Tatao, jaka, vary be menaka ?!?!

1. lemurbaby ( 13/10/2010 19:21)
Manao ahoana daholo!
Y a-t-il quelqu'un qui peut m'expliquer comment preparer le tatao, le jaka et le vary be menaka?
C'est honteux que je ne sais pas - aidez-moi svp. Je veux apprendre. :)
Misaotra betsaka!!
novalian'i gasyassas ny 18/04/2013 16:33
2. dimo ( 14/10/2010 06:45)
miarahaba anareo ato anatin'ny serasera.
ny fahafantarako ny atao hoe tatao dia fanaovana tokotokom-bato rehefa avy miala vizana ny mpitondra faty avy lavitra. satria mantsy taloha mbola tsy nisy ny fitaovam-pitaterana dia lanjaina ny razana na maina io na lenaka rehefa miakatra vohitra be dia miala vizana ao antampony ao dia manisy tokotokom-bato araka ilay halehiben'ny razana entina koa no habetsahan'ny vato atokotoko.
Ny jaka indray dia fomba fanao amin'ny ray aman-dreny rehefa tonga ny fety mandeha mamangy azy ary mitondra vola matetika omena azy.
ny vary be menaka dia tena ara-bakiteny mihitsy satria ny fomba fahandro azy no maha vary be menaka azy izay matetika hita amin'ny olona mpanao famadihana satria andrahoina miaraka amin'ny rano sy sira ihany ny hena izay tsy misy fangarony mihitsy dia iny ro iny no tena maha be menaka azy satria raha matavy ny hena dia mihantona eny ambony avokoa ny menaka.
3. kiriah ( 14/10/2010 14:34)

ny fahafantarako ny atao hoe TATAO kosa anefa dia ohatry ny ilay lazainy BETSILEO hoe LOLOHA ,zany hoe: ADIDY, fandraisana anjara raha misy adidy ataon ny fianakaviana : na @ fanambadiana izany na famadihana, na fahafatesana, azonao atao ny manolotra fanomezana na vola na tsy haiko ,lol!!!....nefa koa mety tsy ho io an!, miala tsiny aho raha toa ka miteniteny foana
4. dimo ( 15/10/2010 08:21)
marina ny voalazanao ary misaotra nampahatsiahy fa anisany ihany koa izay voalazanao izay ary ilay nolazaiko koa dia mbola izy ihany koa . izany hoe raha fintinina dia arakaraky ny fomba na ny zavatra entina hilazana azy io TATAO io.Mety ho betsaka ny zavatra azo andikana azy.
5. Lejoba ( 15/10/2010 12:12)
alor si zé bien kompri, ni lé tatao, ni lé jaka ne se manz, dônk n'ont rien à voir dans 7 rubrik
Le vary be menaka = du riz qu'on mange avec de la viande bien grasse, arrosé du jus de cuisson bien gras de la méme viande
6. Lejoba ( 15/10/2010 15:32)
ary izay vao voamariko hoe lemurbaby ilay manontany
Hey baby : as this people say, tatao and jaka are not foods but Malagasy us.
For vary be menaka, it is just a way to call the way Malagasy people serve their rice during festivities like Famadihana or weddings. People cook very fat meal, that gives lots of oil they put on the rice, so you have a vary be menaka wich mean very oily rice
7. mirananirina ( 20/10/2010 09:08)
Nianarana izy ireny taloha tany an-tsekoly,ny fomba avy any @ faritany rehetra,fa na izaho koa aza manadino zavatra betsaka.Tsara ny mahalala,misaotra ny mpanontany sy ny mpamaly
8. jojo-bebe ( 20/10/2010 10:19)

ny vary be menaka dia tena ara-bakiteny mihitsy satria ny fomba fahandro azy no maha vary be menaka azy izay matetika hita amin'ny olona mpanao famadihana satria andrahoina miaraka amin'ny rano sy sira ihany ny hena izay tsy misy fangarony mihitsy dia iny ro iny no tena maha be menaka azy satria raha matavy ny hena dia mihantona eny ambony avokoa ny menaka.
9. miangalyandria ( 26/10/2010 11:17)
le tatao est un dessert malgache et je pense que c'est pour cela qu'il y a "Tatao" d'un très grand hôtel de chez nous
10. vale ( 08/11/2010 11:37)
sambany aho mahare izany lazainareo izany, non ny vary be menaka kosa fantatro kah, fa ireo sisa ambiny, lol
vary be menaka andrahoina tsotra ny vary, vary fotsy matetika, dia atao vary maina, avy eo tetehana ny hena, hena kisoa ary andrahoina amin'ny rano, dia avela ho ritra, tsy ariana ny menaka na toa avelany misy rano kely ihany kay moa, dia tsy asiana fangarony mihintsy a, tsy endasina fa rano no andrahoana azy,dia atao anaty maritrafo rehefa hizara azy, dia tondrahana eny ambonin'ny vary fotsy maina miaraka amin'ilay ranony sy menaka.

Amin'izao fotoana efa miova ny vary be menaka, lasa anarana sisa fa misy mamono omby dia afangarony omby ilay hena kosoa iny, adia ampiarahana amin'ny lasary voatabia, ary tsy hadino ny dessert, (fruits naturels) lol, :)
11. miangalyandria ( 31/08/2011 16:50)
Ny any ambanivohitra mbola toy ny vary be menaka taloha ihany ka fa ilay hoe tsy asiana omby lazain'i Vale no somary mahagaga ahy : voninahitra anie no henjehina taloha e dia ny sandan'ny omby no betsaka kokoa nohon'ny kisoa any @ faritr'Ambohimiadana iny aza tsy misy kisoa mihitsy ny vary be menaka koa sa diso ve aho ?
12. gasyassas ( 18/04/2013 16:33)
Ny fahalalako ny vary be menaka fanaovanay famadiana koa de tena omby fotsiny. Arakaraky ny omby vonoina no ahitana ny maha-enjana na tsia :)
Andrahona am rano ao fotsiny iny atao afo-kitay d mtera menaka b. iny no maha vary b menaka azy. Ary maagaga izy malemy b nefa andrenivoatra enao mahandro adin'firy am cocotte minute mbola ééé.
Aroso eo ambony vary maina amzay izy. Ilay tamba-be iny no tena mapatsiro azy, ze miaingitraingitra mitsoka vary d tsy maazo loka. Rava ny tanana refa tafiaraka ny mpisok'ovy. Lol
Tsy inona n maha lava resaka fa vary b menaka.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0922