FIVERENAN' NY MARC RAVALOMANANA(nalaina tao amin'ny Gazety Tia Tanindrazana, Misy antso an-taribia mivantana+ Video))

1. rijadolly ( 18/01/2012 15:38)

Nambaran'ny Filoha RAVALOMANANA Marc tamin'ny vahoakan'ny Magro fa ny Sabotsy 21 janoary 2012 ho avy izao amin'ny 01 ora sy sasany tolakandro no hiverina an-tanindrazana ny tenany sy ny mpanara-dia azy. Hafaliana tsy omby tratra no nandraisan'ny mpitolona an'izany ary dia nentina am-bavaka nandritra ny fotoana manontolo izany vaninandro lehibe izany.

TSINDRIO ETO
novalian'i zonia ny 21/01/2012 07:07
2. rijadolly ( 18/01/2012 15:42)
Gasy Tia Tanindrazana azafady indrindra eo amin'ilay loha-teny fa tsy Gazety Tia Tanindrazana.
3. andrywui ( 18/01/2012 22:46)
raha zao andro fahavaratra eto amn tanana zao alou no iditra eny Tsiafahy de ratsiratsy iany ! satri be lana'aretina ratsy be eny amin afitsoky ny voalavo ,, ny andro manorana rahateo sady maitso ahitra be !! bongahazo no hanina eny ! hounnn !!!!!!!
4. andrywui ( 18/01/2012 22:48)
*...be valan'aretina ratsy be eny amin'ny afitsoky ny voalavo ,,
5. andrywui ( 18/01/2012 22:50)
sady manorana no mangitsy !! ny tena efa zatra misotro ronono ,,bongahazo nefa no eny sady ladina antany !!!
6. pulm ( 19/01/2012 11:29)
Samy mbola hoeny daholo e!! aza matahotra
7. zonia ( 19/01/2012 12:47)
@ko zony ny mody ary ny fifanarahina koa milaza izany. Tsy hitako ny olana. Mampihova inona @ vidim-piainanana mampikaika ny olona moa ny fatongavany any Magro. Efa tonga izao Ratsiraka, dia nampihova inona, fa tsy niady t@ Sophie zanany no taony. Mino ve isika fa ny amboa antitra hahasahy hikiry toalana imason'ny amboa tanora.
Misy @ntsika mitonina hoe Gasy Tia Tanidrazana. F'angaha anareo irery I Madagasikara?! Raha tsy hoe angaha: Madagasikara mira Behoririka, Antananarivo mira Magro. Tsy fisalorana anarana zatsy na zaroa akory no midika fa tia tanin-drazana! Fa ireo be tsy miteny, tsy mitolona, tsy misehoseho sns, ireo izany tsy tia an'i Dago? Azafady aho ry havako; fa any @ digy ny lalako. Aleonay mangina fa < le silence est d'or>.
Ravalomanana de retour à Madagascar, AKUNA PROBLEME? AKUNA MATATA. Dis-lui: JAMBO BUANA A MADAGASCAR. MALAGASY MUNZURI SANA. KARIBU PAPA RAVALOMANANA!
8. rijadolly ( 19/01/2012 13:32)
Zonia a! Izay ilay teneniko eto foana hoe aza mijery hoe MATV na VIVA na hoe GTT sns...dia iny no hitsarana ny olona, rehefa iny aloa ny vaovao mande dia ny mitsara hoe lainga na marina ilay vaovao no azo atao fa tsy hitsarana ny olona hoe TGV, na TIM, ilay olona.

