Fiangonana inona no misy anao Inona no mahamarina ny ao aiza ny kilema inona no tokony atao

21. christian777 ( 06/04/2011 07:55)
Dia mba lazalazao fa mety lalàna mba hitondran'ny Tompo anao izaho iza no mahalala isika fantsona fotsiny.
22. christian777 ( 06/04/2011 07:57)
Curieux daholo ny majorité n'ny olombelona ka tsy misy maharatsy izany rah ny tenin'Atra no maha-curieux azy sady ny Baiboly rahateo efa milaza hoe: fantaro ny zv reetra de hazony mafy izay tsara!.
Raha tsy diso aho tsy i pasteur Mailhol irery koa no manana Radio am antokom-pivavahana eto amintsika, fa eo ny MRE an'i Pasteur Jocelyn R., ny RDB an'ny katolika, ny 91 FM , ny FMFOI an'i P Benjamina, ny HFF an'i E. Samuelson Edouard!, kanefa... kanefa ireo tsy asian-dresaka mihitsy na dia misy am reo aza ny manazava su manaparitaka ny fampianarana Apok, fa lay Radio Fanambarana sn P.mailhol no tena atao resaka.
Sao dia adinon'ny olona aza fa io APOKALYPSY io anie ka isan'ny Boky ao am baiboly e! ary tokony mihitsy hotoriana sy hazavaina isam-piangonana avy, saingy ny ankamaroan'ny fiangonana amzao tsy manao izany, ka normal ny olona rah hirotoroto any am ingahy Mailhol.
23. RBNIR ( 06/04/2011 08:03)
Miharena:

Dia mitohy toy ny nataon'i RBNIR ilay resaka dia manao toy izany hatrany ka tsy ho hita intsony ny marina ny fiafarany fa mihantona tanteraka ny dinika.


Faly miarahaba Miharena,

Ary tsy azonao mihitsy izany ny tiako ambara teto raha izany, Izaho mbola tsy nitonona ny anaran'ny fiangonana misy ahy teto mihitsy,
Ary mbola tsy nanaratsy an'iza n'iza teto koa raha tsy diso ny fitadidiko??? Sa ianao efa nahatsiaro ahy nanao izany???? Mba ampahatsiahivo aho raha sanatria ka nisy.

Ny zavatra anentanako ny olona mba hijery ilay fandaharana dia ny hianatra sy hanao ny sitrapon'Andriamanitra satria izay ihany no antoka mahavonjy araka ny tenin'Andriamanitra (Mat.7:21).

Izay ihany no hitaomako ny olona : HIANATRA DIA HANAO NY SITRAPON'ANDRIAMANITRA SATRIA IZAY NO ANTOKA MAHAVOAVONJY.

Samy ho tahin'ny Tompo indray e!
24. christian777 ( 06/04/2011 08:19)
RBNIR
Maninona tsy Lazainao ny fiangonana misy anao dia afaka mifanampy isika
25. RBNIR ( 06/04/2011 09:17)
christian777:

RBNIR
Maninona tsy Lazainao ny fiangonana misy anao dia afaka mifanampy isika

Faly miarahaba namana Christian,

Fanontaniana manitikitika, fa inona no tena ilavanao ilay anaram-piangonana???

Rehefa ho avy i Jesosy Kristy Tompo, ny hojereny voalohany tsy ny hoe iza no nivavaka tary na tary fa ny hojereny dia hoe iza no nahavita ny sitrapon'ny Raiko. (Mat.7:21).

Izaho dia manambara fa marina tokoa fa ny fiangonana misy ahy dia mampianatra ny fahamarinana araka ny nampianaran'ny Tompo azy, nefa raha tsy manantanteraka io fahamarinana ampianarina ahy io aho dia tsy hahavonjy ahy velively ny maha mpiangona ahy ao.
Ny fahatsapako fa tanteraka amiko ny fanaovana ilay fahamarinana na ny sitrapon'Andriamanitra dia izay no zavadehibe amiko indrindra.

Samy ho tahin'ny Tompo namana a!
26. rijadolly ( 06/04/2011 15:51)
Christian777:

aiza ny kilema? inona no tokony atao?

Dia mbola tsy voavalinao ihany ny fanotanianao Cristian, sa dia tsy misy kilema izy io?

