TAratasy misokatra ho an'i Soanja

1. bazylou ( 22/03/2011 16:04)
raha nijery express androanay ianao dia nahita ilay ramatoa 73taona niditra an tsekoly hianatra mamaky teny sy manoratra.

Amiko ireny dia tokony amporisihana sy omena vola mihitsy aza i Bebe hazoto amin'io fianarana io.

Sa ahoana??
2. soanja ( 22/03/2011 21:15)
bazylou:

raha nijery express androanay ianao dia nahita ilay ramatoa 73taona niditra an tsekoly hianatra mamaky teny sy manoratra.

Amiko ireny dia tokony amporisihana sy omena vola mihitsy aza i Bebe hazoto amin'io fianarana io.

Sa ahoana??

Mendri-piderana tokoa i Bebe manana izany faniriana izany mba hahay hanoratra sy hamaky teny ary hiala amin'ny tsy fahaizana, izay fomba iray mafonja ialana amin'ny fahantrana.

Isaorana manokana koa ilay mpampianatra mpisotro ronono manana fandavan-tena hampianatra ireo olondehibe tsy misy karama. Izany no atao hoe fitiava-namana tokoa. Misimisia ny toa azy.

Ny ho famporisihana an'i Bebe aloha dia possible tokoa saingy ny hoe omena vola izy dia mety tsy mety amin'ny fikambananay. Mila manangana fikambanana ry zareo dia iny fikambanana iny no tohanana ara-pitaovana fa tsy vola velively.

Raha omena vola tsinona i Bebe dia ho avy daholo ny rehetra hanao izany dia ny vola aloha dia tsy haharaka ny rehetra avokoa. Amin'izay fotoana izay dia lasa miangatra ny fikambanana hoe i ranona nahazo nefa za tsy nahazo. Mila tsinjovina lalandava ny ho avy mba tsy hisian'ny safotofoto sy ny fampanantenana poakaty. Inoako mantsy fa tsy haharakotra an'i Madagasikara iray manontolo ny vola azo anampianay ny fampianarana any Madagasikara.

Na izany na tsy izany anefa dia hanoratra any amin'ny mpikambana any Madagasikara aho hamangy an'i Bebe dia hijery hoe inona no fitaovana mety hanampiana azy manokana mba hahatafita ny fianarany.

Misaotra indrindra an'i Bazylou nandefa io vaovao io aty amiko. Tsy maharaka vaovao any Mada aho fa rehefa misy dia ilazao foana sao misy azo ifanampiana.

Soanja
3. kitjo ( 22/03/2011 22:42)
Coucou Soanja

Tamin'ny "Ao Raha" koa nisy sady maro sary
Page iray manontolo..
Mahafinaritra be!!

Nandefa email aho fa asa raha voarainao, fa tato ho ato koa lasa spam dol email nalefako

Mirary soa hatrany ny "Hope For Madagascar", indrindra ianareo mpikarakara hahavita be @ madinika..ny Tompo hamaly fitia
Raha misy ifanampiana aza misalasala

Bisous
4. soanja ( 23/03/2011 02:26)
kitjo:

Coucou Soanja

Tamin'ny "Ao Raha" koa nisy sady maro sary
Page iray manontolo..
Mahafinaritra be!!

Nandefa email aho fa asa raha voarainao, fa tato ho ato koa lasa spam dol email nalefako

Mirary soa hatrany ny "Hope For Madagascar", indrindra ianareo mpikarakara hahavita be @ madinika..ny Tompo hamaly fitia
Raha misy ifanampiana aza misalasala

Bisous

Oooooo Kitjo malala, faly be mihitsy aho mahita andry eto. Elaela izay. Misaotra indrindra aky amin'ny fanohanana ny asa irahamiantsoroka.

Indry koa aloha tsy zoviana mihitsy amin'ny fanampian-dry ireo ankizy manodidina andry. Aoka aho hidera andry amin'izany asa masina izany. Isaorana Andriamanitra noho ny rehetra rehetra.

I Rado no lasa any Dago. Hinoako aloha fa tsy hanampotoana hivezivezana izy fa tonga dia asa vavany no miandry azy any. hihihi

I Bazylou akia mila ambanivohitra any Androy any mba tiany hiara miasa ka asa indry mba mety mahalala toerana azony itondrana ny anjara birikiny. Za mantsy tsy afaka raha tsy efa faramparan'ny taona any indray vao mitotona any ka sao dia tara. Tsara dieny mbola mazoto izy tonga dia omena service. hihihi

Izay indray aky fa dia misaotra nanoratra. Tsy any aminay aho fa aty amorontsiraka Atsinanana. Aty amin'ny Gulf of Mexico ka hinoako fa raha niantso indry dia tsy nisy olona tao.

