mandefa fiara any Canada

1. Lejoba ( 24/01/2011 14:35)
Tratry ny taona daholo ny namana
Sao misy efa nandefa fiara avy eto France, na Europe mankany Canada?
Ahoana ilay fepetra momba ny fiara miditra any? Ohatrinona ny sarany alain'ny transitaire raha voiture break (7 places)? raha miampy zavatra hafa atao ao anatiny?
Misaotra mialoha
2. Lejoba ( 14/02/2011 11:29)
Valiako ihany sao misy mila.
Misy fepetra teknika takian'ny lalàna Kanadiana. Raha fiara namboarina tato anatin'ny 15 taona tany @ firenena ivelan'i Canada sy USA, dia TSY MAHAZO MIDITRA ANY, tsotra izao.
Ny sarany nefa tsy dia lafo satria 2.000€ eo ny mandefa monospace.
Aleo marina any mividy.
Ny raharaha kely any fotsiny, raha olona vao tonga no mikasa hividy fiara, na trano, dia mandoa tolo-botsotra (cash), satria mila histoire de crédit mandritry ny herintaona vao mahazo manao achat à crédit. Tsy mba toy ny eto Eropa
3. Herimiafina ( 24/04/2011 11:27)
Any mividy fa any morabe sady mangatsiaka be kokoa any dia mila fiara special, tsy misy visite technique any fa raha ao Québec ianao no handeha dia ny site-n'ny SAAQ jerena! Mazotoa!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.437