gzety malagasy

1. kapistra ( 23/07/2011 15:48)
ity misy hafatra ho an'ny mpanao gazety hitako tao amin'ny forum moov.
izay hiombonako hevitra dia alefako eto.
Hafatra ho anareo mpanao gazety, indrindra ianareo mpanao gazety antsoratra.
Ary tena ao anatin’izany ianareo tompona gazety.
Ho an’ireo gazety manasongadina ireo vaovao ratsy na «effet divers «
Aok’izay,ajanony amin’izay ity fanasongadinana ny vaovao ratsy ity.
Manimba ny fiaraha monina ny vaovao alefanareo.
Ary tena manimba ny toetsain’ny olona.
Manimba ny fifampitokisana,manimba ny torimaso mamin’ny olona.
Tsy fantatrareo ve? Fa ny fanasongadinana ny vaovao ratsy dia mahatonga ny olona hanana fironana ratsy.Tsy vitan’izay fa manome hevitra ho an’ireo mpanao ratsy ny vaovao ataonareo.
Tsy nisy firy anie zany mpanakandalana izany e!fa taorian’ny vaovao nalefanareo dia niroborobo izy io.Toy izany koa ny fanolanana.Mametraka tantara ratsy ho an’ny Malagasy ny vaovao alefanareo.
Ny gazety MIDI izaomirehareha ,fa gazety tranainy sady gazety nahavita be teto amin’ny firenena,nankalaza ny faha 25 taonany.Amin’ny lafiny iray aloha dia tsara,fa amin’ny lafiny iray dia anisan’ny namotika ny toetsaina malagasy voalohany ihany koa,nandritra izay taona maro izay .Tena famafazana voa ratsy teto amin’ny firenena ny fanasongadinana ny vaovao ratsy nalefanareo.Ny ankamaroan’ny vaovao tsara ataonareo amin’ny teny frantsay ,fa ny vaovao ratsy izay tena nanimba ny sain’ny malagasy indrindra ny teto andrenivohitra tena asongadinareo amin’ny lohateninareo amin’ny teny Malagasy.
Matoa simba tahaka izao ny toetsaina malagasy,dia anisan’ny nandray anjara betsaka tamin’ny fanimbana ny vaovaonareo..Tena sarotra ny manarina izany fahavoazana lehibe izany.
Ny GAZETIKO,ny MALAZA koa moa nanaraka anareo ary tena manokana pejy anakiray be izao mihintsy .isan’andro,isan’andro.Ny gazety TARATRA koa izay tsy nanao izany taloha dia lasa nandray lesona ratsy tamin’iretsy gazety zokiny
Mety hilaza ianareo hoe raha tsy tianareo ny gazetinay dia aza mividy fotsiny.
Izao aza tsy mividy ireo gazety ireo akory ,Tena mila harary andoha mihintsy mahita ny lohatenin’ny gazety avoakanareo, vao maika ny olona mamaky ireo gazety ireo.
Ny tena manahirana amin’ilay izy,dia misy fiantraikany amin’ny tena ny fahasimban’ny sain’ny fiaraha monina.simba ny fifampitokisana eny fa na dia tsy mividy ilay gazety aza izahay
Tena tsy fantatrareo ve,fa tena manimba ary tena manimba ny toetsaina ny fanasongadinana ny vaovao ratsy alefanareo,indrindra ilay izy amin’ny teny Malagasy.
Tahaka ny hoe tsy misy olona tsara intsony eto.
Takon’ny filazambaovao ny fanabeazana.

