fametrahana zaza eo am pot volohany

1. arialy ( 22/06/2010 08:11)
miarahaba é, mba manotany anireo reny na ray manana traikefa
te hametraka ny zanako eo am pot amzay fa efa ho 2ans dans 4semaines
efa nanandrana za, iin 2 fa tsy misy inona ataony eo am pot fa mipetraka fotsiny
nefa efa plus de 30mn izy no eo, apetrako refa vita ny biberon maraina , ny sakafo
hariva koa,
mba omeo fika oe ahoana ny hanaovana azy !! misaotra mialoha
2. hery ( 22/06/2010 10:42)
Efa mba natondrotra ve kaloha taloha?

Ny fika hitako dia atondrotra normal aloha izy. Raha efa zatra izy dia manao. Dia apetraka tsikelikely amin'ny pot. Fantany amin'izay hoe ao indray no atao.
3. arialy ( 23/06/2010 08:01)


Efa mba natondrotra ve kaloha taloha?

Ny fika hitako dia atondrotra normal aloha izy. Raha efa zatra izy dia manao. Dia apetraka tsikelikely amin'ny pot. Fantany amin'izay hoe ao indray no atao.
4. arialy ( 23/06/2010 08:02)
inona aza ity nataoko ? loll
tsy manaiky atondrotra lery ny tena marina , fa andramako matetika angamba
merci hery a
5. soanja ( 23/06/2010 15:41)

Raha hampianatra zaza hampaisa ny fitaovana ananantsika amin'ny fivoahana dia izay ananantsika avy hatrany no ampianarana azy, afa tsy ny lava-piringy ihany na latrine toy ny any ambanivohitra, izay atahorana ny hilatsahan'ny zaza ao.

Raha ny hevitro izany dia manampy ihany ny pot fa ny tena gabone no tsara ampianarana azy. Raha izay anefa dia mila mividy na manamboatra tohatra kely ny ray aman-dreniny mba ahafahany miakatra ilay fipetrahana ary raha aty an-dafy dia tokony hisy ireny sezakely fipetrahana misy lavaka eo ampovoany manampy amin'ny fipetrahany eo ambony eo tsy hianjera izy. Ny fahafahan'ilay zaza mampiasa ny zavatra ataontsika lehibe dia isany manampy ny sainy mahalala fa mahavita toy ny olon-drehetra izy ary mahaleotena, manana control ny zavatra ataony. Ny tian'ny zaza koa mantsy dia ny maheno rehefa avy eo hoe halefa ilay maloto ka afaka mi-flash izy. Iny feo iny dia mahafinaritra azy koa ary ny fahafahany mahalala fa mila alefa ny caca fa tsy mijanona ao an-trano intsony.
Raha ilay gabone miringiringy indray , na ilay lavaka fotsiny dia ianao mihitsy manoro azy eo hoe inona no atao sady tazomina tsara izy.
Raha roa sy tapany ny zaza dia efa somary mihamitombo ny tahotra ananany satria ny olombelona tsy maintsy mizatra ny saina hoe inona ity zava-baovao ity ary mahalala izy fa afaka mianjera izy ary tsy mifandraika ny vatany sy ny tany tokony hamaharan'ny tongony, fa tokony any amin'ny taona 14 mois vao afaka mamindra izy dia isaky avy ny misolo pataloha/ lamba dia apetraka eo ambonin'ilay kabone misy fipetrahana izy dia lazaina hoe " caca" na "pipi" na dia efa nahavita aza izy teo aloha teo. Amin'iny fantany any aoriana fa izay no fanao rehefa hi-caca tokoa.

Tsy dia tsara loatra ny zaza mipetraka elabe eo ambony pot >10mn satria mety mampisy hemoroida azy na miborotsaka ny tsinaim-bodiny rehefa elany ela indrindra raha toa ka miezaka mamena izy nefa tsy misy zavatra mivoaka. Tsy mampazoto zaza koa ilay manao zavatra nefa tsy misy vokany eo nefa izy alefa eo matetika. Izy koa dia mahalala fa misy ny accomplishment na fahavitan-javatra ary faly amin'izany izy toy isika ray aman-dreny ihany. Fa laizana izy fa tsy nisy n'inona n'inona nandeha fa afaka antsakadiny indray isika miezaka. Efa tsara ny ezaka.

