ramatoa mi-verifier phone isak'izay ...

1. danbal ( 15/01/2012 21:24)
Inona mo zany no tena mba eritreritrareo @ ty mi-verifier ny phone-ndrams isak'izay miditra ny trano ty,fa za zany mahita hoe hotran'ny tsy mety ihany le izy an, sao de mba tokony apetraka ihany le minimum de respect @ vie priver-ny ts-1-1. Be de be zany ny zavatra hitako e, ary hitako mihintsy hoe mampalahelo le izy, sa ve ty olona rehetra miantso ny vadinareo ty de tsy maintsy tokony ho fantatrareo daholo( Mpiara-miasa ohatra, na namany,..sns e). Fa vao mipetraka le zavatra de kinga ery mandray an'iny, jerena daholo, iza no niantso, iza no nandefa msg tato, sns.e. Fa amiko zany ny vhv manao an'ireny faible e, fa izy ve de vendrana ozy nareo, de hanaiky ho raisi-potsiny eo. Ny tiako tenenina, aza de curieuse loatra raha mbola tiana ihany io tokatrano io, fa zavatra kely fotsiny anie de samy mirava e, vita!Sao de eo vao hoe "tAHAK'IZAY...". aOKA samy hieritreritra fa raha zany atao fiainana, sempotra ny olona, leobe izy
novalian'i BRIOCHE ny 07/11/2012 04:30
2. mirananirina ( 16/01/2012 09:55)
Marina mht izany,amiko manokana aloha dia tsy mijery mht aho na ny contact aza,amparary fo anao fotsiny ny anontany hoe izy izany,na misy ol miantso aza izy de tsy mba manontany aho na iza niantso na iza!!izany akory tsy midika fa tsy rarahako ny vadiko fa fitiavako azy daholo izany,fahatokisana
3. jesuisla ( 16/01/2012 16:46)
ny fahitako azy d izao, ny ratsy rehetra d mitady ny marina hanamarina-tena sy hiaro azy tsy ho voaloto, na iza izy na iza. Ohatra, mangalatra izy d karatra olon hafa no apetrany eo mba hilazana fa tsy izy no mangalatra. Ny olona tena tina d atokisana fona, ary toa tsy misy lesoka mihintsy. Mitady lesoka eo @ vadiny izy mba hanamarinana ny zavatra nataony. Ohatra, ity hena ratsy b ity v no novidinao? Ka ny vola nomenao ange ka key e! Ts diso lay olon fa ny vola no kely
4. jesuisla ( 16/01/2012 16:46)
ny fahitako azy d izao, ny ratsy rehetra d mitady ny marina hanamarina-tena sy hiaro azy tsy ho voaloto, na iza izy na iza. Ohatra, mangalatra izy d karatra olon hafa no apetrany eo mba hilazana fa tsy izy no mangalatra. Ny olona tena tina d atokisana fona, ary toa tsy misy lesoka mihintsy. Mitady lesoka eo @ vadiny izy mba hanamarinana ny zavatra nataony. Ohatra, ity hena ratsy b ity v no novidinao? Ka ny vola nomenao ange ka key e! Ts diso lay olon fa ny vola no kely
5. fiaritiana ( 16/01/2012 22:39)
Tsy dia azo atao loatra ny mijery telephone na mail io satria misy vie privee ihany na dia efa manambady aza, sady manimba ny confianceny aminao koa zany ka aleo samy hanana ny azy. nefa ny lehilahy koa nge mba manao izany @ vehivavy e dia normal zany sa tsia?
6. jesuisla ( 22/01/2012 05:22)
ny mety sy zay ifanarahana ihany no normal. fa ny mangalatra kosa tsy normex.

natao hifampizara ny soa sy ny ratsy ny mpivady , hifampatoky, hifanaja, hifanohana. raha misy ny mampiahiahy ny 1, d azavao aminy ny marina. teneno. INONA MOA NO TOKONY HAFENINAO @ VADINAO? mba teneno sy lazao ary ambarao, f tiako ho fantatra. inona no mandeha @ maizina ka hafenina.

avelao izy hisava. Porofoy f olon madio, sy aradalana ianao.

