Lehilahy gasy manampahaizana nefa manambady vazaha

1. siga_soa ( 13/08/2011 05:05)
Fanontaniana manitikitika ny saiko; Nahoana moa ireo lehilahy gasy tena manampahaizana (betsaka izy ireo) no tsy manambady vehivavy gasy? Diniho tsara anie. Kanefa izy ireo no tena miseho ho tia tanindrazana, nefa toa diso ihany satria ny an'ny tenany aza tsy tiany.
Ny vehivavy gasy ve no tsy antonona azy ireo?
novalian'i jesuisla ny 29/01/2012 14:37
2. m.i.s.a ( 13/08/2011 10:01)
ao no atao hoe "safidy" ! tsy hitako izay hidiran'ny hoe lahy gasy tena manampahaizana manambady vazaha, tsy hitako izay hidiran'ny hoe tsy antonona azy ireo ve ny vavy gasy ?

eran-tany na aiza na aiza dia ahitana an'io, na manampahaizana na tsia, ao ny vavy tia maizina, ao ny vavy tia fotsy, ao ny vavy tian'izay tiany

torak'izany koa ny lahy, ao ny tia vazaha, fotsy , maizina, gasy sns

miseho hoe tena tia tanindrazana hoy ianao? tsy hitako izay hidiran'ny tena fitiavana tanindrazana raha mba tsy gasy no safidin'ny fony

ireny vahiny rehetra manambady olon-kafa tsy avy @ niaviany ve dia lazaina fa tsy tia tanindrazana?

ny fanambadiana vahiny, amiko dia tsy midika velively hoe tsy fitiavana tanindrazana, mihoatran'zany aza ! manambady vahiny io no tena tsy mahafoy ny tanindrazany hany ka any foana no manao vakansy sns

tsy mahavery ny maha-malagasy, na ny tena fitiavana tanindrazana ny fanambadiana olon-kafa hafa firenena fa safidy tahaka ny safidy rehetra io
3. arialy ( 14/08/2011 14:27)
miombon-kevitra amin'i m.i.s.a
4. soanja ( 21/08/2011 23:05)
Ny vazaha izany no nambabo ny fony! Tsy misy idiran'ny fanambadiana ny fitiavan-tanindrazana.

Ny fitiavana dia tsy misy fetran-tany na sisin-dranomasina fa toy ny vonin-draozy, rehefa mamerovero dia mambabo avy hatrany izay voakasiny.
5. sipagasy ( 28/08/2011 18:32)
sahala @ ketsa ny fitiavana ka azo afindra mora foana e! na tany aiza io na tany aiza!
6. Ratoa ( 16/12/2011 19:09)
safidy koa ny fanambadiana é! na ragidro aza ny safidiny dia izay no izy!
7. jesuisla ( 22/01/2012 04:25)
ny vady @ fotoana ankehitriny tsy hoe fitiavana fotsiny, fa mety ho lalambarotra, na asa, na vola, na karazana fidatiavana hafa. ohatra, manambady hafa ny dahalo, ary mipetra any iz, d tsy misy mpanelingeilina
2- azo ifampiresahana ny vazaha, azo ifandaminana, azo ifanakalozankevitra, azo ferana tsy hanao pataloha. F ianao vehivavy gasy mety izany ve, mba manaiky ny ho tia ahy? Satria vitsy ny v gasy toa anao. D aleoko mitady vazaha
3- mora koko ny miasa sy mipetra any ivelany raha manambady vzaha.Mora mahita asa, @ karama tsaratsara kokoa.
4- sarotra, na tsy misy tsena, na vitsy ny eto mada. Noho zany, d aleo manambady vazah
5 - ny safid de resaka hafa
6 - ny tena tiko d lay vazaha gasy é
8. siga_soa ( 26/01/2012 02:00)
Mazava daholo ny valin-teny ny fitiavana tsy voafetran'ny sisin-tany. Fa hafatra ho an'ireo manambady hafa firenena. Mba hampitao amin'ny zanaka ny maha-malagasy anao.
9. jesuisla ( 29/01/2012 14:37)
Ny maha gasy mpanao kolikoly ve, sa ny maha gsy tsy mahay manaja gsy, s ny maha gsy tia misolelaka, s ny maha gsy, sa lay gsy mahantra, s ny maha gsy ratsy é?

Tsy misy ny ratsy, fa ny tsy fahaiza-manaja azy no ratsy. Ny fanambaniana, sy ny tsy fahatsiarovan-tena no ratsy.


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0871