Zavatra iray mila fantarin'ny zaza dia ny fahafahany mahalala fa tokony/ efa akaiky/ manindry ho avy ny pipi-ny na caca-ny. Rehefa izany dia alefa mi-pipi izy na mi-caca hoe "mila mandeha mi-pipi amin'izay ianao fa toa ho avy izy izany.". Mila fantarin'ny ray aman-dreniny izany ny fotoana tena fi-caca-zany. Ny fi-pipizany indray dia raha mihetsiketsika izy na manao fomba hilaza fa akaiky ny raharaha. Tsara aza indraindray raha manao izany fihetsika izany izy ka ianao ray aman-dreny eo dia milaza ianao fa mila mandeha izy nefa izy tsy mety dia mipipi ampataloha izy. Eo izy no mahalala ny atao hoe lena ka matetika ny zaza smart dia tsy dia tia izany lena izany satria manelingelina azy. Zany hoe ilaina izany ny tsy hampanaovana azy diaper na pampers na couche intsony rehefa vonona ny hampianatra azy hamonjy wc ianao. Ny mahalena sy mampadikidiky ny zaza no mahatonga ny sainy hahatsapa fa tsy tsara ilay fahatsapana fa misy fomba hafa azo isorohana izany, dia tsy inona fa ny wc.

Azo atao tsara ny manome azy bojy hovakiana ao rehefa miandry caca izy na manao zavatra manaitra azy hahatonga ny pipi. Toy ny feo hoe " ps-ps-ps" na alefa ny rano eo akaikiny dia manaitra ny pipiany izany hirotsaka sns sns.... Tsara raha tena zaza be mokona ny manome azy fanomezana hoe ireto misy stickers na autocollant ho anao raha vao misy pipi vitanao rehefa avy eo. Dia apetaka eo akaiky ny kabone ny chart hilazana fa nahavita sy nipetaka ilay sticker. Tsy dia mi-encourage kosa aho hoe omena bonbon na hoe sokola ny zaza rehefa tiana tambazana hipetraka amin'ny wc satria manjary be loatra ny mamy tiany hotratrarina any aoriana rehefa omena loatra izany izy ka lasa mitaky zavatra bebe kokoa noho io izy rehefa raikitra ny satrotra any aoriana be any.

Tsy mora ny mampianatra zaza mampiasa kabone saingy isany tena fahantanterahana goavana na ny ray aman-dreny na ilay zaza ilay izy. Ny fiarahanareo miasa sy miresaka ary mitady filaminana fa tsy dridrany ary gidraka no hahatomombana izany. Fantany ny ezakao moa izy koa mahalala fa niasa mafy izy. Izay ilay fanabeazana!

Mazotoa ary!
6. hery ( 23/06/2010 21:06)
Misaotra an'i Soanja fa tena mahaliana.

7. sakaizakely ( 24/06/2010 09:37)
tena tsy tadidiko intsony, very ny ahy ny mode d'emploi LOL
Tam sipa kely tsy niandry ela fa dila kely ny 1 taona dia efa nampianarina, dia otran tsy hitako nananosarotra. Fa le jolaka kely farany otran mandreraka zany nefa efa 2 taona mahery, tsy haiko hoe lery v votsa satria tena hitako mbola mibadabada kely zany izy miohatra @ zokiny au méme âge, sa za no tady hitazona azy ho zazakely foana (hoy ny mpijery hihihi). Tsy arako intsony koa e, efa tsy manao taty intsony lery ary mazoto mandeha ambony pot, fa raha vao iny aho no raikitra elaela @ raharaha hafa ka hadinoko ny mandefa azy eo ambony pot dia lena izy rehefa miverina avy any aho, ato antrano ihany io fa rehefa mivoaka milalao tsy misy pb. Efa ho 1 volana izay toa tsy misy vokany. Ataoko ahoana angaha...
8. soanja ( 25/06/2010 02:09)
Tsy misy fisaorana Hery.

