Herisetra ara-tsaina

1. bodonda ( 06/09/2010 08:06)
Manao ahoana daholo,

Mba misy fanontaniana ity: azo raisina ho herisetra ara-tsaina ve ny fanabatibatiana ny mpiasa satria tsy maintsy ny volo (vehivavy) fa miloko kely? voararan'ny lalàn'ny asa ve izany?
Ny ambeti-tenin'ny mampiasa mantsy dia hoe tsy mendrika hono izany. Afaka mitory ve aho, satria isanandro lava izao dia voatebateba foana?
Tena raisiko ho herisetra ara-tsaiana izany satria lasa tsy mahavita ny asako aho ny farany...
Ny fahalalahana ve tsy mitombona intsony e!
novalian'i zonia ny 19/01/2012 15:35
2. ssendra ( 06/09/2010 17:59)
tsy voararan'ny lalàna ny vehivavy mandoko volo fa herisetra mihintsy ny filazan'izany aloha amiko e! satria izay foana no averimberiny aminao , satria misy fiantraikany amin'ny saina manokana izany...
maninona raha miresaka aminy ampahendrena aloha , anotanio izy hoe nisy lalàna nisoratra momba ani'zany ve tamin'ny nanao contrat ny asa ianareo ....
Mi renseigné-va ihany aloha any amin'ny avocat dia hita eo izay hatao e!
Otran'ny hoe tsy azo hatao ny manao kavina ihany io ohatra
3. bodonda ( 07/09/2010 13:28)
Tsy te handany vola loatra @ resaka avocat izaho aloha hatreto fa, raha mbola mitohy ka tsy zakako intsony, dia ho avy aho @ angady sy ny harona..
Toy ny resaka fivavahana ihany anie io e, ao anaty orinasa tsy tokony hisy fanavakavahana na ara-piarazanana, na ara-pinoana.. tsy tokony hisy resaka fivavahana mihintsy noho izany anaty orinasa satria ny olona rehetra tsy voatery mitovy.
4. bodonda ( 07/09/2010 13:31)

5. ssendra ( 07/09/2010 17:37)

bodonda:

fa avy aiza aloha i dondona e!
satria ny maka renseignement avy amin'ny avocat tsy lafo loatra misy aza tsy mandoha vola raha aty ivelany io an! raha izy manomboka mi traiter dossier iny vao angalàny vola...
ASIO FIRESAHANA e!
6. bodonda ( 08/09/2010 05:42)

ssendra:

Hahaha... avy eto @ tanàna ihany e!
ok fa misaotra betsaka @ torohevitra e!
Mankasitra
7. soanja ( 08/09/2010 10:22)

bodonda:

Manao ahoana daholo,

Mba misy fanontaniana ity: azo raisina ho herisetra ara-tsaina ve ny fanabatibatiana ny mpiasa satria tsy maintsy ny volo (vehivavy) fa miloko kely? voararan'ny lalàn'ny asa ve izany?
Ny ambeti-tenin'ny mampiasa mantsy dia hoe tsy mendrika hono izany. Afaka mitory ve aho, satria isanandro lava izao dia voatebateba foana?
Tena raisiko ho herisetra ara-tsaiana izany satria lasa tsy mahavita ny asako aho ny farany...
Ny fahalalahana ve tsy mitombona intsony e!

Tokony hisy foana aloha boky fitsipika na soratra milaza ny fomba fiakanjo sy fitondrana ny samy mpiasa any ampiasana, fa raha tsy misy izay ny lalana mandrara ny mandoko volo dia tsy mandika lalana ianao. Saingy raha izy no tompon'ny orinasa dia mety manana ny fahitany izany izy amin'ny asa atao ka mila firesahina aminy. Raha hanisy kavin'orona boribory be ireny, tatoo ny tarehy sns sns.. ny mpiasa ao ampiasanay ohatra dia ilana fangatahan-dalana izany ary mety tsy horoahana akory izy fa omena toeran-kafa mifandraika amin'izay tsy hanimba ny hajan'ny toeram-piasana.
Zany hoe raha mandroaka anao amin'izany izy dia azo toriana tokoa raha tsy misy lalana mipetraka, fa raha izy no miteny fotsiny dia tsy misy azo atao ny fahitako azy na hiala na hiaritra.
8. fijo ( 30/10/2011 17:49)
tsy voararan'ny lalana akory ny mandoko volo na manao akanjo izaytiana,saingy misy asa ahafahan'ny mpampiasa mandrara anao tsy hanao izay rah amety 'hanimba na hanaratsy ilay asa izany)
ohatra rah ampandray olona ny asanao nefa ianao manao volo miloko manga sy mena,azony rarana izany.
raha any anaty birao any kosa ianao no miasa,ny famerimberenany ilay zavatra di aazo raisina ho herisetra aratsaina .satria tsy ny lokombolo akory no manao ny asa eo
9. jesuisla ( 17/01/2012 17:19)
Misy aloha ny demokrasia. tokony hifampiresaka sy hifanazava ny mpiasa sy ny mpampiasa, @ fombe feno fanajana. Manana ny toetrany ny mpampiasa. Tsy tiany manao zipo fohy ny mpiasa satria manajanaka vavy izy. Tsy tiany ho lesona ho an'ny zanany ny mpiasa. D mitady ny hoe marimaritra iraisana. zay no vahaolana 1er. Rehefa tsy mety izay d miditra @ sehatra faha2. tonga d mana-pakevitra sy misafidy ny 1. Izaho ranga manana ny marina an! ts misy lalàna miteny hoe aza miakanjo mainty ao ampiasana. Nefa mety halahelo ny vadiny maty lay olona eo akaikina mahita izany. Mifampiresaka, mifanaja, mifanazava, mifampicomprendre, tsy manejika, tsy manome tsiny, manome sosokevitra raha misy,sns. Efa milahatra ireo vahaolana omeko ireo. Tsy misy vahaolana mihoatra ireo. Tsy misy olana tsy azo zaraina. tsy mis olana tsy azo resahina sy tsy azo vahana. Raha tsy mety ireo d satria adala ny 1, ary mitady ady
10. zonia ( 19/01/2012 15:35)

Azo raisina ho heri-setra ara-tsaina mihitsy io fihetsika io. Ary tsy misy fondement juridique ny fandraràny anao. Saingy raha izaho no teo @ toeranao, raha haitraitra ilay lokom-boloko fa tsy natiora de averiko @ lokony mainty. Izany ve no hahavery asa ahy @ izao fiainana sarotra izao. Sarotra anie izao ny mitady asa e! Inona koa anefa ny soa azo @ volo miloko e?!
Hoianao raha tsy misakafo na tsy mitafy ny ankohonanao o! Mahita kilazalaza anio o!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0875