Christian777:

mbola tsy novalianao hoe fiangonana inona no misy anao azafady ô

Tsy fombako ny mitory atokom-piangonana. Fa ny mitory an' Jesoa Kristy sy ny FilazantsaraNY sy ny fahamarinaNY no himasoako. Efa ela no fantatro fa tsy mahavonjy ny anaram-piangonana.Tepolin'Andriamanitra izay mandray AZY hanjaka aoaminy, ao anatiny iray manontolo, ampy ahy izay.
Iza no reharehako? Iza no reharehanao? tsy mitovy ve? aoka ary samy handini-tena raha tsy mitovy.
27. Miharena ( 06/04/2011 18:14)
RBNIR, mazava ny fanehoan-kevitrao fa mety diso fandray aho.


Christian:

Dia mba lazalazao fa mety lalàna mba hitondran'ny Tompo anao izaho iza no mahalala isika fantsona fotsiny.



Iza no mahalala Chrisitan777.

Ny tsy mety fotsiny dia ilay samy jamba mifampitarika dia samy milentika. Izay no antony ametrahana tsara ny vala famaritana sao dia misy ny manavaka ny ataony hoe Andriamanitra nefa Baiboly iray ihany no vakiany.

Ilay izy angamba fahatsapana no tokony hotantaraina fa tsy famoboasan-teny izay mety samy manana ny entiny hanazavana azy.
28. christian777 ( 07/04/2011 06:37)
Tena manahirana mihintsy ny mahafantatra ny toe_tsaintsika malagasy tsy mety hiteny ny azy.
Fa maninona sa tsy azo hahitsy sa tsy mety fa manjary hita ny lesoka.Kanefa izany mihintsy no antony ilazako ny ahy.
Mahereza
29. christian777 ( 07/04/2011 06:53)
Afak mifampiresaka ami'nizany isika izaho

Tadidio fa i Jesosy alohany hiakarany any an-danitra dia nisy fepetra maro noresahiny tamin'ny mpiananany sy no tokony ataony.
Matio 7
Matio 24
Matio 28
Jaona 6
Jaona 14
Jaona 16
Asa 1
Apokalypsy 21

Ny fanontaniana mipetraka amin'izany dia ny hoe:
Velona ve i Jesosy? Manana porofo ve ianao: omeo
Miasa ve i Jesosy? Manana porofo ve ianao:omeo
Nanamarina anao ve Jesosy vakio efesianina1:13?
Efa nadray an'ilay rano velona tsy mety ritra ve ianao?
Fiangonana iza no manome azy io?

Mahereza


30. Miharena ( 07/04/2011 06:57)
Sao dia lasa asa mamaky tratra fotsiny ny fitsikerana tsy ahitam-bokany mahasoa izay mipoitra avy amin'ny antokon'ny tsirairay avy Christian777 a! Lasa mivoana hoatry ny ady politika manko ilay izy avy eo. Tsy ny vontoatin'ny tena olana no resahana fa fifandroritana.

Ohatra akaiky, tsy ny hery amin'ny maha-hery fandroahana devoly misy no resahana fa ny filazana fa maizina io hery ampiasainy io satria ireto avy ny foto-pisainana nanaovana azy. Maizina ihany no hanoheran'ny hafa ny haizina ao aminy hoy ny sasany (miady an-trano izany hoy Jesosy izay).

Ka asa aloha fa izany no ilazako hoe lasa lavabe ity dinika ity raha toa ka izay tokoa no hitondrana azy e!

Raha ny zavatra tsapa mampiray kosa no hitondrana azy dia tsy maninona.

Mba hampahazava kokoa io resako io dia manao ohatra ihany aho: toy ny olona isanisany manjaitra akanjo ny fiangonana tsirairay avy ary samy nanao izay didiny tiany hanaovana azy. Izy anefa dia firafitra mitovy no tokony ho ao anatiny (loha, vatana, ratsam-batana syny taova rehetra ao aminy). Avy eo dia rehefa vitan'ny sain'ny tsirairay avy ny akanjo dia mifampitsikera amin'izay ry zareo hoe: Ny anareo tsy mety fa mampiseho izatsy, ny anareo tsy mety fa manakona izaroa!
Farany inona no mitranga? tsy nisy fantatra intsony ny firafitra voalohany tena izy hoe loha sy vatana ary taova maro anie izy tsirairay avy tany am-piandohana! Dia feno ny boky mamaofy ireo karazana akanjo rehetra dia io no iadivan'ny sasany (ary tena mivonto fo mihitsy izy amin'izany an!).

