Antso hampianatra teny anglais sy francais

1. NDINDY ( 06/04/2010 09:10)
Miangavy antsika ato amin'ny namana serasera mba hanome adiresy hampianatra cours de francais sy cours d'anglais ho ahy raha misy fa tena sahirana aho, somary debutant ihany anefa satria efa elaela no nianatra izany farany ka efa adinodino daholo; Ity ny adiresiko ato amin'ny serasera : NDINDY na E_mail : arisoa16@yahoo.fr. MISAOTRA MIALOHA ho an'izay rehetra hamaly ny antsoko. MBA MILA VONJY FA TANA SAHIRANA E E E E !
novalian'i niryna ny 18/04/2010 19:36
2. sipagasy ( 06/04/2010 12:54)
azonao lazaina veh hoe aiza ny toerana misy anao??
3. soanja ( 06/04/2010 15:39)
Vonona ho any ambanivohitra ve ianao? Hisy mpampianatra Anglisy ho avy any aminay lavitra be any Atsimo Atsinanana ny Madagasikara ary bojo mandritra ny iray volana. Manorata any amiko raha te hanaraka izany fianarana izany ianao amin'ny volana Jolay eo ilay izy.
4. NDINDY ( 07/04/2010 10:48)
sipagasy:

azonao lazaina veh hoe aiza ny toerana misy anao??

Misaotra indrindra tamin'ny famalianao ny antsoko. Ny toerana misy ahy dia eto Antananarivo ville ihany, nefa raha misy toerana mety azoko aleha dia tsy maninona fa hihezaka ihany aho araka izay azoko atao; misaotra indrindra eeee!
5. NDINDY ( 07/04/2010 10:56)
[quote=soanja]
Vonona ho any ambanivohitra ve ianao? Hisy mpampianatra Anglisy ho avy any aminay lavitra be any Atsimo Atsinanana ny Madagasikara ary bojo mandritra ny iray volana. Manorata any amiko raha te hanaraka izany fianarana izany ianao amin'ny volana Jolay eo ilay izy.
[/quot
Misaotra betsaka namaly ny antsoko; Saingy eto Antananarivo aho no mipetraka ka tsy maintsy hitady hevitra mandrapahatonga ny volana jolay raha sitrapon'Andriamanitra ny hahatongavako any Atsimo Atsinanana. De misaotra indrindra eeeee!
6. soanja ( 08/04/2010 12:08)
NDINDY:

Teneno fotsiny rehefa vonona dia atoroko anao ilay toerana. Tsy mialon-jafy ny any!

7. niryna ( 18/04/2010 19:36)

Raha te hanamasaka ny teny anglais koa hianao dia misy fandaharana amin'ny radio isa-maraina ary misy hira sy olona miteny vaovao amin'ny teny anglisy koa ao,tsy mitovy ny fitenin'ny mpampianatra sasany aty amintsika anefa ilay izy fa tena teny anglisy mitovy ny an'ny amerikana no fomba firesany

Raha tia miangona koa hianao dia afaka miangona ao ambanin'ny fanontana baiboly,ilay ao Antaninarenina-toerana fivarotana baiboly sy karazana boky masina io ,misy fiangonana anglisy ao ambany ao ary misy fiangonana ao ny alahady miditra amin'ny 9 ora maraina,mihirahira amin\ny teny anglisy sy toriteny amin'ny teny anglisy ary feno gasy sy vahiny,hira sy fandaharana amin'ny teny anglisy fotsiny sady mazava be ilay firesahany no misy fampianarana ny zanaka(ny ankizy ) ny sekoly alahady koa aza ao ary @ teny anglisy no ampianarany ireo ankizy kely .Tsara be ilay izy

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1891