Fitsitsiana isan-karazany ao an-tokatrano aho

1. pomderenette ( 07/02/2012 02:17)
Ato no soratantsika ny fomba rehetra afaka hitsitsiana ao an-tokatrano ao.

Atomboko ary:
- Rehefa miantsena aho dia eny @ grossiste foana no mividy PPN fa miezaka tsy hividy eny @ épicerie satria eny tena lafo dia lafo tokoa ( siramamy, lafarine, savony, vary, sardine, biscuits, papier hygiénique sns)

- Izay tsy hita eny ihany no vidiako eny @ supermarchés (ronono en brique satria mora mandry ireo @ sachets, yaourt, dibera, sy izay aingitrainditra kely madinidinika)

- Ny légumes ety @ tsena akaiky anay ihany aho no mividy, taloha aho mahavita nankany Anosibe, fa rehefa nataoko ny kajy dia lafo kokoa satria mbola misy frais de déplacement.

- Ny fiaranay ho soloina diesel fa vao eo am-pitadiavana aloha izao

- Pihina ny jiro rehefa tsy ilaina, ny chauffe-eau adiny iray isan'andro ihany no ampiasaina (misy disjoncteur), ny rano aloha tena tsy haiko ny mitsitsy azy, fa mba toroy.

- Rehefa mahandro sakafo @ gaz na rice cooker, dia tsy andrasako masaka be fa vonoiko 10minutes eo alohan'ny cuisson satria tsy mijanona eo no eo ny "cuisson" fa masaka ho azy eo rha avela eo ny sarony.

- Rehefa manao gâteau aho dia 2 na 3 indray ataoko, ary avy dia surgeler-ko izay mbola tsy hanina dia avoakao miandalana

Izay aloha no tadidiko, dia mba zarao izay ataonareo koa ô!
novalian'i kiriah ny 14/02/2012 14:55
2. diamondra27 ( 07/02/2012 15:23)
ny fitsitsiana rano dia tsotra: atao anaty bassine 2 ny rano na raha manana le evier à 2bacs de fenoina rano izy 2 , ny iray asiana savony ny 1 hi rincer-na azy.

raha mandro de tsy alefa mitatatata ny rano fa rehefa mihositra savony de hidina

mitaty ranon'orana de iny no hanondrahana voninkazo

__________________________

rehefa alina de ipihina doly y courant fa tsy atao veille zany fa mihinana foana ny courant
tsy manao brushing rehefa manamaina volo fa avela ho maina ho azy, sauf raha tsy hoe tena mila brushing ny volo angamba
____________________________

ny hodina legumes ireny dia atokana mba avadika ho compost a zezika
_____________________________

rehefa misy promotion dia @iny no mividy entana atao be dia be , ny sakaforehetra dia azo atao anaty congélateur daholo afa-tsy atody sy ovy. Ny voatabia congélér-na dia tsy afaka atao lasary intsony fa atao sosy ihany.

na anana, na tongolo maitso na sakamalaho na inona de met tehirizina daholo , ataovy anaty boaty kely plastika de zay ampiasaina ihany no avoaka
________________________________

rehefa lany ny glasy tao anaty boatina glasy 500g ireny dia aza ariana fa ireny no hitehirizana ilay sakafo atao anaty anaty congelo

ireny tavoahangy ireny tsy ariana fa azo hitehirizana lasopy mixées atao anaty congélo.

____________________________

zay fa sao de be loatra ka lasa mahihitra be ndray. @manaraka n sasany raha mbola mila, resaka beauté sy fahasalamana ndray no lazaiko, tsy mila mividy lafo fa manamboatra
3. jesuisla ( 08/02/2012 18:08)
za aloha d manohitra ny fitsitsiana. satria toa mahatsiaro tena ho tsy olona aho. F nahoana aho no mila mitsitsy? isan'andro d fehezina fona ny olona. tsy mahazo manao an'izao na izao. tsy maintsy atao ny adidy sy andraikitra sahala @zao. aiza ny fahalalahako sy ny mahaolona ahy? natao hiaina sy ho velona aho.

rahapitso ianareo d azoko antoka f hiteny hoe, samy mandoa vola @ rivotra sy ny masoandro. ny ratsy sy ny fahafatesana efa mamono anay, d ianareo koa v hanampitrotraka.