Io ilay faux problème lazaiko tsindraindray ka sao dia ilaozana mankany fa tsy ny firafitry ny tena ao anaty no amboarina hahazo izay tena izy an!
31. Miharena ( 07/04/2011 19:31)
Aleo aloha valiana ireto fanontanianao ireto Christian:

Ny fanontanianao mipetraka amin'izany dia ny hoe:

Velona ve i Jesosy? Manana porofo ve ianao: omeo : Velona IZY ary ao anatin'izay mampandrosoa azy ao am-po. Ny porofo dia mitantana sy miteny ato am-poko Izy hatramin'izay ka hatramin'izao
Miasa ve i Jesosy? Manana porofo ve ianao:omeo: Mitovy ny fanontaniana eo ambony. Velona = Miasa
Nanamarina anao ve Jesosy vakio efesianina1:13? Tsy mitsara IZY, Vakio ny momba ilay vehivavy notadiavin'ny olona hotoraham-bato. Hoy Izy taminy "Izaho koa tsy manameloka anao.
Efa nandray an'ilay rano velona tsy mety ritra ve ianao? Ny maha-sombinain'Andriamanitra ahy no nahafantarako fa manana fiainana mandrakizay aho.

Fiangonana iza no manome azy io?
Tsy misy fiangonana manome azy io afa-tsy ny RAY ihany
32. rekinbelo ( 19/04/2011 11:12)
Za ra Chris temoin de Jehovah ary efa 11ans zao no tao, tsy hoe olona mirehidrehitra fotsiny anefa aho fa misaina ary ny finoana mila fisainana sy fanetretana.Tsy midika anefa izany fa tsy tia mifanakalo hevitra na tery saina aho fa malalaka mihitsy ary ny olona namako aza dia samy hafa finoana amiko nefa manaja ny safidiny aho.
raha ny kilema ao @ TJ no tianao ho fantatra dia tsy mahita aho satria izao:
- raha misy ny zvt iray tsy mazava dia manao fikarohana aho na ao @ Baiboly na reo boky avoakany TJ na @internet de avieo manao recoupement sy analyse.
Izay anie no itiavako ty serasera ty mba ambitombona fahlalana e!fa anjaranao ny mandresy lahatra ny fonao avieo hoe atsy no marina na atsy fa tsy manaratsy ny hafa kosa na izany aza!
Foto-kevitra tsy mazava aminao mety hainy hafa ary ny tsy hainy hafa mba mety ho hainao.
Raha fitiniko zany de zao e: ny savoir no base ny baiboly ary mila mandihady LALINA enao ka manao safidy avieo fa tsy hoe mitsapatsapa @ zay mety aminao fotsiny akory!
33. rekinbelo ( 27/04/2011 06:50)
tsy ny fiangonana anie no important ra Chris e!fa ny foto-pinoana!anarana anie samy mametraka izay tiany e.fa Kristianina fotsiny de ampy ngamba satria Jesosy Kristy tsy namorona fiangonana maro fa iray ihany de ny hoe Kristianina.
34. christian777 ( 27/04/2011 08:52)
Salama daholo

(Daniela 12:9) « Dia hoy izy: Andeha, ry Daniela, fa efa voahorona ny teny sady voaisy tombo-kase mandra-pihavin'ny andro farany. »
(Daniela 12:10) « Maro no hodiovina sy hofotsiana ary hozahan-toetra; fa ny ratsy fanahy kosa mbola hanao ratsy ihany, ary tsy hisy amin'ny ratsy fanahy hahafantatra, fa ny hendry no hahafantatra. »
(Daniela 12:11) « Ary hatramin'ny andro hampitsaharana ny fanatitra isan'andro sy hampidirana ny fahavetavetana mahatonga fandravana dia hisy andro sivifolo sy roan-jato amby arivo. »
(Daniela 12:12) « Sambatra izay miandry sy mahatratra ny andro dimy amby telo-polo amby telon-jato sy arivo. »

Tena ilaina mihitsy ny fiangonana raha ireo voalaza ireo
(Daniela 7:25) « Ary hiteny hanohitra ny Avo Indrindra izy sy hampahory ny olo-masin'ny Avo Indrindra ary hitady hanova fotoana sy lalàna; ary hatolotra eny an-tànany ireo ambara-pahatapitry ny fetr'andro iray sy ny fetr'andro roa ary ny antsasaky ny fetr'andro. »
Sabata lasa Alahady (fotoana)
Lalàna hoe foana hono ka tsy misy biby maloto sy madio izany(lalàna)

(Apokalypsy 17:4) « Ary ravehivavy dia nitafy lamba volomparasy sy jaky ary niravaka volamena sy vato soa ary perila sady nitana kapoaka volamena teny an-tànany, feno zava-betaveta, dia ny zava-maloto momba ny fijangajangany; »
(Apokalypsy 17:5) « ary nisy anarana voasoratra teo amin'ny handriny nanao hoe: ZAVA-MIAFINA, BABYLONA LEHIBE, RENIN'NY MPIJANGAJANGA SY NY ZAVA-BETAVETA, AMIN'NY TANY. »