Gazety tsy natao hanabe izahay hoy ianareo,fa ny anay gazety commerciale,vola ihany ny anay.Mampandeha ny gazetinay ny fandefasana ireny vaovao ireny.
Mety ho marina aloha fa mampandeha ny gazetinareo ny fandefasana ireny vaovao ireny.
F’angaha dia tena tsy misy hevitra hafa mihintsy ahafahana misarika ny mpividy e !
.Marobe anie ny vaovao mahaliana ny olona,nefa tsy hita amin’ny gazetinareo e !
Ny vaovao mahasoa ny olona aza,zara raha mivoaka,
Raha mba mitondra vaovao tsara any aminareo moa dia ee ,eny fa na dia mahasoa ny olona izao aza ilay izy.
.Raha tsy hanao fanabeazana ihany ianareo,aleo mba mikaroka vaovao tsara mahaliana ny olona e !Sa tena tsy mety mihintsy ?
Maro ny fomba azo atao mampandeha ny gazety,fa tsy fanasongadinana ny vaovao ratsy no atao hisarihana ny mpividy.Sa tsy mahita hevitra ankoatra ireo ianareo.Sa ireo ihany no tena ahazahoana tombony be ?
Fantatra fa eo aminareo izao ny hery.Aza simbaina ny fiaraha monina.Afaka manova ny fiaraha monina ho tsara ianareo.Afaka manova ny fiarahamonina ianareo amin’ny famoahana vaovao tsara sy mahaliana ny olona ,sady hampitombo ny mpamakinareo ihany koa izany.
Andao hiaraka hiezaka isika hanarina zao fiarahamonina mihasimba izao fa efa haloalika ny ranombary.mbola manana fotoana sy hery isika koa alao hery ary.
.Mino aho fa ho tafapaka any aminareo mpanao gazety indrindra ianareo tompona gazety izao hafatra izao.
Ho antsika mitovy hevitra amiko,aoka mba hanampy ahy hampita izao hafatra izao hoa azy ireo,na ho an’ny olona tokony hahazo izao hafatra izao koa.
Mankasitraka indrindra tompoko.
novalian'i kapistra ny 06/07/2012 09:35
2. rijadolly ( 25/07/2011 17:07)
Sarotra anie izy ity re-olona e!

Ny hevitsika izao dia izay ny fandraisantsika azy. Fa raha ny hafa a! dia mitondra fitandremana aminy ilay izy. Ary tsoriko aminareo fa misy mihitsy, ary tsy vitsy no milaza fa efa ankaiky marina ny farana fa aoka isika Hibebaka. Ahoana ary no nahatonga ireo hevitra roa farany ireo hoy isika? Ny fahitany vaovao. Efa im-piry moa ny Mpangalatra ny hoe tadiavin' Polisy ary dia tratra ary nasehon' Gazety, Izany ve izao dia hoe mitarika ny hafa angalatra ohatra, tsy manosika azy mba tsy angalatra ve izany? Ary firifiry ny mpinjery gazety no tsy manome tsiny izay nanao tsy mety voalaza eo amin'titre be eo ? Tsy miaro ny mpanao Gazety aho akory, fa ilay izy mitsara izay heverany azy fotsiny no olana. Ekeko ny tsy fahampian' Fanabeazana amin' ainamanjery rehetra fa tsy ny hoe Gazety itsy na radio itsy ihany na télé itsy. Misy aza ny sasany dia sahy mandainga fotsiny izao hiarovan'olona. Ny Fanambehazana any an-dakilasy mihitsy no efa somary mivaha ny discipline, izay 2/3 ny andron' ankizy dia any, hany ka tsy voafehin' RaiamdReny matetika ny zanany.

Iza ary ny manosika ny olona hanendaka, fahafantarany fa tsy maintsy voasambotra izy sa tsy ho tratra izany mihitsy rehefa mangalatra? Ny fiainana anefa mahazaka maniraka, ny tiako lazaina dia izao, Ny saina ihany no mitondra an'io na hanao ratsy ianao na tsy hanao ratsy fa tsy ny filazan' olona ny marina akory dia hitarika anao mba hanao koa.
3. Rabefitia ( 26/07/2011 04:57)
tsy ny mpanao gazety akory no mandainga fa mitatitra ny zavamisy fotsiny ihany izy ireny. Ny toetsaina malagasy mihitsy no efa niova, satria betsaka loatra ilay faka-tahaka ataontsika amin'ny kolontsaina vahiny.
4. kapistra ( 27/07/2011 14:32)
Rijadolly :
Rabefitia:
Tena tsy azonareo mihintsy ve ny vokatra entin'ireny gazety ireny.
.Na dia teo aza ny film ratsy ,dia mbola @ teny frantsay tsy hain'ny malagasy ireny,dia tsy misy afatsy ny gazety malagasy amin'ny ankapobeny indrindra ny eto andrenivohitra no tena nitondra vokatra ratsy ho an'izireo,Fa na boky ho vakian'ireo aza anie tsy misy e! .Boky @ teny frantsay daholo no misy izay tsy hain'ireo akory.
Ary ireny zavatra hitany sy reny ireny no manosika azy bebe kokoa hanao ratsy.Izay ilay hoe fironana mankany amin'ny ratsy.Satria zavatra ratsy no mibahana ao antsainy.
Jereo anie ny lohateny ngezaben'ny gazety e!
Ny ao anatiny moa dia misy pejy iray be izao,Tena zava-doza fotsiny hany ka tsy mampihontsina ny olona intsony ny manao ratsy.Zavatra hitany amin'ny film efa ratsy,ny zavatra vakiany ratsy.Ka ahoana no hahatonga azy ho tsara.
Tena potika tanteraka.

