aina

1. mirananirina ( 04/07/2011 15:03)
Tena nitomany aho nihaino an i aina kely nihira "Andriamanitra ô.....ny zanako anefa tapa-tsinay!!.manohana ny fo tokoa .nahafinaritra.
novalian'i niryna ny 04/07/2011 15:21
2. niryna ( 04/07/2011 15:21)

mirananirina:

Tena nitomany aho nihaino an i aina kely nihira "Andriamanitra ô.....ny zanako anefa tapa-tsinay!!.manohana ny fo tokoa .nahafinaritra.

nirina a! indraindray ny zavatra eritreretintsika tsy mitovy ny fisainan'ny ankizy.Raha nanontanianao izy izao hoe inona no mampihomehy anao an'io dia lazainy araka izay tao an-tsainy.

Isika olon-dehibe koa hono dia mila miverina toy ny zaza indraindray: mahitsy teny,tsotra tsy manana ahiahy.milaza ny marina mandrakariva,madio fo,mora atoro.mandray izay omena azy,mora anarina.
Ny tena tiako amin'ny toetran'ny zaza? rehefa eny dia eny,rehefa tsia dia tsia,milaza ny ao am-po,tsy menatra ny mamasoka eo imasom-bahoaka raha manao ny tsy mety ny lehibe hi,hi
Mahafantatra ny olona tia azy izy ka tonga dia manatona tsy misy ambahamba ary mihomehy sy mifaly amin'izay zavatra kely:io no tena ilaintsika lehibe satria ny zaza hono dia mihomehy eo 400 eo isan'andro(raha samy tafaraka amin'ny ankizy mitovy aminy izy)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1241