Miarahaba antsika rehetra nahatratra ny taona vaovao 2012, ny zavatra mba tiako ho atsaraina kely amin'ny fandaharana eto amin'ny radio dia ny mikasika ny maha radiom-pinoana ny radio don bosco.
Marina fa misy ny fandaharana mikasika ny finoana eto @ radio, misy koa ny hira évangélique isamaraina, ary ny vavaka fa itako fa tsy ampy ireo amin'ny maha radiom-pinoana ny radio don bosco. Tokony ny hira évangélique ohatra no ibahantoerana eto @ radio satria ireny no tena manabe ny mpihaino amin'ny lalana maha kristianina marina ara-baiboly. Tokony tsy ho eto @ RDB no aenona hira tsy maontina na miteniteny foana an'Andriamanitra. Raha fehezina dia tokony ho ny hira évangélique sy ny fandaharana mampitombo ny finoana no tena hibahan-toerana eto @ RDB, satria maro ny katolika no tsy miaina marina ny finoana fa variana @ rendrarendra eto @izao tontolo izao ka tokony homena sakafom-panahy ampy sady mahavoky azy tokoa mba tsy ho variana @ fiainana mandalo sy ny hirahira tsy mitory an'Andriamanitra izy ireo.
Izay tompoko no tiako hambara ka manantena aho fa tsy ho lavinareo izany fangarahako izany. Misaotra indrindra.