Zily sy Mena

1. tslem ( 18/10/2010 07:46)
Somary hatsikana mahafinaritra.Tany @ taona 1996 tany ho any no nandrenesako azy ity tao @ radio, tsy haiko hoe iza no tompony fa i Clara sy Al na i Solofo José izy izay no niangaly namaky azy.


Mena: Manahoana i Zily!

Zily: adin'ny firy aho izao no nitily
tsy latsaka angamba ny adin'ny valo
ary fantatro ianao fa tsy maintsy mandalo

M: raha olon-kafa aho ka tsy nahalala,
dia nihevitra anao toy ny olon adala

Z: adala ny manina ka atao akory
ny taitram-pitiavana tsy mba matory

M: fitia taitaitra tokoa ilay anao
matoa dia dodosana tahaka an'izao

Z: raha izany fitiavako anao ato izany an!
no mbola lazainao taitaitra ihany
dia tsy haiko intsony ny fomba fiteny
fa aleoko miverina an-kibon'ny neny

M: asehoy ahy àry ny tena fambàra
fa tia ahy i Zily ary tara dia tara

Z: hay, indray andro ianao, hitako nandeha teny an-tsena
nanao tergal mitohy tena
ny zavatra tsapako raha vao nifanena
telo minitra aho dia nangenahena

M: coup de foudre izany ry Zily botretra a
efa voan'izany ny olon-drehetra
ny tena fitiavana miaro hasahiana
velarana harato ilay olona tiana

Z: namelatra ihany aho saingy diso aoriana

M: tia hono izy ka mitaredretra
mialà re ry Zily fa toa mahaletra a!

Z: aza atao an'izao aho moa ry Mena a
tsy mahita tory anie aho @ alina
raha tsy mandrapaka gardenal e!

M: parasy manaikitra no mampahory
ka lazaina fa i Mena no tsy mampatory

Z: tsy mahahinan-kanina anie aho ry Mena e

M: hakelezo @ sisa ny didin'ny hena

Z: sao aho ry Mena mba marary tokoa a

M: dia vato karangana atao karatoa

Z: sao aho ry Mena mba mamoy fo

M: dia veloma @ razana rehetra taloha

Z: Eny ry Mena, voaray ny hafatrao
efa tsy tiana moa ka handao e!
tiako ihany anefa mba ho fantatrao
fa izaho no Zily na hoe Gilbert
votom-pinoana ary selibatera
zudoka ary koa catcheur
eo @ art revolisionera
sady chanteur no compositeur
ary hivoaka atsy ho atsy ho dokotera
handao anao àry ity vasalahy
fa mbola hitady karangana atao karatoa
veloma ry Menan'i foko taloha

M: Zily a!

Z: Ahoana ry Mena????

M: iza amin'ireto no tsara kokoa
ny mora hotazana tsy azo hamikirana
sa ny azo antoka fa manahirana?

Z: ny ahy ny azo antoka ihany no ilaiko e

M: aza taitra àry ianao raha nampifilafilaiko

Z: izany hoooeeeee

M: toaviko ho aho ny hetahentan'ise

Z: Manga ny lanitra izao re ry Mena

M: mazava ny tany ry Zilibera
satriiiia

Z & M: vatosoa ary koa volamena
no indray tafatambatra anatin'ny vera.

novalian'i Lejoba ny 02/11/2010 12:58
2. hery ( 18/10/2010 10:45)
Merci e :-)

Mbola haiko tsianjery io hatr@ zao fa ilay deuxième episode no tsy ananako raha sao mba misy any
novalian'i hery ny 18/10/2010 10:43
3. hery ( 18/10/2010 10:47)
Io aloha izany ohatra ny mbola misy an'ilay hoe

Izao izany isika raha vue de face
Toa reharehan'ny mpivady gasy

Izao kosa isika raha vue profile
tsy misy mpanana izao raha style

Fa ilay tohiny @ deuxième episode misy andry zareo efa mpivady dia i Zily moa dokotera. dia misy an'i Mena saropiaro dia miteny hoe