mialatsiny f tsy hekeko. avelao aho hiaina @tiko sy mahadiavolana ahy

misaotra b @ torohevitra
4. bichette ( 09/02/2012 11:37)
ny fitsitsina rano koa, rehefa manao vaiselle, atao anaty evier daholo ny hosasana, lemana daholo , avy eo pihana ny rano dia indray hosorana savony tsirairay daholo, rehefa hanakobana dia atao anaty evier daholo indray, atao mifampitaingina amin'izay ny rano nanakobanana ny sasany efa mba manakobakobana ny hafa. àsa na mazava izany lazaiko izany, misy manko rehefa manao vaiselle dia tsy mijanona mandeha ny rano. ny momba ny fahandroana moa efa voalaza etsy ambony ilay hoe rehefa mihosotra savony dia pihana ny rano.

ny electricité, debrancher-na ny magneto audio, ny chargeur telephone koa, fa mihinana moramora foana http://www.comment-economiser.fr/consommation-electrique-debrancher-chargeurs.html

ny ambon-tsakafo tsy lany avela mangatsiaka dia avy eo atao anaty barquette na fitahirizana dia saronana tsara dia atao anaty frigo na congelateur. ny mofo tsy lany afaka atao chapelure, azo anaovana pudding koa.

ny legume manomboka losotra azo handrahoana miaraka dia atao soupe mixer-na.


ny produits d'entretien, :
sady tsy toxique anefa efficace dia ireto ny tena base : savon noir - bicarbonate - vinaigre blanc. :
- ny savon noir tena decapant tsara mihitsy, azo hanadiovana douche, ny sol tsara ihany koa ary azo asiana qq gouttes d'huile essentielle izay tiana hanalana ilay fofony no sady mamono microba (io foana ny ahy no ampiasaiko dia tena afa-po tsara mihitsy aho sady tsy toxine no tsy mila kobanina)
- ny vinaigre blanc desinfectant tsara no antiseptique mihitsy sady mampangirana ny carreau, ny vitre, manala ny calcaire, ny tartre ;
rehefa avy mahandro trondro iny ka te hanala ny fofona ao antrano, alaina ny vinaigre blanc atao anaty casserole kely -ny ahy micro onde - dia ampangotrahina kely, ilay entona iny mamono fofona, tsy atao betsaka ary tsy atao mangotraka fa rehefa misy entona dia efa mety, fatra kely dia mahampy / io koa no atao anaty cuvette wc manala ny tartre : avela milona ela, fa personnellement aloha raha tsy tena be tartre dia mety fa reha tena be tartre sy ilay mainty ireny indray, ny ahy acide chloridrique no vidiko dia ny atsasaky ny tavoahangy, jerijereko matetika, eo amin'ny adiny 3 eo dia alefako ny rano. tena madio otran'ny tena vaovao mihitsy avy eo, tsy mila kosehina tsy mila atao na inona na inona fa miala ho azy daholo mihitsy. tsy tsara atao matetika loatra fa ts'indraindray.
- ny bicarbonate azo atao anaty bol kely dia atao anaty frigo fa manala fofona, mi aspirer odeur, atao amin'ny fitoeran-kiraro koa. ny bicarbonate koa azo handoana ny legume, ny salade koa. ampiasaina koa ny bicarbonate hanasana ny douche, otran'ny poudre à recurer. mbola maro ny azo ampiasana ny bicarbonate

marihiko fa ireo produits ireo eny amin'ny grande surface dia ahitana an'ireo daholo. jereo ao amin'ny internet ny fampiasana azy fa sady ecolo no economique anefa tena efficace, tsy toxique ao antrano, tsy mi degager produits chimiques.

mazotoa jiaby o !
5. pomderenette ( 10/02/2012 02:29)
jesuisla> tsy hoe sanatria hanao polémique lava be, fa izaho mieritreritra fotsiny hoe raha tsy tsitsiako ny tontolo iainako amin'izao, inona no avelako ho an'ireo zanako rehefa afaka 100-200 taona any? Sanatria ve mila manao 25 km vao ahita rano, ohatra oftsiny io.

Misaotra indrindra ho an'ireo nanome toro-hevitra fa tena misy betsaka azo raisina tokoa, ary tena ezahana atao mihitsy.
6. vahiny2004 ( 10/02/2012 13:47)

jesuisla> ilay hoenti-manana mihintsy no tsy ampy dia tsy maintsy mitsitsy . Sambatra ianao tsy voatery mitsitsy izany
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2335