You are here: home > Forum

razana tsy mahalala fomba

Lohahevitra : Hatsikana sy lalao
Fitohizan'ny hafatra : razana tsy mahalala fomba
Valiny : 5
Lejoba - 24/09/2010 13:23
maty ny bandy club tavoahangy iray (mpisotro taoka). Nifanaraka ny mpiara-misotro fa hampanarahina champagne ao anaty vata, nasitrika an-tsokosoko mialohan'ny nialana tao an-trano ho any am-piangonana.
Nafana be ny andro, ny lalana mikintaontaona ka nihontsankontsana be ny vata.
Nandritry ny lamesa, tery aloha ny razana ary ilay mangina tsara iny no heno ho nisy zavatra nipoaka avy ao anaty vata. Naharaka daholo hoe nipitika tao izay ny bouchon fa tsy nisy sahy nihetsika. Kelikely, hita ho misy rano miraraka avy ao anatin'ilay vatam-paty.
Nanontany mafy i Mopera : iza no havan'ny maty?
Tsisy sahy niteny fa niondrikondrika fotsiny ny rehetra.
Niteny ihany mopera : tsy mahalala fomba ny havanareo, ato an-tranon'Yahveh izy; teo izy mivalan-drivotra, izao izy mamàny
Valio | Miverina eny ambony
Belle - 25/09/2010 02:44
dia mbola nisy tohiny kely ny tenin'i Mopera kah! hoe:

ento mivoaka fa sao mangery...
Valio | Miverina eny ambony
ouioui - 25/09/2010 09:52
de misy tohiny koa hoe , sao midegôba http://smileys.sur-la-toile.com/repository/Rires/00102.gif
Valio | Miverina eny ambony
rijadolly - 25/09/2010 19:54
avy eo, sao dia manankorotana hihihih!
Valio | Miverina eny ambony
mirananirina - 04/10/2010 12:46
mdr
Valio | Miverina eny ambony
andrywui - 14/10/2010 22:13
inona ndray zany nataonlah tao ampiangonana zany ra ouioui a
ssh elah sy mirana oa mitovy mitsy !.....
Valio | Miverina eny ambony