Mirary soa ho an'i Yonika marary mafy sy ireo manodidina azy !

1. rakaroka ( 01/05/2011 18:30)
Ny Tsara , fitia ho amboara ho an'i Yonika !

Na hasina na bika
Dia taminao tokoa
Ny endrika sariaka
Tsy nanampaharoa
'reo sarinao tsy laitra
Nahatonga anay ho taitra
hanaraka anao ?
Babo tsotr'izao !
Na eo ny halavirana
Ny sainay toa sahirana
Mikatsa-pahasambarana :
Soa tsy mba hifarana
Ho anao
sy ny olon-tianao!

Karoka Rahanta 1 Mai 2011
novalian'i dadabe ny 29/12/2011 16:53
2. mangidy ( 01/05/2011 19:31)
Kedra Rica Silamboahangy 1 mai
Ho atsika namana rehetra !mampilaza fa efa nandalo nitondra ny firariatsoa ho atsika rehetra tany @ opitaly ny tenako !managataka ny fiombonam-bavaka !efa miha tsara ny fasalamany namana Hasina (yonika) opitaly ambony de ambony eto aminay no itsabona azy !mirary soa ho atsika rehetra namana ! dia mangataka ny fiombonam-bavaka !andriamanitra anie omba atsika rehetra !mampialaza sy mampita vaovao iany aho!
3. samyah ( 01/05/2011 19:34)
MAngataka fiombonambavaka zahay aty @ny misy azy !ny vavaka ataotsika de hery lehibe tokoa !samy ta/tra!
4. mirananirina ( 02/05/2011 08:55)
Mirary fahasalamana tanteraka hoan i yonika ny tenako.ary mivavaka ho azy ihany koa
5. 0uioui ( 02/05/2011 13:49)
mirary soa ho an'i yonika koa e mangatsiatsiah yonika annn ...!!
6. 0uioui ( 02/05/2011 13:50)

mirananirina - 02/05/2011 10:55
Mirary fahasalamana tanteraka hoan i yonika ny tenako.ary mivavaka ho azy ihany koa

mba asio tonombavaka mahaontsa toko oe ry mirana mba ho dinihina ....
7. mangidy ( 02/05/2011 19:37)
Namohy ary namela antsika ho irery eto i Hasina izay nody mandry nandao izao tontolo izao anio ariva t@ 4 ka dia mangataka antsika namana rehetra hiaraka hanokam-bavaka ho azy.
8. ni81 ( 02/05/2011 19:43)
mangidy:

Namohy ary namela antsika ho irery eto i Hasina izay nody mandry nandao izao tontolo izao anio ariva t@ 4 ka dia mangataka antsika namana rehetra hiaraka hanokam-bavaka ho azy.


MIRARY FIONONA FENO HO AN'NY NAMANA REHETRA MAHAFANTATRA AZY, ARY INDRINDRA KOA NY FIANAKAVIANY.
Mandria am-piadanana!
9. soanja ( 02/05/2011 20:03)
ni81:

mangidy:

Namohy ary namela antsika ho irery eto i Hasina izay nody mandry nandao izao tontolo izao anio ariva t@ 4 ka dia mangataka antsika namana rehetra hiaraka hanokam-bavaka ho azy.


MIRARY FIONONA FENO HO AN'NY NAMANA REHETRA MAHAFANTATRA AZY, ARY INDRINDRA KOA NY FIANAKAVIANY.
Mandria am-piadanana!


Handry ampiadanana anie ny fanihiny ary hitrotro azy , handray azy Andriamanitra. Mivavaka ho an'ny fiononanan'ny fianakaviany.
10. Samoana ( 02/05/2011 20:27)
Tato no nihaonana efa an-taona maro
Hatsikana sy hehy, hanihany nifangaro
Tsy nisy ny adiady fa nifandray tokoa
Nifampizara resaka, ny tsara sy ny soa

Dia nifamotoana mba hiaona ihany
Saingy indrisy nefa, miangatra ny tany
I SamoinafĂ´pl mpangatak'andro lava
Tsy afaka nahita sy hifanatri-tava

Mandria am-piadanana njy ry kala Yonika
Ny fitiavanay anao, tsy hiova, tsy hitsonika...

Samoina, 02 Mai 2011- 22h27
11. Veloo ( 03/05/2011 00:25)
tena mampalahelo mihitsy izany, miandry am-piadanana aky ndry ry bebe # 1, tena marary ny foko naheno an'ity vaovao ity, Antra tsitoha anie mampahery izay navelany.
Marina io lazain'i Samoana io teto no nihaonana taona maromaro izay 2000.... raha tsy diso aho.
bebe#2
12. cutie ( 03/05/2011 00:56)
mandria am-piadanana yonika a snif snif snif

veloo, teto daholo tsika no nifankahalala :-(
13. Veloo ( 03/05/2011 01:06)
cutie eny aky nihomehy, ny sasany ary efa tany amban'ny latabatra t@ fimehezana...
14. cutie ( 03/05/2011 01:27)
Veloo:

cutie eny aky nihomehy, ny sasany ary efa tany amban'ny latabatra t@ fimehezana...

eny akia, tokony zay no ataontsika mitadidy an'reny zavatra nampime bdb reny niarahana t@ yonika @ zay tsy malahelo :-(
tadidin-jy le mariazy miara mizotra hihihihi
15. Veloo ( 03/05/2011 01:34)
tadidko tokoa moa, asa mba aiza daholo izao ireny ankizy ireny
16. cutie ( 03/05/2011 01:39)
Any @ facebook daholo akia a, i dadabe mbola hitako eto, i ra sonwin koa any @ fb koa
17. sipagasy ( 03/05/2011 08:25)
eh! dia veloma soava dia retsy e!, mbola hihaona ihany isika indray andro any annn
18. mimich ( 03/05/2011 18:54)
taona maro lasa izay nefa:
Mitoetra lalandava , tsaroana , tsy ho rava na maty ao am-po
Ireo dinika arahin-tsiky sy toro-hevitra ifanaovana tamin-kitsim_ po
Ny fifankahalalana tamin'izany dia an-tsoratra avokoa ,
Nefa nampifanakaiky sy nampifandray toy ny mpiray tampo.

Mandria am-piadanana yonika
19. ANARIM ( 04/05/2011 10:55)
20. dadabe ( 06/06/2011 18:02)
Andriamanitra ooo "ILAY MARIAZY MIARA MIZOTRA" ??
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4594