Lozam-piarakodia - Mitady torohevitra

1. calain ( 12/09/2011 10:13)
Miarahaba e !

Tamin'ny 8 août maraina tamin'ny 8 sy fahefany teo ho eo, tao amin'ny digue, akaikin'ny score, nisy fiara nifanena tamiko, izaho nankany amin'ny ville, izy mizotra mankany Andranomena, merika ny andro, nanitsaka frein toa niala scooter izy, dia nikisaka ny vodiny dia rapa daholo ny ankavian'ny fiaranay, ilay scooter sy ny mpamiliny teo amboniny nianjera, saingy maika hono izy fa mpitsabo sady toa tsy nisy "dégâts" dia lasa nandeha, nifanakalo finday fotsiny ry zareo.

Dia izaho koa maika ka na
laiko sary ilay fiara nandona ahy, indrindra ny numéro sy ny "dégâts", pempo ny ariana ankavian'ilay nandona ahy, dia naka sary ny ahy koa aho, nilaza ilay mpamilin'ilay fiara fa ara-dalàna ny taratasy, ny finday ni-biipper-ko naneno, dia hoy izahay hoe hifanao fotoana après-midi.

Tiako marihina fa manana 5 jours hanaovana déclaration raha tsy misy dommage corporel ... (source : "code des assurances" sy "Décret N° 2000 – 986 du 20 décembre 2000 relatif aux opérations d'assurances".

NIfampiantso ny après-midi dia hoy izy hoe tsy afaka f'aleo ampitso maraina, ary toa olona "de bonne foi" satria mandeha ny findainy, sady nilaza izy hoe rehefa tonga eo amin'ny 67ha/Ampefiloha dia miantsoa...

Fa nanomboka tamin'ny 9 août maraina izy dia "répondeur" foana.

Farany aho nitory teny amin'ny BAC Tsaralalàna, dia satria moa azo ny numéro-n'ny fiara dia convoqué izy, dia lasa nolaviny daholo ny accident nataony, lazainy fa mpanao bizna fiara aho ka izay hono no antony nananako an'ireo sary ireo, satria hono nanao annonce izy hoe amidiny io fiara io dia interessé hono aho dia nijery azy sy naka sary. Dia ilay pempo hono nataon'ny saoferany nandona vavahady, efa taloha, ary afaka mi-témoigner hono ilay saofera.

Tsy azoko ny antony handaigana toy izany nefa anie ny assurances no miady e ! Tsy misy vola hiala avy eny am-paosiny mihitsy. Sady tsy hoe nisy hadisoana nataon'ilay saofera anie e !

Manana vavolombelona aho tanaty papango izy, nanatona ahy ny harivan'iny dia nanontany hoe "ahoana io accident io fa hitako ianao naka sary ?" Saingy ry zareo toa ohatran'ny vonona hampanao faux témoignage amin'ny olona karamainy. Tonga teny amin'ny BAC Tsaralalana toa fantany daholo ny olona ambonimbony ao, tamin'ny déferrement au parquet teny Anosy koa toa hainy daholo ny olona. Dia ho lasa resaka mahitahita izany ?

Dia voatery retirer-ko ve izany ny plainte-ko nefa tsy izaho no diso ?

Ilay tena tompon'ny fiara nilaza hoe "atokisanay io saoferanay io fa tsy mpandainga izany, sady nony naka anay izy tsy pempo akory ny fiara", nefa misy sary aty amiko (marina aloha fa azo atao ny manao montage photoshop saingy tsy nanao izany aho fa sary nalaiko tamin'ny finday).

Dia tsy haiko na "complices" koa ny tompon'ny fiara na mino mafy ny saofera.

Amin'ny 14 octobre ny tribonaly, tsy omeko ny noméro-n'ny fiara sy ny anaran'olona sao lazainy fa manao "diffamation" eo !!!

Dia sady "appel à témoin" iza&o fa mitady an'ilay mpitsabo tao ambony scooter aho ary mitady torohevitra ihany koa ...

Misaotra mialoha e !
novalian'i zonia ny 19/01/2012 14:12
2. calain ( 14/09/2011 05:18)
up kely ...
3. calain ( 24/09/2011 08:38)
Mbola up indray !
4. fijo ( 30/10/2011 17:52)
aza esorina izany ny fitorian af aavelao handeha hijerena ny fitsarana
5. mbolaB ( 20/12/2011 11:47)
mirary soa ho anao
6. calain ( 20/12/2011 12:51)
Misaotra betsaka, reporté amin'ny 16 Marsa indray ny tribonaly
mbolaB:

mirary soa ho anao
7. jesuisla ( 17/01/2012 16:42)
noesorin'ny orin'asa aho, nefa tsy manana fahadisoana. D nitory aho.Porofo 1, manana taratasy manamarina fa niasa tao aho. 2tsy manana fanazavana na porofo lay orin'asa fa nanao fahadisoana aho. 3 Nangataka vava, fihanianana, voady ho atao aho mba ho porofo. D hoy aho, samy manao na izaho, na ny orin'asa toriako. Aoka ho rendrika mandrakariva ny ankohonako,......Voady atao eny @ doany, tany masina, fiangonana, sy ireo tany masina maromaro izay nolazaiko. Tsy sahy lay orn'asa.ary d naharesy aho.
Ny tribunal d miandry porofo marina sy mivaingana. Misy marina fa tsy misy porofo. Ny porofo no manamarina. Raha tsy misy porofo d aza mitory, f mivadika zavatra hafa
8. zonia ( 19/01/2012 14:12)
Miarahaba anoa.
Somary sarotra ny fandidina satria raha ny voalazanao toa mahitahita be izy. Nefa tsy misy retsy tsy miady.
TORO-HEVITRA: mangataha ordonance @ parke ahafafana mi-devoiler ny communication telephonique rehetra nataonareo,de hita eo ny laingany.
Faharoa raha vita ny fitsarana ka tsy maha-po Ianao, ary tapi-dalan-kaleha ianao eny @ tribonaly ( Toute procédure epuisée), dia manaovana fitarainana eny @ Ministere de la Justice Faravohitra, ao @ Direction du controle judiciaire izay afaka hanao fanadihady mikasika ny fitsarana tsy ara-drariny. Tokony anatin'ny saintsika fa misy lehibeny ny fitsarana sy ny mpitsara, fa tsy hoe eny Anosy akory no Zanahary ivavahana @-na resa-pitsarana. Tsy adala akory ny fanjakana nametraka ny Ministera.
OK. Mahasahia. Miaraha @ Andriamanitra. Vakio baiboly Eksedosy 14: 14.
Vloma!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.0553