NOSY MAINTSO, sapin # kininina

1. rijadolly ( 17/12/2011 23:13)
Torohevitra mikasika ny ny fambolen-kazo, Mahatsikaritra ny tena fa tsy mety eto Madagasikara ny fambolen-kazo amin'ny zana-tsapin. Raha mandinika isika dia manimba tany izay manodidina azy ny sapin.

porofo
- Iray ny tsy fisian'ny zavamaniry madinika manodidina azy satria tsy mahazo aina tahaka ny manodidina ny kininina izy ireny, izay anisany manome aina ny tany sy ny fananany lanja manokana eto amintsika sy ny andraikiny eo amin'ny fitsabona traditionnelle.
- Faharoa, ny tsy fisian'ny biby kely ao anaty tany ihany koa izay manodidina azy io ka afaka hanome tsiro.

Fanahiana
Manahy ihany koa ny tena fa mety anisany antony manova ny teotr'andro sy ny fahataran'ny orana na koa tsy fisian'ny orana betsaka intsony eto amintsika ny fisian'io hazo io betsaka loatra .(hazo nafarana fa tsy nisy teto raha ny fahalalako azy)
Masiaka loatra angamba ny felan'izy ireny izay mihitsana na ny fakany mihitsy ka mahatonga izay tsy fisian'ny zavamaniry sy bibikely manodidina azy izay.
Ny fananany io toetra somary masiaka(mety zv hafa,mety ilay menaka manitra misy ao aminy) io koa no mety mahatonga ny orana ho miantona satria raha ny kininina no resahina dia anisany mitana andraikitra lehibe mampisy ny orana ny felany.(tsy azo lavina anefa ny faharipahan'ny ala)

Aiza ny grand corps handinika io vinavinan-kevitra na volavolan-kevitra io ho an'ny taranaka ho avy, sao dia marina ihany ny ahiahy ny petit corps :-)
2. mirananirina ( 27/02/2012 16:17)
Nefa mahafinaritra ery ny migorisagorisa @ ravina sapin @ tany!rehefa nilasy ireny izahay fahiny!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3297