VAOVAO MA-TV 15 FEVRIER 2012

1. rijadolly ( 16/02/2012 03:01)

Raha ny vaovao voaray farany avy amin'ny sampan-draharaha mpamantatra ny toetr'andro, dia nivoaka an-dranomasina tao Belo Tsiribihina ilay rivo-doza Giovanna ary foana ny filazana loza voarain'ireo distrika voakasika izany.

..............................................................................................................

Raha ny tatitra vonjimaika avy amin'ny BNGRC dia 16 ireo namoy ny ainy tamin'ny fandalovan'ilay rivo-doza mahery vaika nandrakotra faritra maro teto amin'ny Nosy.

..............................................................................................................

Tapaka nanomboka omaly ny lalam-pirenena faharoa mampitohy an'Antananarivo amin'i Toamasina. Ny fahatapahan'ny tetezana ao amin'ny kaominin'Ambohimangakely no fototr'izany.

............................................................................................................

Taorian'ny orana nikija nentin'ny rivodoza Giovanna dia saika niakatra avokoa ny haavon'ny renirano manodidina ny renivohitra.

..........................................................................................................

Manolona ny voina izay nateraky ny rivodoza Giovanna, dia hanome fanampiana antsoina hoe secours d'urgence mitentina 50.000 dolara ny fitondrana amerikana.

............................................................................................................

Androany ihany koa no nosokafana tamin'ny fomba ofisialy ny fotoam-pivoriana fahatelon'ny kongresin'ny tetezamita.

...........................................................................................................

Nisokatra tamin'ny fomba ofisialy androany ny fotoam-pivoriana tsy ara-potoana fahatelon'ny parlemanta.

...........................................................................................................

Mikasika ny fivoriana fahatelon'ny parlemanta izay, dia manana ny ambarany Robert Razaka avy amin'ny HPM sy Cyril Rasambozafy izay samy mpikambana ao amin'ny CST.

...........................................................................................................

Efa saika miomana amin'ny fanolorana ny anaran'izay solotenany ao anatin'ny kaomisionina mahaleontena misahana ny fifidianana ny vondrona samihafa voafaritra handrafitra ity andrim-panjakana ity.

..........................................................................................................

Manoloana ny fikatsohan'ny famahana ny krizy eto amin'ny firenena, dia mandroso soso-kevitra amin'ny fiverenana amin'Andriamanitra i Me Avoko.

..........................................................................................................

Tsy afa-bela tamin'ny fandalovan'ny rivodoza Giovanna ny talata lasa teo ny kaominina ambanivohitra Sabotsy Namehana.

...........................................................................................................

Vokatry ny fandalovan'ny rivodoza Giovanna izay ihany dia maro ireo toerana teto Antananarivo sy ny manodidina no somary sahirana teo amin'ny fahazoana rano fisotro madio.

...........................................................................................................

Raha nisy ny olana teo amin'ny famatsiana solika omaly noho ny fandalovan'ny rivodoza Giovanna, dia efa niverina amin'ny laoniny izany ankehitriny.

..........................................................................................................

Nanao ny ataony indray ireo jiolahy omaly alina, teny amin'ny fokontany Faravohitra Mangarivotra.

.........................................................................................................

Nisondrotra ny vidin'ny legioma eny an-tsena nanomboka io maraina io. Nisongadina dia nisongadina tokoa ny elanelan'ny vidin'entana teo aloha sy ny ankehitriny.

..........................................................................................................

Nampahafantarina tamin'ny fomba ofisialy androany ny fanombohan'ny tetikasa PROLEGTRA any amin'ny kaominina Didy Ambatondrazaka.

............................................................................................................

Niroso tamin'ny fanamafisana ny fandaharan'asa fanadiovana ankapobeny ny kaominin'Antananarivo renivohitra. Tanjona ny fanatsarana ny tanana sy ny fiainan'ny mponina ao aminy

...........................................................................................................

Efa miha mahazo laka eto amintsika ary mahasarika ny tanora amin'izao fotoana izao ny POKER. Lalao manita-tsaina ary mitaiza ny mpilalao azy ho tia karokaroka.


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2845