zah aky rehefa nanasa ny akanjonao d nahita taratasimpitiavana. fa iza no olona ampinao hitady vady.
lay tovolay atsy ambadika. sendra vehivavy taolana fona hono izy é
mba loza koa zany. F angaha misy vehivavy taolana
Tsy misy vehivavy taolana, f lay sendra az hono tena taolana b
tena tsoriko aminareo re olon fa tena mahatsiaro sambatra aho @ tokantranoko, f tsy misy zavatr miafina amiko ny fiainan' vadiko.
D tena mino toko ve ndry, f marina daholo ireny rehetra reny
ndry mihintsy no tena mialona sy manaratsy. Efa hoe fantako daholo, k inona indray
Tena tiko b ange tia malalako ti é
7. vale ( 26/01/2012 19:55)
Izaho aloha dia mpijery ny tél ny compagnon-ko e, ary raha vao misy oul tsy fantatra miantso ahy dia manontany izy, tsy nisy ny olana h@ izao. Ny mail ihany koa samy mahalala ny mot de passen'ny iray ny ankilany, izay tsisy zavatra afenina, vie à deux io koa tsitako oe mila vie privée respecté-na ahoana indray!!!
8. danbal ( 27/01/2012 12:41)
Vie a deux io, za tsy manda mihintsy, marina izany. F a amiko manokana"Toute la verité,n'est bonne a dire". Za mino fa maro no mitovy hevitra amiko, mba misy ihany ny zavatra tsy ambara vady, na tsara io na ratsy, ny antsika manko de hoe matoa hafenina de ratsy, diso be zany amiko, satria misy koa ny tsara fa tsy azo tenenina kah, ny ratsy moa ka efa ratsy zay ary koh!fa tsy misy hotran'ny mifanaja sy mifampatoky. Mot de passe, telefone, sns...Io ange tsy mila atao hoe "ty jereo",na hoe"zao ny mot de passe-ko"e, satria ireny ko azonao atao madio tsara mba tsy ahitany ze ratsy aminao, lasa mivadika hypocrisie ndray zany le izy e, te ho deraina hoy ny sasany. Fa amiko de io eritreritry ny ts11,aza atao hoe "Za tsy manao an'zany" na "Za de manao an'zany fa " ce qui s'excuse, s'accuse!" ozy ny fitenenana, fa aleo samy mahatsapa tena de mandinika tsara hoe mety ve zany ataoko zany sa tsy mety>Ny tanety lava misy hisainana ozy ny Gasy taloha, ary ny fiainana tsy androany na zao iany,fa ny zavatra niainanao androany tsy mitovy @ ze iainanao rahampitso. Soava tsara daolo e!!
9. patih ( 10/02/2012 07:45)
Raha ny hevitro dia ny tsy fahatokisana ilay rangahy vady no mampanao azy izany. Tsy fahalalam-pomba nefa ny fanaovana izany. Noho ny fitiavana ihany koa nefa no mampanaotao foana hany ka tsy mahay mandanjalanja ny tokony hatao intsony. Mamosavy tena nefa ilay vehivavy amin'izay. Tonga amin'ilay fiteny hoe "marary fo amin'izany eo"
Fehiny, raha mbola azo atao dia tsy tsara ny mitsikilo tahak'izany ary tsy mitondra voka-tsoa akory
10. vale ( 18/02/2012 19:52)
danbal: mpivady izany tsy tokony hifanafina zavatra e! raha tsy hoe mba resa-pianankaviana tsy tiana ho fantatr'ilay iray, fa eto ny resaka dia fisavàna téléphone. raha tél tsy hitako zay hifanafenana.
11. belakely ( 23/02/2012 01:12)
ny ahy aloha dia tena jereko fa tao no nahitako sms nanaovana rendez-vous, dia tera-tsemboka be rams dia tapitra hatreo koa ny tantarany sy ilay spin, ouain beeeeee!
za tsy nikorapaka mihitsy fa nalefako any @ phne-ko le izy dia izy indray no namaky azy! hi!hi! tratrako ity hoy aho!
12. jesuisla ( 25/02/2012 14:39)
azafady danbal fa misy zavatra tsy trataran' saiko. ra azo atao, mba afaka manome ohatra ny @ zavatr tsara tsy azo aseho vady, na ts azo atoro vady, na tsy azo omena vady v ianao fa tena tsy arako intsony?
13. Ratoa ( 25/02/2012 21:50)
Ny ahy indray dia ny misavasava zavatr'olona mihitsy no tsy tiako. Inona ary izany toetra izany? Izaho tsy hanambany tena hisava zavatr'olona mihitsy. Ary raha matoa koa misava dia tsy mahatoky izany.Iinona no ijanonana amina olona tsy itokisana?
Hoy ny renibeko hoe: naha tiana aza ny vady, tsy mitanjaka imasom-bady. Toute vérité n'est pas bonne à dire hoy ny vazaha na koa hoe "toute grandeur a besoin de mystère". Inona intsony no maha liana amin'ilay olona raha fantatrao amin'y antsipirihiny ny momba azy sy ny ataony ? Raha fantany amin'ny antsipirihiny ny momba anao sy ny ataonao? tsy misy suspens intsony sa ahoana?

fanambanian-tena aloha amiko ny misavasava é!
14. belakely ( 26/02/2012 12:14)
tsy mitanjaka imasom-bady hoe!!!!!!!! de ahoana??????????
matoa ianao mijery dia efa misy antony izay fa tsy mitsaratsara fahatany hoe manambany tena, sao ianao no tena ambany??? as!!!!!!!!!
Ny ahy tsy misy tsy fantany ny momba ahy!


