NOSY MAINTSO, sapin # kininina

1. rijadolly ( 17/12/2011 23:14)
Torohevitra mikasika ny ny fambolen-kazo, Mahatsikaritra ny tena fa tsy mety eto Madagasikara ny fambolen-kazo amin'ny zana-tsapin. Raha mandinika isika dia manimba tany izay manodidina azy ny sapin.

porofo
- Iray ny tsy fisian'ny zavamaniry madinika manodidina azy satria tsy mahazo aina tahaka ny manodidina ny kininina izy ireny, izay anisany manome aina ny tany sy ny fananany lanja manokana eto amintsika sy ny andraikiny eo amin'ny fitsabona traditionnelle.
- Faharoa, ny tsy fisian'ny biby kely ao anaty tany ihany koa izay manodidina azy io ka afaka hanome tsiro.

Fanahiana
Manahy ihany koa ny tena fa mety anisany antony manova ny teotr'andro sy ny fahataran'ny orana na koa tsy fisian'ny orana betsaka intsony eto amintsika ny fisian'io hazo io betsaka loatra .(hazo nafarana fa tsy nisy teto raha ny fahalalako azy)
Masiaka loatra angamba ny felan'izy ireny izay mihitsana na ny fakany mihitsy ka mahatonga izay tsy fisian'ny zavamaniry sy bibikely manodidina azy izay.
Ny fananany io toetra somary masiaka(mety zv hafa,mety ilay menaka manitra misy ao aminy) io koa no mety mahatonga ny orana ho miantona satria raha ny kininina no resahina dia anisany mitana andraikitra lehibe mampisy ny orana ny felany.(tsy azo lavina anefa ny faharipahan'ny ala)

Aiza ny grand corps handinika io vinavinan-kevitra na volavolan-kevitra io ho an'ny taranaka ho avy, sao dia marina ihany ny ahiahy ny petit corps :-)
novalian'i Ratoa ny 24/12/2011 18:19
2. milofo ( 19/12/2011 10:04)
salama daholo ee!!
fanamarihana kely e ! : mba havao tsara ny atao hoe grand corps ; fa ny petit corps koa tsy haiko , tsarovy koa fa efa misy lamina momba ny tontolo iainana , fa misy marina ny @ le hoe :"manimba ny tany sy ny zavatra mihaina ao aminy ny sapin ..."
3. rijadolly ( 19/12/2011 16:23)
Hoy i Milofo:

fanamarihana kely e ! : mba havao tsara ny atao hoe grand corps ; fa ny petit corps koa tsy haiko

GRAND CORPS raha ny fahalalako azy dia ireo mpiasam-panjakana teknisianina. Fa ilay petit corps vazivazy mba hampirisika ireo technicien ireo mba hietsika handalina.Hihihihih! :-)

tsarovy koa fa efa misy lamina momba ny tontolo iainana

Ekena tokoa izay, nefa tsy voatery hanaraka izay raha hita fa hanimba ilay lamina, ka ahitana lamina vaovao eny hampandehanana mba hanome vokatra tsara sy maharitra.
4. rijadolly ( 20/12/2011 03:50)
Voavaly ny hafatra Milofo a! Ity koa olana iray izany ka tsy affaka hamaly ilay tolo-kevitsika.

Miha-vitsy isan'ireo teknisian'ny ala miasa eto Madagasikara. Ny fikatonan'ny sekoly fampiofanana nandritra ny 30 taona no isan'ny nahatonga izany.
5. Ratoa ( 24/12/2011 18:19)
ireto avy ny karazana hazo manimba tany:
pin sy ny karazanao filaos rehetra
eucalyptus (kininina, famiasan'ny israeliana hanamainana honahona)
mimoza, voaandelaka na Nimes
Samy mahery daholo ny essence izy ireo ka tsy misy zava-maniry mihitsy e
alokalofan'ireo. Ny kininina izay hanao vana pastilles antussives dia fanaovana ody oka koa. Ny pin rehetra koa mahery be. Jereo fa tsy mba haninin'ny koroka ny fanaka vita amin'ny pin na sapin.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2746