MBOLA TADIDINAO VE AHO

1. stysane ( 19/12/2010 13:21)
Mbola tadidinao ve aho ! ra mifanena indray isika? Mbola voatahirinao ve lay fitiavako masiaka ? Reo teny mamy sy orokoroka fanomeko anao fahiny! Mbola tinao ve ra ho averiko ankehitriny? Vosoratra ao anaty masoko ny anaranao sy ny endrikao Lay fitiavana o masiaka voasodoko anatiko ao Reo teny mamy sy orokoreoka fanomenao ahy taloha Mbola mamiko sy tiko ra ho averintsika roa!
2. sylvaine ( 19/12/2010 13:47)
ntsô,mahafinaritra ery izany teninao izany an!sambatra be ilay mahazo azy.
3. stysane ( 21/12/2010 14:40)
Misaotra betsaka aky sylvien ah! fisoaorana be dia be milaotra avi ato ampoko no atolotro anao t@ fankasitrahana lay vetso .
serasera nosoratako iny sy ny namalianao ahy taminy fo feno tsiky ,ka niara niombona afaliana tamlay sipako taloha! de mamerina ny fankasitrahana ndray akia ! veloma de mandra panoratro indray e! stysane!
4. lova26 ( 16/04/2012 11:59)
ndriiii, ra za le sipanao d nverin ndray tsika hii
5. gotti ( 18/04/2012 19:38)
lova26> hahahhaha b mints
6. mpisotrtoaka ( 07/02/2014 11:20)
Mbola tadidinao ve ny hohoko ! Raha miniana mifanena aminao aho ? Mbola tsy sitrana ve lay fery norangotiko ? Ireo kapoka mangidy sy rangodrangotra nomeko anao fahiny ! Mbola halanao ve raha haveriko aminay izany ankehitriny ? Nanaraka ny hohoko ny ranao ary ny ranomasonao mandena ny lambako ka mahasorena ahy ! Ireo ompa variraraka natolotro ho sakafonao rehefa mamo aho , moa ve mbola misy tsaroana izy ireny ? Indrisy ! na mahafinaritra aza ny mifanadala sy miady aminao d tsy afaka an-tsaiko fa hay efa niaraka isika !
7. sahia ( 04/07/2014 07:44)
raha ny fijeriko azy eto dia afaka mifanaraka tsara i stysane sy mpisotrtoaka amlay ventsom-po navoakanareo, ka maninona raha raiketina ilay izy dia antsoy izahay hanotrona e
8. fanomezantsoa15 ( 07/06/2015 09:13)

mbola tadidinao ve rehefa fotoanany ny laodisia , izaho sy ianao miaraka mankafy ao anaty fitia; mipetrapetraka eo ambony vatolampy, izao rahafa tafasaraka mijaly ory ery , manao ranomaso ambavaka ny mba hiverenan-dry , nanenenako no nandao anao t@ ireny kanefa ny ao am-po dia dia velon-tseto irery .
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.9124