Sakaiza> Raha ny valin'ny fikarohana hita dia somary votsa kokoa ny lahikely raha oharina amin'ny vavikely raha ny resaka fahaizana mampiasa kabone haingana. Izany anefa dia miankina tokoa amin'ny zaza tsirairay sy ny fahavitrihany ihany koa.

Miankina lalandava koa amin'ny fikarakaran'ny ray aman-dreny amin'ny fanarahana maso ny filebiazan'ny zaza sy ny fotoana tokony hahavitan'ny zaza zavatra iray (milestones) ny fahafahan'ny zaza manao zavatra sy ny fahombiazany, eny fa na dia smart na marani-tsaina aza ilay zaza. Misy manko ray aman-derny varimbariana satria manamora zavatra ny couche diapers dia lasa ilay zaza koa no manaiky tsy sazoka satria ny diapers dia tena tsy ahenoana mihitsy fahalenana indrindra raha pipi no mitranga. Ny zaza manao taty lamba cotton kosa dia tena mora mahay mampiasa wc tokoa satria izy mahatsapa foana fa lena ary vao mihalehibe izy dia ny hanary/ hanala an'iny raha vao lena no mahamaika azy.

Ny zazalahy akory tsy votsa ara-tsaina fa ry zareo raha oharina amin'ny vavikely dia tsy mora taitai-javatra. Zany hoe rehefa misy zavatra tiany atao dia variana eo izy ary tsy mety hiala eo ny sainy na dia hita aza fa misy zavatra manaporitra azy ao. Tia mifantoka /milalao kokoa ny zazalahy noho ny zazavavy ary rehefa sondriana dia ao tanteraka tsy azo akifika. Hita izany aty afara raha hanao matematika dia ry zareo no mifantoka kokoa sy miady mafy tsy mamela mahazo ilay olana. Ny vavikely indray dia amin'ny mahavavy azy dia mora mahatsapa kokoa izy ny zavatra tsapan'ny vatany ary mora mandinika kokoa ny tokony atao avy hatrany ilain'ny vatan'olombelona. Ara-piarahamonina izany (social/ emotional) dia ny vavikely no malaky kokoa.

Tadidio foana anefa fa ny zaza voalohany dia mahasahirana mafy ny ray aman-dreny ary iasan'ny ray aman-dreny mafy ny lohany hoe ahoana no atao ka matetika dia stressed na sarotiny ny ray aman-dreny ary maharaka tsara ny fandehany, fa rehefa kosa tonga any amin'ny zaza faharoa na fahatelo dia efa milamina maka mahazo ny ray aman-dreny matetika ary ilay zaza no mitantana ny baolina amin'ny fahavitany zavatra iray.

Na izany anefa na tsy izany dia tsy misy atahorana ny rehetra fa raha zaza salama tsara dia tsy hisy handeha hianatra any ampianarana 5 taona miaraka amin'nny taty tsony fa aza manahy. Alaivo mora ny fiainantsika! Relax!
9. shanyah ( 25/06/2010 08:08)
Ny zaza izany dia manana fomba fijery hafa noho ny antsika olon-dehibe na de mbola tsy miteny aza ny vavany dia efa manana ny heviny. NY fomba ahazoana ny fon'ny zaza dia amin'ny alalan'ny kilalao, sy ny fitaovana maro loko, satria mbola vao mianatra izy.
Izany no mahatonga ny hoe ny zavatra ho an'ny zaza dia miloko marevaka. Dia mitovy amin'izay iany koa ny resaka Pot. Raha pot tsotra no ataonao eo, tsy ahaliana azy mintsy iny satria tsy manaitra ny masony. Tsy azo forcena izy fa alefa tsikelikely. Rehefa mividy ilay pot de ezaho ho pot mitovy amin'ny kilalao, ohatra hoe sarina fiara, na biby isan'karazany. azavaoa azy ny antony ampesana an'izy io. Na de tsy miteny aza izy de azony tsara ny tianao olon-dehibe miteny azy, azavao azy ny fomba fampiasa azy. Amin'ny voalohany, izy mety tsy hiraraha an le pot, fa refa mande miandalana miasa ny sainy, ary tsy maintsy hanandrana izy. Aza bedesina nefa izy ra tsy mety hanao ao amin'ny voalohany fa mandeha tsikelikely ny fanazarana azy.
Antenaiko fa nahavaha ny olanao ny fanazavako
10. arialy ( 28/06/2010 09:28)
misaotra betsaka anareo namaly fa tena mahaliana sy manampy tokoa .
lahy kely ny zanako ary tena marina fa raha oharina amin"ny zazavavikely amin'ny taonany dia
somary tara izy, mbola tsy dia miteny tsara izy anefa efa ho 2taona afaka herinandro vitsy, 15volana vao tena nandeha, ny mba haingana taminy dia ny nihinankanina irery, 16volana dia efa mihinana irery, izao izy efa mahay mandray fourchette sy sotro ary antsy (hoan'ny zazakely), ary rehefa olona tsy mahalala oe efa mihinana rery fona izy ka mamahana azy dia mitomany be izy.
ny resaka wc, tena nieritreritra anizay aho ary efa nividy ilay lunette kely atao ambony wc iny mihitsy nialoha ny nividianako pôt fa nisy niteny tamiko oe tsy mety io fa pot aloha, dia nefa tsy raharahany akory ilay pot fa imehezany sy dakany, dia izay ny nangalako hevitra teto.

