Asa na eto no tokony ametrahana

1. Zozoro ( 27/02/2012 17:05)
Asa na eto no tokony ametrahana an'ity na any amin'ny eritreritra mandalo...
Vao avy namaky boky manambara ny toe-tsaina sy ny fomba amam-panao malagasy taloha aho : tena be ny firaisakina, rehefa misy asa atao n'olona na fianakavina iray dia tonga ny iray tanàna manampy, raha misy fety na faoriana ao amin'ny fianakavina iray dia ny mpiray tanàna iray manontolo no mihara_mifaly na mihara-kory. Tsy dia hita loatra ny fampiasana ny vola fa ny fahamaroan'ny olona manatrika na manampy no tena zava-dehibe fa raisina ho tena haja sy voninahitra tokoa.
Mbola misy ve izany amin'izao fotoana ???
novalian'i vonynive ny 22/06/2011 09:00
2. vonynive ( 06/06/2011 08:58)
miarahaba anao zozoro
mbola misy ihany izany any @ faritra ambanivolo any fa raha ny eto andrenivohitra aloha dia efa tsy dia fahita matetika intsony noho ny antony maro....
3. Zozoro ( 06/06/2011 17:27)

vonynive:

miarahaba anao zozoro
mbola misy ihany izany any @ faritra ambanivolo any fa raha ny eto andrenivohitra aloha dia efa tsy dia fahita matetika intsony noho ny antony maro....

Miarahaba sy mirary soa indrindra anao vonynive.
Mba ilazao antony iray izay fantatrao aho hoe aho raha azo atao !
4. vonynive ( 08/06/2011 12:42)
miarahaba anao,
ny antony :
- rakotry ny soatoavina vahiny isika tandrenivohitra noho ny serasera mivantana na ankolaka (avy @ haino aman-jery isan-karazany) ka manadino ny soatoavina malagasy.
- ny fanjanahan-tsaina
- ny faka tahaka be fahatany ny fomba amama-panao avy any ivelany

raha ny fahantrana ara-toekarena aloha dia heveriko fa tsy dia antony mety hahavery izany soatoavina izany e satria na samy mahantra aza ny Malagasy fahiny dia toa vao maika izany fahantrana na fahasahiranana izany indrindra ny nampifanampy azy ireo.

fa ndao hifandray tanana HITADY NY VERY !

5. Zozoro ( 08/06/2011 13:42)

HITADY NY VERY ...
Toa vakana jijy kely ilay izy ry vonynive ka tena saro-tadiavina ... Tena hezaka lehibe! Raha tsy maro be ny fanilo ary mirehitra tsara ho hita ve ? Manahy aho ka !
6. vonynive ( 10/06/2011 07:41)
HITADY NY VERY...
Aza kivy ambony ihany Zozoro a,
raha samy hiraviravy tanana toa izany avokoa isika mianakavy, ho aiza ny taranaka e? Heveriko misy adidy lehibe miandry anao matoa nandalo tao an-tsainao io lohahevitra io ary aza avela ho very izany !
tsarovy fa ny fitambaran'ny afo tsirairay ho iray no hanome HERY ho hazavana sy hazavana fa ny kitay tokana tsy hirehitra !
koa mahereza e !

fa ...toa misy ohapitenena izay milaza ny hoe "zozoro" .... (ka asa raha tsaroanao)
7. Zozoro ( 10/06/2011 17:24)
Tsy hoe hiraviravy tanana akory ka ! sanatria izany fa hita aloha fa tena lavitr'hezaka e! Rehefa maro no mihara-mifarimbona dia mety hisy vokany ihany any ahoriana any...enga anie.
"zozoro" tena tsy fantatro na koa tsy tsaroako ny oha-pitenenana momba an'io ry vonynive...mba lazao kely hoe!
8. tsipolitra ( 14/06/2011 05:03)
Efa difotry ny kolontsaina avy any ivelany isika ry zozoro sy vony a, hany ka lasa very tanteraka ny soatoavina malagasy. Ankehitriny dia efa ny fiarahamonina zarazarao hanjakana no halentika ao antsainy malagasy, noho izany aleon'ny olona very "tsikalakalam-piahavanana" toy izay "very tsikalakalam-bola".Anjaranao, anjarako no mampafantatra ny taranaka lay soatoavina malagasy, tsy ho vita vetivety anefa izany fa mila faharetana.
solon'anarana ho entinao anie ry zozoro io oham-pitenenana io dia tsy hainao. misy heviny daholo anie ny anarana e! "Zozoro matevina tsy lavon-drivotra"
9. vonynive ( 15/06/2011 09:28)
miarahaba an'i zozoro sy tsipolotra ary ny mpamaky
Zozoro a, na dia tsy mbola namaky ny tononkalonao aza aho dia fantatro fa misy dikany lehibe io solon'anaranao io ka angamba mahalaza azy ity tononkalonao ity e