Mitandrema maro no hodiovina sy hofotsina

Mahereza




35. Miharena ( 27/04/2011 10:33)
Miarahaba an'i Christian777 indray!

Raha miresaka an'i Daniela Christian777 dia ny fandraisako ny hafatra rehetra ao amin'io boky io dia tsy mikasika fotsiny ny fiangonana fa ny olombelona tsirairay avy izay hokororohana amin'ny finoany. Ny fiangonana na koa ny mpitarika fiangonana isan-tokony no manova izay fomba fitondrany avy (andro, lalàna) ary izany dia efa mihatra ankehitriny.

Inona no anton"izany?

Misy ny fivoahan'ny hafatra ao amin'ny Testamenta vaovao izay mametraka ny olona ambany fahasoavana fa tsy ambany lalàna intsony ka ireo fombafomba samihafa dia efa nekena ho marina avokoa rehefa mibanjina ny Tompo (Jereo I Kor 12).
IKorintiana 12:5 Ary zarazaraina ho samy hafa ny fanompoana, nefa ny Tompo dia iray ihany.


Fa ny tena zava-dehibe amin'ireo rehetra ireo dia ny Fitiavana ary tsy misy vokany avokoa ny zavatra tsy hatao amin'ny fo. (jereo I Kor 13)

Izay no tsy hitsikerana ny finoan'ny hafa satria ny lalana iantefany dia ao amin'ny Tompo daholo ihany satria Izy ny manamboatra ary Izy no mahatanteraka ary Izy ihany no mitrotro. Izy no mahalala fa tamin'ny Fo feno Fitiavana no nanaovana ny fanompoana.

Sombintsombiny avokoa tokoa ny fahalalàna isan-tokony rehefa jerena amin'ny lafiny fombafomba fivavahana fa ny tena tanteraka dia izay ateraky ny FO feno FITIAVANA TENA IZY izay mampiray ao amin'ny Tompo.

Izany hoe mila fanovana tanteraka ny fomba fijery izany isika milaza ho mpanara-dia an'i Kristy.
36. christian777 ( 28/04/2011 09:52)
rekinbelo
efa 11ans ianao no tao amin'ny TJ
mbola resiko izany.Ny ahy fony vao kely efa chevalier mihintsy.
Ny problème dia izaho: ny témoins dia diabolique sady démoniaque.
Ra hitondrako olona démoniaque ianareo dia mitsoka fa izahay tsy mitsoka an'ireny.

Faux témoins angamba ary rehefa anontaninao izy hoe mino an'i Jesosy ve? ary mitandrina ny didin'andriamanitra dia hoe mino sady mitandrina nefa mpandainga.Maninona raha tsy mandainga.

Raha ireny témoins ireny indray dia tsy mpitondra tenin'andriamanitra fa mpitondra tenin'ny Fikambanana watch tower.Io baiboly io anie ka boky e! ary azo ampiasaina amin'ny lafiny rehetra mitovy amin'ireo avocat du diable ihany mody hoe lalàna kanefa olona mandika lalàna no ampiana.Ary dia maro no votaroka mody atao hoe tso-po hono nefa Jamba mitarika Jamba.ary satria ilay mitondra boky tsy manana ny heviny manokana raha tsy manao fikarohana dia mazava ho azy koa ilay ampianarina.


raha Recherche indray no jerena dia izaho manana CD watch tower ary manana Etudes per... de écritures vol 1 sy 2
Izaho manana dictionnaire biblique ary hananako daholo ny documents ny réligions réhetra raha tianao ho fantatra.

Io baiboly io azo anaovana chantage, politika, hitenenana olona kely saina ary mampanaonao foana olona io koa ary ampiasan'ny mpanao ody sy ny sasany manao bibliomancie.

Io watch tower io dia création'ny olombelona fa tsy hoe canal de dieu Izany.

raha questions biblique izany dia manakavaly daholo ny rehetra ary samy teha ho marina avokoa ka manano ny sasany hoe diso.Fifampiandaniana.dia mba mody ialana pa dia hoe tsy anarampiangonana no mahavonjy! kanefa izy ary ao amin'ilay fiangonana.

Raha teha andeha amin'ny fahamarinana ianao dia manaova ny marina aloha tsy amin'ny kely ihany fa amin'ny be koa.Raha hitanao hoe misy fotaka ny masoko dia esory aloha ny anao dia avy eo esory ny ahy.Raha hitanao fa hoe manota aho dia ianao aloha aza manota dia avy eo teneno aho.
Ary raha vonona hanompo an'i jesosy dia andana amidio izay ananao rehetra dia omeo ny malahelo dia manaraha an'i Tompo.