...
Ny loha no lazainy fa manaintaina
Kanefa ny kibo no tsapatsapaina...
4. vony501 ( 19/10/2010 06:00)
I Dezy no tompon'io tononkalo io, ary manana maro ohatran'io izy. Raha io i Zily sy Mena io oh dia tena mbola lava sady mahafinaritra be saingy efa ela tokoa ka saika hadino. I Dezy koa tsy heno intsony ; Tao amin'ny FJKM Kristy Voahombo Andavamamba no nahalalako sy nahitako azy farany fa asa raha mbola ao izy. Raha misy mahita na mahalala azy, na izy mihitsy no mahita dia mba hiangaviana sy angatahana mba hizara indray ireo sangan'asany taloha fa tena tsara.
5. vony501 ( 19/10/2010 06:18)
I Dezy no tompon'io tononkalo io, ary manana maro ohatran'io izy. Raha io i Zily sy Mena io oh dia tena mbola lava sady mahafinaritra be saingy efa ela tokoa ka saika hadino. I Dezy koa tsy heno intsony ; Tao amin'ny FJKM Kristy Voahombo Andavamamba no nahalalako sy nahitako azy farany fa asa raha mbola ao izy. Raha misy mahita na mahalala azy, na izy mihitsy no mahita dia mba hiangaviana sy angatahana mba hizara indray ireo sangan'asany taloha fa tena tsara.
6. vony501 ( 19/10/2010 06:29)
I Dezy no tompon'io tononkalo io, ary manana maro ohatran'io izy. Raha io i Zily sy Mena io oh dia tena mbola lava sady mahafinaritra be saingy efa ela tokoa ka saika hadino. I Dezy koa tsy heno intsony ; Tao amin'ny FJKM Kristy Voahombo Andavamamba no nahalalako sy nahitako azy farany fa asa raha mbola ao izy. Raha misy mahita na mahalala azy, na izy mihitsy no mahita dia mba hiangaviana sy angatahana mba hizara indray ireo sangan'asany taloha fa tena tsara.
7. arialy ( 19/10/2010 08:10)
ooh mercii an, za koa mahay tsianjery anio fa nolalaovinay io, sady souvenir be , ahatsiarovako ilay namako, indrisy efa tsy eto intsony (paix à son âme) !! misaotra nizara é
8. tslem ( 19/10/2010 12:09)

hery:

Io aloha izany ohatra ny mbola misy an'ilay hoe

Izao izany isika raha vue de face
Toa reharehan'ny mpivady gasy

Izao kosa isika raha vue profile
tsy misy mpanana izao raha style

Fa ilay tohiny @ deuxième episode misy andry zareo efa mpivady dia i Zily moa dokotera. dia misy an'i Mena saropiaro dia miteny hoe

...
Ny loha no lazainy fa manaintaina
Kanefa ny kibo no tsapatsapaina...


Tsy tsaroako marina fa kay nisy an'io hoe: "izao izany iska raha vue de face..." io tokoa dia ireto koa adino:


Z: hitan'i Mena iry volana iry?

M: izaho angaha pahana mihitsy amin'ity?

Z: hay, hitanao?
io misy tovolahy mitendry valiha
asa ny vetsony raha fantatr'indry