5. kolesy ( 09/12/2011 10:03)
Efa nisy ihany teto nanipy hevitra momba ny fanaovan-gazety ao Madagasikara ... Tsy mipetraka intsony am toeran'ny mpanabe izy fa mialokaloka eo amin'ny varotra sisa ... mandranitra ady amin'ny allan'ny politika... sady mifandany andro amin'ny tsy mankaiza loatra ny ankamaroany ...

Manahoana re raha ireo gazety anjatony ao Madagasikara ireo raha mampiseho isanandro fa "tsara i Madagasikara, tsara ny gasy ...." Tsy misy ady politika intsony ao amintsika, milamina ny tanàna .... mety hisy fivoarana ve isika ?
6. pluton ( 06/07/2012 06:42)

kapistra:

ity misy hafatra ho an'ny mpanao gazety hitako tao amin'ny forum moov.
izay hiombonako hevitra dia alefako eto.
Hafatra ho anareo mpanao gazety, indrindra ianareo mpanao gazety antsoratra.
Ary tena ao anatin’izany ianareo tompona gazety.
Ho an’ireo gazety manasongadina ireo vaovao ratsy na «effet divers «
Aok’izay,ajanony amin’izay ity fanasongadinana ny vaovao ratsy ity.
Manimba ny fiaraha monina ny vaovao alefanareo.
Ary tena manimba ny toetsain’ny olona.
Manimba ny fifampitokisana,manimba ny torimaso mamin’ny olona.
Tsy fantatrareo ve? Fa ny fanasongadinana ny vaovao ratsy dia mahatonga ny olona hanana fironana ratsy.Tsy vitan’izay fa manome hevitra ho an’ireo mpanao ratsy ny vaovao ataonareo.
Tsy nisy firy anie zany mpanakandalana izany e!fa taorian’ny vaovao nalefanareo dia niroborobo izy io.Toy izany koa ny fanolanana.Mametraka tantara ratsy ho an’ny Malagasy ny vaovao alefanareo.
Ny gazety MIDI izaomirehareha ,fa gazety tranainy sady gazety nahavita be teto amin’ny firenena,nankalaza ny faha 25 taonany.Amin’ny lafiny iray aloha dia tsara,fa amin’ny lafiny iray dia anisan’ny namotika ny toetsaina malagasy voalohany ihany koa,nandritra izay taona maro izay .Tena famafazana voa ratsy teto amin’ny firenena ny fanasongadinana ny vaovao ratsy nalefanareo.Ny ankamaroan’ny vaovao tsara ataonareo amin’ny teny frantsay ,fa ny vaovao ratsy izay tena nanimba ny sain’ny malagasy indrindra ny teto andrenivohitra tena asongadinareo amin’ny lohateninareo amin’ny teny Malagasy.
Matoa simba tahaka izao ny toetsaina malagasy,dia anisan’ny nandray anjara betsaka tamin’ny fanimbana ny vaovaonareo..Tena sarotra ny manarina izany fahavoazana lehibe izany.
Ny GAZETIKO,ny MALAZA koa moa nanaraka anareo ary tena manokana pejy anakiray be izao mihintsy .isan’andro,isan’andro.Ny gazety TARATRA koa izay tsy nanao izany taloha dia lasa nandray lesona ratsy tamin’iretsy gazety zokiny
Mety hilaza ianareo hoe raha tsy tianareo ny gazetinay dia aza mividy fotsiny.
Izao aza tsy mividy ireo gazety ireo akory ,Tena mila harary andoha mihintsy mahita ny lohatenin’ny gazety avoakanareo, vao maika ny olona mamaky ireo gazety ireo.
Ny tena manahirana amin’ilay izy,dia misy fiantraikany amin’ny tena ny fahasimban’ny sain’ny fiaraha monina.simba ny fifampitokisana eny fa na dia tsy mividy ilay gazety aza izahay
Tena tsy fantatrareo ve,fa tena manimba ary tena manimba ny toetsaina ny fanasongadinana ny vaovao ratsy alefanareo,indrindra ilay izy amin’ny teny Malagasy.
Tahaka ny hoe tsy misy olona tsara intsony eto.
Takon’ny filazambaovao ny fanabeazana.