Bisous daholo nareo any. Mila manao fety miaraka isika rehefa amin'ny manaraka fa nalahelo be za tara an'ilay teo. Soanja

5. bazylou ( 23/03/2011 16:43)
o ry Soanja a,

Inona tokoa moa ny olana rah aomena vola ny olon aharisika hianatra ny tsy mahay mamaky teny sy manoratra.
TSy izany ve no lalana haingana indrindra hahaizan'ny olona ??????
6. bazylou ( 23/03/2011 17:54)

nijery ny sitenareo aho ry Soanja, ilay hope for MAdagascar,
Mbola lavitra be aloha ny tanjona e, nefa hoy aho hoe maninona raha asiana fianarana manjaitra dia ny ankizy ihany no manjaitra ny akanjony fitondrany mianatra ?

TSy haka ilay vita sinoa maitso be ireny foana.

Tsy mety vev io??
7. soanja ( 23/03/2011 20:24)
bazylou:

o ry Soanja a,

Inona tokoa moa ny olana rah aomena vola ny olon aharisika hianatra ny tsy mahay mamaky teny sy manoratra.
TSy izany ve no lalana haingana indrindra hahaizan'ny olona ??????

Bazylou, ny fikambanako dia fikambanana kely fa tsy hoe goavana be toy ny unicef sy ny USAID sns sns ireny akory fa izay kely ananana no ahiratra. Tsy ny fizarana vola hanampiana ny tsy mahay mamaky teny sy manoratra ny olana fa ny fahafahana hanome fahafaham-po ny rehetra rehetra. Mba fantatrao moa firy ny isan'ny mbola tsy mahay mamaky teny sy manoratra any Mada. Dia iza no omena iza no tsy omena.

Na izany na tsy izany aza anefa dia raha manambola i Bazylou hozaraina amin'ireny te hianatra mafy ireny dia mandray izany tokoa izahay.

Ny fikambanana Hope For Madagascar dia miantoka ecolagen'ny mpianatra sy ny vola laniny rehetra amin'ny tanana roa any ambanivohitra any izay, raha toa ka mahantra ny ray aman-dreniny nefa mbola te hanohy fianarana any amin'ny tanana hafa ry zareo. Tsy misy CEG mantsy ilay tanana dia voatery tsy afaka manohy ny ankizy satria mahantra ny ray aman-dreniny. Ny tiako ambara dia iantohana ny sakafony, ny hofatranony ary ny fitaovana ilainy amin'ny fianarany. Marihako fa 100% ny fahombiazan'ireo ankizy ireo tamin'ny taona lasa satria fantany fa tsy ho voatery hiasa saina intsony izy hikarataka fa mianatra ihany no ataony.

Ny fikambanana koa dia miantoka scholarship-ny mpianatra vitsivitsy ao Antananarivo sy Fianarantsoa , ka ireo mpianatra ireo dia manomana maitrises daholo saingy sahirana mafy ny ray amn-dreniny dia mila tohana ara-bola ny fianarany. Torak'izany koa ireo ankizy vitsivitsy izay handeha hianatra any Allemagne dia ny Hope for Madagasikara no mikarakara ny rehetra mba ahafahany manohy fianarana ambony sy mamita izany.

Be ny zavatra azo atao sy mila sahanina ao Madagasikara fa tsy haharaka izany akory izay fikambanana kely sady tsy any fa aty lavitra be aty. Isika rehetra no mila miezaka raha te ahita ny hahafoana ny fahantrana ao Madagasikara.

Fa raha misy mazoto hampianatra olondehibe dia manorata amiko fa afaka mandray mpampianatra mpirosaka antsitrapo izahay. Izahay no hiantoka ny frais handehanana any ambanivohitra sy ny toerana ipetrahana any. Ny sakafo kosa ny mpirotsaka antsitrapo no miantoka izany. Raha hanao izany dia mila afaka mijanona any iray volana farafahakeliny ianao ary vonona hiaina ny fiainana any ambanivohitra any.

Mazotoa mitsikera fa mety hahatsara zavatra ka!

8. soanja ( 23/03/2011 20:31)
bazylou:

nijery ny sitenareo aho ry Soanja, ilay hope for MAdagascar,
Mbola lavitra be aloha ny tanjona e, nefa hoy aho hoe maninona raha asiana fianarana manjaitra dia ny ankizy ihany no manjaitra ny akanjony fitondrany mianatra ?

