Mitady namana nipetraka tao @ toby Ratsimandrava

1. taloha ( 08/05/2010 12:31)
Mitady an'i Ida izaho raha mba misy mahalala na mba sendra mandalo eto izy.
Nianatra tao @ EPP Andrefan'ambohijanahary izy ary nipetraka tao @ tobin'ny zandarimaria Ratsimandrava. Mpianamana be izahay t@ mbola niara-nianatra nefa dia tsy nifankahita intsony taty aoriana rehefa samy lehibe ka asa raha mba misy mahalala azy ato.
novalian'i taloha ny 17/06/2010 16:27
2. taloha ( 18/05/2010 14:26)
Mbola averiko ihany raha mba misy mahafantatra io namako fahiny io. Misaotra mialoha ho an'izay hamaly!
3. tess ( 18/05/2010 21:08)
tam taona firy io?
4. mamijo ( 18/05/2010 21:34)
hay ve fanatatro io
5. taloha ( 25/05/2010 15:41)
tess:

tam taona firy io?



Manao ahoana ianao Tess, misaotra namaly.
T@ taona 1988 tany no niara-nianatra izahay. Asa na mety fantatrao fa dia misaotra mialoha @ izay mety ho valinteny avy aminao.
6. taloha ( 25/05/2010 15:45)
mamijo:

hay ve fanatatro io



Manao ahoana ianao Mamijo, misaotra namaly ihany koa!
Fantatrao tokoa ve io Ida lazaiko io fa tena mpinamana be ery izahay t@ zany fa nony efa taty aoriana moa dia samy lehibe ka tsy nifankahita intsony. Azonao omena indice ve ary aho raha fantatrao tokoa izy. Sanatria tsy manisy doute ny lazainao fa faly tokoa aho raha tena mahalala azy ianao.
7. tess ( 25/05/2010 18:36)
tsy fantako io fa zà tam taona 1994 no tao am toby no nipetraka e!
8. taloha ( 17/06/2010 16:27)
Miarahaba indray!
Dia tsy misy nahalala mihintsy ve ilay olona notadiaviko io ?
Mpianadahy ry zareo no samy nianatra tao @ EPP Andrefan'Ambohijanahary tamin'izany ka toa i Clarck angamba raha tsy diso aho no anaran'ilay zandriny lahy. Tena nahafinaritra ahy ny finamananay roavavy ka mahatsiaro foana na dia efa taona maro aty aoriana aza fa samy nanana ny fiainanany koa moa rehefa samy lehibe dia tsy nifankahita intsony.
Raha misy manana vaovao dia raisina antanandroa foana !!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1542