JEU VIDEO - PS 1- PS 2

1. xxx ( 30/04/2010 06:26)
Mba mila vonjy aminareo mpanabe fa tena variana amin'ny filalaovana JEU VIDEO isankarazany ny zanako , ary ny namany dia io daholo no kilalaony ?
novalian'i soanja ny 01/05/2010 22:30
2. soanja ( 30/04/2010 13:33)
Ianao Ray aman-dreny no mpiandraikitra sy manaramaso ary mametra izay ho lalaovin'ny zanakao amiko. Matoa izy miaina izany dia satria izay no asesikao aminy. Ny tontolo misy ny zanaka dia adidin'ny Ray amandreny avokoa raha mbola latsaky ny 16 taona izy.

Sarotra anefa ny manala azy amin'izany amin'izao fa dia ny famerana ireo zavatra video miodinkodina eo amin'ny fiainany no ilanao fanarahamaso. Asivo discipline ny fiainankizy fa izay no takiany amin'ny mahazaza azy na dia tsy tiany aza. Misy fotoana filalaovana, misy fotoana fianarana ary misy fotoana iasana ao an-trano ho isan'ny mpandray anjara sy mpikarakara ny fianakaviana. Atao an-tsoratra io ary samy afaka mamaky azy avy ny mpiray tokatrano. Io no entina hamaritany ny fiainany ary ahafahanao mahalala fa mila fanampiana izy na tsia amin'ny fiainany izao sy ho avy.

3. xxx ( 30/04/2010 13:48)
soanja:

Misy fotoana filalaovana, misy fotoana fianarana ary misy fotoana iasana ao an-trano ho isan'ny mpandray anjara sy mpikarakara ny fianakaviana. Atao an-tsoratra io ary samy afaka mamaky azy avy ny mpiray tokatrano.


Super Nanny :-)


4. xxx ( 30/04/2010 14:08)
Presque incontournable @ sociabilisation n'ny ankizy @ izao fotoana izao ireny jeux ireny ny fijeriko azy, rejeter n'ny ankizy namany izy raha tsy milalao , fa anjaranao ray aman-dreny no mametraka ny limite
5. soanja ( 01/05/2010 22:30)
Misy zavatra tiako marihana kely anefa

Ny kilalao toy izany be loatra na fijerena Tele be loatra na hafa manala azy amin'ny zavatra hafa tokony ataony sy ifandraisany amin'ny hafa dia isany koa azon'ny psikology lazaina fa misy zavatra tsy zakany na atahorany na tiany ialana ao anaty tokatrano ao dia lasa iny no iantefan'ny sainy tsy nahy sy imasoany be loatra. Zany hoe iny izany toy iny lavaka fiafenany fa amin'ny fomba hafa no anehoany azy.

Diniho tsara daholo izay ataony sy fihetsiny ary mila koa milalao / mandany andro miaraka aminy ianareo Ray aman-dreniny indraindray amin'izay mba manana tohitra izy amin'ny fitakiana be loatra ao andohany io kilalao io.

Ny fihetsika sy zavatra ataon'ny zaza na ankizy dia ataony satria mbola mianatra miaina izy fa izy tsy mahalala mihitsy izay atao fa isika RAD no mpanoro lalana amin'izany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0767