Mankasitraka ny rehetra mizara trai-kefa sy manome torolalana é !!
11. nameno ( 01/07/2010 14:19)

raha izaho manokana ndray aloha dia tsy dia tia loatra le fomba fitaizàna eto andafy e!! hoe mila omena stikers sns mba andrebirebena azy,hi kàkà sy hi pipi koa ve dia mila tolorana zao rehetra zao,raha za reny dia fantako,na azo fantarin'ny reny hoe misy fihetsika ataon'ilay zaza rehefa te hikàkà izy,rehefa mahita zay dia vonjena atondrotra haingana araky ny lazain'i Hery, ka ila pot no tsara hanazarana azy,matetika ny zazakely dia matahotra apetraka eo @ pot,kanefa somary atao forcé kely,rehefa zatra izy manaiky foana, izy indray aza no hitady an'iny ny farany,ary aza tezitra raha batainy omeny anao ilay pot lol
12. soanja ( 02/07/2010 00:32)



raha izaho manokana ndray aloha dia tsy dia tia loatra le fomba fitaizàna eto andafy e!! hoe mila omena stikers sns mba andrebirebena azy,hi kàkà sy hi pipi koa ve dia mila tolorana zao rehetra zao,raha za reny dia fantako,na azo fantarin'ny reny hoe misy fihetsika ataon'ilay zaza rehefa te hikàkà izy,rehefa mahita zay dia vonjena atondrotra haingana araky ny lazain'i Hery, ka ila pot no tsara hanazarana azy,matetika ny zazakely dia matahotra apetraka eo @ pot,kanefa somary atao forcé kely,rehefa zatra izy manaiky foana, izy indray aza no hitady an'iny ny farany,ary aza tezitra raha batainy omeny anao ilay pot lol


Miankina tanteraka ny fahalalanao ny zanakao izany rehetra izany. Raha zaza tsy tia forcer-na na be mokona, izay isan'ny ilazana ny zaza manana ny mahaizy azy tokoa, dia na ho forcer-nao hitoetra eo aza izy, ka hofikirinao eo izy dia hikiakiaka sy hitsipatsipaka ary asa izay iafaran'ny fikakazana sy fipipizana na hisy na tsia. Ny hany fantatro dia any amin'ilay zaza ny control raha vao io resaka kaka sy pipi io fa tsy amintsika ray aman-dreny akory. Izy no hanokatra ny vatany handefa ny kaka-ny na tsia , ka raha misy fanerana sy fiadivan'ny saina dia vitsiana izany no hitranga.

