Sahy ve hianareo? Fa angaha tsy misy manam-pahaizana mihitsy e

1. niryna ( 14/01/2012 20:59)
Andao hoe esorina avokoa ireo mpitondra rehetra milaza azy ho tia tanindrazana ireo? Tsy misy ampidirina na iza na iza satria efa samy teo avokoa.Tsy asiana atoko fa olona mbola tsy nandray anjara mihitsy ny havany na izy .Mety ho tanteraka ve izany sa na maniry nify aza ny akoho dia tsy ho tonga mihitsy izany? Andao raha sahy hoy ny hira,ka misy sahy hijoro tena ho tia tanindrazana tokoa ve eo e ?

Sahy ve hianareo? Tsy asiana politika intsony izany fa olona vaovao mihitsy no hatsangana eo.
Izay rehetra miteny toa milaza ho tia tanindrazana avokoa kanefa rehefa tonga eo dia ny paosiny no fenoiny .Tsy asiana an'i dadabe na dadatoa na ny zanaky ny rahalahiko intsony na ny anabavin-dranona sy ny zanak'y ranona , ry zareo havanay avy any dilambato e
indrindra indrindra ireo izay rehetra milaza azy ho mpitaritolona teo aloha (nivadika palitao avokoa) . Dia ireo fa mbola eo ihany.Ny karama atao ambany be raha tena milaza azy ho tena tia tanindrazana tokoa,andao jerena raha sahy.

Sahy ve ireo rehetra ireo hiteny ny hareny sy anome izany harena hananany izany alohany hidirany eo? Sahy hively baiboly ve ireo izay miteny ny tenany ho tia tanindrazana ka tena hijery ny vahoaka tokoa? misy sahy manao izany ve?
Volavolaina ireo tanora izay hanangana ny ho avin'ny firenentsika ,tsongoina avy any amin'ny vahoaka mihitsy fa tsy misy fifandraisana etsy na eroa ,tsy momba an-dranona na avy any amin-dranona fa olona tsotra kanefa manam-pahaizana fa tena mankaleo be ilay izy.Mijaly ny vahoaka,very ny firenena.
novalian'i niryna ny 26/02/2012 20:51
2. jesuisla ( 15/01/2012 14:32)
Tsy ny fahasahiana no olana, fa inona notokony atao? Inona no ho atao?
3. mirananirina ( 16/01/2012 10:02)
tsy ho tanteraka mandrakizay izany raha ny hevitro satria ny fitondrana Malagasy dia azo lalaovina sy ifandimbiasan'ny mpanao politika teo aloha,ry zareo ihany no ao ,nefa aho dia dakoro koa @ hevitry i niryna io.Raha tsy manao ohatra ny nataon i tgv nanongana fitondrana dia tsy ahazo io mht raha tsy eo antoko politika teo ihany dia tohany efa misy
4. ndenn ( 16/01/2012 21:42)
Azo atao izany raha tena feno ny kapoaka mangidin" ny fijalian'ny vahoaka ! Izay indrindra no tadiavin' ireo olona very saina voasasa loha nitondra hatr@ izay teo aloha rehetra ! "Le pouvoir dogmatique " selon Hegel . "Les aleas du pouvoir politique" de Kant ! Ka asakasak'isika raha mbola hotohizana ny Hypocrisie collective na hajanona tanteraka rehefa tsy nahitana fandrosoana ! Nandetika lalina tany @ lavaka mangitsoitso an' i Mada mihintsy aza no nahitako azy hatr@ izay .
5. niryna ( 17/01/2012 01:11)

ndenn:

ka miverina indray anie izao ny fanjanahantany e
Iza daholo no ao ambadika ao?
6. niryna ( 17/01/2012 01:12)
Misy sahy hijoro ve raha 1 million 500 no omena karaman'ireo milaza azy ho mpitondra ireo? raha tena tia tanindrazana marina.
7. zonia ( 19/01/2012 13:15)
Tsara ilay hevitra. Ny ahy izao ny fanontaniana dia ny hoe: Amaly ve ny tompo raha vavaka mangataka ny hahafoy ny andro sisa iainan'ireo Dinôzôro pôlitika ireo no ataoko aminy.
Ankoatra, tsy olana: tsy haintsika afrikana ny manavaka ny grevy pôlitika sy ny grevy sendikaly. Hany ka na fitakina ara-sôsialy aza no atao dia miafara @ tolona pôlitika, isehosehoan'ireo Dinôzôro. Ary farany isika leo zay tsy haiko lazaina intsony e!
Aleo mangany fa
8. niryna ( 26/02/2012 20:45)

jesuisla:

Tsy ny fahasahiana no olana, fa inona notokony atao? Inona no ho atao?
ka miseho manana tetika-maty paika hanorenana an'i gasikara avokoa anie ireto mpanao politika e ,ny paosiny avy no fenoiny.
Inona no tokony atao?
Izay rehetra mitady hiditra ho mpitondra eo na iza na iza dia soratana avokoa ny fanany ka tsy misy mitondra mody eo rehefa miala eo.Izay fananany taminy izy niditra teo ihany no azy fa ny rehetra dia miverina ho fananam-panjakana.
Foanana ny fanomezana fiara ny vady aman-janany,natao anaovana raharaha maika ihany ny fiara fa tsy ho hoentina amin'izay hitiavana azy.
9. niryna ( 26/02/2012 20:47)

mirananirina:

tsy ho tanteraka mandrakizay izany raha ny hevitro satria ny fitondrana Malagasy dia azo lalaovina sy ifandimbiasan'ny mpanao politika teo aloha,ry zareo ihany no ao ,nefa aho dia dakoro koa @ hevitry i niryna io.Raha tsy manao ohatra ny nataon i tgv nanongana fitondrana dia tsy ahazo io mht raha tsy eo antoko politika teo ihany dia tohany efa misy
ka raha andeha amin'ny fahamarinana moa ka aninona ? izay rehetra tonga eo dia mihinana avokoa.Izay no anaovako hoe olona tsy nanao politika mihitsy no atao miditra ao dia raisina ny fanany rehetra ka tsy mahazo mitondra hafa raha vita ny fitondrany.Ferana ihany koa ny fitondrana fa toy ny hoe tsy misy olona manam-pahaizana mihitsy eo dia iny foana,foana mandrakizay doria ,hi,hi
10. niryna ( 26/02/2012 20:51)

zonia:

Tsara ilay hevitra. Ny ahy izao ny fanontaniana dia ny hoe: Amaly ve ny tompo raha vavaka mangataka ny hahafoy ny andro sisa iainan'ireo Dinôzôro pôlitika ireo no ataoko aminy.

mifanohitra amin'izany indray ny ahy,ny mivavaka ho azy ireo mba ny fanahy masina no hitsidika ny fony ka ahatonga azy ireo ho olom-banona andeha amin'ny tena fahamarinana sy ny tena atao hoe fitiavana ny tanindrazana.Miverina amin'Atra tanteraka avokoa ny olona e,sahy ve?

Ankoatra, tsy olana: tsy haintsika afrikana ny manavaka ny grevy pôlitika sy ny grevy sendikaly. Hany ka na fitakina ara-sôsialy aza no atao dia miafara @ tolona pôlitika, isehosehoan'ireo Dinôzôro. Ary farany isika leo zay tsy haiko lazaina intsony e!
Aleo mangany fa
ka raha miala amin'ireo izay milaza fa manampy? hiverina amin'ny fanjanahantany indray ve sa ho zanahy ny hafa indray? Manankarem-pahasoavana ny firenentsika ary ny harena ambanin'ny tany no tadiavin'ny firenena rehetra hidirana sy ho rombahina ka maninona ra mahaleo tena isika? sa tsy maintsy miankina amin'ireo goaka be sy voay be ireo foana ,foana,fanampiana etsy ,fanampiana eroa kanefa misy tetika maty paika ao ambadika ao, aoka re e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5794