Fantatro fa ilay soratra hoe GTT mihitsy no tsy zakan'vavon' se, nefa tsy afa-miala ny hoe tsy hanoratra an'io aho, satria tsy maintsy aseho ny nangalana ilay vaovao, izay no lalàna eto amin'ny serasera.Aza mora entim-po izany e! saina alefa, mba ahatafavoaka ity Gasikaratsika ity. Mafy anie izao mahazo antsika izao e! sa ahoana hoy i se?
9. andrywui ( 19/01/2012 23:31)
samy te ahatafita ny malagasy eto fa tsy mila grevy sy fikatsoana tsony Rija aa ...ka raha cyclone hamotika sy hampikatso ndray de aokizay sakano , doroy , poteo
- mitady hanao be mokiny sy be sandry sy miseho ho ambony lalàna ve ??? - ahita ny anganony fa ataovy anga moa ee
- colonel Andry BANI a omany less ireo elements nlah mpiandry aeroport ireo aaa aleo hiditra tsara fa aza tabaina fa refa tafagadona vao otsanina amzay !!
10. zonia ( 20/01/2012 07:29)

Misaotra Rija. Tiako anontaniana hoe azonao ve dikan'ireo teny nampiasako @ farany lahatsoratro ireo. @ teny soaeli ( afrikana) izy ireo, ary mino aho fa fantan-dRavalomanana tsara ny dikana satria niaina naharitra tao afrika atsimo izy . Mampiasa io teny io mantsy afrika atsimo, malaoiy, mozambika sns, eny fa na isika malagasy aza miteny @ ampahany ( Mahanjanga), ohatra isika miteny hoe: akory aby, @ soaeli Habari iakô, Tongolo= matongolo Sns...
Ny JAMBO BUANA = ARAHABA ANDRIAMATOA
MALAGASY MUNZURI SANA= SALAMA TSARA NY MALAGASY
AKUNA PROBLEME?= INONA NY OLANA?
AKUNA MATATA= TSY MISY OLANA.
Fehiny, tsy @ko, tsy misy olana mihitsy ny fahatongan-dRavalomanana any Dago.
Ok Vloma
11. rijadolly ( 20/01/2012 17:16)
Hoy i Andrywui:

samy te ahatafita ny malagasy eto fa tsy mila grevy sy fikatsoana tsony Rija aa ...


Tsy misy na iray aza manda io tenin'se io, ary tsy ampy aza. Mafy loatra ny krizy nentin'ny 2009 nakaty amin'ny 2012. Ary tsy misy hanampy krizy ao anatin'ny krizy. Ny fandehanana irery hatrany am-boalohany izay novohizina teto hatrany, tany amin'ny volana Avril Mai 2009 tany fa tsy mety, izay nizirizirina fa tsy maintsy tafavoaka na tsy misy fankatoavana aza, sy ny tsy ilaina ny famantsiam-bola dia niteraka izao Krizy mampinjaly ny vahoaka izao. Tsy olana anefa izany raha mbola hita ankehitriny fa tsy nety.

In anefa ny vahaolana?

Andao hifandray tànana, Andao hifamela fa samy tsy mbola manana ny marina. Tsy maha vaha olana ve ny fifandraisantanana, sy ny fifamelana ka mitarika ny fiaraha-mihentana hanavotra ny Firenena?

Izaho hatreto kosa aloha dia mbola tsy naheno an'ireo mpomba an' Andry na i Andry mihitsy no miantso an' Marc Ravalomanana hiara-miasa hampandroso ny Firenena. izaho efa nolazaiko hatrany ambohalohany dia efa nilaza fa tsy Mpiondana Ravalomanana, fa kosa ilay heviny no hitako handrava ny Krizy.

Raha nandinika i se Andrywui dia notapahiko hatreo ny tenin'se satria io ihany no iraisako hevitra amin'se, fa raha vao ireo ambany ireo kosa no atao ao am-po sy entina hanavotra ny vahoaka mahantra, dia hoy aho hoe rava indray ilay iraisako hevitra amin'se. Haveriko indray, Tsy misy afatsy ny FIFAMELANA, sy FIFANDRAISAN-TANANA Andrywui no ahatafavoaka ny mahantra.

Asakasakao, asakasakao....
12. zonia ( 21/01/2012 07:07)


O ry zareo a! Mba mihaino antsika ve ry lerony ireo e! Satria mantsy raha nanongilan-tsofina t@ntsika vahoaka ry zalahy mpitondra nifanesy teo tsy tahaka izao ny niafaran'i Gasikara.
Ok Vloma
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1581