Fa tena misy tokoa zaza nokapohina, nolevilevena, nobedesina raha lena, tairina ary forcer-na sns sns... dia tsy afaka hanao inona akory izy zaza fa dia hanaiky anao Rad satria ianao no atokisany hanome azy izay tandrify azy. Izay no ilazako angamba hoe ny zaza dia toy ny volavolana kobamofo dipaina ihany izay asa ataonao aminy sy endrika tianao tompo-mofo aminy no ho seho momba azy rehetra vita ny mofo, indrindra raha toa ka nifanaraka tamin'ny fananana nametrahanao ny lafaoro ny itiavanao ny fivoakany.

Tohizako ny hevitro
13. soanja ( 02/07/2010 00:48)
Hafanana fa diso ny soratro etsy ambony.

Ny zaza dia manomboka eo amin'ny fahafahany mihetsika miala amin'ny toerana iray mankany amin'ny toerana iray ka tsy voatery mila ray aman-dreny izy : mikisaka amin'ny kibo, mandady, mamindra sns sns... ka manao izany amin'ny zoto-pony dia mahalala fa olo-tokana izy fa tsy mitambatra amin'i Neny intsony na i Dada na izay mpitaiza azy matetika.

Ny fitaizana any ambanivohitra na any amintsika izay manana mpanampy sy i Neny tsy miasa dia mibaby ilay zaza foana na atao an-trotroana ilay zaza satria mila mamita asa izy ireo ary ilay zaza koa mety tsy manana securite manokana ahafahany ho izy irery mahavita-tena nefa tsy atahorana ny momba azy. Raha zatra an'iny ilay zaza dia elaela aminy ny mahalala fa misaraka izy sy ilay mpitaiza azy isanandro. Raha amin'iny taona trotroana, babena iny foana izy dia mora tokoa ny manatondrotra azy rehefa te hampipizana izy na te hampikakazana. Satria izy dia zatra mihantona foana. Tsy matahotra ny tohitry ny tany satria mahatoky izy fa misy mpihazona. Izay ny mahatsara ny fanondrotana raha mbola vao 8 volana aza ilay zaza satria izy dia mbola tsy mahalala hoe inona izy mihoatra amin'ny tany itsahany.

Fa raha zaza tsy nozarina babena lava sy trotroana lava kosa ka vao nahalala izy ny hoe fifaharan'ny tongony sy ny vatany amin'ny tany dia sarotsarotra ny hitazomana azy hihantona na hatondrotra satria izy dia hahalala fa tsy mifandraika ny vatany sy ny tany ary misy tanana mihazona azy. Io tanana mihazona azy io dia fantany sy tsapany fa mifikitra amin'ny vatany. Indraindray dia tsy tiany izany satria izy dia te hahaleo tena. Ny sainy anefa dia mitaky ny hifaharany amin'ny tany. Izay no mahatsara ny mampiasa pot satria ny tongotr'ilay zaza dia mifahatra amin'ny tany. Saingy mila lalandava hoe ny sainy manaiky ny fipetrahany eo no hahatombona ny asa ho ataony. Ny fametrahana azy amin'ny pot izany dia tokony hiseho efa ela vao afaka mandady izy satria mizatra ny fipetrahana eo izy mandrapahalehibeny hamita ny adidy amin'ny pot.

Ny zaza roa taona latsaka kely ka hatramin'ny 4 taona dia toy ny tanora miala sakana ihany. Manana ny mahaizy azy manokana ary dia ny mifanindry bokotra amin'ny dada sy neny no tena kapoaka goavany tiany sotroina. Ka ny fifampiresahana ihany sy fifandaminana no hitondra filaminana ho an'ny mpianakavy.

Tohizako hatrany

14. soanja ( 02/07/2010 00:55)
Ny zaza dia tia trotroana tokoa saingy ny zaza tia fahaleovan-tena dia tsy manaiky izany raha tsy izy no mangataka izany sy manolotra sandry i dada sy i neny ary izy no manantona sy mamonjy ny sandry handray azy. Toy izany koa ny famikiranao ny zanakao eo amin'ny pot. Ny zaza tia fahaleovan-tena dia tsy manaiky tsindriana ny sorony na ny vatany fa hipelika izy satria tsapany ny famikirana amin'ny vatany. Zany hoe raha zaza hiditra nhy roa taona izy dia ho gidragidra izany fotoana izany raha tsy hoe zaza bonaika izy ka manaiky izy rehetra atao aminy.

