hita tany @ helo i Mickael Jackson

1. zokieva ( 29/07/2011 07:09)
Fijoroana vavolombelon'ny ankizy kely vao 10 taona monja teto Antananarivo rehefa nentin'ny Tompo tany @ helo sy ny paradisa izy ka nilazany fa lasa any @ afobe i Mickael Jackson mikiakiaka mafy hoe :"May aho e,may aho e" mila vonjy.
HAFATRA:
Milaza aminao aho ry havana fa na inona lazanao na harenao dia zava-poana izany raha tsy mandray an'i Jesoa ho Tompo sy Mpamonjy @ fiainanao ianao.Araraoty ny fahavelomanao hanomananao ny mandrakizay!
"Indro Izy mitsangana eo am-baravarana ka mandondòna raha misy mihaino ny feony dia hiditra ao aminy Izy ka hiara-hisakafo aminy.(Apo.3:20)
novalian'i falirako ny 21/09/2014 10:25
2. diamondra27 ( 29/07/2011 10:53)
t@ oviana hono ilay ankizy no nahita azy?
toa misy hafa koaity nilaza fa sauvé ihany izy ...On me dit alors qu’il fait partie des sauvés de justesse ("in extremis"), il aurait dit oui au dernier moment en mourant

http://lepeupledelapaix.forumactif.com/t8019-j-ai-vu-michael-jackson-sauve-in-extremis

miambena foana e!
3. zokieva ( 29/07/2011 11:00)
tsy hoe nahita azy ilay ankizy fa nasehon'ny Tompo taminy, dia mbola misy olona malaza iray koa mpitondra fivavahana malaza maneran-tany ta tsy sahiko lazaina!
4. diamondra27 ( 29/07/2011 11:32)
hay ve e, azafady fa tsy azoko ilay izy e!

ary maninona raha mba ilay any amparadisa akia no asaina tantarainy a! izay no mahaliana ahy manokana aloha. Ny fahafantarana ny zvatra tsara any amparadisa manko mety hampisy fanantenana bebe kokoa sy mety hahatonga ny olona hifikitra.
Marina fa hoe: nasain'i Tmpo nolazaina ny mahazo ny olona lasa any @ helo fa kosa ankoatran'ny hoe volamena sy mampirapiratra any @ paradisa dia manao ahoana ny fiainan'ny olona any: mivavaka foana ve? miran-dava ve?
5. zokieva ( 29/07/2011 13:50)
haka fotoana misimisy kokoa aho dia hanao lahatsoratra manokana momba anio fa ento am-bavaka izay tarafina araka ny soratra masina madio tsy misy pentina.
6. hery ( 29/07/2011 14:08)
Fa misy olona firy millions hono tao amin'ilay Helo? dia samy nikiakiaka ve sa i Jackson irery no nikiakiaka? sa ny azy tsinona ilay mpihira dia nasiana micro mafimafy kokoa? Sa izy akaiky ny toerana nandehanandry zareo kokoa? :-)

Dia tamin'ny teny inona hono ilay feon'i Jackson? :-)

Azoazoko antsaina ilay mpitondra fivavahana malaza hitany tany :-)

7. kintana777 ( 29/07/2011 15:07)

manaona enao,
marina ny voalaza , fa na inona na inona dia marina izany satria izy koa tena AT na Kristy,tsy mino an'Andriamanitra
amiko na tsy fahitana na nofy dia efa fantatra fa manohitra ny voalazan'ny baiboly ny ataony tsy nankasitraka ny famoronana natao taminy fa nanova loko,
izay dia ampy
veloma
8. diamondra27 ( 29/07/2011 15:08)
fa maninona kay no matahotra miteny ilay olona mpitondra fivavahana ianao?
tsy aleo lazainao eto daholo ny fahamarinana ve fa sao dia lasa any @ helo any @ fampianaran-diso ny olona e!


