yonika

1. akamatiana ( 03/05/2011 09:32)
Amin'alahelo lebibe no ilazana fa nodimandry omaly 2 May 2011 i Ramambahasina Haingomanana Heritiana ( Yonikafopl ) rehefa nivahiny 39 taona teto an-tany , ny fandevenana dia atao anio amin'ny 4h any Liban iany , ho fanomezanam-boninahitra sy ho fahatsiarovana azy dia hisy fotoampivavahana atao any an-tanindrazany ao amin'ny FJKM Ambohimifankitra Fitiavana ny Alakamisy ho avy izao . Izay maniry hanatrika izany ka mila fanazavana fanampiny dia ity ny numero tel :033 07 275 79.

Misaotra ireo izay mampahery rehetra .

Akamatiana
2. akamatiana ( 03/05/2011 09:33)
Ambohimifangitra Fitiavana azafady
3. kelly13 ( 03/05/2011 06:30)
mirary fiononana feno ho na'ireo fianakaviany. mitondra ambavaka azy
4. lo ( 03/05/2011 07:15)
mirary fiononana ho an'ny fianakaviana manontolo
5. mitsiky ( 03/05/2011 07:57)


mirary fiononana feno ho na'ireo fianakaviany. mitondra ambavaka azy
6. hery ( 03/05/2011 08:00)
Mahereza Akamatiana
7. fahamarinana ( 03/05/2011 08:09)
Mampahery ny namany sy fianakaviany ! Dia mahaiza mionona ! Yonika, mpanoratra no tena nahalalako azy ary isan'ny nankafiziko ny kanto nozarainy tany amin'ny facebook! Mandria am-piadanana !
Faha
8. ikalamako ( 03/05/2011 08:14)
Miombona alahelo, mankahery anareo fianakaviany manontolo.
Efa nahazo ny fitsaharana izy rehefa nahavita ny adiny tety an-tany; efa mianoka any amin'ny tontolo tsy manota.
Ireo tsiky sy ireo soa navelany ho balsama hanasitrana ny fo marary.
Ho tsara levenana njy, yonika, mandria am-piadanana.
Veloma neny a !
9. Darlin ( 03/05/2011 08:22)
Manolotra fankaherezana sy fiononana ho an'ny fianakaviany manontolo.

Mandria ampiadanana.
10. sipagasy ( 03/05/2011 08:24)
tsy ny fianakaviana ihany no very namana, zoky, zandry, fa ny tontolon'ny serasera sy ny facebook ihany koa, nanome tsiky sy nanome hery ho antsika izy t@ tolona natrehany, ny bikany, ny hakantony, dia tsy hiala ao an-tsaiko mandrakizay, ny tsikiny, ny diam-peniny ihany koa dia misy ho tsaroana lalandava,

Mandria am-piadanana retsy e! dia mbola hihaona ihany e!
11. ni81 ( 03/05/2011 08:27)
Mirary fiononana feno ho an'ny fianakaviany tsy an-kanavaka, ireo namana sy tapaka niara-niriaria sy nitafa taminy, teto @ sera² na tao @ Facebook. Vita ny fihazakazahany ka dia mandry am-piadanana izy.
12. tess ( 03/05/2011 09:07)
Mirary fihononana ho an'i akamatiana sy ny fianakaviany rehetra
mandria ampiadanana yonika namana malalanay
tsy ho hadino ny fotoana mamy nahafinaritra niharahana hatrizay
13. chou ( 03/05/2011 09:43)
mandria ampiadanana yonika
mirary fihononana ho an fianakaviany
14. booboo ( 03/05/2011 10:14)
Mirary fionona feno ho an'i Akamatiana, ny fianakaviany ary ny namana rehetra...:-(
15. arialy ( 03/05/2011 10:38)
Mankahery ny fianakaviana rehetra akia
Andrimanitry ny fitiavana anie homba anareo
booboo:

Mirary fionona feno ho an'i Akamatiana, ny fianakaviany ary ny namana rehetra...:-(
16. mirananirina ( 03/05/2011 11:11)
Mamangy @ fahoriana.dia mirary fiononana ho anareo ny tenako,samy ho any daholo isika fa ny fotoana no samy manana.efa eny akaik i Andriamanitra ny fanahy izay miaratsambatra aminy.Mivavaka sy mampahery anareo hatrany
17. simplex ( 03/05/2011 12:23)

namana mavitrika tao @ sary izy... cool be ary tsikitsiky lava...
mampalahelo tokoa

miombona alahelo @ fianakaviany
mirary fiononana feno antsika rehetra.

mahereza o
18. Samoana ( 03/05/2011 13:17)
Mirary fiononana ho anareo fianakaviana ary mitondra am-bavaka sy an'eritreritra ny fialan-tsasatry ny nofon'i Yonika izahay namana.
19. lovelyri ( 03/05/2011 14:21)
mamangy ny fahoriana akia akamatiana dia mahereza fa tombon-dalana ihany ny azy fa na izany aza alou de mbola tanora be lôtra izy ee :'(
20. ftma ( 03/05/2011 17:22)
Mirary fiononana ho an' i akamatiana sy ny fianakaviana rehetra, ny Tompo homba anareo.
mandriam-piadanana Yonika.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1233