15. soanja ( 02/07/2010 01:00)
Ny zaza amin'io taona 2 taona latsaka io dia tena ao anatin'ny fotoana tokoa hivelaran'ny teny hivoaka ny vavany. Eny na dia tsy miteny aza izy dia efa feno teny sy feo ary hevitra ny sainy.

Marihako fa ny zaza misy teny karazany roa na telo ao anaty fianakaviana dia somary tara kely ny fivoakan'ny teniny ety ivelany saingy tsy midika izany hoe tara izy ara-tsaina fa mameno sy mbola miasa ny sainy handaminana ny hamoahana azy. Ny zaza koa manana zoky petsana dia ho votsa fiteny satria ny zokiny no hamita ny resaka rehetra tiany havoaka ary miteny amin'ny anarany. Izany hoe tsy votsa ara-tsaina ilay zaza fa misy manamora zavatra eo amin'ny fiainany dia iny no ianteherany aloha satria izay ny mahaolombelona. Ny manamora ny fiainantsika no takiantsika raha tsy hoe olona sarotiny angamba.
16. soanja ( 02/07/2010 04:16)
Ary farany azafady fa lavabe.

Ny stickers dia isan'ny zavatra mahafinaritra ny zaza amin'io taona io satria izy dia tia zavatra kilitika, tia mampiasa ny rantsa-tanany kely manongotra, mametaka, manoro sns sns..., tiany ny mitazona zavatra iray kely eo amin'ny tanany. Mahafinaritra azy ny sarisary eo amin'ny stickers. Zany hoe ny zavatra mahaliana azy amin'io taonany io no tsara omena azy momba ilay stickers rehefa vita ny fipetrahana sy ny ezaka teo amin'ny kabone. Raha lahikely dia mety sary fiarakely, na hafa maro manaitra ny zazalahy.

Izany anefa dia omena azy mba hanaitaitra ny sainy. Tsy ny zaza mazoto rehefa asaina manao zavatra no omena azy fa ny zaza be mokona ary tsy mety manaraka izay tiana ampanaovina azy. Misy dia misy tokoa mantsy ireo zaza ireo. Ny fireham-pampianarana arahiko dia tsy manaiky valisoa fa io ezaka iray io kosa (ny resaka fampianarana ankizy mampiasa kabone) no hany azo iodivirana kely satria io dia tsy azo forcer-na ny zaza fa tokony ny zotom-pony lalandava no iakarany sy anekeny izay tianao atao momba izany. Satria any aminy ny volant handefasana ilay kaka raha tsy hoe zaza efa marary mivalana izy.
Ny mahatsara ny stickers dia afaka mamaritra izy eo hoe firy ny ezaka vitany eo amin'ny chart izay apetraka ao amin'ny chambre ohatra na ao an-kabone na toeran-kafa ifanarahana aminy sy todin'ny tanany. Izy no mametaka azy eo. Fierte ny zaza mihitsy izany hoe mahavita zavatra mahomby izany ary tsapany izany rehefa mijery ireo stickers milahatra eo izy. Raha ny fahaizako azy dia io no tokony ho chart voalohany iasan'ny zaza iray amin'ny ezaka ataony satria any aoriana dia hisy ny hoe inona no anjara asan'ilay zaza ao an-trano ary inona ny vitany sy tsy vitany sns sns... ohatrinona no vola niditra tamin'ny argent de poche ary inona no azo tamin'izany sns sns ... miankina amin'ny fitombon'ilay zaza aman-taonany. Misy dia misy tokoa ny zaza mila mahita valin'ezaka azo tsapain-tanana ankoatran'ny fanomezana azy teny mamy sy fampaherezana. Izany anefa tsy midika hoe ny zaza rehetra dia mila izany zavatra tsapain-tanana izany. Fa misy zaza tsy misy dikany aminy izany fa ny fifandraisanareo mianaka eo ampanantanterahana ny asa sy adidy no zava-dehibe aminy. Io mantsy no tena goavana indrindra, dia ny fahalalany fa nisy ezaka avy tamin'ny roa tonta.

