VAOVAO MATV 31 JANVIER 2012

1. rijadolly ( 01/02/2012 00:32)
Nihaona androany ireo mpikambana ao amin'ny kaomisiona manokana mandinika ny fampiharana ny sori-dalana sy ny mpikambana ao amin'ny Filan-kevitra Ambonin'ny Tetezamita.

..................................................................................................................

Anisan'ny efa nolanian'ny CT sy CST tao anatin'ny fivoriana tsy ara-potoana faharoan'ny parlemanta ny lalana mikasika ny CENI. Tsy mbola misy aloha ny fanovana nentina teo anivon'ny CENI.

..............................................................................................................

Efa eny amin'ny parlemanta ny lalam-pifidianana. Ho an'ny filohan'ny kongresin'ny tetezamita Mamy Rakotoarivelo, dia tokony ny fametrahana ny fahatoniana eto amin'ny firenena no atao laharam-pahamehana.

............................................................................................................

Nitondra ny fijeriny ny raharaham-pirenena amin'izao fotoana izao ihany koa ny antoko Madagasikara Mandroso, tarihan'ny minisitry ny Raharam-bahiny teo aloha, Yvette Sylla. Ho azy dia ilaina ny fanovana ny fitantanan-draharaha.

...........................................................................................................

Manoloana ny tsy fisian'ny fanapahan-kevitra nivoaka nandritra ny fivoriana antampon'ny vondrona afrikanina farany teo dia nilaza Cyril Rasambozafy fa natao anjorombala ny raharaha Madagasikara.

...........................................................................................................

Noroahana tsy ho mpikambana ao amin'ny vondrona politika Les autres sensibilités na les AS intsony Razanakoto Marcellin, filohan'n'y KMDT sy Mamodhoussen Irsade, filoha mpamorona ny FBM.

............................................................................................................

Nihaona tamin'ny mpanao gazety androany Me Radson Solo, izay isan'ny mpiaro ny vondrona Tiko ao anatin'ny raharaha mampifanolana ity orinasa ity amin'ny antenimieran'ny varotra sy ny indostria.

.............................................................................................................

Androany dia nanatanteraka fivoriambe ny sendikan'ny mpitsara Malagasy. Fantatra taorian'izay fa mitohy ny fitokonana izay tanterahan'izy ireo.

.............................................................................................................

Tonga ny faran'ny herinandro teo, tao amin'ny Frét Ivato ny nofo mangatsiakan'i Ralimamonjy Suzanne izay tovovavy malagasy niasa tany Liban.

............................................................................................................

Amin'ny vanim-potoana ny orana tahaka izao dia maro ireny scooter ireny no mila fanamboarana. Ny « carburateur » sy ny « bougie » matetika no tena voa amin'izany.

............................................................................................................

Ny asabotsy izao no hivoaka ny andiany faha-11 amin'ny tantara Malokila. Manamarika ity andiany ity ny fisian'ny mpilalao vaovao. Mbola mijanona kosa anefa ireo mpilalao teo aloha izay nanao ny fandraisana sary tany Chine.

.............................................................................................................

Manoloana ny firongatry ny tsy fandriampahalemana amin'izao dia maro ny olom-pirenena no misafidy ny hivatsy hatrany ny fitaovam-piadiana fiarovan-tena tsy mahafaty.

.............................................................................................................

Anisan'ny efa nolanian'ny CT sy CST tao anatin'ny fivoriana tsy ara-potoana faharoan'ny parlemanta ny lalana mikasika ny CENI. Tsy mbola misy aloha ny fanovana nentina teo anivon'ny CENI.

.............................................................................................................

Nitondra ny heviny ny pasitera Nestor Razafindramanitra avy ao amin'ny FINONA, manoloana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny.

.............................................................................................................

Tany Nosy Be indray ny faran'ny herinandro teo no nanohy ny asa sosialy fanaony Renée Rajaonarivelo.

............................................................................................................

Fotoan-dehibe teny amin'ny FJKM Soamiavaka Filadelfia omaly. Nosokafana tamin'ny fomba ofisialy tokoa ny fankalazana ny faha-80 taona niorenany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.9944