Sao mba misy namana afaka mifandray amiko fa mba maniry te hividy boky fandrahoana sakafo kireoly avy ao la Reunion aho. Afaka mifanakalo koa raha mety boky fandrahoana sakafo kireoly avy aty New Orleans aho raha mankasitraka izany ny namana. Misaotra mialoha.
nisy hoe i "Bebette" zay, speakrine, journaliste izy taloha, ary toa hoe nanokatra restaurant any Paris izy am zao! avy any Antilles aloha izy fa tsy La Réunion aloha e!fa lay maha créole azy fotsiny no ilazako eto hoe vao namoaka boky recette nohavaozina hono izy io!
Ianao any New Orleans fotsiny no tsy haiko raha misy boky avy France tonga amin Librairie-nareo any!
ny hany sakafo créole fantatro (havana nandalo tany la réunion no nahafantarako ity fomba fahandro ity) raha tsy sinoa tampoka fa ry zareo sinoa koa manko mahafantatra (ny mpivarotra sinoa eraky france manana azy en "congelé") :
ny "concombre amer" na "margose";
fomba fikarakarana azy:
- sasana,
- vakiana roa,
- esorina amin'ny sotro ny voany (ohatran'ny manala voana concombre reny ihany rehefa antitra ilay izy)
- tetehina amin ny halavany (ohatran ny habe-na haricot vert)
- manao saosy tongolo sy voatabia anaty lapoaly na casserole
- arotsaka ao ny margose voatetika,
- haroharoina mandrapahaleminy (izany hoe sauté-na e!)
Hanina miaraka amin ny vary na pate!
mazotoa homana e!
marihina fa mangidy izy io ka raha tsy tia mangidy dia miala tsiny indrindra,
kanefa tokony tsy ho adino fa tsara ho an ny fahasalamana ny mangidy,
izany no hisotroan ny gasy ny "mangidy" (lay misy mivarotra mandehandeha eny analakely sy eny andalam be rehetra eny) e!
Ny tena avy ao La Reunion mihitsy no tiako ho hay satria misy fifandraisana amin'ny sakafo Malagasy- vokatry ny tany avy any Madagasikara ny sasany amin'izany na dia ny maha-karana aza ara no betsaka.
Izahay efa mpihinana marogozy foana amin'ny sakafonay tany Mada ka. Io Marogozy io dia isan'ny sakafo mahasalama tokoa ary manampy amin'ny fandiovana ny vavony sy ny aty.
le resaka boky aloha miala tsiny a fa tsy manana fa ity ndray misy site internet : www.noutreunion.com misy fomba fandrahoana e;
hitako tam za nitady resaka "brèdes morelles" sur google io; raha tapenao koa io d misy fifandraisana betsaka tokoa araka ny nolazainao am gasy sy ny réunionnais!
le resaka boky aloha miala tsiny a fa tsy manana fa ity ndray misy site internet : www.noutreunion.com misy fomba fandrahoana e;
hitako tam za nitady resaka "brèdes morelles" sur google io; raha tapenao koa io d misy fifandraisana betsaka tokoa araka ny nolazainao am gasy sy ny réunionnais!
Misy boky izay novidiko tany @ FNAC here
Mis koa ny video en ligne @ youtube. Ny pseudo an'ilay cuisinier dia "clicanooVideo". Manao sakafo mampilendalenda be ilay izy.