Ahoana ny hevitrao mikasika ny travail sur Internet à domicile

1. RBNIR ( 27/04/2011 10:19)
Faly miarahaba ny namana rehetra,

Vaka dia vaka ny saiko fa betsaka ny offre voaraiko amin'ny internet, rehefa dinihina otran'ny hoe tena mitombona, nefa matahotra ihany koa ny saina sao dia arnaque fotsiny ihany no betsaka.
Ahoana ny hevitrao momba ireto?
- http://www.realwritingjobs.com/
- http://www.emploiphotographe.com/
- http://www.surveyspaid.com/?hop=jetsetaff
- sns....

Ny hevitr'i Hery izao tena mba tiako ho heno mihitsy raha azo atao. Na izany aza misokatra ity lohahevitra ity ka izay hevitra omen-tsika dia mahafinaritra avokoa ary raisina an-tanandroa.

Dia miandry valiny avy amin-tsika rehetra ary o!
novalian'i bainina27 ny 17/01/2018 07:12
2. RBNIR ( 27/04/2011 14:23)
RBNIR:

- sns....

ireto koa mbola izy :
- http://www.gofreelance.com/join/comfy/followup26.html
- http://carrefourinternet.com/
- http://www.elec-informatique.com/gagnersavie/

Inty indray kosa hita hoe site honnéte fa notsoriny fa tsy miasa eto madagascar izy:
- http://www.sponsorboost.com/emailing-mirroir.php?type=5&idv=658&idc=601&cand=63124&mydata=

Efa mba nanandrana tamin'ireny site ireny v isika?
Marina v ireny? azo atokisana v?

Mba manantena valiny avy amin-tsika haingana dia haingana raha mety ry namana isany.
3. hery ( 27/04/2011 18:04)
Izaho aloha na miasa ora feno eto amin'ny internet aza dia mbola tsy nahazo asa na karama tamin'olona tsy fantatra tahak ireny. Na izany aza anefa dia misy serieux sy tsy serieux izy ireny.
Misy karazany maromaro ny asa azo atao amin'nyinternet ka ianao ihany no tena afaka manapakevitra hoe serieux ve sa tsia, satria tahaka ny bizna rehetra ihany, ny fifampitokisana no heriny. Nisy izao ankizy nanao asa tamin'ireny sites serieux be ireny, kanefa nony vita ny asa dia tsy azo ny vola.

Fa ireto ny zavatra matetika mitranga.

- lazainy karama be ianao dia asainymandoa vola be be ihany hakana ny documents de travail. Ny ankamaroan'ireny dia fopla. Ny vola raisinao amin'ireny dia avy amin'izay olona ho voafitakao aty aoriana. Karazana pyramide.

- Asainy manao pub amin'ny site-nao ianao dia mahazo vola. Ny ankamaroany dia tena izy saingy tsy hahazo vola betsaka ianao satria centimes kely isaky ny pub be dia be miseho no ho azonao.

- site-na Freelance, na mpiasa tena ilay izy. Misy asa be dia be ao, ka misy mpampiasa tena manome vola fa misy tsy manome. Ny olana dia be loatra koa ny mpiasa ary societe ny sasany dia mety tsy hahazo zavatra serieux mihitsy ianao.

Dia izay no nahatonga ahy tsy miditra amin'ireny fa izay mitady zavatra hatao dia manatona sy mifampiresaka tsara.
4. RBNIR ( 28/04/2011 06:38)
hery:

Fa ireto ny zavatra matetika mitranga.

Faly miaraba hery,
Misaotra betsaka tamin'ny valiteninao fa tena misy hosaintsainina tokoa,
Fanontaniana iray? Afaka ny mba hanome fanazavana misimisy amin'ny atao hoe banque de photos ve i hery na namana hafa koa tsy maninona?
Misaotra mialoha

5. hery ( 28/04/2011 06:52)
Niova zany sujet zany? :-)

Banque de photos ve tsy toerana fitahirizana sary? asa aloha
6. RBNIR ( 28/04/2011 06:55)
hery:

Niova zany sujet zany? :-)

Banque de photos ve tsy toerana fitahirizana sary? asa aloha

Tsy dia tena niova loatra fa mifampitohy araka ilay hoe travail à domicile, dia toa hoe azo atao ny mametraka photos amin'ny banque de photos dia remunéré ilay izy.

7. hery ( 28/04/2011 07:08)
Ah ok, raha izay indray dia misy ifandraisany tokoa.

Misy toerana vitsivitsy anisan'izany ohatra ny http://www.inmagine.com izay toerana fampidirana sary sy fividianana sary.

Izany hoe raha tena mpaka sary mahay ianao dia azonao ampidirina ao ny sarinao dia ny olona hafa mividy.

Mbola tsy nanandrana aho fa misy maromaro ny sites manao an'izany. Tsy haiko hoe hatraiza no fahazoana vola aminy.
8. librepenseur ( 22/06/2011 11:44)
fotolia izao toa afaka manao upload sy download izay sary tiana halefa, raha tsy diso aho dia misy fomba fivarotana sy fividianana sary koa ao amin'io tranonkala io... saingy, mila kalitao tena raitra io tranonkala io ary mandalo test andro vitsivitsy ao aminy ilay sary.

Izaho manokana dia efa nanandrana indray mandeha, tsy lany ilay sary nalefako tamin'izay ...

Maro be ireo fepetra takiany amin'ny sary: habe (dimension), kalitao (nombre de couleur), toetoetr'ilay sary (unique en son genre), ary indrindra indrindra ny créativité n'ilay tompony.
9. RBNIR ( 22/06/2011 11:57)

librepenseur:

fotolia izao toa afaka manao upload sy download izay sary tiana halefa, raha tsy diso aho dia misy fomba fivarotana sy fividianana sary koa ao amin'io tranonkala io... saingy, mila kalitao tena raitra io tranonkala io ary mandalo test andro vitsivitsy ao aminy ilay sary.

Izaho manokana dia efa nanandrana indray mandeha, tsy lany ilay sary nalefako tamin'izay ...

Maro be ireo fepetra takiany amin'ny sary: habe (dimension), kalitao (nombre de couleur), toetoetr'ilay sary (unique en son genre), ary indrindra indrindra ny créativité n'ilay tompony.


Faly miarahaba sady misaotra betsaka namana,

10. bainina27 ( 17/01/2018 07:12)
salama daholo,

Ity misy lien ho an'izay mazoto manao asa amin'ny internet, TSOTRA mampiditra code 4 fotsiny omeny eo ambony dia fenoina eo ambany dia mahazo 0.1dollar , nefa sady vetivety iray andro ianao dia mahazo betsaka raha toa ka eo foana tsy miala,izaho manokana miasa dia adin'iray no ahafahako manao azy mahazo eo am 65dollar eo , ny paiment western union ny retrait voalohany 150 dollars

http://wwwv.site/1360552656774/

mila manana filleul maromaro dia betsaka kokoa ny azo.
ANDRAMO FOTSINY FA EFA BETSAKA NY NAHAZO!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7414