37. rekinbelo ( 29/04/2011 10:46)
mampalaelo be enao izany!maro loatra ny zavatra tsy takatrao sy tsy zakany atidohanao tao @ TJ de manaratsy sisa no ataonao.
Tadidido fa tsy olona maivan-doha za akory ka mety hotaritiny olona rehetra @ heviny rehetra.
mba nanadany ro-doha ihany nianatra.tsy hoe miteny ny TJ hoe zao de marina fa jereko @ lafiny 4 mihitsy raha mitombina na tsia.tsy hoe manaiky botolo akory fa mba mampiasa saina e!
Zay mantsy no tsy ampy @ tsika gasy fa entiny fo fotsiny de hoe mino sy ny anay no marina nefa tsy ampy fahatakaran-javtra sy fahalalana akory.
Tsy ny fanananao Boky sy ny sisa akory no midika inona fa ny fahaizanao mampiasa azy.ary fantaro fa tsy anarana fiangonana izany ny TJ ary fikambanana mikarakara ny boky sy zvt hafa ny WT.
Refa itanao fa tsara ny anao any dia tano mafy e! HO hitantsika eo rehefa rava i Babylona lehibe raha mbola itana ireo hevitrao ireo ianao.
38. rekinbelo ( 29/04/2011 11:03)
sady blem chris be fo lotra de mety mamono mahafaty ngamba ra miresaka mivantana aminy.
resaka no atao eto fa tsy fanaratsiana izay tsy tianao akory ary efa ita soritra @izany aza ny toetsainao.jereo ny mpiserasera hafa refa miresaka e!
resaka no atao de samy mandajalanja e
misaotra ra chris a!
39. christian777 ( 29/04/2011 11:56)
rekinbelo
Tsy manaratsy izany aho fa milaza ny marina sy mahitsy.

Jereo reny fiangonana betsaka manao adalana ireny dia mbola lazaina fa mpivavaka ihany ve:
Ny katolika izao efa mampanambady lahy sy lahy
"De l'évéque John Cummins propre bouche vint la révélation surprenante que les évéques de la Californie» a travaillé dans les coulisses de passer le «adultes consentants» en Californie le projet de loi connu sous le nom AB489 en 1975. Il a partagé cette information à un petit rassemblement coordonné par le Père. Schexnayder de ministère de sensibilisation homosexuel à Notre-Dame de Lourdes de la paroisse le 5 Juin. AB489 Que fait était de légaliser la "cohabitation adultère, le sexe oral, et la sodomie entre adultes consentants», selon un article paru dans The Wanderer (6/23/99), rédigé par Mike Arata qui vit dans le diocèse d'Oakland Cummins. Bishop allé à Sacramento en 1971 pour diriger la Conférence des évéques de la Californie à la capitale de l'Etat jusqu'à ce qu'il soit nommé Ordinaire d'Oakland en 1977 "(1).

Ny sasany izao efa manao fikambanana finoana(2 Korintiana 6:14) « Aza mety hasiana zioga tsy antonona anareo hikambanana amin'ny tsy mino. Fa inona no iraisan'ny fahamarinana sy ny fahotana? Ary inona no iombonana'ny mazava sy ny maizina? »
(2 Korintiana 6:15) « Ary inona no ifanarahan'i Kristy sy Beliala? Ary inona no iraisan'ny anjaran'ny mino sy ny tsy mino? »
(2 Korintiana 6:16) « Ary inona no ikambanan'ny tempolin'Andriamanitra amin'ny sampy ? Fa isika no tempolin'Andriamanitra velona, araka ny nataon'Andriamanitra hoe: Honina eo aminy sy handeha eo aminy Aho, ary izy ho oloko (Lev. 26. 11, 12). »
(2 Korintiana 6:17) « Koa mivoaha eo aminy ianareo, ka misaraha aminy, hoy Jehovah, Ary aza manendry izay zavatra tsy madio; Ary Izaho handray anareo. »
(2 Korintiana 6:18) « Ary ho Rainareo Aho, ary ianareo ho zanako-lahy sy ho zanako-vavy, hoy Jehovah Tsitoha (Isa. 52. 11, 12). »

Ny sasany hoetiny herin'ny devoly( manasitrana, manao fahagagana, sns... kanefa mandika ny lalàna (Lioka 6:46) « Ary nahoana ianareo no miantso Ahy hoe: Tompoko, Tompoko, nefa tsy manao izay lazaiko? »