Ny hoe fandrebirebena indray dia miankina amin'ny tsirairay ny fandraisana ny zavamisy. Misy aza zaza tsy tiany mihitsy ny idiranao ao amin'ny wc raha ao izy ka manao ezaka. Ao koa anefa ny mila ianao eo mijery azy sy miresaka aminy manoro azy ny tokony atao.

Ny zazalahy dia mora mandray kokoa ny tokony atao raha manoro azy ny dadany hoe ahoana ny atao rehefa mipipy. Rehefa milamindamina mihitsy ny fotoana dia mila miteny ny dadany hoe " handeha hipipy aho, ndao atoroko an'ise inona no atao." dia iny no arahiny. Amin'io taona io mantsy ny zaza dia efa manomboka mahatsapa hoe misy ny lahy sy ny vavy ary mahafinaritra azy ny mahalala ny vatan'olombelona.

Ny zaza dia manan-tsaina tokoa mandinika ary izy dia ny hahaleo tena azy no zava-dehibe aminy amin'io taona io raha mazoto manoro azy ny tokony atao ny olon-dehibe. Fa raha toa kosa ka zavatra tsy ampiasain'olondehibe no omena azy ampiasainy dia misy zaza mahalala fa kilalao iny zavatra iny (pot) fa tsy ilay tena izy no atoro azy.

Misy fotoanany ny fisokafan'ny zaza tsiraidray ary raha zaza tsy vonona hipetraka amin'ny pot dia milaza izy ankolaka amin'ny fihetsika fa ny tena wc no tiany hampianarina azy ary manana ny fotoanany izy vonona amin'izany fa tsy voatery ny fotoana heverin'ny ray aman-dreny fa mety aminy.

Miankina lalandava koa anefa amin'ny fihetsiketsehina sy ny kolontsaina ao an-trano amin'ny kilalao sy ny tena izy no ihiratan'ny fahazotoany amin'ny zavatra iray.

Mazotoa hatrany mandalina ny zaza fa harena tsy hita pesipesenina ny ao amin'izy ireo!


17. arialy ( 20/07/2010 17:06)
efa manao am pôt tsara izy izao, fa saingy tamin'ny herinandro faharoa nanpianarana azy, dia tsy nataony tao anaty pôt fa teo ivelany GRrrrrr be zà tamzay, fa tsy sahiko nobedesina mafy fa nazavaiko taminy tsara fotsiny.
ny miteny aloha dia mbola tsy tafavoaka fa efa mba manomboka mapiasa mots 2 na 3 miaraka toy ny merci tatie cherie, byebye mamie, il est tombé...
fa merci fona am torohevitra
18. radila ( 29/12/2010 14:36)
ny zaza zany hitanareo titi vao zay ihany, fa tokony tambazina @ reny pot misary soavaly reny na misy kou oh ny automobile reny, de refa tsy mety @ zany izy de ataovy an le pot tsotra kely reny ndray andramana de tambazan'ny mamany eo kalony , miaritra kely miaraka aminy eo na zay oul mety mahazatra sy mahatambitamby azy, fa mety iany io ny farany, de ny couleur ny pot kou mba atao an le manaitaitra azy reny fa tsy ze tin'ny reniny na ny rainy akory fa izay ita we mahataitra an le zaza,
mazotou manondrotra e kou e!
19. iorenantsoa ( 19/02/2011 08:24)
bjr,
ny ahy in1 tamin 5 mois no napetraka tamin pot ts hoe napetraka iz fa somary atao ambany vodin ny tanana no sad mitazona az de mis olona mitazona pot de zao iz zatra tsara de ref maraina iz zao no mipetrak amin pot (otran mapiomeh b ny mijery az fa ol kel mipetrak amin pot) (lol)
fa zay ihany no fanaovana az de ref te alana couche az de ampanaovina couche iz de asorona isak ny manondrotra az satria iz ref misotro rano d te hipipi de zay no hizarana azy atondrotra fonafona de afaka refa farany

zay fa de mazoto daholo e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.3705