Ratoa:

Ny ahy indray dia ny misavasava zavatr'olona mihitsy no tsy tiako. Inona ary izany toetra izany? Izaho tsy hanambany tena hisava zavatr'olona mihitsy. Ary raha matoa koa misava dia tsy mahatoky izany.Iinona no ijanonana amina olona tsy itokisana?
Hoy ny renibeko hoe: naha tiana aza ny vady, tsy mitanjaka imasom-bady. Toute vérité n'est pas bonne à dire hoy ny vazaha na koa hoe "toute grandeur a besoin de mystère". Inona intsony no maha liana amin'ilay olona raha fantatrao amin'y antsipirihiny ny momba azy sy ny ataony ? Raha fantany amin'ny antsipirihiny ny momba anao sy ny ataonao? tsy misy suspens intsony sa ahoana?

fanambanian-tena aloha amiko ny misavasava é!
15. Ratoa ( 26/02/2012 23:01)

Balakely: matoa ianao mijery dia efa misy antony izay fa tsy mitsaratsara fahatany hoe manambany tena, sao ianao no tena ambany??? as!!!!!!!!!


ianareo anie no misava fa tsy izaho é!
Izaho tsy misava na posy na poketra na phone an'olona. Tsy manana izanay fotoana izany aho. Zavatra hafa no andaniako andro. Ny principe-ko dia: manana fahalalahana ny olona rehetra, ny vady indrindra2 hilaza na tsy hilaza izay ataony sy hitany.
Matoa ianao misava dia tsy itokisanao izy izany. Inona no iarahanao mihaina sy mipetraka aman'olna tsy itokisanao?


matoa ianao mijery dia efa misy antony izay

Antony inona no misy? Matoa ianao mijery dia tsy itokisanao izy ka inona no mbola iarahana amminy?
16. danbal ( 28/02/2012 16:44)
Bjr Jesuisla,Belakely, angamba tsy mihantra aminao le olana ka zay no tsy azahoanao ny zavatra tiako hotenenina,Ratoa aloha de hitako fa tena mitovy hevitra amiko, ka io Jesuisla samy manana ny eritreriny a,ny hoe zavatra azo lazaina amim-bady sy azo lazaina, fa enao ve zany de tena sahy milaza fa fantatry ny vadinao daholo @ antsipiriany ny zavatra ataonao. satria raha izay no izy dia tena hafa mihintsy le anareo, fa tsy arak'ilay efa voalazako tary aloha ary mbola averin-dRatoa ihany hoe" Dans la vie toute la verite n'est pas bonne a dire". "".Aza matoky Fitiavana ozy ny olona taloha fa io sady mamono no mamelona".Omeko ohatra ihany enao satria zay moa no nangatahanao,Ny affairem-pianakaviana ohatra, misy ny tsy azo lazaina vady satria maninona, eo no ipoiran'ny henamaso amim-bady, satria rehefa dia diso fantatry ny vadinao loatra ny momba anareo anareo mianakavy, raha ratsy moa dia efa tsy hananany henamaso intsony enao izay, raha tsara ndray dia mety hisy ny complexe eo aminy ka mamono ny fitiavana zany,ohatra iray hafa koa, enao sy ny mpiray tampo aminao ve, na enao sy ny mamanao na dadanao, de tsy mba manana secret anareo manokana fa tsy maintsy hoe lazaina @ vady daholo izay miseho rehetra? sao de tsy mety loatra zany fa raha mbola misy ihany zany hoe hasim-pianakaviana zany de tsy maintsy tandrovana, satria io vady io ange ndraindray mitovy amin'iny akanjo anaovanao iny e, azo soloina rehefa avy ny tsy mety, fa ny havana tsy azo atao an'izany,KA ZAY NY OHATRA AZOKO OMENA ANAO, ASA NA MAZAVA AMINAO. Jereo ny zava-misy dia diniho tsara fa ho hitanao ny fahamarinan'ny teniko, Farany, le faites de hoe misavasava ny zavatra tsy anao, ataoko fa tena tsy fahalalam-pomba, ary marina daholo koa amiko ny tenin-dRatoa.
17. belakely ( 04/03/2012 15:01)
mazava be izany fa ny vady azo soloina fa ny havana tsy avelan'ny rà iraisana e!!!!!!!!!!!!!!!!
18. danbal ( 05/03/2012 12:26)
Salut daholo, 'ty ko no zavatra anankiray e, raha nisava ary enao ka nahita ze tsy tokony ho hita tao, dia haninona ? HIADY SA HISARAKA? satria tsy maintsy iray amin'izay no tanjona,vokatr'ilay fisavasavana. Mety hoe HIFAZAVANA ihany angamba, nefa tadidio tsara fa hanomboka eo ko ny tsy fahatokisanao azy, de enao ihany no sahirana eo satria enao tsy maintsy hieritreritra zavatra hafa isak'izay mivoaka ny trano izy. HIADY? Ka hahavita hifampigidraka isa'andro ao ve nefa hiaraka ihany, higagan'ny manodidina. Ka de inona mo zany no iafarany fa tsy maintsy FISARAHANA. Raha nampiditra an'ty lohahevitra ity aho tany am-boalohany, de efa nofaritako mazava tsara tao hoe" Raha mbola tiana ihany io tokatrano io, dia fadio le misavasava.Ny mamako raha nanafatra ahy talohan'ny hanambadiako de izao no nolazainy " Tadidio tsara anaka, hoy izy, fa io tokatrano io, vao tsy ialan-kasokasoka, tonta tsy ialan-dromoromo, raha tiana haharitra ny tokatrano ny paosim-bady tsy mba fisava. Aza adino koa, hoy ihany izy, fa io vadinao io rehefa miditra ny varavaranareo dia anao irery, fa rehefa mivoaka eo izy dia an'ny olona rehetra, noho izany alaviro ny hasarota-piaro.Dia mbola nampiany aza hoe, ho hitanao fa rehefa tsy misy ny vola, ny mpivady vao mifampijery dia miady ".Tsapako tsara ny fahamarinan'izany tenin'ny mamako izany, tena tenin'olon-kendry nahita fiainana, azon-tsika saintsainina ihany koa!!
19. jesuisla ( 10/03/2012 11:48)
tt la vérité n'e pas à bonne à dire. Mpivady ve no adehanan'io resaka io, sa olona 2 samy hafa, toy ny mpinamana. ts manamaivana na inona na inona mihintsy aho, sady ts mety zany.

