You are here: home > Forum

zaza 3 taona nahavita fahagagana

Lohahevitra : Vavolombelona
Fitohizan'ny hafatra : zaza 3 taona nahavita fahagagana
Valiny : 8
zokieva - 01/09/2011 14:59
Nisy vehivavy nanan-janaka roa (3 taona sy 10 volana).Rehefa nampandro ilay zaza 10 volana tao @ douce izy dia tampoka teo dia nisolifatra teny an-tanany ilay zaza fa nalama be noho ny savony izay efa voahotra taminy;vaky ny tataomason'ilay zazakely ka nandeha ra be nijininika.Noho ny hatairana dia nentin'ilay reny teny @ hopitaly avy hatrany ilay zaza ka ny MAZAORO no nandray azy.
Ilay zaza 3 taona kosa nilaza t@ reniny fa maninona raha "Kasihina tahaka ny nataon' i Jesoa ny masony dia sitrana" fa tsy nahoan'ilay reny anefa izany fa hevi-jaza angamba.
Ilay MAZAORO kosa nilaza fa tsy maintsy didiana io zaza io raha tsy tiana ny hahajamba azy.Teo vao nitomany ilay reny ka tsy nahita atao fa adinony h@ ilay zaza 3 taona fa navelany irery tao an-trano ka izay vao nahtsiaro izy ka niantso ny vadiny tany ampiasana hoe mba vonjeo ilay zaza 3 taona fa izy irery no an-trano fa izaho hoy izy aty @ hopitaly.
Nony ampitso dia tonga namangy azy ilay zaza 3 taona rehefa nentin'ilay rainy ary dia nigogogogo nahita ny zandriny maratra be mihitsy ary t@ izay indrindra dia nokasihiny ny mason'ilay zaza ka hoy izy:"SITRANA @ ANARAN' I JESOA"
Nony avy eo tonga mba hijery ity zaza ho didiana ireto mpianatra ho mpitsabo ka nilaza fa zaza salama be io ve dia ho didiana?
Tezitra aok'izany ny tompon'andraikitra satria ny MAZAORO mihitsy no nandray azy tao ka nilaza fa tsy maintsy didiana io zaza io,izay mihitsy no mahavoa anareo mpianatra ho mpitsabo itony hoy izy fa manaonao foana!
Nony niarahan'ny rehetra nahita anefa dia hita tokoa fa tena "SITRANA " ilay zaza ary tsy nahitana na dia ratra kely aza t@ tenany!

LESONA:
Ry havako malala aiza ho aiza ny finoanao mihoatra ny finoan'ilay zaza vao 3 taona nahasitrana ny mason-jandriny t@ anaran' i Jesoa?
Ampiasainao ve ny finoanao sa finoana poakaty?
diniho ny tenanao.(Lioka 18:16)
Valio | Miverina eny ambony
kooool4 - 12/10/2011 13:53
loool... afaka "hinoana", afaka tsy "hinoana" koa... Dia lazao fa nahita an'i Masina Maria koa ianao...
Valio | Miverina eny ambony
nomeja - 19/11/2011 15:04
za aloha dia maninofy masina mariaza bola 12taona 4 soa zaho naninofy azy tadidika hatsaminy zao sady noninofy jesoa koa nitodra lakola mitodro maninana mahagaga dia tsamanatona ahy izy sady zatsimanatona koa
Valio | Miverina eny ambony
zokieva - 24/11/2011 14:52
loool... afaka "hinoana", afaka tsy "hinoana" koa... Dia lazao fa nahita an'i Masina Maria koa ianao...

zay aloha ny zava_misy ka asakasakao iany
Valio | Miverina eny ambony
milofo - 19/12/2011 11:32
aza de mitsara fambola ho tsaraina @ zay lazaina daholo e !
Valio | Miverina eny ambony
milofo - 19/12/2011 11:34

milofo
aza de mitsara fambola ho tsaraina @ zay lazaina daholo e !
aoka samy mitazona izay finoana ao @ ny jiaby
Valio | Miverina eny ambony
methode - 05/01/2012 06:24
Azo lazaina fa finoana no nitenenan'io zaza io izany? Efa mahafantatra finoana zany ve ny zaza 3 taona?
Valio | Miverina eny ambony
yrmia - 27/12/2012 10:26
Mahagaga ian lo le iz fa zan oe arakarky ny ts11 ny finona az!
Valio | Miverina eny ambony
yrmia - 27/12/2012 10:27
Mahagaga ian lo le iz fa zan oe arakarky ny ts11 ny finona az!
Valio | Miverina eny ambony