NOSY MAINTSO, sapin # kininina

1. rijadolly ( 17/12/2011 23:12)
Torohevitra mikasika ny ny fambolen-kazo, Mahatsikaritra ny tena fa tsy mety eto Madagasikara ny fambolen-kazo amin'ny zana-tsapin. Raha mandinika isika dia manimba tany izay manodidina azy ny sapin.

porofo
- Iray ny tsy fisian'ny zavamaniry madinika manodidina azy satria tsy mahazo aina tahaka ny manodidina ny kininina izy ireny, izay anisany manome aina ny tany sy ny fananany lanja manokana eto amintsika sy ny andraikiny eo amin'ny fitsabona traditionnelle.
- Faharoa, ny tsy fisian'ny biby kely ao anaty tany ihany koa izay manodidina azy io ka afaka hanome tsiro.

Fanahiana
Manahy ihany koa ny tena fa mety anisany antony manova ny teotr'andro sy ny fahataran'ny orana na koa tsy fisian'ny orana betsaka intsony eto amintsika ny fisian'io hazo io betsaka loatra .(hazo nafarana fa tsy nisy teto raha ny fahalalako azy)
Masiaka loatra angamba ny felan'izy ireny izay mihitsana na ny fakany mihitsy ka mahatonga izay tsy fisian'ny zavamaniry sy bibikely manodidina azy izay.
Ny fananany io toetra somary masiaka(mety zv hafa,mety ilay menaka manitra misy ao aminy) io koa no mety mahatonga ny orana ho miantona satria raha ny kininina no resahina dia anisany mitana andraikitra lehibe mampisy ny orana ny felany.(tsy azo lavina anefa ny faharipahan'ny ala)

Aiza ny grand corps handinika io vinavinan-kevitra na volavolan-kevitra io ho an'ny taranaka ho avy, sao dia marina ihany ny ahiahy ny petit corps :-)
2. 5laody ( 03/04/2013 17:38)

Salama taona vitsy aty aoriana,

Manamarina ny lazainao ny zava mitranga ao Afrique du sud: maro ny zavamaniry nafarana avy any amin'ny tany mangatsiaka sy zones tempérés no nambolena tao. Raha ny filazan'ny gazety ohatra dia manao izay ahazoana paradisa maintso satria hi-tournen-dryzareo publicité hita any am tandrefana ireny.

vao haingana nefa dia nanapa-kevitra ry zareo fa haverina amin'nylaoniny, izany hoe ny zavamaniry nisy taloha ihany no avela haniry . inona nytombotsoa azo? Economie rano 3 milliards de metres cubes isan-taona



3. vonynive ( 16/10/2013 10:37)

5laody:


Salama taona vitsy aty aoriana,

Manamarina ny lazainao ny zava mitranga ao Afrique du sud: maro ny zavamaniry nafarana avy any amin'ny tany mangatsiaka sy zones tempérés no nambolena tao. Raha ny filazan'ny gazety ohatra dia manao izay ahazoana paradisa maintso satria hi-tournen-dryzareo publicité hita any am tandrefana ireny.

vao haingana nefa dia nanapa-kevitra ry zareo fa haverina amin'nylaoniny, izany hoe ny zavamaniry nisy taloha ihany no avela haniry . inona nytombotsoa azo? Economie rano 3 milliards de metres cubes isan-taona





taona sy volana maro aty aoriana
fa tsy ny sapin ihany fa ny kininina koa, toa efa politikan'ny mpanjanaka izy io mba haharatsy ny tontolo iainan'i Madagasikara, anjarantsika aty aoriana ny mandinika
4. tiamamboly ( 10/11/2016 06:09)
Tena marina fa manimba tany ireo pin sy kininina ireo, ny maro amintsika anefa dia mila kitay sy charbon isan andro, tena ilaina faran 'izay maika noho izany ny fikarohana karazana hazo, sady mora volena no tsy manimba tany ...sao mba misy mahafantatra ONG , na sampandraharahampanjakana miasa momba an io? ny tenako dia te handray anjara @ izay mety ho tandrify ny tena , ary efa mba manana hevitra ihany momba ny vahaolana
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6056