ahoana hoy ny Tompo/ anaka ,nahoana no tsy sahy niteny ianao fa navelanao @izao hanaraka ilay olona diso ny olona? hummmmm
9. niryna ( 01/08/2011 02:16)
zokieva:

Fijoroana vavolombelon'ny ankizy kely vao 10 taona monja teto Antananarivo rehefa nentin'ny Tompo tany @ helo sy ny paradisa izy ka nilazany fa lasa any @ afobe i Mickael Jackson mikiakiaka mafy hoe :"May aho e,may aho e" mila vonjy.

izy irery ihany ve izany ny olona nalaza nidina any sa io aloha no fantatra hatreto amin'ny tantara

HAFATRA:
Milaza aminao aho ry havana fa na inona lazanao na harenao dia zava-poana izany raha tsy mandray an'i Jesoa ho Tompo sy Mpamonjy @ fiainanao ianao.Araraoty ny fahavelomanao hanomananao ny mandrakizay!
misaotra nizara,ho an'ny rehetra na manana io na tsy manana.Ny laza sy ny harena angamba kosa tsy ahatonga any an-danitra na hoe ho lasa any amin'ny afobe satria maro koa ireo olona izay manana mizara izany harena izany ho an'ny mahantra. Ny fandraisana sy fanekena an' i kristy ho Tompo sy Mpamonjy no hidirantsika na tsy hidirantsika ny fanjakan'Atra.

"Indro Izy mitsangana eo am-baravarana ka mandondòna raha misy mihaino ny feony dia hiditra ao aminy Izy ka hiara-hisakafo aminy.(Apo.3:20)
Amena!
10. niryna ( 01/08/2011 03:07)
diamondra27:

t@ oviana hono ilay ankizy no nahita azy?
toa misy hafa koaity nilaza fa sauvé ihany izy ...On me dit alors qu’il fait partie des sauvés de justesse ("in extremis"), il aurait dit oui au dernier moment en mourant

http://lepeupledelapaix.forumactif.com/t8019-j-ai-vu-michael-jackson-sauve-in-extremis

miambena foana e!
dia tsy hay izy ity fa samy manana ny filazany an
Tao anatin'ny site nalefanao dia misy an'ity

Donc il serait au purgatoire, je ne sais ni où, ni pour combien de temps, ni dans quelles conditions, et donc il est sauvé.

Voalohany indrindra aloha dia efa resaka saika tsy nety tapitra ireo purgatory io na afo fandiovana satria ny baiboly tsy misy miteny izany na iray aza.
Ny faharoa maka sombitsombintantara ny mpivavaka sasany ka milaza fa io ny purgatory( ilay mpanankarena namela ny trosany ary ilay ratsy fanahy tsy nety namela ny trosany )
Izay fampianarana antsika fa raha tsy mamela ny heloky ny hafa isika dia tsy hamela ny helontsika koa Atra.Mila mitandrina isika fa sao voafitaka.
Ny tantaran'ilay rangahy mpanankarena sy Lazarosy mahantra no manaporofo an'izany.
Nozaraina ny tenin'Atra,nisy ny nihaino,misy ny mbola misalasala.Ho afaka haniraka ny efa maty ve izy hampitandrina ireo izay tsy mihaino? tsia no navalin'i kristy azy.

Atra dia tsy manome zavatra tsy hozakantsika mihitsy.Ahoana no fomba hiainanao raha hoe ny zanakao izao no nisy nahita fa any amin'ny afobe izy? ny fahorian'ireo rar ny,ny iray tampo aminy.Mbola tsy nahita aho nilaza an'izany aloha hatramin'izao,ny niakatra tany an-danitra koa moa dia torak'izany( aza afangaro ireo olona voaantso ho mpiandry an,izay noentin'ny Tompo niakatra tany an-danitra)

Hoy ny Tompo hoe fiadanana no omeko anareo,fiadanana no avelako anareo( Paix na peace) no navelany ho antsika fa tsy fahoriana.
Mila mitandrina foana isika ka izany no antony hamakiana ny baiboly ahitana ny marina