Ny sasany miady hevitra fotsiny ary ny ataony ihany no ataony dia faly amin'izany.(1 Timoty 1:3) « Toy ny nangatahako anao hitoetra any Efesosy, rehefa hankany Makedonia aho, mba handidianao ny sasany tsy hanao fampianarana hafahafa, »
(1 Timoty 1:4) « na hitandrina ny anganongano sy ny tantaram-pirazanana tsy hita lany izay mahatonga ady hevitra, fa tsy mampandroso ny fitondrana araka an'Andriamanitra amin'ny finoana, dia toy izany koa no ataoko ankehitriny. »

Tsara ny teninao hoe tsy maivan-doha.
Ary izaho dia nampianarina hoe tao amin'ny soratra masina hoe (Zefania 2:1) « [Anatra ho fampibebahana ny olona, dieny mbola tsy mihatra ny loza]Miangona, eny, mivoria ianareo Ry firenena tsy manan-kenatra*, [*Na: tsy manina] »
(Zefania 2:2) « Dieny tsy mbola mihatra ny didy (Mihelina toy ny akofa ny andro!), Dieny tsy mbola tonga aminareo ny fahatezerana mafin'i Jehovah, Eny, dieny tsy mbola tonga aminareo ny andro firehetan'ny fahatezeran'i Jehovah. »
(Zefania 2:3) « Mitadiava an'i Jehovah, ianareo mpandefitra rehetra amin'ny tany, Izay efa nanaraka ny fitsipiny: Tadiavo ny fahamarinana, Tadiavo ny fandeferana; Angamba ho voafina ianareo amin'ny andro fahatezeran'i Jehovah. »
Mbola Angamba io teo satria (Ohabolana 4:18) « Fa ny lalan'ny marina dia toy ny fipoak'andro maraina, Izay mihamazava mandra-pitataovovonan'ny andro. »

dia hoy ny Tompo(Jaona 14:16) « Ary Izaho hangataka amin'ny Ray, ary Izy hanome anareo Mpananatra* hafa mba ho eo aminareo mandrakizay, [*Gr. Parakleto, dia Mpanampy, na Mpampahery, na Solovava] »
(Jaona 14:17) « dia ny Fanahin'ny fahamarinana, Izay tsy azon'izao tontolo izao horaisina, satria tsy hitany na fantany; fa ianareo no mahafantatra Azy, satria mitoetra eo aminareo Izy, ary ho ao anatinareo. »
(Jaona 16:13) « Fa raha tonga ny Fanahin'ny fahamarinana, dia Izy no hitari-dalana anareo ho amin'ny marina rehetra; fa tsy hiteny ho Azy Izy, fa izay ho reny dia holazainy avokoa; ary ny zavatra ho avy aza dia hambarany aminareo. »
(Jaona 14:26) « fa ny Mpananatra*, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin'ny Ray amin'ny anarako. Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo. [Gr. Parakleto, dia Mpanampy, na Mpampahery, na Solovava] »


Koa ahoana no hilazanareo fa hoe hihamazava io izany hoe mbola ao anatin'ny fahadisoana izany ianareo.Dia normal raha hoe "Angamba".

Ary marina fa na dia hilaza ny momba ny Fanahy masina aza aho dia tsy hino ianareo na dia misy maty mitsangana ary eo.(1 Korintiana 2:14) « Fa ny olona izay araka ny nofo ihany dia tsy mba mandray izay an'ny Fanahin'Andriamanitra; fa fahadalana aminy izany sady tsy azony, satria araka ny Fanahy no amantarana izany. »

(Asan'ny Apostoly 19:1) « Ary raha mbola tany Korinto Apolosy, dia nitety ny tany ambony Paoly ka tonga tany Efesosy, dia nahita mpianatra sasany teo izy »
(Asan'ny Apostoly 19:2) « ka nanao taminy hoe: Efa noraisinareo va ny Fanahy Masina, fony vao nino ianareo? Fa ireo nanao taminy hoe: Tsy renay akory fa efa nomena ny Fanahy Masina. »
(Asan'ny Apostoly 19:3) « Ary hoy Paoly: Ho amin'inona ary no nanaovana batisa anareo? Dia hoy ireo: Ho amin'ny batisan'i Jaona. »
(Asan'ny Apostoly 19:4) « Fa hoy Paoly: Jaona nanao ny batisan'ny fibebahana ka nilaza tamin'ny olona hino Izay ho avy manaraka azy, dia Jesosy. »
(Asan'ny Apostoly 19:5) « Ary raha nahare izany izy, dia natao batisa ho amin'ny anaran'i Jesosy Tompo. »
(Asan'ny Apostoly 19:6) « Ary rehefa nametrahan'i Paoly tanana izy, dia nilatsaka taminy ny Fanahy Masina; ary niteny tamin'ny teny tsy fantatra izy sady naminany. »

Ny fiangonana tsy mahafantatra anio dia sahy hilaza hoe efa foana ny teny tsy fantatra kanefa ilay teny tsy fantatra voalaza eto dia Jiosy no nanao azy tamin'ny jiosy ary nisy naminany noho ny asan'ny fanahy masina.