Gazety tsy natao hanabe izahay hoy ianareo,fa ny anay gazety commerciale,vola ihany ny anay.Mampandeha ny gazetinay ny fandefasana ireny vaovao ireny.
Mety ho marina aloha fa mampandeha ny gazetinareo ny fandefasana ireny vaovao ireny.
F’angaha dia tena tsy misy hevitra hafa mihintsy ahafahana misarika ny mpividy e !
.Marobe anie ny vaovao mahaliana ny olona,nefa tsy hita amin’ny gazetinareo e !
Ny vaovao mahasoa ny olona aza,zara raha mivoaka,
Raha mba mitondra vaovao tsara any aminareo moa dia ee ,eny fa na dia mahasoa ny olona izao aza ilay izy.
.Raha tsy hanao fanabeazana ihany ianareo,aleo mba mikaroka vaovao tsara mahaliana ny olona e !Sa tena tsy mety mihintsy ?
Maro ny fomba azo atao mampandeha ny gazety,fa tsy fanasongadinana ny vaovao ratsy no atao hisarihana ny mpividy.Sa tsy mahita hevitra ankoatra ireo ianareo.Sa ireo ihany no tena ahazahoana tombony be ?
Fantatra fa eo aminareo izao ny hery.Aza simbaina ny fiaraha monina.Afaka manova ny fiaraha monina ho tsara ianareo.Afaka manova ny fiarahamonina ianareo amin’ny famoahana vaovao tsara sy mahaliana ny olona ,sady hampitombo ny mpamakinareo ihany koa izany.
Andao hiaraka hiezaka isika hanarina zao fiarahamonina mihasimba izao fa efa haloalika ny ranombary.mbola manana fotoana sy hery isika koa alao hery ary.
.Mino aho fa ho tafapaka any aminareo mpanao gazety indrindra ianareo tompona gazety izao hafatra izao.
Ho antsika mitovy hevitra amiko,aoka mba hanampy ahy hampita izao hafatra izao hoa azy ireo,na ho an’ny olona tokony hahazo izao hafatra izao koa.
Mankasitraka indrindra tompoko.
7. pluton ( 06/07/2012 06:52)
"manimba ny torimaso mamin’ny olona."
Fa ampiesonina foana ve 'zany 'ty vahoaka malagasy 'ty e!!?
Sa atao ohatran'ny RNM sy ny TVM @zao : tsy misy vaovao mba mahaliana ny olona mihitsy
fa fandrebirebena sy natao hanafenana ny zava-misy fotsiny .
Rehefa fa mba misy manao dingana 1 mandroso ny eto maintsika dia misy miezaka ny hamerina
hanao dingana 3 miemotra indray. Misy foana anie ny lafi-tsaran-javatra sy ny lafi-ratsiny e! fa heveriko fa tsy @zao vanim-potoana toy izao intsony izany eritreritry tsika zany.
Afaka miady hevitra @nao aho fa , 'zah milaza aminao fa fitaizana tanteraka mihitsy ireny.
Misaotra
8. pluton ( 06/07/2012 06:56)

9. kapistra ( 06/07/2012 09:35)
pluton:

fitaizana amin'ny ratsy.mamafy voa ratsy ho an-ny malagasy dia izao ny vokany.
,mitombo ny faharatsiana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.415