VAOVAO MA-TV 14 FEVRIER 2012

1. rijadolly ( 15/02/2012 02:57)
VOKATRY NY FANDALOVAN'NY RIVO-DOZA GIOVANNA


Olona telo no namoy ny ainy. Toeram-ponenana maro no rava vokatry ny fandalovan'ny rivo-doza Giovanna teto Madagasikara androany.

..............................................................................................................


Nivoaka an-dranomasina androany tolakandro tamin'ny efatra ora tany Belo Tsiribihina ilay rivo-doza Giovanna. Nihena ny heriny ary efa nivadika ho ?temp?e tropicale? izy.

..............................................................................................................


Tsy afa-bela tamin'ny fandalovan'ny rivo-doza Giovanna androany ny teto Antananarivo. Toa izany koa ny teny amin'ny kaomina ambanivohitr'i Sabotsy Namehana.

..............................................................................................................


Betsaka ihany koa ny fianakaviana tra-boina teto an-drenivohitra taorian'ny fandalovanan'i Giovanna.

............................................................................................................


Anisan'ireo toerana nahitana traboina voalohany ny teny Tanjombato androany. Manodidina ny tokatrano dimampolo ahitana olona 200 eo ho eo ireo nanorenana tranolay ao amin'ny kianja fanaovana kitra eny an-toerana.

..........................................................................................................


Fianakaviana roa no fantatra fa niharam-boina voalohany noho ny faharavan'ny tranony teny Tanjombato, androany, tamin'ny folo ora maraina.

..........................................................................................................


Ato anatin'ny fanadihadiana manaraka no hitondrana anao ny fomba niainan'ny olona ity rivo-doza anisan'ny natanjaka indrindra tao anatin'ny 10 taona farany ity.

.........................................................................................................


Ny 50%-n'ny tananan'Antananarivo no niaina ny fahatapahan'ny herinaratra, araka ny tombatombana nomen-dRazafindroriake Nestor, minisitry ny Angovo.

...........................................................................................................


Nandray fepetra avy hatrany ny mpitandro ny filaminana taorian'ny fahapahanan'ny herinaratra tamin'ireo faritra maro manerana an'Antananarivo.

............................................................................................................


Misy ny fampitam-baovao nataon'ny avy ao amin'ny polisy manoloana fisian'ny rivo-doza ka isian'ny fanararaotana.

.............................................................................................................


Nanakorontana ny fifamoivoizana amin'ny faritany ny fandalovan'ny rivo-doza Giovanna. Nisy ny fahatapahan-dalana amin'ny lalam-pirenena faharoa ary niato ny fifamoivozana.

.............................................................................................................


Androany no daty voatondro hanokafana amim-pomba ofisialy ny fotoam-pivoriana tsy ara-potoana fahatelon'ny parlemanta.

............................................................................................................


Ny vokatry ny fandalovan'ny rivo-doza Giovanna tamin'ny faritra maromaro teto an-drenivohitra no entina amintsika an-tsary tsy an-kiteniteny amin'ity fanadihadiana manaraka ity.


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.178