Babylona lehibe amiko dia izay rehetra tsy mandray an'i Jesosy ho Tompo sy mpamonjy sy tsy mitandrina ny didin'Andriamanitra rehetra:

Voalohany: Jesosy dia TOMPO
(Filipiana 2:9) « Koa izany no nanandratan'Andriamanitra Azy indrindra sy nanomezany Azy ny anarana izay ambony noho ny anarana rehetra, »
(Filipiana 2:10) « mba ho amin'ny anaran'i Jesosy no handohalehan'ny lohalika rehetra, na ny any an-danitra, na ny ety an-tany, na ny any ambanin'ny tany, »
(Filipiana 2:11) « sy haneken'ny lela rehetra fa Jesosy Kristy no Tompo ho voninahitr'Andriamanitra Ray. »

Faharoa: Jesosy dia Andriamanitra
(Isaia 9:5) « Fa Zaza no teraka ho antsika, Zazalahy no omena antsika; Ary ny fanapahana dia eo an-tsorony, ary ny anarany atao hoe Mahagaga, Mpanolo-tsaina*, Andriamanitra Mahery, Rain'ny mandrakizay Andrian'ny fiadanana.[Na: mpanolo-tsaina mahagaga] »

Fahatelo: Jesosy dia azo hivavahana.
(Jaona 14:13) « Ary na inona na inona no hangatahinareo amin'ny anarako, dia hataoko izany, mba hankalazana ny Ray eo amin'ny Zanaka. »
(Jaona 14:14) « Raha mangataka zavatra amiko amin'ny anarako* ianareo, dia hataoko izany. [*Na: mangataka zavatra amin'ny anarako] »
(Apokalypsy 21:22) « Ary tsy nahita tempoly teo aho; fa ny Tompo Andriamanitra, dia ny Tsitoha, sy ny Zanak'ondry no tempoliny. »

Ahoana kay ny hivavahanao amin'ny fanahy sy ny fahamarinana raha tsy mahafantra ny atao hoe fanahy ianao?
Koa raha tsy fantatrao akory ny hiavahanao ahoana no hahatongavany fahamarinana ao aminao raha tsy tonga aloha ny fanahin'ny fahamarinana.

(Isaia 42:8) « Izaho no Jehovah, izany no anarako, ka ny voninahitro tsy homeko ny hafa, na ny fiderana Ahy ho an'ny sarin-javatra voasokitra. »

Antso ny ataoko
(Ohabolana 8:17) « Tiako izay tia ahy; Ary izay fatra-pitady ahy dia hahita ahy. »
(Ohabolana 8:18) « Ato amiko ny harena sy ny voninahitra, Eny, ny harena mateza sy ny fahamarinana. »

(Jaona 6:38) « Fa tsy nidina avy tany an-danitra Aho mba hanao ny sitrapoko, fa ny sitrapon'izay naniraka Ahy. »
(Jaona 6:39) « Ary izao no sitrapon'izay naniraka Ahy, dia ny tsy hamelako hisy very izay rehetra nomeny Ahy, fa hatsangako indray amin'ny andro farany izy. »
(Jaona 6:40) « Fa izao no sitrapon'ny Raiko, dia ny hahazoan'izay rehetra mijery ny Zanaka ka mino Azy fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin'ny andro farany. »
(Jaona 6:44) « Tsy misy olona mahay manatona Ahy, raha tsy taomin'ny Ray Izay naniraka Ahy; ary Izaho hanangana azy amin'ny andro farany. »