TSy haka ilay vita sinoa maitso be ireny foana.

Tsy mety vev io??

Tsy toerana ahavitan'ny entana no olana any Madagasikara ny fahitako azy fa ny izay apetaka eny ankoditra ka maharitra sy hahatafy no zava-dehibe ohatra raha akanjo, indrindra raha mahantra ny olona.

Ny hoe aleo ampianarina manjaitra ny ankizy dia inoako fa misy fampianarana manao asa-tanana, mamboly, miompy, manao taozavatra toy ny rafitra isan-karazany ny fikambanako fa saingy kosa ny hahenika an'i Madagasikara dia hoy aho hoe nofy izany. Manampy ny fanjakana ny fikambanana fa tsy hoe ny fikambanana no hisolo ny asan'ny fanjakana. Anjaran'ny fanjakana ny manapakevitra izay tiany atao amin'ny olony.

Zaza iray, fianakaviana iray, tanana iray, foko iray, firenana iray no filamatray! Raha mahatafita zaza iray ny tenako dia isaorako Andriamanitra!
9. bazylou ( 25/03/2011 18:24)
ka eo indrindra ilay izy ry Soanja a,

tsy voatery anie ianao hisolo vaika ny fanjakan aefa miala bala io e.
FA ilay hoe ampidirina anao asa tanana hanjaitra ny ankizy ka ny akanjony ihany no ianarany zairina.
Ny lamba fotsiny no atao mitovy daholo dia samy mianatra manjaitra avy eo ny mpianatra tsirairay avy.

RAha fehezina izany dia ny tiko atao dia ny ampidiran aao an tsain'ny kilonga rehetar fa ny tenanao ihany no ifaharanao .
10. soanja ( 27/03/2011 09:50)

Ka lamba avy aiza no o zaraina? isika Malagsy zara raha manana orinasa mamokatra lamba akory?
ny masinina fanjaraina tsy ananany any
tsara ny hevitrao ka!
11. sipagasy ( 27/03/2011 10:56)
mahafinaritra ny resadresaka ato annn

tohizo ahtrany รด
12. bazylou ( 27/03/2011 18:30)
tsy olana izany soanja a, cotona eo misy a, ary izaho vonoa hanome oronana lamba iray raha ilaina izany ho an'ny ankizy,
gasy vita gasy ary vitan'ny tanana malagasy , izay no tiko ampidirina ao an tsain'ny ankizy.

Tairina ve??
13. bazylou ( 27/03/2011 18:33)
dia oronana lamba 100m ve tsy ho ampy ny ankizy 50 ohatra. non?????

RAha vonona ianao dia omeo ahy ny adresinn'y olona responsable any mada dia omeko azy ny oronana lamba.
14. soanja ( 28/03/2011 03:19)
bazylou:

dia oronana lamba 100m ve tsy ho ampy ny ankizy 50 ohatra. non?????

RAha vonona ianao dia omeo ahy ny adresinn'y olona responsable any mada dia omeko azy ny oronana lamba.

Tsara dia tsara ny fitiavana te hanampy ary tena mahafinaritra ny hafanam-ponao.

Tanana firy aloha izany no tianao ampiana? Raha tanana iray dia misy zaza mpianatra 197 eo ilay iray karakarainay amin'izao. Efa misy tanana iray efa tsilovina koa anefa ka raha io indray dia zaza eo amin'ny 300 eo no ao. Asa izay mety amin'i Bazylou.

Miankina amin'ny halebehan'ilay zaza ny metatry ny horonan=damba ilaina ka. Raha CP1 ilay zaza dia inoako tokoa fa ampy zaza iray ny 2 metatra. Ny garabola aloha mbola tsy mahay manjaitra fa any amin'ny T3-T4 any vao azo atomboka ny fanjairana any. Donko zaza eo amin'ny 30 latsaka eo no afaka hanjaitra saingy tsy haiko na hahavita akanjo iraika. Za aloha tsy mahay manjaitra sao dia anantena ahy Ise hampianatra manjaitra fa ny tena tsara dia Ise no tonga mampianatra ny mpampianatra na izay olona fantatrao fa mahay manjaitra. Zany hoe omena azy ny fintana sy ny haranjono ary ny renirano hanjonoany fa aoka ry zareo hamintana azy.

Manorata any amin'ny contact ao am website fa misy mandray anao ao ka. Amin'ny teny Anglisy saingy tsy maintsy tody aty amiko foana rehefa avy eo.

