tononkira

1. jantina ( 08/06/2011 16:00)
Sao dia mba misy manana ny tonon' ity hira ity hay e.Toa hiran' i Leky sy Lili izy ity raha tsy diso aho, tadidiko kely ny refrain:

...Na ory ianao na manana
na sanatria farofy
izao no hany lalana
ny handao anao nofy
Ny fasana ihany
no hampisaraka ny dia
Na izany na tsy izany
hitohy hatrary hatrary
Hitohy hatrary lay dina
Lay dinan'ny fitia

misaotra mialoha!
novalian'i hevitra ny 05/04/2012 08:53
2. tsipolitra ( 08/06/2011 18:46)
Io aloha lay izy fa raha misy diso de mba ahitsio, mahazo fafiny ary e

Dinan'ny fitia
Nitia azy foana (2)
No mety hiova foana
Mifampisolo koa
Ilay fitia sy tiana (2)
Omeko anao ry tiana
Dia tokana fa tsy roa
Na ory ianao na manana
Na sanatria farofy
Izao no hany tanana
Ny handao anao ho nofy
Ny fasana ihany
No hampisaraka ny Dia
Na izany na tsy izany
Hitohy hatrany hatrary ilay dinan'ny fitia
Ny mamy sy mangidy (2)
No mety hifandimby
amin'ny fiainantsika
Ilay fitia nambara
Ambony alitara
Ho tanako tsy ho tomika
Na hisy fahavalo (2)
Ny voady hampivalo sy hampisafotofoto
Lay voady izay nijoro
Handrava sy hampikoro
Ny lozoky mba tsy ho toto
Mpamorona Dany Ranoa
Mpihira Lecky sy Lily
3. jantina ( 09/06/2011 15:32)
misaotra betsaka! Hay io voalazanao io koa zany no namorona azy! Manandrana mihira azy aho fa tena misy tsy tadidiko tsara ny feony Raha mba nisy nahatahiry mantsy ilay video clip n'io mpandeha tao @ TVM T@ zany... 90!
Misaotra e!
4. hyphen8 ( 26/08/2011 15:42)
Misaotra indrindra fa izaho koa nitady an'io, misy hahitsiko kely fotsiny:

Dinan'ny fitia
Nitia azy foana (2) "Ny volana sy taona(2)
No mety hiova foana
Mifampisolo koa
Ilay fitia sy tiana (2) "Ilay fitia sy dina"
Omeko anao ry tiana
Dia tokana fa tsy roa
Na ory ianao na manana
Na sanatria farofy
Izao no hany tanana
Ny handao anao ho nofy
Ny fasana ihany
No hampisaraka ny Dia
Na izany na tsy izany
Hitohy hatrany hatrary ilay dinan'ny fitia
Ny mamy sy mangidy (2)
No mety hifandimby
amin'ny fiainantsika
Ilay fitia nambara
Ambony alitara
Ho tanako tsy ho tomika
Na hisy fahavalo (2)
Ny voady hampivalo sy hampisafotofoto "Mitady hampialo sy hampisafotofoto"
Lay voady izay nijoro
Handrava sy hampikoro
Ny lozoky mba tsy ho toto "No ho toky mba tsy ho toro"
Mpamorona Dany Ranoa
Mpihira Lecky sy Lily
5. hevitra ( 05/04/2012 08:53)
Toy ny mbola misy diso kely io Hyphen8, efa navoakan'ny paroles et lyrics (http://parolyric.blogspot.com/2012/04/dinanny-fitia-dany-ranoa.html)
ny tonon' izy io ary misy version audio azo henoina koa ao.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1254