Fanomezana tsara indrindra dia ny Fanahy Masina
(Jaona 4:10) « Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Raha fantatrao ny fanomezan'Andriamanitra sy Izay miteny aminao hoe: Omeo Aho hosotroiko, dia ianao no ho nangataka taminy, ka nomeny rano velona. »
(Jaona 4:13) « Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izay rehetra misotro ity rano ity dia mbola hangetaheta indray; »
(Jaona 4:14) « fa na iza na iza no misotro ny rano izay homeko azy dia tsy hangetaheta mandrakizay; fa ny rano izay homeko azy dia ho loharano miboiboika ao anatiny ho fiainana mandrakizay. »
(Jaona 4:22) « Hianareo mivavaka amin'izay tsy fantatrareo; izahay kosa mivavaka amin'izay fantatray, satria avy amin'ny Jiosy ny famonjena. »
(Jaona 4:23) « Fa avy ny andro*, sady tonga ankehitriny, raha ny tena mpivavaka hivavaka amin'ny Ray amin'ny fanahy sy ny fahamarinana; fa ny Ray koa mitady ny mpivavaka aminy ho tahaka izany. [*Gr. ora] »
(Jaona 4:24) « Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin'ny fanahy sy ny fahamarinana. »

(Jaona 7:38) « Izay mino Ahy, dia hisy onin'ny rano velona miboiboika avy ao an-kibony, araka ny voalazan'ny Soratra Masina. »
(Jaona 7:39) « Ary ny Fanahy, Izay efa horaisin'ny mino Azy, no nolazainy tamin'izany; fa ny Fanahy* tsy mbola nomena, satria Jesosy tsy mbola niditra tamin'ny voninahiny. [* Na: Fanahy Masina] »

(Apokalypsy 22:17) « Ny Fanahy sy ny ampakarina manao hoe: Avia; ary aoka izay mahare hanao hoe: Avia. Ary aoka ho avy izay mangetaheta; ary izay mety, aoka izy hisotro maimaimpoana amin'ny ranon'aina. »

Tiantsika ny Tompo
(2 Petera 3:9) « Ny Tompo tsy mahela ny teny fikasany, araka izay ataon'ny sasany ho fahelany; fa mahari-po aminareo Izy, ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin'ny fibebahana izy rehetra, »
(2 Petera 3:18) « fa mitomboa amin'ny fahasoavana sy ny fahalalana an'i Jesosy Kristy, Tompontsika sy Mpamonjy. Ho Azy anie ny voninahitra ankehitriny sy mandrakizay. Amena. »

Mahereza.
Amen Tongava Jesosy.











40. Miharena ( 29/04/2011 12:49)
Lasa fifamaliana tokoa ilay izy Christian777 rehefa ampidirina hoe misy aza maizina ny fihevitry ny sasany.

Fa eo ihany moa ny fanadihadiana ataon'i Christian777. Rehefa feno Fanahy Masina dia mahita tsara ny lalan-kombana rehetra sy ny fisainana mahitsy fa tsy ho tafalatsaka amin'ny fisainan-diso.

Eo amin'ilay resaka ataon'ny fombam-pivavahana isan-karazany, manome fitambaran'ny lahy samy lahy sy ny sisa, raha dinihina anie dia mazava fa misy anomalie ireny olona ireny e! ary misaina fahalalahana izay manaiky izany, izany hoe tena malalaka fomba fijery tanteraka.
Ny fisian'ny zavatra tsy mandeha amin'ny laoniny eto ambonin"ny tany dia efa ela no nahitana azy. Ireo dia vokatry ny tsy fitiavana izay nafafin'ny olona ihany izay nisafidy hilomano amin'izany endrim-piainana izany. Manara-driandrano fotsiny ny olona ao anatin"izany rehetra izany. Jereo anie ny zaza e! rehefa kely izy dia mahafatifaty ery sady madio be mihitsy, rehefa mitombo dia tafiditra ao anatin"ny faharatsiana rehetra ary rehefa antitra dia lasa mpanota matevin-koditra noho ny fanefen'ny fiaraha-monina azy. Io ny fiarahamonina misy antsika ankehitriny. Miezaka manilika an'i omandrakariva isika tsirairay avy matoa mitady fahamarinana. Fa tsy mora ny manjo ireo izay tsy te-hanao fanahy hiniana hanao ratsy fa tafaroboka ihany an!
Ny mivavaka ho azy no azo atao!
Izay no antony hanaovako mandrakariva hoe aoka angamba hahay hizara amim-pitiavana fa tsy hitsara satria zava-misy sy mitranga no hitantsika. Raha feno fanahy Masina dia mazava fa afaka manova zavatra isika.
Dia aoka tsy holotoina ilay Fanahy Masina fa manjary mivadika. Tokony tsy handray ny toeran'ny mpitsara sy mpiampanga mihitsy isika rehefa manana ny Fanahy Masina.
Miverina amin'ny talentan"i Lucifer izay nisafidy ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy isika raha vao manao io fitsarana io.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.8152