Maninona isika no maty? efa hatrany amboalohany io izay norarana ny tsy fihinanana ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy fandrao ho faty.
Rehefa maty isika,moa ve isika mijanona ao am-pasana?
Vatana sy fanahy no maha olona antsika ary io fanahy io (soul ) no maha antsika
Araka ny voasoratra ao anaty baiboly dia omena vatana vaovao isika(a new body) ,izay vatana tsy mety ho maty intsony.
- Io vatantsika io dia ho vatana hangatsiaka ary ho faty fa ny fanahintsika dia ho velona mandrakizay.(Physical body will die; but the spiritual body will last forever)
11. niryna ( 01/08/2011 03:30)
kintana777:

amiko na tsy fahitana na nofy dia efa fantatra fa manohitra ny voalazan'ny baiboly ny ataony tsy nankasitraka ny famoronana natao taminy fa nanova loko,
izay dia ampy
veloma
sarotra be amintsika angamba ny tonga dia hitsaratsara olona an
Inona moa no antony nahatonga azy niova loko?
Moa tsy maro ny olona no tia manamboatra tena?
ny fohy te ho lava
ny fotsy te haka volokoditra
ny mainty te ho fotsy
ny mahia te hatavy
ny matavy te ahia
ny lahy te ho vavy na mifanohitra an'izany
ny peta-korina te ho lava orina
raha resaka beauty dia samy te hanao izany daholo angamba ny olona,izay no maha olona azy.
Firifiry no manao plastic surgery,manamboatra ny tava ho tanora lalandava,ny nono habotsina mihoatra ny voajanarahy.Hatramin'ny filahiana avy no esorina ary ny nono habotsina.Zava-misy ary hiaraha mahita sy mahalala avokoa izany.
Io dia safidi'n'ny rehetra saingy misy fetrany kosa ny safidy satria ny tenantsika dia tempolin'Atra ka tsy azo simbana na lotoina.

Misy anefa aretina izay mihofaka ny hoditra ka lasa mivadika ho bobo ilay olona any aoriana
Anisan'izany i Michael Jackson raha toa ka mbola misy tsy mahalala izany isika.Ny tanana mivadika ho fotsy.ny takolaka ,ny hoditra iray manonontolo no miandalana tsikelikely.
Misy fanafody kanefa tsy mahasitrana,mino aho fa misy an'ireny any amintsika
Misy koa anefa rehefa mihoata ny 50% an'ilay couleur izy dia na atao mainty na atao fotsy.
ka dia nisafidy ny ho fotsy izy.
Jereo ny google image : Michael Jackson skin disease
rangahy nihofaka ny vatany saingy ny azy nolokoina ho mainty
Nahatonga saina ahy ilay izy ka mba nanao recherche kely aho ary io misy teny noteneniny tao amin'ilay fanenjehina azy

"I am a black American. I am proud of my race. I am proud of who I am....I have a skin disorder that destroys the pigmentation of my skin. It's something that I cannot help."

Michael Jackson


Dia afaka manao recherche ny rehetra hoe fa maninona tokoa izy no nanova loko

Izay angamba no mba azoko zaraina ho antsika
12. zokieva ( 01/08/2011 06:08)
1-Ilay hoe:teny inona na nampiasainy tany @ helo?
valiny:Ahoanao inona izany fa ianao atolory ahy ny fonao,raha miala ety ianao dia hoa aiza?
-Ary ny isan'ny olona any @ afobe dia tsy hita isa fa migororoana tahaka ny jackpot isaky ny segondra!
2-Iza ilay mpitondra fivavahana:
Valiny:manam-potoana ny zavatra rehetra,ary ny marina rehetra tsy azo ambara avokoa indrindra fa @ sehatra tahaka itony fa ny teny tahaka ny atody ka raha foy manan'elatra,sady manohintohina ny hafa!
3-Ny hoe samy manana ny filazany:
valiny:Ny hafa aloha tsy haiko fa ny fantatro dia izay nambarako no marina satria ny sofiko no nandre ny masoko no nahita!
SAMIA MAHEREZA!
13. nameno ( 01/08/2011 12:21)
Ao @ Baiboly dia misy teny manao hoe: " Fa ny faminaniana rehetra dia foana mandra pahataperan'izao tontolo izao" koa na iza na iza milaza fa nahita fahitana sns dia asan'ny satana avokoa izany ho entina andrebirebena ny olombelona. "Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo hoy Jehovah" noho izany tsy afaka hitsara n'iza n'iza isika.
14. euh ( 01/08/2011 13:06)