rehefa mifankahalala kilema ny mpivady, d afaka mifanavotra, mifanampy tsara. Ts hoe mora akory izany. Ary tokony atao mianadalana tsikelikely ny fanoroana azy ny vady. @zay 1fo, 1saina, 1trano, 1safidy, 1fitiavana, 1voninahitra, 1fandriana, 1odana,....natao hizara ny rehetra ny mpivady.

Za aloha zao tena matahotra b, fa raha fantatry ny vadiko ity tapa-kazo ity, d misaraka izahay. Tena mpivavaka b manko lay vadiko. nef tsimaintsy mandro @ty tapakazo ty aho. D inona ny hevitra?

olona 2 samy hafa ny mpivady, fianakaviana samy hafa, fitaizana samy hafa. noho zany d tsimaintsy misy fona zavtr ts hitoviana hevitra, na fomba fijery. F inona no tena zava-dehib eo @ mpivady, lay tokatrano1 v sa lay tsy fitoviana hevitra?

manaiky aho fa betsaka no ts mitovy hevitra amiko. satria matahotra. zavatra ratsy v hoafenina vady? inona avy ny zavatra tokony ho afenina @ vady? inona no tsy tokony ho lazaina aminy? Manaiky izany ve ianareo vehivavy? F hifanaraka isika, d asiana zavatra ts ambara vady ny fiainanan?

Ny hevitrareo dia tsy diso, saingy tsy mety
20. fafane ( 11/03/2012 08:18)
amiko ndray iny dia izao, raha tsy manao zvtr ratsy na ny lahy na ny vavy, inona moa no amerana an'iny tsy azo jerena? fa matoa sarotiny @zany dia misy zvtr afenina ao zay! voalohany aloha raa vao an'zay fihetsika zay na lahy na vavy hoe sarotiny fa tsy azo kitihina ny phone, de mahimahina fa efa manao zvtr tsy mety zay le olona, zany tsy mba niteraka olana tamko mitsy na kely aza, fa @ olona sasany lay izy tena ataony zvtr lehibe mitsy, hany ka sarotiny tsy avela jerena mitsy na dia vady zao aza! tsy normal zany, raha vao zay no mitranga fa mailo2 iddra fa ny lehilahy no tena mpanao an'zany matetika, tsisy confiance tsony entre les deux, ka inn moa fa tsy aleo tsisy???
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1746