fomba ahafahana manotrika ankondro

1. fali ( 11/04/2011 10:16)
salama daholo zareo a ! sao de mba misy mahalala hoe ahoana ny fomba fanakotrehana akondro, @ ilay izy mbola manta iny, ny trano, ny afo, sns !! Misaotra betsaka daholo e !
novalian'i fali ny 15/04/2011 11:29
2. raherigna ( 13/04/2011 17:05)
akory,
fonosy ravim-boandelaka + ravin-tseva ny akondro manta fa ho masaka sady vetivety kely. tsy haiko na fantatrao reo ravin_kazo ireo fa ireo no tena favy @ fanotrehana akondro
3. raherigna ( 13/04/2011 17:05)
akory,
fonosy ravim-boandelaka + ravin-tseva ny akondro manta fa ho masaka sady vetivety kely. tsy haiko na fantatrao reo ravin_kazo ireo fa ireo no tena favy @ fanotrehana akondro
4. fali ( 14/04/2011 09:24)
misaotra @ fanampiana, fa ny tiako ho fantatra ihany koa de hoe ahoana no fanaovana an'ilay trano na ilay lavaka hanakotrehana azy @ izay mba ho betsaka ny indray masaka, de raha vao tsy ravina be dia be tsy ampy mihintsy.
5. raherigna ( 14/04/2011 16:22)
raha atao anaty lavaka ndray de alamina tsara ny akondro, asiana lafika bozaka na mololo ny ambany. totofana bozaka na mololo ny ambony. zany oe atao mafana tsara ny tanjona e!
ampirehetana afo @ ravinkazo maina ao anaty lavaka, lay tena feno setroka iny de totofana haingana ny vavan'y lavaka. zany oe babangoana ao anatiny a!
otrany fasana tany reny zany ny ao anatiny e!
hitady sary aho d atoroko anao. fa ngah misy bizina akondro ndray? lol
6. fali ( 15/04/2011 11:29)
tena tsy azoko mihintsy izany fa angaha babangoana indray ao fa tsy misy akondro !!
mety izaho mihintsy angamba no tsy mahazo azy fa rehefa @ manaraka de mba mangataka sary aty aminao za.
Tsy bizina akory kah ! misy akondro maniry zay ao an-tsahanay ao de misy fotony maromaro, fa ny manotrika azy no tsy misy mahay de simba fotsiny ilay izy avy eo.
misaotra foana e !

raherigna:

raha atao anaty lavaka ndray de alamina tsara ny akondro, asiana lafika bozaka na mololo ny ambany. totofana bozaka na mololo ny ambony. zany oe atao mafana tsara ny tanjona e!
ampirehetana afo @ ravinkazo maina ao anaty lavaka, lay tena feno setroka iny de totofana haingana ny vavan'y lavaka. zany oe babangoana ao anatiny a!
otrany fasana tany reny zany ny ao anatiny e!
hitady sary aho d atoroko anao. fa ngah misy bizina akondro ndray? lol
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5428