MIVERINA MANOKATRA LOHAHEVITRA SY HEVITRA INDRAY

1. rijadolly ( 12/06/2011 15:43)
Ny taloha rehefa manokatra lohahevitra isika ary manokatra hevitra izay mandeha ao, ka raha eo vao mampiditra PS, dia io zavatra nojerenao io ihany no misokatra eo nefa ianao dia tafiditra tsara. Ny ankehitriny anefa dia lasa miverina any amin' hevitra rehetra hany ka somary sahirana hoe, izay amin'ireto hevitra ireto moa no saika novaliako teo? dia vosokatra indray ny hevitra vitsivitsy izay vao hitanao hoe ity kay ilay hevitra, ary dia mazava loatra fa misy latsaka ny tiana hampitaina.
Misaotra an' Hery amin'ny fikarakarana sy ny fanomezana fahafaham-pon' ny Mpisera e!
novalian'i hery ny 02/09/2011 22:42
2. bor2lais ( 05/08/2011 10:53)
Nahatsikaritra io lazain'i rijadolly io koa aho ary miombon-kevitra aminy sao dia misy azon'i Hery atao !

Manararaotra ihany koa manontany raha azo atao "affichage par date de modif" ilay izy fa tsy "affichage par date de création".

Ny antony dia vao nijery ny "archives" mikasika ny lohahevitra "Fivavahana, finoana" aho ary nahatsikaritra fa hay lohateny maro efa nandeha tany aloha tany daholo no miverina ankehitriny : sady misy hevitra tsara voalaza ka mety mahasoa amin'izy ireny. Tsy maintsy hisy ihany ny "redondance" eo amin'ny lohateny nefa mety mampihena azy ihany koa io soso-kevitra io !

Ny antony hafa koa dia matetika izay eo amin'ny pejy 1 ihany no tena ifantohan'ny mpandray anjara !

Mazava ho azy fa soso-kevitra ihany ny ahy io a ! :-)
3. rijadolly ( 22/08/2011 03:30)
Iraisako hevitra tanteraka koa izay hevitry Bor2lais izay.

Ny hitako mampety ilay HEVITRA VAOVAO angamba dia asiana ohatry ny an' tononkalo, Mitoka na atokan'izay mampiditra ilay hevitra vaovao any amin' ny TRINITE ohatra ny hevitra vaovaony raha mikasika izay., na any amin'ny ATOKOM-PIVAVAHANA, na NY HELO SY NY PARADISA, na NY BAIBOLY SY NY TONTOLONY, ....fa kosa apetraka foana ilay takelaka mampiseho ny Hevitra vaovao. Izany hoe izay mametraka HEVITRA VAOVAO dia mamorina izay tokony hametrahany azy. mazava ho azy araka izany fa azo atao ny mametraka ilay Hevitra sady any amin' BAIBOLY, TRINITE, ohatra, izay tahaka ny Tononkalo ihany.
Eo amin'ilay mamorina: Rehefa mandeha ny ady hevitra dia mazava tsara ny mety fahadisoana adresy izay tokony ho misy ilay Lohahevitra, dia anjaran' Mpikarakara na ilay tompon'ilay loha hevitra no manitsy na manampy ilay atokon-kevitra tokony izay mampety azy.

Mazava ho azy koa fa soson-kevitra ihany koa izay. dia misaotra an' Hery sy ny Mpikarakara rehetra amin' fampandrosoana ity Fanabeazana iray ity.

4. hery ( 02/09/2011 22:42)

bor2lais:

Manararaotra ihany koa manontany raha azo atao "affichage par date de modif" ilay izy fa tsy "affichage par date de création".


Efa niasa teto io taona maro lasa izay. Saingy novaina. Ary betsaka koa ny forum no nanova toa izany. Ny antony dia satria manjary misy resaka tsy mety miala eo ambony eo mihitsy fa na dia tsy dia interessant aza dia misy anankiray "mamoha" azy isanandro dia mijanona eo ambony eo foana (mety ho dokambarotra sns).

Ny zavatra tokony hatao dia ny miezaka mikaroka ny hevitra efa nandalo.

Na izany aza anefa dia hevitra tsara ilay izy, ary ao amin'ny pejy fandraisana dia efa misy ny dinika farany voavaly (ilay hoe Last Update... ary izao vao tsikaritro hoe teny anglisy), koa io angamba no asiana rohy hoe tohiny, mba hahitana ny dinika mirindra araka ny daty namaliana azy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1891