Misaotra mialoha hizara sy hampianatra ary hamita adidy.
15. bazylou ( 28/03/2011 19:02)
eny e, mety tsy hahazaka ankizy 300 mahery angamba fa ilay hetsika atombokakely aloh adia avy eo manao be rehefa mandeha tsara a.

Raha mianatra manjaitra indray, afaka manampy ka.
NA haka ireny mpanjaitra antsena ireny aza moa inona ny olana.
Sa ahoana??

FA angaha misy cp1, cp, sns koa ny fianaran any mada fa tsy t1, t2 tsony??

16. soanja ( 03/04/2011 18:39)

Tsy maninona Bazylou a. izay vitanao dia ifaliana avokoa. Manorata fotsiny any am mpiandrakitra am site dia omena anao ny toerana hanombohanao ny asa.

Tsy arako mihitsy ny fampianarana any Dago fa miovaova ny fanonondry zareo azy fa ny ahy tonga dia atao hoe garabola izay t1 de ny ambiny t2 sns sns... tsy mahalala izay cp2 cp2 aho nefa rehefa manonona ry zareo tamin'ny LEEP 2010 farany teo dia io CM1 sy CM2 io no filazany ny likalisny dia very aho. Saingy tsy olana fa izay hahaizany no zavadehibe sa tsy izany.

jereo eto http://www.flickr.com/photos/soanja2010/
17. mpisotrtoaka ( 27/01/2015 05:16)

soanja:

bazylou:

o ry Soanja a,

Inona tokoa moa ny olana rah aomena vola ny olon aharisika hianatra ny tsy mahay mamaky teny sy manoratra.
TSy izany ve no lalana haingana indrindra hahaizan'ny olona ??????

Bazylou, ny fikambanako dia fikambanana kely fa tsy hoe goavana be toy ny unicef sy ny USAID sns sns ireny akory fa izay kely ananana no ahiratra. Tsy ny fizarana vola hanampiana ny tsy mahay mamaky teny sy manoratra ny olana fa ny fahafahana hanome fahafaham-po ny rehetra rehetra. Mba fantatrao moa firy ny isan'ny mbola tsy mahay mamaky teny sy manoratra any Mada. Dia iza no omena iza no tsy omena.

Na izany na tsy izany aza anefa dia raha manambola i Bazylou hozaraina amin'ireny te hianatra mafy ireny dia mandray izany tokoa izahay.

Ny fikambanana Hope For Madagascar dia miantoka ecolagen'ny mpianatra sy ny vola laniny rehetra amin'ny tanana roa any ambanivohitra any izay, raha toa ka mahantra ny ray aman-dreniny nefa mbola te hanohy fianarana any amin'ny tanana hafa ry zareo. Tsy misy CEG mantsy ilay tanana dia voatery tsy afaka manohy ny ankizy satria mahantra ny ray aman-dreniny. Ny tiako ambara dia iantohana ny sakafony, ny hofatranony ary ny fitaovana ilainy amin'ny fianarany. Marihako fa 100% ny fahombiazan'ireo ankizy ireo tamin'ny taona lasa satria fantany fa tsy ho voatery hiasa saina intsony izy hikarataka fa mianatra ihany no ataony.

Ny fikambanana koa dia miantoka scholarship-ny mpianatra vitsivitsy ao Antananarivo sy Fianarantsoa , ka ireo mpianatra ireo dia manomana maitrises daholo saingy sahirana mafy ny ray amn-dreniny dia mila tohana ara-bola ny fianarany. Torak'izany koa ireo ankizy vitsivitsy izay handeha hianatra any Allemagne dia ny Hope for Madagasikara no mikarakara ny rehetra mba ahafahany manohy fianarana ambony sy mamita izany.

Be ny zavatra azo atao sy mila sahanina ao Madagasikara fa tsy haharaka izany akory izay fikambanana kely sady tsy any fa aty lavitra be aty. Isika rehetra no mila miezaka raha te ahita ny hahafoana ny fahantrana ao Madagasikara.

Fa raha misy mazoto hampianatra olondehibe dia manorata amiko fa afaka mandray mpampianatra mpirosaka antsitrapo izahay. Izahay no hiantoka ny frais handehanana any ambanivohitra sy ny toerana ipetrahana any. Ny sakafo kosa ny mpirotsaka antsitrapo no miantoka izany. Raha hanao izany dia mila afaka mijanona any iray volana farafahakeliny ianao ary vonona hiaina ny fiainana any ambanivohitra any.

Mazotoa mitsikera fa mety hahatsara zavatra ka!

Za omena e ! Za efa manan-janaka fa mbola mianatra ar mbola te hianatra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.154