FILM MAMOHAFADY

1. NDINDY ( 09/09/2011 15:30)
ahoana ny mba hevitrareo amin' ireny film mamohafady aseho amin' ny tele ireny ? sa efa andron' ny fivoarana izao ka tsy mahamenatra intsony ny mijery ireny ? amiko mantsy dia toa lasa manimba ny ankizy sy ny tanora ilay izy.
novalian'i NDINDY ny 29/10/2016 14:09
2. m.i.s.a ( 09/09/2011 15:05)
saika hamaly ity dinika ity aho fa nihaotra indray sady sorena mahita ilay sora-baventy be
3. hery ( 09/09/2011 15:32)
Ndindy> Jereo fa mety bloké ilay majuscule dia lasa majuscule daholo ze zavatra soratanao... (Sa ny any an-kafa no bloké? loll)

Raha ny tokony ho izy dia misy soratra foana ireny hoe "Natao ho an'ny lehibe", anjaran'ny lehibe no misakana ny zanany tsy hijery azy ireny.
4. manampi67 ( 09/09/2011 19:26)
Ny ankizy tsy manana droit mijery film adulte. Matetika à partir 22h30 ny film adulte.
Raha misy TV mandefa film adulte avant 22h30 aty Mcar dia manana droit ny Ray amandreny mi-informer car la plupart de la famille est ensemble avant 22h30.
Tsy fantatro aty Mcar raha misy -10, -12, -16
5. sitlo ( 09/09/2011 22:45)
Tamin-dRatsiraka prezida dia nireongatra be mihitsy ny resaka sex tao Madagasikara.
Ny tele mandefa film de minuit. Ny video mandefa film porno isaky ny elakela-trano. Nisy aza sekta, niboridana daholo ny mpiangona rehetra.
Fa nony lasa prez Ra8 dia nivoaka ny lalàna, izay notohanan'ny solom-bavam-bahoaka, hanakanana an'ireny. Ny tele tsy nitaraina mihitsy tamin'ny fanakanana ny film de minuit. Ny video nitaraina kely ihany, ary nisy aza tsy nanaiky fa mbola nandefa porno ihany, fa ny ankamaroany nanaiky. Fa ny sekta no tena nigrevy teny Antanimena nitaraina fa didy jadona.
Ankehitriny raha manomboka mirangaranga indray izany dia ny fahotako azy dia fitaritana ny olona tia an'ireny hanohana ny HAT, satria raha mbola ra8 no miverina eo dia ho-censuré ndray ny filma mamoha fady.

Raha ny amerikanina no jerena dia tsy misy an'ireny amin'ny tele. Na ilay filma tsotra ireny aza dia dinganina ny scene misy azy. Tsy tena hoe tsy misy, fa cable mora sy ny antonontonony, izay tena ananan'ny androa tokon'ny olona, no tsy misy. Raha te hijery amin'ny tele, dia mila mandoa vola misimisy amin'ny cable, na mividy DVD. Fa saingy ny internet moa eo, tsy azo ferana.
6. m.i.s.a ( 10/09/2011 07:18)
Amiko kosa aloha dia adidin'ny ray aman-dreny no mijery an'io. Asa aloha oe manomboka @ firy ny hariva no mandeha ny film, fa na izany aza dia rehefa hitan'ny ray aman-dreny oe tsy azon'ny ankizy jerena dia pihina fotsiny ny télé .

Ny fahitako azy ko dia isika , tsy isika rehetra akory io a , fa ohatra hoe ny nandefa ny dinika, raha nahita na nijery film mamohafady ianao, tsy midika velively akory hoe ny ankizy rehetra nahita an'io avokoa.

misy fahamarinana ihany ity lazain'i sitlo ity satria atao ahoana fa tsy misy lalàna anie any mada e! hany ka samy manao izay danin'ny kibony ny sasany.
7. NDINDY ( 14/09/2011 09:11)
Ho an' i m i s a . Miala tsiny indrndra t@ ilay majuscule fa sendra ordinateur simba t@ iny an ?
Misaotra t@ vali-teninareo rehetra. Ka raha ny fazaoako azy dia tsy azo sakanana intsony izany ireny film porno ireny eto Mada fa dia samy mizaka ny vokany eto isika rehetra ?
8. manampi67 ( 15/09/2011 14:45)
Ekena fa tsy milamina ny aty Mcar, mais la télevision doit respecter la société.

-16ans =porno : à mi -nuit

mais bon chacun fait sa loi !
9. soanja ( 30/09/2011 18:00)
Ny tena izy dia tsy zarina mijery tele ny zaza. Raha manam-potoana ianareo dia ianareo miaraka milalao eo, mamoron-javatra, kilalao malagasy tsara sy mahaliana. Na mijery film video izay efa voatokana mifanaraka amin'ny taonany sy mampiana-javatra mahasoa.
10. ngovitra ( 07/10/2011 10:11)
Tokony hampitombooina le film mamoafady e! @ zay hita ny conséquencen-'ny sady misy zahay aloh eo @ taona tia azy miitsy zao... zaho aloh de tsy d'accord @le hoe lalàna makatsy makaroa na hoe andron-dravlo na andron- ra jouelina sns... satria secondaire daholo izany fa tsy antony voalohany, ny antony voalohany tsy mahafoana io de misy ny tia an'io ary voafetra hoe sokajin'olona manaona na aona, fa ny sokajin'olona tia an'io dia ny olona tia an'io comme ça tsisy hoe sokajy fa ZAY FOTSINY. ny tena hitako tsy mahafoana azy aza dia ny famerana ny ampahan'olona, ny ampahany hoy aho satria na inona na inona lalàna atao, tsy afaka ho sûre tsika hoe tsy misy manana CD/DVD porno intsony any an-tranon'olona any, de mandeha ny filàna, ny copie, ny varotra, de impossible...
fa ny azo atao dia ny fanabeazana, ampiana ny education sexuelle sy ny psychologie.

11. jairai ( 11/03/2012 09:52)
aza b resaka fa kilalao tian'ny malagasy ny firaisana ara nofo fa ny mety dia mila ampy firesaha mihaja eo amin'ny olondehibe sy ny zanaka dia ampy satria mivoatra araka ny tsy tokony ho izy intsony ny fahalalana eto ambonin'ny tany
12. NDINDY ( 29/10/2016 14:09)

jairai:

aza b resaka fa kilalao tian'ny malagasy ny firaisana ara nofo fa ny mety dia mila ampy firesaha mihaja eo amin'ny olondehibe sy ny zanaka dia ampy satria mivoatra araka ny tsy tokony ho izy intsony ny fahalalana eto ambonin'ny tany

VALINY :Tena Ilaina ny mifampiresaka mihaja eo @ raiamandreny sy zanaka, ary izany no fanafody tsara mba tsy anaovan'ny ankizy sy tanora hadalana.
Fa izao toa efa malalaka loatra reolona ity fivoaran'ny technologie ity ka!Sao dia efa tokony asiana limite ihany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2871