zokieva:

May aho e,may aho e" mila vonjy.
HAFATRA:


mahay teny gasy v zany léry ? sa ilay zaza 10 taona mikôpy anglisy ?
nahoana no ra Jakson rery no hitany ? sa lava b léry .
Misy miteny fa ny vatana dia valopy fotsiny ihany miraraka sy lo any ampasana, fa ny fanahy no tafajanona. Fanahy v mety main'ny afo ?
Asio jiro e !
15. zokieva ( 01/08/2011 13:26)
Ho an' i EUH:
Tsy mbola ao anatinao ny fahalalana ny marina;ny irin'ny foko sy angatahiko ho anao dia famonjena!
16. euh ( 01/08/2011 13:39)
valio tsirairay aloha ireo fanontaniana tsotra ireo fa aza manao valy ankolaky ny mpanambony tena fotsiny
17. zokieva ( 01/08/2011 14:02)
tsy misy jamba mihoatra ny tsy hijery,tsy misy marenina tahaka ny tsy mihaino,midika izany fa hajambain'ny Satàna ianao raha minia tsy mahalala ny zavatra hanontanianao!
Mivavaka ho anao aho!
18. euh ( 01/08/2011 14:16)
zay no mahavoa anareo be wawawa ny fivavahana, tsy valiana tsotra omena fanazavana ny vahoaka fa aolana ary amin'i satana ny resaka. dia mihevitra ianao fa izao fomba firesaka izao no hanintonanao ny olona ve sa jonobotry kisendrasendra fotsiny ?

ny vatikan aza ka mba mivaky saina izay fomba fanao vaovao hanintonana ny sain'ny maro satria tsapan'izy ireo fa tsy mahay manintona ny vahoaka maro anisa ny kabary dridrangilo.
19. Miharena ( 01/08/2011 15:45)
Ny ahy moa dia milaza hatrany hoe tsy misy ny helo fa zava-poronina zary latsa-paka ao anatin'ny kolontsain'ny olombelona ka manjary mahatonga izao fahitana isan-karazany izao.
Ny valiny nolazain'i Niryna etsy ambony dia efa mazava satria efa fanahy i Jakson fa tsy vatana intsony ka hoe ho main"ny afo.

Ny tahotra no mila alàna ao anatin'ny olona ankehitriny. Indrindra moa fa ny tahotry ny ho very noho ny kolon-tsaina miharo tahotra nokolokoloina.
20. rijadolly ( 01/08/2011 17:58)

Miharena:

Ny ahy moa dia milaza hatrany hoe tsy misy ny helo fa zava-poronina zary latsa-paka ao anatin'ny kolontsain'ny olombelona ka manjary mahatonga izao fahitana isan-karazany izao.
Ny valiny nolazain'i Niryna etsy ambony dia efa mazava satria efa fanahy i Jakson fa tsy vatana intsony ka hoe ho main"ny afo.

Ny tahotra no mila alàna ao anatin'ny olona ankehitriny. Indrindra moa fa ny tahotry ny ho very noho ny kolon-tsaina miharo tahotra nokolokoloina.


Ny an' Miharena aloha dia mazava fa na dia ny mpamono olona aza dia tafiditra ao amin' Fanjakan'Andriamanitra e!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5741