Izaho no zozoro mijoro
Tsy tapaky ny rivo-mpisetra
Milefitra fa tsy mikoro
Io ihany fa mbola tomoetra.

Raha arary, dia manjary trano !
Haingon-trano izy toa fanaperana;
Raha fefy fiarovan-tanàna
An’ohatra izy be fandeferana

Zozoro anie aho ka zozoro....

"zozoro tsy tapaky ny rivo-mpisetra" izany hoe "zozoro tsy mba kivy fa maharitra, vonon-kisedra izay mitranga".
izany no ilain'ny mpiray tanindrazana Zozoro, ka aza mangina !
10. Zozoro ( 15/06/2011 13:08)
Miarahaba an'i vonynive sy tsipolitra ary ny rehetra.

(tena mba hafa kely ilay hoe tsipolitra...manara-damba moa ilay izy ô!)

Mba manoratsoratra eny aho ry vonynive a! izay mba hita sy tsapa dia mba vetsoina. Tsy afenina fa tena tsy dia mahay manoratra aho, indrindra fa eo amin'ny tsipelina fa rehefa mba misy mahazo izay tiako ho lazaina dia efa mba zava-dehibe izay. Mba ampio aho fa tena manao fahadisoana be dia be rehefa manoratra.
zozoro!

"Ny zozoro raha miraika
tsy folaka ty akory fa mandry dia miarina
raha sendra diso paika
mangina dia banjino ny tanjona ho tratrarina".

tsipolitra : Ny tarana ao ahoriana tokoa no tena tsinjovina ka aoka samy ampahafantatra sy na hanitsy izay fantatra fa tsy mety isika ary koa mba anoro izay fantatsika fa mendrika sy tsara eo amin'ny fiaina sy ny fiarahamonina.

vonynive : Hanao izay fantatsika fa mety isika ary izay tratry ny hezaka dia ho ampitaina amin'ny manodidina. Mety ho voaelingelina ny sasany atria be ny hilaza hoe : "olona be moraly reto" nefa aoka tsy ho kivy angamba.
11. vonynive ( 16/06/2011 06:40)
Zozoro anie ianao ka zozoro
Zozoro amoron’ny ony
Rariana ho tsihy mahalefitra
Itsilanisako raha mila ho ketraka
Rariana ho sarotro malefaka
Ho aroko raha ranon’orana
Rariana ho lakana zahatra
Iampitako, hitety ny morona
Rariana ho tafo mahaaloka
Ho aroko raha fahavaratra

Fa Vony anie aho ka Vony…
Alofan-jozoro hamelatra… !
12. vonynive ( 16/06/2011 12:00)

Zozoro:

Miarahaba an'i vonynive sy tsipolitra ary ny rehetra.

(tena mba hafa kely ilay hoe tsipolitra...manara-damba moa ilay izy ô!)

Mba manoratsoratra eny aho ry vonynive a! izay mba hita sy tsapa dia mba vetsoina. Tsy afenina fa tena tsy dia mahay manoratra aho, indrindra fa eo amin'ny tsipelina fa rehefa mba misy mahazo izay tiako ho lazaina dia efa mba zava-dehibe izay. Mba ampio aho fa tena manao fahadisoana be dia be rehefa manoratra.
zozoro!

