volana

1. Lejoba ( 14/10/2010 11:28)
ry zareo mpahay siansa : inona tokoa moa no mahatonga hoe hita boribory be ny volana, ilay silany kely mitodika ankavia na ankavanana ets.
Inona marina ny manakona azy @ masontsika? Sa ny aloky ny tany ihany?
novalian'i RAR.DAGO ny 29/10/2010 08:05
2. DotMG ( 14/10/2010 12:58)
Ny volana tsy mazava fa zavatra matroka, fa ny taratry ny masoandro no atorany ety an-tany. Dia arakaraky ny fipetraky ny masoandro sy ny volana no ahitanao azy mitaratra manontolo na mitaratra ampahany. Raha mazava ny volana dia ho hitanao boribory feno mandrakariva izy, toy ny kintana izay boribory raha tsy misy manakona.
3. sylvaine ( 26/10/2010 06:55)
talou ela be tany de ny volana no fikotiana ny andro sy ny volana ary ny taona.za alou tsy maay siansa de tsy haiko lotra
4. RAR.DAGO ( 29/10/2010 08:05)
http://www.dinosoria.com/phase_lune.htm
sao mety mahasoa an'i Lejoba sady fanampiana ny nolazain'i DotMg

talou ela be tany de ny volana no fikotiana ny andro sy ny volana ary ny taona.

Mbola hatramin'izao ka ;) Resaka safidy fotsiny io hoe cycle lunaire sa cycle solaire no arahina. Ny solaire (calendrier grégorien) no mandresy hatramin'izao satria lasa io no alain'ny maro anisa. Fa misy koa calendrier luni-solaire toy ny an'ny arabo sy ny sinoa.
Resaka revy fotsiny io e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2184