M: ka tsy lazao indray hoe vetso-pitia

z: izay indrindra, tena hainao
fa mody valiha no ataony ohatr'izao

M: tsy tia an'i Zily aho ho aho

Z: Fa nahoana kosa hoy aho manontany

M: tsotra dia tsotra ny valin'izany.
voalohany aloha dia noho ianao ratsy loatra

Z: ka ho tsiniko ve izany ilay mpanamboatra

M: manarak'izany, ianao be zizo

z: ka ny foko manao hoe tohizo, tohizo


Ilay 2ème épisode izany tena tsy henoko.
9. Lejoba ( 19/10/2010 12:32)
lafatra e! misaotra an'ilay nizara fa tena tsara tokoa ny sangan'asan'ilay rangahy iny
10. Lejoba ( 19/10/2010 12:37)
tsy haiko aloha na firy-ème épisode fa ny tadidiko tohiny indray ilay hoe bevohoka i Mena, tsy haiko tsianjery ilay lahatsoratra fa ny hevitra tao anatiny toitoy ny hoe : bevohoka i Mena, ela ny ela fa efa tsy tanty intsony ny vavam-bahoaka, hoe latsaka ambany noho ny kisoa hono fa ny kisoa raha tsy miteraka azo amidy.... dia ilay hoe vavy io dia atao hoe Madonna ny anarany, avy eo tonga i Zily manitrikitrika hoe lahy io, tsy tadidiko ilay anarana fa malaza koa, dia nifamaly teo ary farany nifanaraka fa kambana vavy sy lahy ny ao dia samy vedety izy dahy....
11. hery ( 20/10/2010 07:49)
Misy ahitsy kely ilay hoe


M: tsy tia an'i Zily aho ho aho


Izao no toa izy

M: Tsy tia aho ho'aho, tsy tia an'i Zily
Ka aza ny resaka no avilivily

Eo mba tadiavo eo ny tohiny e :-p
12. jojo-bebe ( 20/10/2010 11:52)

Tao amin'ny FJKM Kristy Voahombo Andavamamba no nahalalako sy nahitako azy farany fa asa raha mbola ao izy. Raha misy mahita na mahalala azy, na izy mihitsy no mahita dia mba hiangaviana sy angatahana mba hizara indray ireo sangan'asany taloha fa tena tsara.
13. dadasy ( 22/10/2010 05:11)

hery:

Misy ahitsy kely ilay hoe


M: tsy tia an'i Zily aho ho aho


Izao no toa izy

M: Tsy tia aho ho'aho, tsy tia an'i Zily
Ka aza ny resaka no avilivily

Eo mba tadiavo eo ny tohiny e :-p

de mitohy hoe
Izao de mitotoa koba hatavy
fa raha izay Mena
Aza atao mankanavy!
14. dadasy ( 22/10/2010 05:15)

dadasy:


hery:

Misy ahitsy kely ilay hoe


M: tsy tia an'i Zily aho ho aho


Izao no toa izy

M: Tsy tia aho ho'aho, tsy tia an'i Zily
Ka aza ny resaka no avilivily

Eo mba tadiavo eo ny tohiny e :-p

de mitohy hoe
Izao de mitotoa koba hatavy
fa raha izay Mena
Aza atao mankanavy!

dia ny famaranana ity andiany voalohany ity, aorinan'ireo voalazan'ny namana rehetra eo ambony eo ireo de hoe:
Z: Raiso ty tanako ty re ry Mena,
M: Raisiko ho marik'ilay fanekena!
15. tslem ( 22/10/2010 07:00)

Tena be dia be no adino fa ireo ny ahy no mba tadidiko, dia toa misy koa hoe:

M: .....mpanao amboletra
mialà re ry Zily fa toa mahaletra a!

Ilay teboteboka tena tsy tadidiko mihitsy hoe inona moa no teo?
16. sylvaine ( 26/10/2010 07:09)

hery:

Merci e :-)

Mbola haiko tsianjery io hatr@ zao fa ilay deuxième episode no tsy ananako raha sao mba misy any


lava be io ve ainao tsianjery o
17. ledala ( 27/10/2010 23:02)
tena mahafinaritra ilay izy sady vaovao be amiko mihintsy
18. hery ( 27/10/2010 23:10)
sylvaine> Eny :-p

Betsaka ny olona mahay an'io tsianjery k
19. Dan23 ( 28/10/2010 12:29)
androany ndray za rzareo vo naheno an'io a,tena gaga za toa bdb nareo mahay azy nefa za tsy mbol naheno na namaky mihitsy raha tsy vo androany,mba atoroy anay ranga oe aiza no mety ahitana mitovitovy amren fa mafnaritra b le iz klé
20. Lejoba ( 02/11/2010 12:58)
sô dia mbola kely i Dan23 t@ izany? T@ taona 90 tany ho any ireny raha tsy diso ny fitadidiana
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3114