory tsy hanakora izay resy." Mitory fahatokisan-tena sy fahavonona izany ary misy fifanajana.
15. andrywui ( 02/03/2012 19:41)

A titre d'information: nanao congrès ny ame tam déc lasa teo iny. nivoaka angazety sy tele izany ary nisy antson'Atoa Clément Zafisolo manao hoe : "Miomana ianareo izay hifanandrina aminay fa ho azonay io...izahay akory tsy hanakora izay resy." Mitory fahatokisan-tena sy fahavonona izany ary misy fifanajana.
trop mahatoky tena loatra le ngah zafisolo zany !! ngah raha mihantsy eran'ny tele de mafy be zay na tian'olona be zay ozy botakely ?? voalohany aloha de mety ahafeno an'i gasikara ve ny biletaan'i ngah zafisolo ? sao de olona tsy manambola akory ?? mahavita mahahenika an'i madagascar ve ny mass media ampiasiny ?? - manana olona ve izy ?? fa toa otran'ny Tananarive iany io antoko AME io ,na raha misy any am faritany de mosimosy kely !! ...manana anle 125.000.000fmg caution ve i zafiloso sao de loso sy iraimbilanja no avoka eo ?? ok ok ok !!....
16. Miharena ( 03/03/2012 08:36)
Ka efa bileta tokana hono no hatao ko inona no manakana na oln-tsotra aza hirotsaka hofidiana. Araka ny fandaniana farany dia mety koa afaka mirotsaka ny indépendant, izany hoe olon-tsotra.
Ny vola indray mahita foana na iza na iza rehefa te-hiditra fa ny hany mahavaka fotsiny dia tsy fantatra hoe hiditra hangoron-karena ho an'ny tenany sa tena hanasoa ny mpiray tanindrazana sy hahta tsara ny lalan-kaleha rehefa tonga eo sao dia mifandrombaka fotsiny nefa rehefa eo dia mitarazoka toy ny tetezamita ankehitriny satria tsy mahay manavaka tsara akory lalan-kombana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0942