"Ny zozoro raha miraika
tsy folaka ty akory fa mandry dia miarina
raha sendra diso paika
mangina dia banjino ny tanjona ho tratrarina".

tsipolitra : Ny tarana ao ahoriana tokoa no tena tsinjovina ka aoka samy ampahafantatra sy na hanitsy izay fantatra fa tsy mety isika ary koa mba anoro izay fantatsika fa mendrika sy tsara eo amin'ny fiaina sy ny fiarahamonina.

vonynive : Hanao izay fantatsika fa mety isika ary izay tratry ny hezaka dia ho ampitaina amin'ny manodidina. Mety ho voaelingelina ny sasany atria be ny hilaza hoe : "olona be moraly reto" nefa aoka tsy ho kivy angamba.

ny hoe hanampy anao @ tsipelinteny aloha dia hoy aho hoe tsy hitako izay olana e; fa na izany aza dia hitako hoe mahafehy tsara ihany ianao an,
fa ny tena hifanampiana dia ny hitady ilay "jijy " e, sady soatoavina very ka tadiavina io fifanampiana io no iaianantsika koa! sa tsy izany ?

Ny fanilontsika tsirairay mirehitra dia ho hazavana hahitantsika ilay " very"..
13. vonynive ( 16/06/2011 12:16)
fa tsy sarina zozoro io solon-tsarinao io fa herana an
14. itaramasoandro ( 16/06/2011 17:39)
Zozoro:

Ny fanilontsika tsirairay mirehitra dia ho hazavana hahitantsika ilay " very"..

miombokevitra aminao aho raha ny sehatry ny firaisan-kina, ny fihavanana, ny fiarovana ny teny malagasy, ny kolon-tsaina, ny fahaizana mikolokolo sy miaina @ zava-boary sy ny tontolo, ny reharehan'ny maha-malagasy very no katsahana sy hamafisina.

saingy, mila mibanjina hatrany ny ho avy isika malagasy, mandray izay azo raisina @ fandrosoana antserasera ankehitriny, izay fitaovana fisokafan'ny saina handinika sy andalina ny manondidina ary hamolavola fomba fijery miaro ny maha-malagasy ary mivoatra manaraka ny toetrandro.

jereo maneran-tany fa misokatra tsikelikely ny vodilanitrin'ny firenena isan'isany satria tonga hatrany @ faritra farany izay alavitra ny tanan-dehibe ny akon'ny vaovao ny mponina avy ivelany.

làlana sy fifaneraseràna no manokatra faingana @ fifanakalozana. io no anisan'ny asa ho takiana tsy misy andraso-andraso hamohahana ny tanindrazana @ fahantrana.

itaramasoandro 8-)
15. vonynive ( 17/06/2011 09:22)

vonynive:

fa tsy sarina zozoro io solon-tsarinao io fa herana an

zafady fa mbola diso ihany aho fa tsy sarina herana kay fa sarina vondrona io
16. vonynive ( 17/06/2011 09:26)
marina ny anao taramasoandro
tsy ho afa-mandà ny sivilizasiona isika Malagasy indrindra izao vanim-potoanan'ny fanatontoloana izao fa ny fahaizana mihazona ny tsara no fehendrena ary mampihatra izany ho fampandrosoana.
17. itaramasoandro ( 17/06/2011 14:53)
misaotra anao vonynive nampatsihahy fa anao no niantefan'ny valinteny nomeko tetsy ambony. maniry anao takarivan-dririnina finaritra.

itaramasoandro 8-)
18. vonynive ( 22/06/2011 09:00)

làlana sy fifaneraseràna no manokatra faingana @ fifanakalozana. io no anisan'ny asa ho takiana tsy misy andraso-andraso hamohahana ny tanindrazana @ fahantrana.

marina ny anao, fa anisan'ny famoahana ny tanindrazana @ fahantrana tokoa io lalana sy serasera ( anisan'ny infrastructure) sady antoky ny fandrosoan'ny toekarena , ary tokony hatao.
Fa izaho mihevitra fa tsy tokony hatao ambanin-javatra koa ny sensibilisation ho @ fanovana toe-tsaina tsy mety teo aloha isaky ny misy vina tsara tian-katao ka ampahafantarina azy fa Azy ny izany (membre) ary manana zo handroso sy adidy hampandroso izany izy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.454